Fizarana 19: Andro 3
Asan’ny Apostoly 16–17
Fampidirana
Nitarika an’i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy mba hitory ny filazantsara tany Makedonia (faritra avaratr’i Gresy) ny Fanahy Masina. Rehefa avy nandroaka fanahy ratsy iray avy tao amin’ny zazavavy mpanompo i Paoly dia nokapohina sy nogadraina izy sy i Silasy. Ny alin’io izy ireo dia nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy tao am-ponja ary avy eo dia nanao batisa an’ilay mpiandry trano maizina sy ny ankohonany. Nampianatra ny filazantsara tany Tesalonika sy Berea ihany koa i Paoly sy i Silasy. Nanery an’i Paoly handositra tany Atena ny fanenjehana nataon’ireo tsy mpino, ka tany izy, teo amin’i Areopago, dia nampianatra ny vahoaka momba ny tena toetran’Andriamanitra.
Asan’ny Apostoly 16:1–15
Nitory ny filazantsara tany Makedonia i Paoly sy ny mpiara-mitory aminy
Ny bitsika dia entina ilazana ireo fihetseham-po na fahatsapana voaraintsika avy amin’ny Fanahy Masina mba hilaza na hanao zavatra.
Nitantara zavatra iray izay niainany ny Filoha Thomas S. Monson rehefa nanaraka bitsika iray handeha sy hanome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny namana iray tany amin’ny hôpitaly. Niafara tamin’ny fanavotana ny ain’ilay namany izany. Nilaza ny Filoha Monson fa nianatra izao lesona manaraka izao izy tamin’izay andro izay: “Aza angatahana andro mihitsy, mihitsy, mihitsy ny bitsika azonao” (“The Spirit Giveth Life,” Ensign, jona 1997, 5).
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe: Aza angatahana andro mihitsy ny fanarahana ny bitsika avy amin’ny Tompo. Soraty eo ambanin’izany fehezanteny izany ireo vokatra tsara mety hateraky ny fanarahana tsy tapaka ireo bitsiky ny Fanahy Masina.
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 16 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ireo bitsiky ny Fanahy Masina.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:1–5 isika dia mamaky fa nandeha tany amin’ny sampana maron’ny Fiangonana i Paoly sy i Silasy ary i Timoty mba hilaza ireo fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Jerosalema izay nihatra tamin’ny Fiangonana iray manontolo sy nanamafy orina ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:6–10 hitadiavana ny fomba nahafantaran’i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy, izay mety nahitana an’i Lioka, ny toerana halehany rehefa nandeha izy ireo. Azonao atao ny mijery ny sarintany 13 “Ny dia fitoriana nataon’ny Apostoly Paoly,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina,” mba hitadiavana ireo toerana nalehan’i Paoly.
Jereo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:10 fa nankatò ny Fanahy i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy ary rehefa nahita fahitana i Paoly dia namaly “niaraka tamin’ izay” izy ireo.
Vakintsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:11–13 fa nandeha avy tany Troasy i Paoly sy i Silasy mandrapahatongan’izy ireo tao Filipy, izay tanàna iray tao Makedonia. Tamin’ny andro Sabata izy ireo dia niala avy tao amin’ilay tanàna mba hivavaka teny amoron’ny renirano iray ary nanomboka niresaka tamin’ireo vehivavy nivory teo.
“Lydia, mpivarotra lamba volomparasy” (Asan’ny Apostoly 16:14)
Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:14–15, hitadiavana ny fomba namalian’ny vehivavy iray atao hoe Lydia ny fampianaran’i Paoly. Ao amin’ny andininy 14, ny andian-teny hoe “mpivarotra lamba volomparasy” dia entina ilazana ny maha-mpivarotra loko volomparasy an’i Lydia, izay tena lafo tokoa ary mety midika ihany koa izany fa vehivavy manan-karena sy manana ny maha-izy azy izy. Ny teny hoe hitandrina dia midika hoe hihaino na hanaraka izy.
Andian-teny inona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:14 no milaza fa vonona ny handray ny filazantsara i Lydia?
Avy amin’ny zavatra niainan’i Paoly isika dia afaka mianatra fa rehefa manaraka ny fanambarana nomen’Andriamanitra antsika isika dia afaka ny ho voatarika ho amin’ireo izay efa vonona ny handray ny filazantsara.
Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary asio marika ny zavatra nolazainy fa tsy maintsy ataontsika mba hotarihina ho amin’ireo izay efa vonona ny handray ny filazantsara:
“Tsy maintsy mivavaka isika mba hahazo ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Tompo mba hahatonga antsika ho fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra ho an’ilay olona izay efa vonona amin’izao—ilay iray izay tiany ampiantsika androany. Avy eo isika dia tsy maintsy malina mba hihaino sy hanaraka ireo bitsiky ny Fanahiny amin’ny fomba hanaovantsika izany.
“Ho avy ireo bitsika ireo. Fantatsika avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsy tambo isaina fa manomana olona hanaiky ny filazantsara amin’ny fombany sy amin’ny fotoany ny Tompo. Efa eo am-pikarohana ireo olona ireo, ary rehefa mikatsaka ny hahafantatra azy ireo isika dia hamaly ny vavaka ataon’izy ireo ny Tompo amin’ny famaliana ny vavaka ataontsika. Hibitsika sy hitarika ireo izay maniry sy mikatsaka amin-kitsim-po ny fitarihany amin’ny fomba sy ny fotoana ary ny olona hizarana ny filazantsara Izy” (“Sharing the Gospel,” Ensign, nôv. 2001, 8).
-
Saintsaino ny fotoana iray izay nanarahanao na ny olona iray izay fantatrao ny bitsiky ny Fanahy Masina ka nahita olona izay efa vonona handray ny filazantsara na ny fotoana iray izay nanarahan’ny olona iray ny bitsiky ny Fanahy Masina hahitana anao tamin’ny fotoana naha-vonona anao handray ny filazantsara. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay zavatra niainana.
Katsaho ny hanaraka ny torohevitry ny Loholona Oaks amin’ny alalan’ny fivavahana mba hahazo ny fananampian’ny Tompo ka hanaraka ny bitsiky ny Fanahy avy eo mba hizara ny filazantsara amin’ny manodidina anao.
Asan’ny Apostoly 16:16–40
Nogadraina i Paoly sy i Silasy ary avy eo dia nafahana
Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:16–18, hitadiavana ny zavatra nataon’ny Paoly rehefa nifanena tamin’ny “zazavavy” iray, (Asan’ny Apostoly 16:16), na mpanompovavy, izay nitoeran’ny fanahy ratsy izy. Ny atao hoe mahavaly (Asan’ny Apostoly 16:16) dia “izay mety ho fomba feno finoanoam-poana hiezahana hamantatra ny hoavy. Efa hita nanerana ny firenana rehetra sy ny vanim-potoana rehetra ny fomba fanao toy izany. Matetika izy ireo no helohina ao amin’ny soratra masina” (Bible Dictionary, “Divination”).
Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:19–21 hitadiavana ny fomba nandraisan’ireo tompon’ilay ankizivavy ny zavatra nataon’i Paoly.
Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 16:19 dia nahoana izy ireo no tezitra?
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:22–24 isika dia mianatra fa nandidy ny hikapohana sy ny hanagadrana an’i Paoly ny vahoaka sy ny manampahefana teo an-toerana.
-
Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Vakio ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ilay tabilao ary manaova sary tsotsotra eo amin’ny tabilaonao izay maneho ny zavatra voasoritra ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay.
Asan’ny Apostoly 16:25
Asan’ny Apostoly 16:26
Asan’ny Apostoly 16:27–28
Asan’ny Apostoly 16:29–30
Asan’ny Apostoly 16:31–32
Asan’ny Apostoly 16:33–34
Jereo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:31 ny fomba namalian’i Paoly sy i Silasy ny fanontanian’ilay mpiambina ny tranomaizina hoe: “Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?” (Asan’ny Apostoly 16:30). Inona avy eo no nataon’ilay mpiambina ny tranomaizina mba hanehoana ny finoany an’i Jesoa Kristy?
Mianatra isika avy amin’ny fampianaran’i Paoly an’ilay mpiambina tranomazina fa ny famonjena dia mitaky finoana an’i Jesoa Kristy, ary mampiseho ny finoantsika Azy isika rehefa atao batisa.
Ny famonjena dia midika hoe “voavonjy amin’ ny fahafatesan’ ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famonjena,” scriptures.lds.org). Ahoana no hanehoan’ny fanaovana batisa ny fianoantsika an’i Jesoa Kristy?
Ankoatra ny fanaovana batisa dia inona avy ireo fomba hafa ahafahantsika mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:35–40 isika dia mianatra fa nandefa teny tany amin’ny mpiambina ny fonja ireo governora mba hamela an’i Paoly sy i Silasy handeha. Tsy nety nandeha i Paoly satria fantany ny zony amin’ny maha-olom-pirenena Romana azy ary fantany fa tsy rariny ny fomba nandraisana azy. Tsy ara-dalàna ny mikapoka olom-pirenena Romana raha tsy misy fitsarana aloha. Rehefa nahafantatra ireo governora fa Romana i Paoly sy i Silasy dia natahotra izy ireo. Tonga tao amin’ny fonja ireo governora, namoaka an’i Paoly sy i Silasy ary nangataka azy ireo mba hiala ny tanàna.
Asan’ny Apostoly 17:1–15
Nanandrana nanakana an’i Paoly tsy hitory ny filazantsara ny Jiosy sasany tao Tesalonika
Eritrereto ny torohevitra mety homenao ny olona ao anatin’ireto tantara manaraka ireto:
-
Misy zatovolahy iray mpikamban’ny Fiangonana mihaino ny mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Naneho ny tsy fitovian-keviny tamin’ireo fampianaran’ilay Apôstôly ny sasany amin’ny naman’ilay zatovolahy. Te hahafantatra tamin’ny tenany manokana ilay zatovolahy raha marina ireo fampianaran’ilay Apôstôly.
-
Misalasala ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny andro Sabata ho masina ny zatovovavy iray. Ny ankamaroan’ny namany dia miaraka isaky ny alahady mandeha miantsena na mandeha mivoaka misakafo na mandeha mijery sarimihetsika. Manazava ireo fitahiana izay mety ho tonga amin’ny fanajana ny Tompo amin’ny andro alahady ny reniny, saingy mbola manana fahasahiranana ilay zatovovavy ny hino fa zava-dehibe ny mitandrina ny andro Sabata ho masina.
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 17 dia mitadiava fitsipika izay hanampy anao hahafantatra amin’ny tenanao manokana ny fahamarinan’ny hafatra izay voaraintsika avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:1 isika dia mianatra fa nandeha tany Tesalonika i Paoly sy i Silasy ka nampianatra tao amin’ny synagoga Jiosy izy rehefa tonga tany.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:2–3 hitadiavana ny zavatra nampiasain’i Paoly mba hampianarana fa i Jesoa no Krsty, ilay Mesia.
Nampiasa andinin-tsoratra masina i Paoly ho porofo manohana ny fijoroana ho vavolombelona nananany fa i Jesoa no Kristy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:4–5 hitadiavana ny fomba nandraisan’ireo vahoaka tao Tesalonika ny fampianaran’i Paoly.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:6–9 isika dia mianatra fa nisy andian’olona tsy mpino niezaka nitady an’i Paoly sy i Silasy, saingy rehefa tsy nahita azy ireo izy ireo dia naka vitsivitsy tamin’ireo mpino ireo andian’olona ka nankany amin’ny mpanapaka tao Tesalonika ary nilaza fa natahorana hanimba ny fahefan’i Kaisara ny fampianaran’i Paoly.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:10–12 hitadiavana ny toerana nandosiran’i Paoly sy i Silasy sy ny fomba nandraisan’ireo Jiosy tao ny fampianaran’i Paoly.
Asio marika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:11 ny zavatra izay nataon’ireo vahoaka ka nahatonga azy ireo hino ny fampianaran’i Paoly. Avy eo dia fenoy amin’ireo asa izay nasianao marika izao fampimiràna manaraka izao:
__________________________ + _____________________________ = Finoana
Mba hahatakarana tsara kokoa ny dikan’ny hoe “[mandray] ny teny [amin’ ny] zotom-po indrindra” (Asan’ny Apostoly 17:11), dia alaivo sary an-tsaina hoe tahaka ny ahoana ny olona iray rehefa vonona hisambotra baolina. Izao dia alaivo sary an-tsaina hoe mety ho tahaka ny ahoana raha toa ka tsy vonona hisambotra baolina ny olona iray. Mety ho tahaka ny ahoana ny olona iray rehefa vonona handray ny tenin’ireo mpanompon’Andriamanitra? Mety ho tahaka ny ahoana ny olona iray rehefa tsy vonona handray ny tenin’ireo mpanompon’Andriamanitra?
Ny olona iray izay mandray ny teny amin’ny zotom-po dia olona manetry tena sy manana faharetana ary vonona ny hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra rehefa mianatra izany izy. (jereo ny Môsià 3:19).
Avy amin’ny Asan’ny Apostoly 17:10–12 isika dia mianatra fa raha mandray ny tenin’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny zotom-po isika sy mandinika ny soratra masina isan’andro, dia ho mafy orina kokoa ny finoantsika ny tenin’izy ireo.
-
Avereno jerena ireo tantara voaresaka any am-piandohan’ity fizarana ity, ary avy eo dia valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no mety hanampian’io fitsipika io ny olona ao amin’ireo tantara ireo?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny zotom-po hianatra mampitombo ny fahafahantsika hino ny fahamarinana?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fandalinana soratra masina isan’andro miantraika amin’ny fahafahantsika hino ny fahamarinana?
-
Erirereto ny fotoana iray izay nahitanao ny fahamarinan’io fitsipika io. Azonao zaranaina amin’ny namana na havana iray ireo zavatra niainanao.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:13–15 isika dia mianatra fa rehefa naheno ireo Jiosy tao Tesalonika fa nitory tany Beria i Paoly, dia nandeha nihantsy ireo mponina tao Beria izy ireo. Tsy maintsy nitsoaka indray i Paoly, ka nandeha tany Atena izy.
Asan’ny Apostoly 17:16–36
Nitory teo amin’ny Areopago i Paoly
Nampianatra teo amin’ny Areopago i Paoly.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:16–34 isika dia mianatra fa rehefa tany Atena i Paoly dia nahatsikaritra alitara anankiray nisy soratra hoe: “Ho an’Andriamanitra izay tsy fantatra” (Asan’ny Apostoly 17:23). Avy eo i Paoly dia nampianatra ny mponina tao Atena mikasika ny toetran’ilay tena Andriamanitra—ny Ray any An-danitra—ilay Andriamanitra tsy fantatr’izy ireo.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 16–17 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: