Fizarana 29: Andro 2
Jakoba 4–5
Fampidirana
Nanoro hevitra an’ireo Olomasina mba hanohitra ny devoly, mba hanakaiky an’ Andriamanitra, ary mba hizaka amim-paharetana ny fijaliana eo am-piandrasana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany i Jakoba Apôstôly. Nampianatra izy fa ireo marary dia tokony “hampaka ny loholon’ny fiangonana” (Jakoba 5:14) mba hitsodrano azy ireo. Nampianatra ihany koa momba ny maha-manan-danja ny fanampiana ireo mpanota mba hibebaka i Jakoba.
Jakoba 4
Manoro hevitra an’ireo Olomasina mba hanakaiky an’ Andriamanitra sy mba hanohitra ny devoly i Jakoba
Eritrereto ny mpikamban’ny fianakavianao na ny namanao anankiray izay tsapanao fa akaiky anao. Nahoana ianao no mahatsapa fa akaiky an’io olona io?
Ahoana no nahatonga anao ho akaiky an’io olona io?
Izao dia diniho hoe ahoana no fahatsapanao ny maha-akaiky anao an’ Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana no hitahiana ny fiainanao raha manana fifandraisana tsara amin’ Andriamanitra ianao?
Eo am-pandalinanao ny Jakoba 4, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hanatsara ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 4:1–3, dia nibedy ireo Olomasina noho ny fileferan’izy ireo amin’ny fanirian’izao tontolo izao i Jakoba. Vakio ny Jakoba 4:4, mba hitadiavana ilay karazana fisakaizana izay nampitandreman’i Jakoba an’ireo Olomasina. Ny teny hoe fandrafiana dia midika hoe fananganan’ady na fankahalana.
Ny torohevitr’i Jakoba ao amin’ny andininy 4 dia tsy midika hoe tokony hisoroka ny fiarahana amin’ny olona tsy mpikamban’ny Fiangonana isika. Fa tokony hosorohantsika kosa ny fanekena na fanarahana ireo fampianaran-diso sy ireo faniriana tsy araka ny fahamarinana, fenitra ara-pitondrantena ary fomba fanaon’izao tontolo izao. Nampianatra i Jakoba fa ny finamanana amin’izao tontolo izao (ny fiainan’izao tontolo izao) dia hahatonga antsika ho fahavalon’ Andriamanitra.
Vakio ny Jakoba 4:6–8, mba hitadiavana ny zavatra nanoroan’i Jakoba hevitra ny Olomasina mba hataony.
Araka izay nianaranao avy tamin’ny Jakoba 4:8, dia fenoy izao fitsipika manaraka izao: Rehefa manakaiky an’ Andriamanitra isika dia . Azonao atao ny manisy marika ireo teny ao amin’ny Jakoba 4:8 izay mampianatra io fitsipika io. Namafisina tamin’ny fanambarana maoderina io fitsipika io (jereo ny F&F 88:63).
-
Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra azonao atao mba hahafahanao manakaiky an’ Andriamanitra.
Ny fomba iray hahafahana manakaiky an’ Andriamanitra dia ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly izay nilaza hoe “diovy ny tànanareo” ary “ataovy madio ny fonareo” (Jakoba 4:8). Araka ny fampiasa azy ao amin’ny soratra masina dia afaka maneho ny zavatra ataontsika ny tanana ary ny fo dia maneho ny faniriantsika. Saintsaino hoe ahoana ny fananana tanana sy fo madio no afaka manampy anao hanakaiky an’ Andriamanitra.
Vakio ny Jakoba 4:9–12, 17, mba hitadiavana ny torohevitra fanampiny nomen’i Jakoba an’ireo Olomasina mba hanampiana azy ireo hanakaiky an’ Andriamanitra. Ilay andian-teny hoe “aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo” ao amin’ny andininy 9 dia milaza ny fahatsapana alahelo araka an’ Andriamanitra noho ny fahotana.
Araka ny Jakoba 4:17, dia inona no nampianarin’i Jakoba fa fahotana?
Afaka mianatra avy amin’ny Jakoba 4:17 isika fa raha mahafantatra fa tokony hanao ny tsara isika nefa misafidy ny tsy hanao izany, dia manota isika. Azonao atao ny manisy marika ireo teny ao amin’ny Jakoba 4:17 izay mampianatra io fahamarinana io.
Nahoana araka ny eritreritrao no fahotana ny mahafantatra ireo zavatra tsara tokony ataontsika nefa misafidy ny tsy hanao azy ireny isika?
Namelabelatra momba io fahamarinana io ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: Ny teny hoe fanadinoana eto amin’ity sahan-kevitra ity dia milaza ireo zavatra tsara tokony ataontsika nefa tsinontsinoavintsika na tsy vitaintsika.
“Matahotra aho fa ny sasany amin’ireo fahotantsika lehibe indrindra dia fahotana noho ny tsy firaharahiana. Ireo no sasany amin’ireo lehibe amin’ny lalàna izay nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hataontsika [jereo ny Matio 23:23]. Asa mifono hatsaram-panahy sy fitiavana izy ireo izay hadinontsika ny manao azy ary mahatsapa ho meloka isika noho ny tsy firaharahiana azy ireo.
“Fony aho ankizilahy tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena nandritra ny hafanana midaniky ny fahavaratra, dia tsaroako i Mary Finlinson renibeko nahandro ny sakafonay tena mafilotra teo amin’ny fatana mandeha amin’ny kitay. Rehefa tsy misy kitay intsony ilay fitoeran-kitay teo akaikin’ny fatana, dia nandeha nivoaka mangina haka an’ilay fitoeran-kitay i Bebe mba hameno izany amin’ireo antontan-kazo sedera any ivelany ary nilanja ilay fitoeran-kitay mavesatra nankao an-trano. Tena mafy fo no tena variana tamin’ny resaka tao an-dakozia aho ka dia nipetraka teo ary navelako nameno indray ilay fitoeran-kitay tao an-dakozia ny renibeko malala.” Nahatsapa ho menatra ny tenako aho ary nanenina izany tsy firaharahiako izany nandritra ny fiainako manontolo. Manantena aho fa indray andro any dia hangataka azy mba hamela ahy” (“The Weightier Matters of the Law: Judgment, Mercy, and Faith,” Ensign, nôv. 1997, 59).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo ohatra “fahotana fanadinoana” sasany izay mety manakana anao amin’ny fanakaikezana an’ Andriamanitra kokoa?
-
Inona no zavatra anankiray hataonao mba hanakaikezanao an’ Andriamanitra kokoa? Manolora tena amin’ny fampiharana izay bitsika mety ho tsapanao izay hanampy anao amin’ny fanatanterahana ity tanjona ity.
-
Jakoba 5
Mampianatra ireo Olomasina mba hizaka ny fijaliana amim-paharetana sy manome torolalana ny marary mba hiantso ireo loholona i Jakoba
Ao amin’ny Jakoba 5:1–6 dia mamaky isika fa nanameloka ireo manan-karena izay tsy nampiasa ny harenany araka ny tokony ho izy sy nanenjika ny olo-marina i Jakoba Apôstôly. Nampitandrina izy fa fahoriana sy fitsarana no miandry azy ireo.
Vakio ny Jakoba 5:7–11, mba hitadiavana hoe inona no torolalan’i Jakoba ho an’ireo Olomasina mba hataon’izy ireo rehefa miatrika fijaliana eo am-piandrasana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izy ireo.
Ireo andininy ireo dia maneho ny fifandraisana misy eo amin’ny fitsapana sy ny faharetana ary ny fomba fiatrehan’ny olona mahatoky tahaka an’i Joba ny fijaliana sy ny fanoherana. Mariho ao amin’ny Jakoba 5:10 hoe iza no azon’ireo Olomasina raisina ho ohatra amin’ny fizakana fijaliana amim-paharetana.
Tanisao ireo ohatra mpaminany sasany avy amin’ny soratra masina izay nizaka fijaliana tamim-paharetana:
Diniho hoe torohevitra inona no azonao omena ny namana iray izay nilaza hoe, “Marary be mihitsy aho. Efa mihoatra ny herinandro izao no namparary ahy. Efa nandeha tany amin’ny mpitsabo aho ary efa nandray fanafody fa mbola tsy mihatsara ihany anefa. Tsy fantatro hoe inona koa no azoko atao.”
Vakio ny Jakoba 5:13–16, mba hitadiavana ny torohevitra nomen’i Jakoba mba hataon’ireo izay mamary sy ory.
Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe, “Rehefa voahosotrin’ny loholona ny marary iray ary rehefa nofehezina izany fanosorana izany dia manokatra ny varavaran’ny lanitra izy ireo mba handrotsahan’ny Tompo ny fitahiana izay sitrany ho an’ilay olona ory” (“Healing the Sick,” Ensign na Liahona, mey 2010, 48).
Jereo indray ny ao amin’ny Jakoba 5:15. Ankoatra ny herin’ny fisoronana dia inona koa no voalazan’i Jakoba fa afaka mamonjy na manasitrana ny marary?
Fahamarinana anankiray azontsika ianarana avy amin’ny Jakoba 5:14–16 ny hoe afaka ny ho sitrana ny marary amin’ny alalan’ny vavaka atao am-pinoana sy ny herin’ny fisoronana.
Ny Loholona Oaks dia nampianatra izao manaraka izao momba ny vavaka atao am-pinoana sy ny hery manasitran’ny fisoronana:
“Rehefa mampiasa ilay hery tsisy fisalasalan’ny fisoronan’ Andriamanitra isika sy rehefa manome lanja ny fampanantenany fa handre sy hamaly ny vavaka atao am-pinoana Izy, dia tokony hahatsiaro mandrakariva isika fa ny finoana sy ny hery manasitran’ny fisoronana dia tsy afaka ny hanome vokatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ilay tompon’ny fisoronana. …
“…Na ireo mpanompon’ny Tompo aza, izay mampiasa ny heriny avy any an-danitra amin’ny toe-javatra izay ahitana finoana ampy hahasitrana, dia tsy afaka manome tsodranon’ny fisoronana izay hahatonga ny olona iray ho sitrana raha toa ka tsy izany fahasitranana izany no sitrapon’ny Tompo.
“Amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika, izay mahafantatra ny fitiavany lehibe sy ny fahalalany tsy manam-petra ny amin’izay tsara indrindra ho an’ny fanambinantsika mandrakizay dia mahatoky Azy isika. Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’ny Tompo Jesoa Kristy, ary ny finoana dia midika hoe fahatokisana. Nahatsapa izany fahatokisana izany aho rehefa naheno ny lahateny nataon’ny zanaky ny mpiray tam-po amin’ny ray aman-dreniko iray izay nataony tamin’ny fivoriana fanaovam-beloma farany ny zatovovavy iray izay nodimandry noho ny aretina goavana nahazo azy. Nilaza ireto teny ireto izy, izay nahatalanjona ahy tany am-boalohany ary avy eo nankahery ahy: ‘Fantatro fa sitrapon’ny Tompo ny nahalasa azy. Nandray fitsaboana tomombana izy. Nomena tsodranon’ny fisoronana izy. Ny anarany dia napetraka teo amin’ny taratasy mirakitra anaran’olona hivavahana any amin’ny tempoly. Natao ho azy daholo ny vavaka aman-jatony mba hamerenana ny fahasalamany amin’ny laoniny. Ary fantatro fa ampy ny finoana ao amin’io fianakaviana io fa ho sitrana izy raha tsy hoe sitrapon’ny Tompo ny hamerenany azy hody any Aminy amin’izao fotoana izao. Nahatsapa izany fahatokisana izany aho tamin’ny tenin’ny rain’ny tovovavy sarobidy iray izay matin’ny homamiadana tamin’ny fahatanorany. Nilaza izy hoe, ‘Ny finoan’ny fianakavianay dia ao amin’i Jesoa Kristy ary tsy miankina amin’ny zavatra mety hitranga.’ Ireo fampianarana ireo dia tsapako fa marina. Manao izay rehetra vitantsika isika ho an’ny fahasitranan’ireo havan-tiantsika ary avy eo dia mametra-pahatokiana amin’ny Tompo isika amin’izay hitranga” (“Fanasitranana ny marary,” 50).
Amin’ny fomba ahoana ny fampianaran’ny Loholona Oaks no manampy anao hahatakatra ny hery manasitran’ny fisoronana? Nahoana ny finoana sy ny vavaka no mila ampifanarahana amin’ny sitrapon’ Andriamanitra? (Jereo ny Bible Dictionary, “Prayer.”)
-
Alaivo sary an-tsaina hoe marary ny iray amin’ny mpikamban’ny fianakavianao na ny namanao. Manorata taratasy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ho an’io olona io izay hanazavanao ny zavatra nianaranao momba ny hery manasitran’ny fisoronana. Alaivo antoka ny hanazavanao ny antony maha-manan-danja ny hoe ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia tsy miankina amin’izay vokatry ny tsodranon’ny fisoronana. Ampidiro ao ny ohatra olona sasantsasany izay fantatrao fa notahiana tamin’ny alalan’ny vavaka natao am-pinoana sy ny herin’ny fisoronana.
Nampitaha ny fanasitranana marary tamin’ny famelan-keloka ihany koa i Jakoba (jereo ny Jakoba 5:16).
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fanetrentena sy ny finoana takiana amintsika mba hanasitranana antsika dia ny fanetrentena sy finoana ihany izay takiana amintsika mba hahazoantsika famelan-keloka: “Misy ireo … toe-javatra masina izay hananan’ny olombelona tombotsoa hahatakatra traikefa ara-panahy izay hahazony fankatoavana avy amin’ny Fanahy fa nohamarinina izy ireo noho ny fitondrantenan’izy ireo ary noho izany dia navela ny helok’izy ireo. Nolazain’i Jakoba fa ny ôrdônansin’ny fanomezana tsodrano ny marary dia iray amin’izany. … Ny olona izay azo sitranina noho ny finoany, ny fanolorantenany, ny fahamarinany ary ny fahamendrehany manokana dia afaka mahazo ny fankatoavana avy amin’ny Fanahy ihany koa mba hamarinina amin’ny lalana nodiaviny tamin’ny fiainana, dia havela ny fahotany, araka ny vavolombelona misy avy amin’ny fiarahany amin’ny Fanahy, izay tsy afaka nananany raha tsy mendrika izy” (Mormon Doctrine, ed. faha-2 [1966], 297–98).
Tsy midika anefa izany fa tsy mendrika ny olona izay tsy sitrana rehefa avy nomena tsodranon’ny fisoronana. Ny fitahiana rehetra dia omena araka ny fahatakarana lehiben’ Andriamanitra, ary afaka mahatsapa ny fitiavany sy ny fiadanan’ny Fanahy manamafy ny fahamendrehantsika isika.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 5:17–20 dia nilaza ny momba ny mpaminany Elia ho ohatra olona izay nampiasa ny herin’ny vavaka natao tamim-kafanampo i Jakoba. Nanoro hevitra ireo Olomasina mba hanampy ny mpanota mba hibebaka ihany koa izy. Mariho ao amin’ny Jakoba 5:20 ny fitahiana nampanantenaina an’ireo izay “mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany.”
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Jakoba 4–5 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty) aho.
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: