Fampahafantarana ny Galatiana
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ny epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Galatiana dia nosoratana ho an’ireo Kristiana Jiosy izay niala tamin’ny Tompo ka niantehitra indray tamin’ireo asan’ny lalàn’i Mosesy. Nikatsaka ny hanitsy izany olana izany i Paoly Apôstôly tamin’ny fanamafisana ny fahasamihafana eo amin’ny “zioga” mavesatry ny lalàn’i Mosesy, izay nitarika tamin’ny fangejana ara-panahy, sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay mitarika amin’ny fahafahana ara-panahy. Ny fandalinana ity epistily ity dia afaka manampy anao hankasitraka tsara kokoa ny fahafahana atolotra amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Paoly Apôstôly no nanoratra ny Galatiana (jereo ny Galatiana 1:1).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Ny epistily ho an’ny Galatiana dia mety nosoratan’i Paoly rehefa nandeha manerana an’i Makedonia nandritra ny dia fitoriana fahatelo nataony manodidina ny 55-57 taorian’i J.K. izy (Jereo ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”).
Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?
“Tsy tena azo antoka hoe fiangonana iza avy no nanoratana ity epistily ity. Na izy ireo tany avaratr’i Galatia, ilay distrika izay Ankyra no renivohitra, na tao amin’ny distrika eo amorin’i Fyrgia sy Galatia izay notsidihan’i Paoly tamin’ny dia fitoriana voalohany nataony. Amin’ireo lafiny roa ireo dia azo antoka fa notsidihan’i Paoly tamin’ny dia fitoriana faharoa (Asan’ny Apostoly 16:6) sy fahatelo nataony (Asan’ny Apostoly 18:23) ireo fiangonana Galatiana” (Bible Dictionary, “Pauline Epistles”).
Nanoratra ho an’ireo Olomasina tao Galatia i Paoly satria niahiahy fatratra izy fa hiala amin’ny Tompo izy ireo amin’ny fanarahana ireo fampianaran’ny olona sasany izay nikatsaka ny “hamadika ny filazantsara” (jereo ny Galatiana 1:6–7). Ireo Jiosy Kristiana dia nampianatra ny jentilisa Kristiana ilay fotopampianaran-diso fa izy ireo dia tsy maintsy foraina ary mitandrina ireo fombafomba takina ao amin’ny lalàn’i Mosesy mba ho voavonjy (jereo ny Galatiana 6:12; jereo ihany koa ny Asan’ny Apostoly 15:1). Nanaiky ny fampianaran’ireo olona ireo ny Olomasina Galatiana sasany (jereo ny Galatiana 4:10).
Ireo tanjon’i Paoly voalohany tamin’ny fanoratana ity epistily ity dia ahitana ny:
-
Fiarovana ny tenany amin’ireo fiampangana nataon’ireo mpampianatra sandoka izay nanohitra azy.
-
Fampianarana fa ny olona rehetra, na Jiosy na Jentilisa, dia hovonjena amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny fametrahana ny finoan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy fa tsy amin’ny fianteherana amin’ireo asan’ny lalàn’i Mosesy kosa.
-
Fanazavana ny anjara asan’ny lalàn’i Mosesy eo amin’ny drafitr’Andriamanitra.
-
Fanavahana ny fanekempihavanana taloha izay nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy sy ny fanekempihavanana vaovao ao amin’i Kristy.
-
Fiantsoana ireo Olomasina mba hiaina araka ny Fanahy.
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Ny bokin’ny Galatiana dia voalaza ho ny taratasy feno fientanentanana indrindra nataon’i Paoly, izay nanaovany fibedesana mafy an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nisitaka sy ireo mpampianatra sandoka izay nitarika azy ireo hania. Ny Galatiana dia mirakitra ny fampisehoana voalohany indrindra ny fotopampianaran’ny fanamarinana—tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàn’i Mosesy isika fa amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ilay epistily dia mampitaha ny “asan’ny nofo” amin’ny “vokatry ny Fanahy” (jereo ny Galatiana 5:16–25).
Topimaso
Galatiana 1–2. Nanoratra ho an’ireo Olomasina Galatiana i Paoly satria niala tamin’ny Tompo sy nanaiky fampianaran-diso izy ireo. Niaro ny antsony amin’ny maha-apôstôly azy izy tamin’ny fitantarana ny nanoherany ny Fiangonana tamin’ny voalohany sy ny fiovampony. Namafisiny fa nahazo fanambarana mivantana avy tamin’ Andriamanitra izy ary nohazavainy fa ny asa fanompoany teo anivon’ny Jentilisa dia nankatoavin’ireo Apôstôly. Nilaza izy fa tsy nifanaraka tamin’i Petera indray mandeha mikasika ireo Olomasina Jentilisa. Nampianariny fa ny olona dia tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàn’i Mosesy fa amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Galatiana 3–4. Niaro ny hafatry ny filazantsara i Paoly. Nampianatra izy fa i Abrahama dia ohatra amin’ny olona iray izay nohamarinina tamin’ny finoana fa tsy tamin’ny asan’ny lalàn’i Mosesy. Nanavotra ny olon-drehetra tamin’ny vokatry ny ozon’ny lalàna i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Ny tanjon’ny lalàn’i Mosesy dia ny ho “mpitaiza antsika ho ao amin’i Kristy.” (Galatiana 3:24). Amin’ny alalan’ny finoana sy ny batisa, ireo Olomasina dia mahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana, miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara, lasa mpandovan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy, ary tsy mpanompo intsony fa zanak’Andriamanitra.
Galatiana 5–6. Niantso ireo Olomasina mba hijanona ho mafy orina ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara natolotr’i Kristy i Paoly. Nampitahain’i Paoly ny fiainan’ny olona iray izay mandray anjara amin’ny “asan’ny nofo” (Galatiana 5:19) amin’ny olona iray izay mankafy ireo “vokatry ny Fanahy.” (Galatiana 5:22). Mampianatra ireo Olomasina izy fa tokony hifampitondra ny enta-mavesatra ny Olomasina ary tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa. Mijinja izay afafintsika isika.