Tahirim-pitaovana
Fizarana 31, Andro 3: Apokalypsy 6–7


Fizarana 31: Andro 3

Apokalypsy 6–7

Fampidirana

I Jaona Apôstôly dia nahita fahitana momba ny Zanakondrin’ Andriamanitra nanokatra ireo tombo-kase enina voalohany teo amin’ilay boky voafehy. Hitan’i Jaona tao amin’ny tombo-kase fahenina, izay maneho ity fotoampitantan’ny andro farany ity, ireo mpanompon’ Andriamanitra izay “ny akanjony dia nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 7:14).

Apokalypsy 6

I Jaona Apôstôly dia nahita ny Zanakondrin’ Andriamanitra nanokatra ireo tombo-kase enina voalohany tao amin’ilay boky voafehy

Inona ireo ahiahy na tahotra sasany izay mety anananao na olona fantatrao momba ny fiainana amin’ny andro farany?

Mpaminany Joseph Smith

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra momba ny zavatra tsapan’ireo mpaminany taloha momba izao androntsika izao hoe: “Ny fananganana an’i Ziona dia antony iray izay mahaliana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny fotaona rehetra; lohahevitra iray izay andrasan’ny mpaminany, mpisorona ary mpanjaka amim-pifaliana manokana mihitsy, efa nandradrain’izy ireo tamim-pifaliana tokoa izao vaninandro iainantsika izao; ary niredareda ny fanantenan’ny lanitra sady faly izy ireo no nihira sy nanoratra ary naminany momba ity androntsika ity” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [ 2007], 186).

Nahoana araka ny hevitrao no nanana izany fahatsapana izany momba ny androntsika ireo mpaminany fahiny?

I Jaona Apôstôly, izay antsoina ihany koa hoe Jaona ilay Mpanambara, dia iray tamin’ireo mpaminany izay nahalala ny tranga misy amin’ny andro farany ary naminany momba ny androntsika tamin-kafaliana lehibe. Rehefa mandalina ny Apokalyspy 6–7 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mampionona anao sy ireo izay fantatrao manoloana ireo tranga amin’ny andro farany.

Tsarovy fa ny Apokalypsy 5:1–5 dia mirakitra fa i Jaona dia nahita boky misy tombo-kase fito ary ny Zanakondrin’ Andriamanitra irery ihany no mendrika hanokatra izany. Tao amin’ny fahitany, i Jaona dia nahita fanehoana an’ohatra ny sasany amin’ireo zava-nitranga lehibe mikasika ny tsirairay amin’ireo vanim-potoan’ny 1.000 taona izay asehon’ireo tombo-kase fito.

  1. journal iconManaova sary tsotra izay maneho ny zava-nitranga tao amin’ny tombo-kase voalohany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, araka ny hita ato amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Rehefa mamaky momba ny tombo-kase tsirairay ianao dia saintsaino ny mety ho hevitr’ireo tandindona sasantsasany.

    1. Tombo-kase voalohany (Apokalypsy 6:1-2)

    2. Tombo-kase faharoa (Apokalypsy 6:3-4)

    3. Tombo-kase fahatelo (Apokalypsy 6:5-6)

    4. Tombo-kase fahefatra (Apokalypsy 6:7-8)

    5. Tombo-kase fahadimy (Apokalypsy 6:9-11)

Na dia tsy mbola nambaran’ny Tompo aza ny dikan’ireo tandindona sasantsasany hita ao amin’ny soratra masina, dia efa nanambara ny ankamaroan’izy ireny tamin’ny alalan’ny mpaminaniny Izy. Rehefa mandalina soratra masina sy manana fanontaniana ianao, dia azonao atao ny mijery ireo fanamarihana nataon’ny mpaminany mba hahitana izay nolazain’ireo manampahefan’ny Fiangonana momba ireo andalan-tsoratra masina sasantsasany. Ny fampahalalana ato amin’ity tabilao nampiarahina eto ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny tandindona sasantsasany hita ao amin’ny Apokalypsy 6:1–11 mikasika ny fisokafan’ny tombo-kase dimy voalohany.

Tombo-kase voalohany

(Eo ho eo amin’ny 4000 ka hatramin’ny 3000 talohan’i J.K.)

Sovaly fotsy = Fandresena

Miondrika = Ady

Satro-boninahitra = Mpandresy

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome sosokevitra fa ny Apokalypsy 6:1–2 dia mamariparitra ny andron’i Enoka ary i Enoka ilay mpitaingin-tsoavaly (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary boky miisa 3. [1966–73], 3:476–78).

Tombo-kase faharoa

(Eo ho eo amin’ny 3000 ka hatramin’ny 2000 talohan’i J.K.)

Soavaly mena = Fandatsahan-dra

Sabatra = Ady sy fandravana

Ny Loholona McConkie dia nanoro hevitra fa ny Apokalypsy 6:3–4 dia mamariparitra ny andron’i Noa, rehefa nanenika ny tany ny faharatsiana. Ilay mpitaingina an’ilay soavaly mena dia mety ho ny devoly mihitsy na, angamba, “olona iray maneho miaramila mpamono olona maro” (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary, 3:478–79).

Tombo-kase fahatelo

(Eo ho eo amin’ny 2000 ka hatramin’ny 1000 talohan’i J.K.)

Soavaly mainty = Mosary

Mizàna = Fahalafosan’ny vidin-tsakafo

Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nanome sosokevitra fa ny Apokalypsy 6:5–6 dia mamariparitra ny andron’i Abrahama, rehefa maro ny olona maty noho ny hanoanana (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary 3:479-80). Ny olona iray dia afaka mividy sakafo ampy mba hiainany avy amin’ny karamany nandritra ny andro iray manontolo fotsiny, izay maneho vidim-piainana diso tafahotra mandritra ny mosary.

Tombo-kase fahefatra

(Eo ho eo amin’ny 1000 talohan’i J.K. hatramin’ny fahaterahan’i Kristy)

Soavaly hatsatra = Fahafatesana

Fahafatesana sy helo = Fandringanana ireo olon-dratsy sy ny fandraisana azy ireo ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy (jereo ny Isaia 5:14)

Ny Loholona McConkie dia nanoro hevitra fa ny Apokalypsy 6:7–8 dia nilaza ny fotoan’ireo “fanjakana sy ny firenena lehibe izay nampilajy sy nanjakazaka teo amin’i [Isiraely] hatrany hatrany ny ady sy ny fitaka nataon’izy ireo” (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary, 3:481). Anisan’ireo firenena ireo i Babylona, i Persia, i Egypta, i Assyria, i Gresy ary i Roma.

Tombo-kase fahadimy

(Manodidina ny fahaterahan’i Kristy ka hatramin’ny 1000 taorian’i J.K.)

Alitara = Sorona

Fanahy = Maritiora, Kristianina novonoina noho ny finoan’izy ireo

Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nanome sosokevitra fa ny Apokalypsy 6:9–11 dia miresaka momba ireo Kristianina maro voalohany, anisan’izany ny ankamaroan’ireo Apôstôly voalohany, izay maty maritiora (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary 3:482-83). Satria nahafoy ny ainy ireo Olomasina ireo “noho ny tenin’ Andrimanitra, ary ny fijoroana ho vavolombelona izay nananan’izy ireo” (Apokalypsy 6:9), dia nomena azy ireo “ny akanjo fotsy” (Apokalypsy 6:11), mariky ny fahadiovana (jereo ny Apokalypsy 7:13–14; 3 Nefia 27:19).

Ny tombo-kase fahenina dia maneho izao androntsika izao sy ireo tranga, indrindra fa ireo antambo, izay mitarika amin’ny Arivotaona, rehefa hanjaka manokana eto ambonin’ny tany i Jesoa Kristy (jereo Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 3:485–86).

Vakio ny Apokalypsy 6:12–17 dia tadiavo ireo tranga izay hitan’i Jaona mialoha amin’izao androntsika izao izay mitarika amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 14 dia mivaky hoe: “Ary dia nisokatra tahaka ny horonan-taratasy nosokafana ny lanitra; ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ ny fitoerany.”

Mariho fa ny Apokalypsy 6:16 dia mamaripatra ny olona sasany izay hiady mafy mba ho afa-mandositra ny fahatezeran’ Andriamanitra. Dia nametraka ity fanontaniana ity i Jaona avy teo: “ka iza no mahajanona?” (Apokalypsy 6:17). Ny Apokalypsy 7 dia manampy antsika hahatakatra hoe iza no mahajanona, na haharitra ireo loza ao amin’ny tombo-kase fahenina.

Apokalypsy 7

I Jaona Apôstôly, dia nahita ireo mpanompon’ Andriamanitra izay nanasa ny akanjon’izy ireo tamin’ny ran’ny Zanakondry

Vakio ny Apokalypsy 7:1–4 dia tadiavo ireo zavatra hafa hitan’i Jaona tao amin’ny tombo-kase fahenina. Vakio ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:8-11, izay nanazavan’ny Tompo ny dikan’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R.McConkie dia nanazava fa ilay teny hoe Elià, araka ny hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:9, dia “anarana sy fiantsoana an’ireo izay manome ireo fanalahidy sy fahefana ho an’ny lehilahy ato amin’ity fotoampitantanana farany ity no asa nanirahana azy ireo” (Mormon Doctrine, ed.2 [1966] 221).

Ny sasany amin’ireo lehilahy izay tonga nanome ireo fanalahidy sy fahefana dia i Adama; i Môrônia; i Jaona Mpanao Batisa; i Petera sy i Jakoba ary i Jaona; i Mosesy; ary i Elia.

Ny tombo-kase na marik’ireo “mpanompon’ny Andriamanintsika eo amin’ny handrin’izy ireo” (Apokalypsy 7:3) dia fanoharana noho ny fanolorantena, sy ny asa fanompoan’izy ireo, ary ny maha-an’ Andriamanitra azy ireo.

Mpaminany Joseph Smith

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa ny tombo-kasen’ireo mahatoky eo amin’ny handrin’izy ireo dia “midika ho famehezana ireo fitahiana eo ambonin’ny lohan’izy ireo, izay midika ho ilay fanekempihavanana maharitra mandrakizay, ka tanterahana amin’izany ny fiantsoana sy fifidianana azy ireo” (ao amin’ny History of the Church, 5:530).

Ilay isa 144 000 voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:4 “dia ny isan’ireo mpisolo-tena avy ao amin’ny foko roambinifolon’i Isiraely izay hotendrena mba hanampy ny hafa amin’ny fikatsahan’izy ireo ny fisandratana. … Izany dia tsy midika ho ny totalin’isan’ireo olona izay hasandratra, araka ny finoan’ny sasany” (Testamenta Vaovao: Boky fandalinana ho an’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2014], 544).

Araka ny voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 9, dia mbola niresaka momba ireto mpanompo marina ireto indray i Jaona. Vakio ny Apokalypsy 9:3–4 dia tadiavo ny zavatra izay hitranga amin’ireo izay tsy voahisy tombo-kase amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra azy.

Vakio ny Apokalypsy 7:9–10 dia tadiavo hoe iza no hitan’i Jaona. Diniho ny akanjo izay nanaovan’ireo olona ireo.

Araka ny voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 7:11–12, i Jaona dia nahita ireto olona ireto, niaraka tamin’ny loholona 24 ary ny bibi-dia efatra voalaza ao amin’ny Apokalypsy 4, izay nanodidina ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ka nitsaoka Azy.

Vakio ny Apokalypsy 7:13–17 dia tadiavo ny valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto: Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao.

  • Inona no zavatra niaretan’ireto olona ireto?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny akanjon’izy ireo ho fotsy?

  • Inona ireo fitahiana horaisin’izy ireo?

Mariho fa ny akanjon’ireto olona ireto dia “lasa … fotsy tao amin’ny ran’ny Zanakondry” (Apokalypsy 7:14), izay tandindon’ny olona voadio tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ireo fitahiana ao amin’ny andininy 16–17 dia mamariparitra ny fifaliana, sy ny fiadanana, ary ny fanolorantenan’ireo izay handova ny voninahitra selestialy (jereo ny F&F 138:12–15).

Afaka mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa raha miaritra fahoriana amim-pahatokiana sy lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika, dia higoka ny voninahitra selestialy miaraka amin’ Andriamanitra.

Eritrereto hoe tahaka ny ahoana ary ahoana ny ho tsapanao rehefa afaka mijoro madio eo anoloan’ Andriamanitra ianao. Inona no hitovizan’izany fihetsehampo izany amin’ny fihetseham-pon’ireo olona voalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:16?

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahafahan’ny Mpamonjy manadio antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?

    2. Nanampy anao tamin’ny ezaka ataonao hiaritra fahoriana sy ho lasa madio tamin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ireo fitahian’ny voninahitra selestialy?

Avereno jerena ilay lisitr’ireo olana izay nosoratanao tany am-piandohan’ity lesona ity. Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ilay fitsipika voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7 manampy anao rehefa mahatsapa ahiahy momba ny fiainana amin’ny andro farany ianao.

Azonao atao ny maka minitra vitsivitsy mba hisaintsainana sy hivavahana ao am-ponao momba ny fomba hahafahanao mampihatra ireto fitsipika ireto eo amin’ny fiainanao.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Apokalypsy 6–7 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: