Fizarana 25: Andro 2
Efesiana 4–6
Fampidirana
Tao anatin’ny taratasy nalefany ho an’ireo Olomasina Efesiana dia nampianatra i Paoly Apôstôly fa ny Tompo dia nanangana ny Fiangonany ary niantso mpitarika mba hanatanteraka no sady hampiray ireo Olomasina. Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana ihany koa izy ny mba handaozan’izy ireo ny fiainany taloha sy ny hanombohany fiainam-baovao amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy. Avy eo i Paoly dia nampianatra ireo Olomasina ny fomba hampatanjahana ny fifandraisana ao amin’ny fianakavian’izy ireo ary namporisika azy ireo mba “[hitafy] avokoa ny fiadian’Andriamanitra” (Efesiana 6:11) mba handresena ireo fakam-panahin’i Satana.
Efesiana 4:1–16
Mampianatra ny maha-manan-danja ny Fiangonan’i Jesoa Kristy i Paoly
Eritrereto ireto tranga anankiroa mety hiseho ireto:
-
Ny mpampianatrao any an-tsekoly dia mangataka ny iray kilasy mba haneho ny fomba fijerin’ny tsirairay momba ny lohahevitra miteraka ady hevitra iray. Rehefa mizara ny fomba fijeriny ny mpianatra dia mahita ianao fa ny ankamaroan’izy ireo dia manohana fijery izay tsy mitovy amin’ny fampianaran’ny Fiangonana.
-
Ireo mpahay lalàna ao amin’ny firenenao dia mieritreritra ny hanova ny fitondran-tena izay ampianarin’ny mpitarika ny Fiangonana fa diso ho ara-dalàna.
Nahoana ny toe-javatra toy izany no mety ho sarotra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana anankiray?
Rehefa mandalina ny Efesiana 4:1–16 ianao, dia karohy ny fahamarinana iray momba ny fomba hahafahanao mahafantatra ny marina sy ny diso ao anatin’ny tontolo izay ahitana fiovan’ny soatoavina sy ny zavatra inoana.
Vakio ny Efesiana 4:1–6, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly Apôstôly mikasika ny Fiangonana sy ny fotopampianarana ao aminy.
Inona araka ny hevitrao no tian’i Paoly hiaviana rehefa nampianatra izy fa “iray ny Tompo, iray ny finoana, [ary] iray ny batisa” (Efesiana 4:5)?
Tamin’ny vanim-potoana nisy an’i Paoly, sy amin’ny vanim-potoana misy antsika dia Fiangonan’i Jesoa Kristy marina tokana ihany no misy eto ambonin’ny tany (jereo ny F&F 1:30).
Araka ny voarakitra ao amin’ny Efesiana 4:7–10, dia nampianatra i Paoly fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nomena fahafahana handray ny fanomezan’ny fahasoavan’ Andriamanitra avokoa isika rehetra (ny hery hahafahantsika ho voavonjy). Nampianatra koa izy fa nanome fanomezam-pahasoavana hafa ho an’ny olombelona i Kristy.
Vakio ny Efesiana 4:11, ary tadiavo ireo anjara fanompoana nomen’ny Tompo, na naorin’ny Tompo tao amin’ny Fiangonany. (Soratra masina fehezina ny Efesiana 4:11–14. Azonao atao ny manisy marika na manoratra izany amin’ny fomba miavaka mba hanampiana anao hitady ny misy izany amin’ny hoavy.)
Ireo fiantso ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ankehitriny dia mety tsy hitovy amin’ireo fiantso fampiasa tamin’ny andron’i Paoly, ary ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tany am-piandohana dia mety tsy nahitana ireo antso tsirairay izay misy ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Ohatra, ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa “patriarika ny evanjelista” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 140). Ny mpiandry ihany koa dia mpiandry ondry, na olona iray izay mitarika ondry—izay famariparitana mety tsara momba ny eveka, filohan’ny sampana, filohan’ny tsatòka sy filohan’ny distrika amin’izao fotoana. Mety ho tianao ny hanoratra ny fiantso ireo teny ireo amin’izao fotoana ao anatin’ny soratra masinao.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fahamarinana banga manaraka izao: Ny Tompo dia niantso apôstôly sy mpaminany ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana mba hanampy … (Hameno ity fehezan-teny ity ianao.)
Vakio ny Efesiana 4:12–13, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny antony nanomezan’ny Tompo ny Fiangonana apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa.
Mariho fa ny Tompo dia nanome ireo mpikamban’ny Fiangonany apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana ho fanatanterahana ireo Olomasina. Ampio an’io andian-teny io ilay fahamarinana banga nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ihany koa ny fomba vitsivitsy hahafahan’ny apôstôly sy ny mpaminany ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana manampy amin’ny fanatanterahana antsika.
Vakio ny Efesiana 4:14, ary tadiavo ny antony hafa nanomezan’ny Tompo ny Fiangonany apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa.
Mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa nanome ireo Olomasina ireo mpitarika ireo ny Tompo mba hiarovana azy ireo amin’ny fotopampianarana diso. Ampio an’io andian-teny io ilay fehezan-teny nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Mianatra izao fahamarinana izao isika avy amin’ny Efesiana 4:11–14 : Ny Tompo dia niantso apôstôly sy mpaminany ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ireo Olomasina sy mba hiarovana azy ireo amin’ny fotopampianarana diso.
Diniho izay mety hitranga amin’ny sambo iray izay ahilangilana ao amin’ny rano mandritra ny tafio-drivotra mahery vaika iray.
-
Avereno vakiana indray ireo tranga mety hiseho anankiroa noresahina tany am-piandohan’ny lesona. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana ny sambo iray ahilangilana ao amin’ny rano mampidi-doza sy ao anaty rivo-mahery no mitovy amin’ny olona iray izay “[ahilangilan’ny]” (Efesiana 4:14) rivotry ny fampianaran-diso sy ny fomba fijerin’ny fiaraha-monina izay miovaova?
-
Amin’ny fomba ahoana ny fampianaran’ireo apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafaao amin’ny Fiangonana no manampy ireo mpanara-dia an’Andriamanitra amin’ny fivezivezena amin’ireo rano mampidi-doza ka ho voaro amin’ny fiverenana any amin’ny Ray any An-danitra?
-
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanampian’ny apôstôly, na ny mpaminany, na ny patriarika, na ny eveka, na ny mpampianatra iray anao mba hivoatra na hitombo ara-panahy na nanampiany anao ho voaro amin’ny fotopampianarana diso sy ny famitahana. Raha mpitarika ao an-toerana ilay olona nosafidianao dia azonao atao ny manoratra taratasy maneho fankasitrahana ho an’io olona io, izay manoritsoritra ny fomba nanampiany anao.
Vakio ny Efesiana 4:15–16, dia tadiavo ny fomba tokony hampianaran’ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana ireo fahamarinan’ny filazantsara.
Soratra Masina Fehezina—Efesiana 4:11–14
-
Mba hanampiana anao hanazava ilay fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Efesiana 4:11–14, dia ampianaro amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namana iray ny antony nanorenan’ny Tompo ny Fiangonany ary niantsoany mpitarika mba hanompo ao amin’izany. Alaivo antoka fa mampiasa ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:11–14 ho ampahan’ny fampianaranao ianao. Rehefa avy nampianatra ianao dia asaivo manao sonia ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay olona nampianarinao.
Efesiana 4:17–32
Mamporisika ireo Olomasina mba hanaisotra ny ratsy sy ho lasa olom-baovao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy i Paoly
Mety ho mpikamban’ny Fiangonana vaovao ny maro tamin’ireo olona izay nanoratan’i Paoly tany Efesosy. Eo am-pandalinanao ny Efesiana 4:17–32, dia jereo ny zavatra nampianarin’i Paoly fa tokony hataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy azy ireo.
Vakio ny Efesiana 4:17–20, sady karohy ireo teny na andian-teny izay mamariparitra ny toetoetra ara-panahy nananan’ireo Jentilisa izay tsy lasa mpikamban’ny Fiangonana. Mariho ny zavatra nolazain’i Paoly ho antony nahatonga ny Jentilisa hafa ho tao anatin’izany toetoetra ara-panahy izany.
Vakio ny Efesiana 4:21–24, ary jereo izay nanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana ho lasa tsy mitovy amin’ny olona hafa. Azonao asiana marika na fanamarihana ao amin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.
Inona no voalazan’i Paoly fa tokony “[hialan’ny]” (Efesiana 4:22) olona iray izay efa nampianarina ny fahamarinana?
“[Mitafy] ny toetra vaovao” (Efesiana 4:24) isika rehefa miaina amim-pahazotoana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isan’andro amin’ny alalan’ny fikolokoloana finoana an’i Kristy, fibebahana amin’ny fahotana, fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena ary fitandremana ireo didy. Afaka mamantatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ny fampianaran’i Paoly: Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia miala amin’ny fiainana taloha, izay feno fahotana ary manomboka fiainam-pahamarinana vaovao.
Vakio ny Efesiana 4:25–32, dia tadiavo ireo zavatra izay mila “hialana” (andininy 22) na “[esorin’]” (andininy 31) ny mpianatr’i Kristy ary ireo zavatra izay tokony “[hotafian’]” (andininy 24) izy ireo. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao ao anatin’ny soratra masinao. Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Efesiana 4:26 dia manomboka amin’ny hoe “Mety ho tezitra va ianao ka tsy manota?” (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.lds.org ).
-
Ataovy sary na fariparito ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tranga mety hiseho iray izay maneho ny mety ho fihetsiky ny olona iray izay mila miala amin’ny toetrany feno fahotana ao amin’ny iray amin’ireo lafiny nosoritsoritan’i Paoly. Ataovy sary na fariparito ihany koa ny tranga mety hiseho iray izay maneho ny zavatra mety hataon’io olona io raha toa manatona an’i Kristy sy lasa olom-baovao izy. Azonao atao ny mitrandraka ny traikefanao manokana na ny traikefan’ny olon-kafa rehefa manatanteraka io asa ampanaovina io ianao.
Tsarovy fa ny miala amin’ny fiainana taloha sy ny fanarahana tanteraka an’i Jesoa Kristy dia zavatra mitohy hatrany fa tsy tranga iray indray miserana.
Efesiana 5–6
Manoro hevitra ireo Olomasina mikasika ny fifandraisan’izy ireo sy ny mba “[hitafian’izy ireo] avokoa ny fiadian’ Andriamanitra” i Paoly
Mamaky isika ao amin’ny Efesiana 5 fa nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana i Paoly Apôstôly fa tokony ho raisin’izy ireo ho torolalana ny amin’ny fifandraisan’izy ireo ao amin’ny fianakaviany sy amin’ny hafa ny fifandraisan’ny Mpamonjy amin’ny Fiangonana. Ilay teny hoe “mifanaiky” ao amin’ny Efesiana 5:21 dia midika hoe mametraka ny hafa ho eo ambonin’ny tenantsika, ary ilay andian-teny hoe “ny fahatahorana an’ [Andriamanitra]” dia milaza ny fitiavantsika sy ny fanajantsika an’Andriamanitra.
Vakio ny Efesiana 6:1–4, ary tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo zanaka momba ny fifandraisan’izy ireo amin’ny ray aman-dreniny.
Saintsaino ny fomba hahafahan’ny fanarahana io torohevitra io mankahery ny fifandraisana ao amin’ny fianakavianao.
Rehefa avy namporisika mafy ireo mpikamban’ny Fiangonana mba “[hitafy] ny toetra vaovao” (Efesiana 4:24) mba ho lasa olo-marina sy olo-masina i Paoly, dia nanoro hevitra azy ireo mba hitafy zavatra hafa ho fiarovana azy ireo izy.
Vakio ny Efesiana 6:11–13, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly fa tokony hotafian’ireo Olomasin’Andriamanitra.
Inona avy ireo antony nomen’i Paoly ny amin’ny tokony “[hitafiantsika] avokoa ny fiadian’Andriamanitra” (Efesiana 6:11)? Azonao atao ny manisy marika na manoratra ireo antony ireo ao amin’ny soratra masinao.
Vakio ny Efesiana 6:14–17, sady karohy ireo fiadiana ara-panahy isan-karazany izay nolazain’i Paoly fa mandrafitra ny fiadian’ Andriamanitra rehetra.
Amin’ny fomba ahoana no manampy antsika tsy hanota ny fitafiana ireo fiadiana ireo? Inona no azonao atao mba hitafiana ny fiadian’ Andriamanitra rehetra isan’andro?
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Efesiana 4–6 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: