Tahirim-pitaovana
Fizarana 32, Andro 4: Apokalypsy 20–22


Fizarana 32: Andro 4

Apokalypsy 20–22

Fampidirana

Nahita tamin’ny fahitana ny andron’ny arivotaona sy ny Fitsarana Farany i Jaona Apôstôly. Nahita “lanitra vaovao sy tany vaovao” (Apokalypsy 21:1) ary ny tanàna masin’ Andriamanitra izay haorina eto an-tany ihany koa izy. Nofaranan’i Jaona tamin’ny fitalahoana tamin’ny Tompo mba hiverina ety an-tany ny firaketany.

Apokalypsy 20

Nahita ny andron’ny arivotaona sy ny Fitsarana Farany i Jaona

Ny Fitsarana Farany

Araka ny drafitry ny Ray any An-danitra, ny olona rehetra izay niaina teto amin’ity tany ity dia hijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba ho tsaraina. Alaivo sary an-tsaina hoe ahoana araka ny eritreritrao izany Fitsarana Farany izany.

  1. journal iconSoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay antenainao fa hoeritreretinao sy ho tsapanao rehefa mijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba ho tsaraina ianao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 20:1–11, dia hitan’i Jaona fa hofatorana i Satana mandritra ny Arivotaona ary ny marina dia hitsangana amin’ny maty ao amin’ny Fitsanganana amin’ny maty voalohany. Nahita ihany koa izy fa i Satana dia “tsy maintsy hovahana kelikely aloha” eo amin’ny fiafaran’ny Arivotaona (Apokalypsy 20:3). Rehefa avy miady farany amin’ireo Olomasina i Satana sy ireo mpanara-dia azy dia “[h]atsipy any amin’ny farihy afo sy solifara… mandrakizay [izy]” (Apokalypsy 20:10). Dia hitranga ny Fitsarana Farany.

Vakio ny Apokalypsy 20:12 dia tadiavo ny fomba hitsaran’ Andriamanitra antsika. (Soratra masina fehezina ny Apokalypsy 20:12. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)

Fenoy ireto fotopampianarana manaraka ireto izay ianarantsika avy amin’io andinin-tsoratra masina io: Andriamanitra dia hitsara antsika avy amin’ny araka ny .

Ireo boky voalaza ao amin’ny Apokalypsy 20:12 dia ahitana ny soratra masina, ireo rakitsoratry ny Fiangonana izay mirakitra ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary ny bokin’ny fiainana.

Vakio ity fanazavana manaraka momba ny bokin’ny fiainana ity: “Amin’ny lafiny iray ny bokin’ny fiainana dia ny fitambaran’ny eritreritra sy ny zavatra nataon’ny olona—ny rakitsoratra momba ny fiainany. Manambara koa anefa ny soratra masina fa misy rakitsoratra any an-danitra, tanana ho an’ny mahatoky, ka ao anatin’izany ny anarany sy ny fitantarana ny zavatra marina vitany (F&F 88:2; 128:7)” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Bokin’ny fiainana”).

Vakio ny Apokalipsy 20:13 dia tadiavo ny zavatra hitranga mialoha ny Fitsarana Farany.

Ny tsy marina sy ireo tsy nibebaka dia hitsangana ao amin’ny Fitsanganana amin’ny maty farany, eo amin’ny fiafaran’ny Arivotaona, ary hijoro ihany koa mba hotsaraina araka ny zavatra izay nataony (jereo ny F&F 76:85).

  1. journal iconEritrereto ilay fotopampianarana hitanao teo aloha (hitsara antsika avy ao amin’ireo boky izay nosoratana araka ny zavatra nataontsika Andriamanitra). Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana sy finoana ity fotopampianarana ity manova ny zavatra ataontsika ankehitriny sy mandritra ny fiainantsika iray manontolo? Saintsaino ihany koa ireo zavatra azonao atao amin’ny fomba tsaratsara kokoa eo amin’ny fiainanao mba hiomanana amin’ny Fitsarana Farany ary hahitana ny anaranao ho voarakitra ao amin’ny bokin’ny fiainana.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Apokalypsy 20:12

  1. journal iconAmpiasao ireo fitaovana fandalinana soratra masina toy ny fanamarihana eo ambanin’ny pejy, ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.lds.org), ary ny Lisitr’ireo lohahevitra nalahatra araka ny abidia mba ahitana ireo soratra masina fanampiny izay mampianatra momba ny Fitsarana Farany. Mamoròna lisitr’ireo andian-tsoratra masina ireo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Azonao atao ihany koa ny manoratra ireo andian-tsoratra masina ireo ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Apokalypsy 20:12. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fahamarinana fanampiny momba ny Fitsarana Farany izay nianaranao avy amin’ireo soratra masina mifandray ireo .

Apokalypsy 21

Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao ary ny tanàna masin’ Andriamanitra i Jaona

zatovovavy mihazona ny lohany amin’ny tanana

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay niainanao alahelo na fahoriana lehibe.

Tanisao ireo zavatra sasany eto amin’ity fiainana ity izay mety hiteraka alahelo na fahoriana lehibe eo amintsika:

Eo am-pandalinanao ny Apokalypsy 21, dia mitadiava fahamarinana iray izay afaka mitondra fampiononana ho anao mandritra ny fotoan-tsarotra.

Ny Apokalypsy 21–22 dia tohin’ny fahitan’i Jaona Apôstôly ireo tranga izay hiseho aorian’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Vakio ny Apokalypsy 21:1–2 dia tadiavo izay hitan’i Jaona fa hitranga.

Ny filazan’i Jaona ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”(Apokalypsy 21:1) dia mety milaza ny tranga izay hiseho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany, rehefa hovaina ho lasa amin’ny toetran’ny paradisa izay niainana talohan’ny Fahalavoan’i Adama sy Eva ny tany. Mety niresaka momba ny fiovana izay hitranga amin’ny fiafaran’ny Arivotaona ihany koa i Jaona, rehefa hovaina amin’ny toetrany selestialy ny tany (jereo ny F&F 29:22–24).

Vakio ny Apokalypsy 21:3–4 dia tadiavo ny zavatra izay ho ataon’ Andriamanitra ho an’ny olony.

Mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa Andriamanitra dia hitoetra sy hampionona ny olony, ary izy ireo dia tsy hiaina fahafatesana, alahelo, na fahoriana intsony.

Loholona Joseph B. Wirthlin

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa Andriamanitra dia hanonitra ny olo-marina amin’ireo alahelo sy fahoriana rehetra teto an-tany: “Honeran’ny Tompo amin’ny mahatoky ny very rehetra. Ireo izay nalaina tamin’ireo nitia ny Tompo dia homeny azy ireo araka ny fombany. Raha mety tsy ho tonga amin’ny fotoana iriantsika izany, ireo mahatoky kosa dia hahafantatra fa ny ranomaso rehetra latsaka androany dia hiverina ho ranomasom-pifaliana sy fankasitrahana avo zato heny” (“Avelao ho avy izay ho avy, dia tiavo izany,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 28).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa Andriamanitra dia hampionona ny olony sy hanonitra ny alahelo sy fahorian’izy ireo no afaka manampy antsika rehefa miaina sedra isika ankehitriny?

Vakio ny Apokalypsy 21:7 dia tadiavo izay nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandresy amim-pahatokiana.

Araka ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ny bokin’ny Apokalypsy mikasika ireo sedra sy fitsapana amin’ny andro farany, dia inona ireo karazana zavatra izay mila resentsika mba hahafahantsika miaina miaraka amin’ Andriamanitra?

Apokalypsy 21:8 dia mamaritra ny toetran’ny mpikomy sy ireo izay tsy mibebaka. Ny “fahafatesana fanindroany” dia fahafatesana ara-panahy, na fisarahana amin’ Andriamanitra, no hiainan’ireo izay minia mikomy amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana.

Vakio ny Apokalypsy 21:9–21 dia tadiavo ny famaritan’i Jaona ny tanàna masin’ Andriamanitra.

Vakio ny Apokalypsy 21:22–27 dia tadiavo ny dikan’ny fanatrehan’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy ho an’ireo izay monina ao amin’ity tanàna ity.

Apokalypsy 22

Nofaranan’i Jaona ny firaketana ny fahitany

Vakiantsika bebe kokoa ao amin’ny Apokalypsy 22 ny famaritan’i Jaona ny tanàna masin’ Andriamanitra. Niresaka momba ny seza fiandrianana i Jaona tao anatin’ny famaritana nataony (jereo ny Apokalypsy 22:1).

sarina seza fiandrianana

Vakio ny Apokalypsy 22:1–2, ary ataovy sary izay hitan’i Jaona ankoatra ilay seza fiandrianana.

Mariho fa i Jaona dia nianatra fa ilay hazo dia namoa voa maro samy hafa sady namoa tamin’ny fotoana rehetra ary ny raviny dia afaka manasitrana firenena maro. Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra fa i Lehia sy i Nefia dia samy nahita tamin’ny fahitana ny hazon’aina avokoa. Nianatra i Nefia fa ny hazon’aina sy ny loharanon’ny rano velona dia samy maneho ny fitiavan’ Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 11:25). Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no fomba lehibe indrindra nanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany (jereo ny Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9). Ny voan’ny hazon’aina ihany koa dia afaka maneho ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana, toy ny fiainana mandrakizay (jereo ny F&F 14:7).

Mamaky isika ao amin’ny Apokalypsy 22:3–12, fa ankoatra ny fahitana ity tanàna masina ity dia nahazo fijoroana ho vavolombelona avy tamin’ilay anjely niresaka taminy i Jaona fa ny zavatra izay naseho azy dia marina avokoa. Nahita ihany koa i Jaona fa ny Mpamonjy dia hamaly ny olona tsirairay arakaraka ny asany avy.

Vakio ny Apokalypsy 22:14 dia tadiavo ny zavatra izay tsy maintsy ataontsika mba hahazoantsika lalana hiditra ny fanjakana selestialy.

Ny hoe “hanana ny fahefana amin’ny hazon’aina” (Apokalypsy 22:14) dia midika hoe mendrika mba hahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ka anisan’izany ny fiainana mandrakizay.

Mianatra isika avy amin’io andininy io fa raha mitandrina ny didin’ny Tompo isika, dia afaka ny handray ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary hiditra ny fanjakana selestialy. Anisan’ny fitandremana ny didiny ny fandraisana ireo ôrdônansy rehetra ilaina mba hidirana ny fanjakana selestialy.

Na dia omena maimaimpoana aza ny sasany amin’ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana—toy ny fanomezam-pahasoavan’ny fitsanganana amin’ny maty—ny fitahiana hafa kosa—toy ny fiainana mandrakizay—dia natokana ho an’ireo izay mikatsaka amim-pahazotoana ny hampiasa ny finoana an’i Jesoa Kristy, sy mibebaka, ary mitandrina ny didiny.

Mamaky isika ao amin’ny Apokalypsy 22:15–19 fa ireo izay tsy nitandrina ny didin’ny Tompo dia tsy afaka miditra ny tanàna selestialy. Nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa nanome ity fanambarana ity an’i Jaona Izy, ary nanasa ny olona rehetra hanatona ny rano velona ary hisotro amin’izany maimaimpoana. Nampitandrina ireo mpamaky ny teniny i Jaona mba tsy hanova ny hafatra ao amin’ny boky izay nosoratany.

Vakio ny Apokalypsy 22:20 dia tadiavo ny fiangaviana nataon’i Jaona tamin’ny Mpamonjy.

Miainga avy amin’ny zavatra nianaranareo tao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, nahoana araka ny hevitrao no maika amin’ny fiavian’ny Tompo i Jaona?

  1. journal iconArahabaina nahavita ity taranjan’ny seminera momba ny Testamenta Vaovao ity. Saintsaino ireo zavatra izay nianaranao sy tsapanao nandritra ity taona ity, ary makà fotoana fohy hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fampianarana vitsivitsy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay tena nisy fiantraikany taminao indrindra tamin’ity taona ity. Soraty ihany koa hoe ahoana no nahafahan’ny fianarana seminera nanova ny fijoroana vavolombelona anananao. Mitadiava fahafahana mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ny zavatra izay nianaranao.

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Apokalypsy 20–22 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: