Fizarana 18: Andro 4
Asan’ny Apostoly 10–12
Fampidirana
Nambaran’Andriamanitra tamin’i Petera tamin’ny alalan’ny fahitana fa hotoriana amin’ny Jentilisa ny filazantsara. Nampianatra ny filazantsara tamin’i Kornelio sy ny ankohonany i Petera ka nampisy fifandirana teo anivon’ireo Olomasina Jiosy taty aoriana mikasika ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Jentilisa. Mitohy mandroso hatrany ny asan’ny Tompo na dia eo aza ny fanenjehana. Namono ny Apôstôly Jakoba i Heroda Agripa I, zafikelin’i Heroda Lehibe, ary avy eo dia nisambotra sy nanagadra an’i Petera. Ny alina talohan’ny hamonoana ho faty an’i Petera dia nisy anjely iray nanampy azy hitsoaka ny fonja. Namely an’i Heroda ny anjely iray avy amin’Andriamanitra, ary nitohy nandroso hatrany ny filazantsara.
Asan’ny Apostoly 10
Ambaran’Andriamanitra amin’i Petera amin’ny alalan’ny fahitana fa hotoriana amin’ny Jentilisa ny filazantsara
Inona no manome toky anao hanaraka olona iray?
Alaivo sary an-tsaina hoe miaraka amin’ny vondron’olona iray izay very ianao. Misy olona maromaro ao amin’ilay vondrona mitolo-tena hitarika ny tsirairay hody soa aman-tsara, ary samy manoro lalana samy hafa izy ireo. Inona no mety hitondra fanapahan-kevitra na mety hitaona anao hisafidy hoe iza no olona harahinao?
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 10–12 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahazo toky amin’ny fanarahana ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ny Fiangonany.
Hatramin’io fotoana tao anatin’ny andron’ny Testamenta Vaovao io dia tamin’ny Jiosy ihany no nitoriana ny filazantsara, niaraka tamin’ny olona vitsivitsy manokana. Na i Jesoa aza dia tsy nitory afa-tsy tamin’ireo “ondry very amin’ny taranak’Isiraely” ary nandidy ny Apôstôliny mba hanao torak’izany koa (jereo ny Matio 10:5–6). Kanefa nilaza tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy fa aorian’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina eo amin’izy ireo dia hitory ny filazantsara “hatramin’ ny faran’ ny tany” izy ireo (Asan’ny Apostoly 1:8). Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 isika dia mamaky momba ny fiovana lehibe teo amin’ny fomba fiasan’ny Fiangonana izay hanampy amin’ny fanatanterahana izany.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:1–2 hitadiavana ny mombamomba ny Jentilisa iray nantsoina hoe Kornelio.
Kapiteny i Kornelio. Ny kapiteny dia “manamboninahitra tao amin’ny tafika Romana, nibaiko miaramila 50 ka hatramin’ny 100. Ny holafitra toy izany dia manome ny iray ampahenin’ny legiona Romana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Kapiteny,” scriptures.lds.org).
Araka fomba fanao tao amin’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany, i Kornelio, amin’ny maha-Jentilisa azy, dia tsy nahazo niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy raha tsy niova finoana nanaraka ny fiavavahana Jiosy aloha. Na dia tsy nahazo niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aza i Kornelio noho ny naha-Jentilisa azy dia ahoana no nanehoany ny finoany an’Andriamanitra?
Araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:3–48 dia nahita fahitana izay tsy takany tamin’ny voalohany i Petera. Na izany aza, rehefa nanaraka ny Fanahy i Petera dia nampahafantarina an’i Kornelio, izay nahita anjely iray tao anatin’ny fahitana nilaza fa efa ren’ny Tompo ny vavaka nataon’i Kornelio. Niditra tao an-tranon’i Kornelio i Petera ka nampianatra azy sy ny fianakaviany ny filazantsara. Tonga teo amin’ny rehetra tao amin’ilay trano ny Fanahy Masina. Takatr’i Petera fa ilay fahitana hitany, izay nandidiana azy hihinana biby voalaza fa maloto, dia toromarika avy any an-danitra mba hitoriana ny filazantsara amin’ny Jentilisa ka hamela azy ireo hatao batisa tsy mila miova finoana hanaraka ny fivavahana Jiosy aloha.
-
Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
-
Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:34–35 ka soraty izay eritreritra na fahatsapana anananao momba izay voalaza fa nianaran’i Petera ao amin’ireo andininy roa ireo.
-
Vakio ny 2 Nefia 26:33 dia valio izao fanontaniana manaraka izao avy eo: Inona no dikan’ny hoe “tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 10:34)?
-
Eritrereto izay lazain’izao teny nambara manaraka izao momba an’Andriamanitra izay “tsy mizaha tavan’olona”:
“Ho an’ny rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hoy ny Bokin’i Môrmôna hoe: ‘na mainty na fotsy, na andevo na olon’ afaka; … ho an’ Andriamanitra dia mitovy ’ (2 Nefia 26:33). Izany no fampianarana ôfisialin’ny Fiangonana.
“Noraisina tsara sy natao batisa foana ny olona avy amin’ny foko rehetra tato am-piangonana hatramin’ny niantombohany. …
“Ny Fiangonana dia tsy azo isalasalana fa manameloka ny fanavakavaham-bolonkoditra rehetra tany aloha, na izay nataon’ny olona ivelan’ny Fiangonana izany na izay nataon’ny olona tao anatin’ny Fiangonana. Tamin’ny taona 2006, i Gordon B. Hinckley, filohan’ny Fiangonana teo aloha, dia nanambara fa ‘tsy misy olona manao fanamarihana mitory fanavakavahana ny olona hafa fihodirana ka afaka mihevitra ny tenany ho mpanaradia marina an’i Kristy. Tsy afaka ny hihevitra ny tenany ho mpanaraka tsara ireo fampianaran’ny Fiangonana ihany koa izy. … Aoka isika rehetra samy hiaiky fa isika tsirairay avy dia zanakalahy na zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra, izay tia ireo zanany rehetra’ [“The Need for Greater Kindness,” Ensign na Liahona, mey 2006, 58]” (“Race and the Church: All Are Alike unto God,” mormonnewsroom.org/article/race-church).
Asan’ny Apostoly 11:1–18
Nampisy fifandirana teo anivon’ny Olomasina Jiosy i Petera momba ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Jentilisa
Avy amin’ny zavatra izay novakinao tao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:28, inona araka ny eritreritrao no mety ho tsapan’ireo Olomasina Jiosy rehefa nahare mikasika ny fifandraisan’i Petera tamin’ny Jentilisa?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:1–3 hitadiavana ny teny nasetrin’ireo mpianatra ny zavatra izay nataon’i Petera.
Araka ny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:4–15 dia nohazavain’i Petera tamin’ireo mpianatra ireo fahitana hitany sy hitan’i Kornelio. Nolazainy azy ireo fa efa nandray ny fampianaran’i Jesoa Kristy i Kornelio sy ny ankohonany ary avy eo dia nahatsapa ny herin’ny Fanahy Masina tahaka ny nahatsapan’i Petera sy ireo mpianatra hafa izany.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:16–17 hitadiavana ny fanamarihana farany nataon’i Petera tamin’ireo mpianatra.
Inona araka ny eritreritrao no tian’i Petera nolazaina rehefa niteny izy hoe, “iza moa aho no hahasakana an’ Andriamanitra?” (Asan’ny Apostoly 11:17)?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:18 hitadiavana ny fomba namalian’ireo mpianatra ny fanazavan’i Petera.
Inona no navalin’ireo mpianatra raha vatany vao nahafantatra izy ireo fa notarihin’Andriamanitra i Petera?
Izao manaraka izao dia fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io: Rehefa fantatsika fa Andriamanitra no mitarika ireo mpitondra miahy ny Fiangonana, dia afaka manohana sy manaraka azy ireo amim-pahatokiana isika. Nohamafisina io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’ny andro farany, izay milaza fa Andriamanitra dia manambara ny sitrapony amin’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana hitarihana ny Fiangonana (jereo ny F&F 1:38; 28:2, 7; 42:11; 107:65–66).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no nahafantaranao fa Andriamanitra no mitarika ireo mpitondra miahy ny Fiangonana?
-
Inona no torohevitr’ireo mpaminany izay nofidinao ho arahina noho ny fahafantaranao fa Adnriamanitra no mitarika ireo mpaminany?
-
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tanjona iray izay mety hanampy anao hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa fa ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tarihin’Andriamanitra.
Asan’ny Apostoly 11:19–30
Mandroso hatrany ny asan’ny Tompo na dia eo aza ny fanenjehana
Voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:19–26 fa noho ny fanenjehana dia niparitaka manerana ny faritra ireo mpianatra sasany saingy nitory tamim-pahatokiana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na taiza na taiza toerana nalehan’izy ireo. Voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:27–30 fa nisy mpaminany sasany “avy tany Jerosalema nankany Antiokia” ka ny iray tamin’ireo mpaminany, i Agabo, dia nijoro ho vavolombelona fa hisy mosary. Maro noho izany ny ezaka natao mba hanampiana ireo vahoaka tao Jodia.
Asan’ny Apostoly 12:1–17
Novonoin’i Heroda i Jakoba ary nogadrainy i Petera, izay tafatsoaka ny fonja tamin’ny fomba mahagaga
Manondro any avaratra ny tondroavaratra satria ny andriamby any amin’ny Tendron-tany avaratra dia misintona ny andriamby amin’ny tendrony avaratra amin’ny tondroavaratra. Manoava sary X eo akaikin’ilay tondroavaratra (fa tsy akaikin’ny tendrony avaratra amin’ilay tondroavaratra), ka eritrereto hoe io X io dia maneho andriamby iray.
Ahoana no mety ho fiantraikan’io andriamby io amin’ny fihetsiky ny fanjaitran’ilay tondroavaratra?
Inona no mety ho vokatr’izany amin’ny fahafahantsika manao safidy tsara momba ny lalana tokony halehantsika?
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 12 ianao dia mitadiava fitaomana iray izay mety hanelingelina ny fahafahantsika mandray fanapahan-kevitra tsara.
Hatramin’ny namonoana an’i Stefana ho maritiora dia tsy nitsaha-nitombo ny fanenjehana niainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Jerosalema sy ny manodidina. Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:1–4 hitadiavana ny fomba nandraisan’ny mpanjaka Heroda Agripa anjara tamin’io fanenjehana io.
Iza no novonoin’i Heroda?
Ilay Jakoba izay voalaza ao amin’ny andininy 2 dia ny Apôstôly Jakoba, rahalahin’ny Apôstôly Jaona ary zanak’i Zebedio. Araka ireo rakitsoratra dia i Jakoba no Apôstôly maty maritiora voalohany tao amin’ny Fiangonana Kristianina tany am-boalohany. Mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany koa izy niaraka tamin’i Petera sy i Jaona.
Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 12:3 dia iza no faly tamin’ny fahafatesan’i Jakoba?
Ny teny hoe “Jiosy” ao amin’ny andininy 3 dia manondro mpitarika Jiosy manam-pahefana be tao Jerosalema izay namporisika ny fanenjehana ny Fiangonanan’i Jesoa Kristy. I Heroda Agripa “dia nanam-paniriana ny ho hita hoe Jiosy tena manaraka ny fombany” (Bible Dictionary, ao amin’ny Baiboly edisiônan’ny OAF “Herod”) ka nitady ny hampifaly ireo mpitarika Jiosy ireo. Soraty eo akaikin’ilay X akaikin’ilay tondroavaratra ny hoe: Raha mikatsaka ny hampifaly olona isika toy izay ny hampifaly an’ Andriamanitra dia …
Inona no nataon’i Heroda rehefa hitany fa nahafaly an’ireo mpitarika Jiosy ny famonoana an’i Jakoba?
Raha dinihina ilay sarina tondroavaratra sy ilay X dia inona no fiantraikan’ny fanirian’i Heroda hampifaly ny hafa fa tsy Andriamanitra amin’ny lalana nizorany teo amin’ny fiainany?
Raha mifototra amin’ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Heroda dia fenoy izao fitsipika manaraka izao: Raha mikatsaka ny hampifaly olona isika toy izay ny hampifaly an’Andriamanitra dia .
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ankoatra ny ohatr’i Heroda dia inona avy ireo ohatra hafa izay maneho ny fomba hitondran’ny fikatsahana hampifaly olona fa tsy hampifaly an’Andriamanitra ny olona iray hanota?
-
Inona avy ireo fomba sasany izay mety ahafahan’ny faniriana hampifaly ny hafa mitondra anao hiala amin’ny Rainao any An-danitra? Inona no hataonao mba tsy ho voatarika hanota?
-
Eritrereto ireo fomba izay mety hahatonga anao hamela ny fanirianao hampifaly ny hafa hitarika anao hiala ny Rainao any An-danitra.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:5–6. Inona no nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’io fotoana io?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:7–10. Inona avy ireo famerana sy sakana tsy nahazo an’i Petera nandritra ny fitsoahany?
Nisy anjelin’ny Tompo iray nanafaka an’i Petera tao am-ponja.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:11–15. Oviana i Petera no nahita fa tena izy ny zavatra izay nitranga fa tsy fahitana?
Inona no nitranga rehefa nandondona teo amin’ny vavahvadin’ny tranon’i Maria i Petera?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:16–17. Iza no nomen’ny Petera voninahitra noho ny fahafahany nitsoaka ny fonja?
Jereo indray ny Asan’ny Apostoly 12:5 ka eritrereto ny ifandraisan’io andininy io amin’ny fitsoahan’i Petera ny fonja.
Inona araka ny eritreritrao no tian’ny hoe “nahery nangataka” (Asan’ny Apostoly 12:5) holazaina momba ny maha-tena avy amin’ny fo sy tamin-kafanam-po ny vavaka nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana?
Io tantara io dia maneho ilay fahamarinana hoe ny vavaka amin-kitsim-po sy amin-kafanam-po izay ataontsika dia manasa ireo fahagagana sy fitahian’Andriamanitra ho eo amin’ny fiainantsika sy ny an’ny hafa.
Inona no dikan’ny hoe mivavaka amin-kitsim-po sy amin-kafanam-po?
Io fitsipika io dia tsy midika hoe rehefa amin-kitsim-po sy amin-kafanam-po ny vavaka ataontsika dia tsy maintsy mahazo ny zavatra angatahantsika isika. Anisan’ny antony hafa mahatonga ny fahazoana ireo fahagagana sy fitahian’Andriamanitra ny sitrapo sy ny fotoan’Andriamanitra ary ny safidiny manokana ihany koa.
Vakio ity teny nambara manaraka ity mba hitadiavana ny antony maha-manan-danja ny vavaka: “Ny vavaka dia ny mampifanaraka ny sitrapon’ ny Ray sy ny sitrapon’ ny zanaka. Tsy ny hanova ny sitrapon’ Andriamanitra no tanjon’ny vavaka, fa ny hahazoantsika sy ny hafa ireo fitahiana izy efa tian’ Andriamanitra homena, saingy miankina amin’ny fomba fangatahantsika azy ireo no hahazoantsika izany. Ireo fitahiana dia mitaky asa na ezaka maromaro avy amintsika mialoha ny ahafahantsika mahazo izany. Ny vavaka dia karazana asa sy fitaovana voatondro mba hahazoana ny fitahiana ambony indrindra amin’ny fitahiana rehetra’ (Bible Dictionary, “Prayer”).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa amin’ireo fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra:
-
Araka io voalaza ao amin’ny Bible Dictionary (Rakibolan’ny Baiboly) io dia inona no tanjona lehiben’ny vavaka?
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahatadidy fa ny tanjon’ny vavaka dia tsy ny hanova ny sitrapon’Andriamanitra?
-
Oviana ny vavaka no efa nanasa ireo fahagagana sy fitahian’Andriamanitra ho eo amin’ny fiainanao na tamin’ny fianan’ny olona hafa izay nentinao am-bavaka?
-
Eritrereto ny olona na ny zavatra izay entinao am-bavaka. Eritrereto ny fomba mety hahafahanao mivavaka amin-kitsim-po sy amin-kafanam-po kokoa mba hanasana ireo fitahiana sy fahagagana avy amin’Andriamanitra izay tian’Andriamanitra homena anao na ny hafa.
Asan’ny Apostoly 12:18–25
Mamely an’i Heroda ny anjelin’Andriamanitra, ary mitohy mandroso hatrany ny filazantsara
Voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:18–25 fa fantatr’i Heroda ny fitsoahan’i Petera ka dia novonoiny ireo mpiambina izay tsapany fa tompon’andraikitra tamin’ny famelana an’i Petera hitsoaka. Ao anatin’ireo andininy ireo koa isika dia mianatra fa nikabary tamin’ny vahoaka i Heroda ka nidoka azy tamin’ny fiderana sy antso ho niteny tahaka an’Andriamanitra izy ireo. Satria tsy nanome ny voninahitra ho an’Andriamanitra i Heroda dia nisy anjely namely azy tamin’ny aretina ka maty izy.
Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny famaizan’Andriamanitra ireo ratsy fanahy dia araka ny sitrapony sy ny fotoany. Tsy ny ratsy fanahy rehetra no faizina eo no ho eo (jereo ny Almà 14:10–11).
Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 12:24, dia inona no nitranga tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara izay nataon’ny Fiangonana na dia teo aza ny fanenjehana izay natrehin’ireo mpikamban’ny Fiangonana?
Avereno jerena ireo fahamarinana nianaranao tato amin’ity lesona ity ka saintsaino ny fomba hampiharanao izany eo amin’ny fiainanao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 10–12 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: