Tahirim-pitaovana
Tonga soa ato amin’ny Testamenta Vaovao


Tonga soa ato amin’ny Testamenta Vaovao

Inona moa ny Testamenta Vaovao?

Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra ny asa soratr’ireo Apôstôly voalohany sy ireo mpianatr’i Jesoa Kristy tany am-boalohany izay nanoratra teo ambany fitaoman’ny Fanahy Masina. Izany dia mirakitra ireo Filazantsara efatra, dia ny tenivavolombelon’i Matio, Marka, Lioka ary Jaona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mesia nampanantenaina Azy—ilay Mpamonjy sy Mpanavotra—sy amin’ny maha-Tompo nitsangana tamin’ny maty Azy. Ireo Filazantsara efatra dia mitantara ireo ampahany tamin’ny fiainan’i Jesoa ary rakitsoratra mirakitra ny ankamaroan’ireo fampianarany. Ny Testamenta Vaovao dia ahitana fotopampianarana sy fitsipika izay nampianarin’ny Mpamonjy sy ireo Apôstôliny mba hanampiana ny hafa hianatra ny fomba hiverenana miaina miaraka amin’ Andriamanitra Ray indray sy hahazoana ny fiainana mandrakizay. Ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany, ny Baiboly dia miara-mijoro amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy ho toy ny soratra masina (jereo ny Fanekem-pinoana 1:8).

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namintina ny votoatiny lehiben’ny Testamenta Vaovao: “Ny Testamenta Vaovao … dia mitantara ny fahatanterahan’ireo fampanantenana fahiny; milaza momba ny fahaterahana sy ny asa fanompoana ary ny sorompanavotan’Ilay Nampanantenaina; manazava ireo fotopampianarana manavotry ny filazantsarany maharitra mandrakizay; mirakitra ny fitomboana sy ny fielezan’ny tanjon’ny filazantsara tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana; maminany ny fihemoran’izao tontolo izao amin’ny finoana rehefa azon’ny olomasina izany; mampanantena famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amim-boninahitra amin’ny andro farany; ary milaza mialoha, amin’ny alalan’ny sariohatra mazava tsara sy tena manaitra, ireo zavatra hitranga mialoha sy mandritra ary aorian’ny Fiavian’ny Zanak’olona Fanindroany. Ny tanjona lehiben’izany dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy” (A New Witness for the Articles of Faith 1985, 392).

Inona no maha-zava-dehibe ny fandalinana ny Testamenta Vaovao?

Toy ny soratra masina rehetra, ny Testamenta Vaovao dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny maha-Andriamanitra Azy. Nilaza ny Apôstôly Jaona fa ny tanjony tamin’ny fanoratana ny bokin’ny Filazantsarany dia ny handresy lahatra ny hafa mba “[hinoany] fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba [hananany] fiainana amin’ny anarany” (Jaona 20:31). Rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao ianao dia hianatra momba ny fahaterahana mahavariana an’ny Mpamonjy, hahita ireo fahagagana sy fanasitranana nataony, haheno ireo fahamarinana tsy misy fetran’ny filazantsarany, ary hiaina ireo andro nanaovany ny sorompanavotanasy ny fanomboana Azy ary ny fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra. Rehefa mandalina ny fiainana sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy ianao dia hianatra ny fomba hanatonana Azy mba hahazoana fanantenana, famelana, fiadanana, ary fahasambarana mandrakizay. Ny fandalinana amin-kitsimpo ny Testamenta Vaovao dia afaka manamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy manampy anao hiantehitra amin’ny fampianarany sy ny Sorompanavotany.

Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny Testamenta Vaovao “no ivon’ny tantara araka ny soratra masina, tahaka ny maha-tokony ho ivon’ny fiainantsika ny Mpamonjy tenany mihitsy. Mila manolo-tena ny hianatra izany sy ny hankamamy izany isika!

“Misy voahangim-pahendrena tsy voavidy vola hokatsahina ao amin’ny fandalinantsika ny Testamenta Vaovao” (“Ny Sabata sy ny Fanasan’ny Tompo,” Ensign na Liahona, mey 2011, 6).

Ireto manaraka ireto ny sasany amin’ireo voahangim-pahamarinana sy fahendrena sarobidy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao:

  • I Jesoa Kristy “no lalana sy fahamarinana ary fiainana,” ary afaka mahafantatra ny Ray any An-danitra ianao amin’ny alalany (jereo ny Jaona 14:6–7).

  • Ny Fanahy Masina no “Mpananatra, … [izay] hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).

  • Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia manana ny andraikitra hanambara ny filazantsara amin’ny firenena rehetra (jereo ny Matio 28:19).

  • Mbola manohy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana omeny ireo mpanompony voafidy ny Mpamonjy (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:2).

  • Ianao dia teraka na zanak’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:28–29).

  • Noho ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia handresy ny fahafatesana ny olona rehetra ka ho velona indray (1 Korintiana 15:21–26).

  • Raha tsy manam-pahendrena ianao dia afaka mangataka amin’ Andriamanitra am-bavaka dia hamaly Izy (jereo ny Jakoba 1:5–6).

  • Ny Olomasina mahatoky izay mandresy ny ratsy dia hahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny Apokalypsy 3).

Manome ohatra iray ny amin’ny fomba hahafahan’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao miantraika sy mampisy vokany eo amin’ny fiainanao ny zavatra iray izay niainan’ny Mpaminany Joseph Smith. Fony mbola zatovolahy i Joseph Smith dia sahirana tamin’ny fahasarotan’ny fitadiavana tamin’ny tenany manokana hoe iza amin’ireo fiangonana no marina. Nikatsaka valiny tao amin’ny Baiboly izy ary indray andro dia namaky ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny Jakoba 1:5. Nanoratra toy izao izy taty aoriana: “Na oviana na oviana dia tsy nisy andalan-tsoratra masina nanohina fon’olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’izany ny foko tamin’izay fotoana izay. Toy ny niditra tamin-kery tany amin’ny tsiratsiraky ny foko rehetra izany. Nieritreritra izany ombieny ombieny aho” (Joseph Smith—Tantara 1:12).

Rehefa avy namaky sy nieritreritra ireo teny avy ao amin’ny Testamenta Vaovao ireo i Joseph dia nanapa-kevitra ny hanao zavatra araka ilay fahamarinana izay nianarany ka nangataka tamin’ Andriamanitra, araka ny nampianarin’i Jakoba. Ilay Fahitana Voalohany mahavariana azony no vokatry ny fanapahan-keviny. Rehefa mandalina amim-pahazotoana ny Testamenta Vaovao ianao dia hahatsapa ihany koa ny Fanahy Masina hikasika ny fonao sy hanampy anao hamantatra ireo fomba hampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainanao.

Rehefa mandalina ombam-bavaka ny Testamenta Vaovao ianao dia manaova zavatra araka izay itaoman’ny Fanahy Masina anao. Raha manao izany ianao dia afaka ny ho lasa niova bebe kokoa ho an’ny Tompo. Mitranga ny fiovam-po marina rehefa manohy miasa araka ireo fotopampianarana fantatrao fa marina ianao sy mitandrina ireo didy isan’andro ary mandavantaona, mandritra ny fiainanao manontolo.

Ny mombamomba ny Testamenta Vaovao

Ny Baiboly dia tsy boky iray. Fitambarana boky maromaro izy io. Ny teny Grika izay niavian’ny teny hoe baiboly dia midika hoe “ireo boky.” “Ny Baiboly Kristiana dia mizara roa, fantatra araka ny mahazatra amin’ny hoe: ny Testamenta Taloha sy Vaovao” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Baiboly,” scriptures.lds.org). Ny teny izay nadika hoe testamenta dia azo adika ihany koa hoe fanekempihavanana. Araka izany ny Testamenta Vaovao dia ny fanekempihavanana vaovao.

Raha amin’ny hevitra ara-pilazantsara ny fanekempihavanana dia fifanekena manokana izay ifanaovan’ny Tompo sy ny olona na ny vondron’olona iray. Ny Testamenta Taloha, na fanekempihavanana taloha, dia ny lalàna izay nomen’ny Tompo an’ireo vahoakany fahiny. “Rehefa tonga i Jesoa Kristy tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana dia namerina tamin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ireo Jiosy tao Palestina Izy. Koa satria efa nania izy ireo, na tamin’ny lalàn’ny Mosesy aza, dia fanekempihavanana vaovao izany tamin’izy ireo” (Bible Dictionary, “Bible”).

Ny Testamenta Vaovao amin’ny ankapobeny dia mizara ho toy izao: ireo Filazantsara, ny Asan’ny Apostoly, ireo epistilin’i Paoly, ireo epistily amin’ny ankapobeny, ary ny bokin’ny Fanambarana.

  1. Ireo Filazantsara. Ny bokin’i Matio, Marka, Lioka ary Jaona no antsoina hoe ireo Filazantsara, ary samy mitondra ny anaran’ny mpanoratra azy avy ny tsirairay aminy. Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly.” Na dia misy tsy fitoviana aza ireo Filazantsara efatra eo amin’ny antsipiriany sy ny fomba fijery dia samy mitantara ny zava-nitranga tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany teo anivon’ireo Jiosy avokoa izy rehetra. Ireo Filazantsara efatra dia samy mampianatra sy mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao. “Ireo rakitsoratr’i Matio sy i Marka ary i Lioka dia toa mampiseho amboaran-tantara mitovy ary maro ny firafitry ny fehezan-teny mitovy ao aminy, toy izany koa ireo hevi-dehibe, ka noho izany dia matetika izy ireo no antsoina hoe ‘Filazantsara be zavatra itovizana’ (izany hoe ‘hita ho mitovy’). Na izany aza dia miavaka ny tsirairay ary betsaka ny antsipirian-javatra tsy resahin’ny hafa. Tsy dia mitovy amin’ireo telo hafa ny rakitsoratr’i Jaona raha amin’ny voambolana sy ny firafitry ny fehezan-teny ary fanehoana ny zava-mitranga” (Bible Dictionary, “Gospels”).

  2. Ny Asan’ny Apostoly. Ny Asan’ny Apostoly dia nosoratan’i Lioka ary fitantarana ny fitombon’ny Fiangonana teo ambany fitarihan’i Petera sy ireo Apôstôly hafa izany (jereo ny Bible Dictionary, “Acts of the Apostles”).

  3. Ireo epistilin’i Paoly. Ireo epistily, na taratasy, izay nosoratan’i Paoly dia mitondra ny anaran’ny sampan’ny Fiangonana na ny olona na ny vondron’olona izay nanoratana ilay taratasy. Ny epistilin’i Paoly dia nalahatra “arakaraka ny halavany, manomboka amin’ny lava indrindra (Romana) ka hatramin’ny fohy indrindra (Filemona). Izany no hita ao afa-tsy ny epistily ho an’ny Hebreo ihany, izay natao farany satria nisy nisalasala hoe nosoratan’i Paoly ve izany sa tsia” (Bible Dictionary, “Pauline Epistles”).

  4. Ireo epistily amin’ny ankapobeny. Ny bokin’i Jakoba hatramin’ny Joda dia matetika antsoina hoe ireo epistily amin’ny ankapobeny satria, ankoatra ny 2 Jaona sy ny 3 Jaona, izy ireo dia tsy nosoratana ho an’ny olona na vondron’ny Fiangonana manokana. Mitondra ny anaran’ny mpanarotra azy izy ireo. (Jereo ny Bible Dictionary, “General Epistles.”)

  5. Ny bokin’ny Fanambarana. Ny bokin’ny Fanambarana (izay antsoina hoe Apokalypsy) dia nosoratan’ny Apôstôly Jaona, izay nanoratra ihany koa ny Filazantsara sy ireo epistily mitondra ny anarany. Fitantarana ny fahitana hitan’i Jaona avy tamin’ny Tompo izany. (Jereo ny Bible Dictionary, “Revelation of John.”)

Ny Dikantenin’i Joseph Smith sy ny Joseph Smith–Matio

Nandidy ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo mba hanao fandikana, na fanitsiana, ny Baiboly King James. Ny Dikantenin’i Joseph Smith (izay afohezina matetika hoe DJS) dia tsy fandikana ny Baiboly avy amin’ny teny iray ho amin’ny teny iray hafa. Izany dia ahitana kosa ireo fanovana teo amin’ny lahatsoratry ny Baiboly izay nampanaovin’ny Tompo ny Mpaminany araka ny fitaomam-panahy.

Nanomboka nanao ny fandikanteniny i Joseph Smith tamin’ny volana jona 1830 ary nahavita izany tamin’ny volana jolay 1833, na dia mbola nanohy nanisy fanovana tamin’ilay rakitsoratra hatrany aza izy hatramin’ny fotoana fohy talohan’ny nahafatesany tamin’ny taona 1844 (jereo ny Bible Dictionary, “Joseph Smith Translation”). Na dia nivoaka tamin’ny fahavelony aza ny ampahany tamin’ny dikantenin’i Joseph Smith, ny dikanteny feno voalohany netanim-panahy an’ny Baiboly dia navoakan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nalamina indray (izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Vondrona ao amin’ny Kristy) tamin’ny taona 1867. Hatramin’ny taona 1979, ny Baiboly King James edisiônan’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny teny Anglisy dia nahitana andinin-tsoratra masina ara-potopampianarana manan-danja an-jatony maro ao amin’ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy sy ny tovana izay avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. (Jereo ny Robert J. Matthews, “Joseph Smith’s Efforts to Publish His Bible ‘Translation,’” Ensign, jan. 1983, 57–64; Bible Dictionary, “Joseph Smith Translation.”) Hatramin’ny taona 2009, ny Baiboly edisiônan’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny teny Espaniôla, ny Reina-Valera version, dia nahitana andinin-tsoratra masina ihany koa ao amin’ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy sy ny tovana. Tamin’ny taona 2015 dia navoaka tamin’ny teny Pôrtogey ny Baiboly edisônan’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny Joseph Smith—Matio, ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy, dia nalaina avy tamin’ny Dikantenin’i Joseph Smith (Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 23:39–24:56). Izany dia fandikana netanim-panahy ny Matio 23:39–24:55.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny Testamenta Vaovao amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny sasany amin’ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy very avy tao amin’ny Baiboly (jereo ny 1 Nefia 13:20–41) sy amin’ny fampidirana ny fanamarihana sy ny fanazavan’ny Tompo.