Fizarana 12: Andro 3
Lioka 23–24
Fampidirana
Notsaraina teo anoloan’i Pontio Pilato sy i Heroda Antipasy ny Mpamonjy. Tsy nisy na iray tamin’ireo lehilahy ireo no nahita fa meloka tamin’ireo zavatra niampangan’i Jiosy Azy ny Mpamonjy , fa i Pilato kosa na izany aza dia nanolotra Azy mba hohomboana. Namela ireo miaramila Romana izay nanombo Azy Jesoa ary nanome antoka an’ny jiolahy iray izay voahombo ihany koa ny amin’ny fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Rehefa nodimandry i Jesoa, dia napetraka tao amin’ny fasan’i Josefa avy tany Arimatia ny vata-mangatsiakany. Ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy, dia nanambara ny fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny vondrom-behivavy ireo anjely tao am-pasana. Taty aoriana dia niseho tamin’ireo Apostoliny sy ireo hafa i Jesoa, naneho azy ireo ny vatany efa nitsangana tamin’ny maty, ary naniraka azy ireo hitory fibebahana sy hijoro ho vavolombelona ny Aminy.
Lioka 23
Notsaraina teo anoloan’i Pilato sy i Heroda ny Mpamonjy ary nofantsihina teo anelanelan’ny jiolahy roa
Mieritrereta fotoana iray izay nampijalian’ny hafa anao. Ahoana no fihetsikao tao anatin’izany toe-javatra izany?
Eo am-pandalinanao ny Lioka 23, dia tadiavo ny fahamarinana izay hanampy anao hahatakatra ny tokony ho fihetsika asehontsika rehefa mahatsapa isika fa mampijaly antsika ny hafa.
Tsarovy fa taaorian’ny nijalian’i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane,dia nisambotra ary nanameloka Azy ho faty ilay lohan’ny mpisorona. Avy eo dia nentin’izy ireo tany amin’i Pontio Pilato Izy, izay mpanapaka Romana tany amin’ny faritr’i Jodia ary nangataka izy ireo ny mba hamonoana an’i Jesoa ho faty. Tsy nahita hadisoana na iray aza teny amin’i Jesoa i Pilato. Nandefa an’i Jesoa mba hotsarain’i Heroda Antipasy ilay namono an’i Jaona Mpanao Batisa sy mpanapaka ny faritr’i Galilia sy i Perea teo ambanin’ny fahefana Romana izy. I Heroda koa dia tsy nahita hadisoana tamin’i Jesoa, noho izany i Pilato dia niteny ny olona fa hanasazy an’i Jesoa izy ary avy eo dia hanafaka Azy. Fa ny olona kosa dia nikiakiaka tamin’i Pilato mba hanafahany an’i Barabasy, izay mpamono olona, ary nangataka ny hanomboana an’i Jesoa. Nanafaka an’i Barabasy i Pilato ary nanolotra an’i Jesoa mba hohomboana (jereo ny Lioka 23:1-25).
Vakio ny Lioka 23:32–34 sy Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 23:35 , mba hitadiavana ny zavatra nangatahan’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny vavaka rehefa nohomboana Izy. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ny vavaka nataony.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no niavaka tokoa ny vavaka nataon’ny Mpamonjy tamin’izany fotoana izany?
-
Inona ny fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nomen’ny Mpamonjy mikasika ny tokony ho fihetsitsika rehefa mampijaly antsika ny hafa? (Valio ity fanontaniana ity amin’ny alalan’ny famenoana ity fehezanteny milaza fitsipika ity: Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fisafidianantsika ny hanao .)
-
Ny famelana ny hafa dia tsy midika akory fa manaisotra azy ireo amin’ny maha-tompon’andraikitra azy amin’ny zavatra nataony isika. Tsy midika koa anefa izany hoe tokony hijanona amin’ny toe-javatra izay mety hanohizan’ny olona hampiljaly antsika isika. Ny famelana kosa dia midika hoe maneho fihetsika am-pitiavana amin’ireo olona izay nampijaly antsika ary tsy hitahiry hatezerana na lolom-po amin’izy ireo (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famelana ny fahotana,” scriptures.lds.org).
Eritrereto raha misy olona izay tokony avelanao. Indraindray dia mety ho sarotra ny mamela ny hafa. Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity mba hitadiavana ny zavatra azonao atao raha manana olana amin’ny famelana olona iray ianao:
“Miangavy anareo aho mba hangataka hery amin’ny Tompo mba hahafahanareo mamela heloka. … Mety tsy ho mora ary mety tsy ho tonga vetivety izany. Kanefa raha mikatsaka izany amin-kitsimpo sy mikolokolo izany ianao, dia, ho tonga izany. … Dia ho tonga ao am-ponao ny fiadanana izay sarotra hananana. Izany fiadanana izany dia fiadanan’ilay izay nilaza hoe:
“‘Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra;
“‘Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo’ (Mat. 6:14–15)” (“Of You It Is Required to Forgive,” Ensign, Jiona 1991, 5).
-
Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:
-
Valio ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana, araka ny hevitrao, no afahan’ny fangatahana hery amin’ny alalan’ny vavaka manampy anao amin’ny famelana olona iray izay nampijaly anao?
-
Manorata mikasika ny fotoana iray izay namelanao (na ny olona iray fantatrao)olona iray. Tsarovy fa tsy tokony hizara zavatra mahakasika be loatra ny tenanao manokana ianao.
-
Katsaho ny hanaraka ny ohatra nomen’i Jesoa Kristy ary mamela ireo izay nampijaly anao. Mivavaha mba hanana hery sy fahafahana hanao izany. (Tsarovy fa manameloka ny fihetsika maneho herisetra amin’ny endriny rehetra ny Tompo—ara-batana, ara-nofo, ara-pitenenana, na ara-pihetseham-po. Ny fanararaotana na ny fampijaliana amin’ny endriny rehetra, anisan’izany ny fampijaliana amin’ny fampiasana herisetra dia mifanohitra amin’ny fampianarin’i Jesoa Kristy. Ireo olona niharan’ny fanararaotana dia tokony homena toky fa tsy hofaizina noho ny fitondran-tena feno herisetra nataon’ny hafa izy ireo. Tsy tokony hahatsapa ho meloka izy ireo. Tokony hikatsaka avy hatrany ny fanampian’ny eveka na ny filohan’ny sampana ny olona izay niharan’ny fanararaotana.)
Mianatra isika ao amin’ny Lioka 23:35–38 fa ireo mpanapaka Jiosy sy ireo miaramila Romana dia naneso ny Mpamonjy raha nihantona teo amin’ny hazo fijaliana Izy. Vakio ny Lioka 23:39–43 mba hikarohana ny fihetsik’ireo mpangalatra roa izay nihantona teo an-daniny sy teo ankilan’nyMpamonjy. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay manaitra anao.
Vakio ity fehezanteny manaraka ity mba hikarohana ny dikan’ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’ilay mpangalatra iray rehefa niteny Izy fa hiaraka Aminy any amin’ny paradisa izy:
“Ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe paradisa dia ampiasaina amin’ny fomba maro. Voalohany, dia ilazana toerana iray ahitana fiadanana sy fahasambarana ao amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana izany, toerana natokana ho an’ireo izay natao batisa ary nijanona ho mahatoky (jereoAlmà 40:12; Môrônia 10:34). …
“Ny fomba faharoa ampiasana ilay teny hoe paradisa dia hita ao amin’ny tantaran’ny Fanomboana ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka. … Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa … raha ny marina dia niteny ny Tompo fa hiaraka aminy any amin’ny tontolon’ireo fanahy ilay mpangalatra” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 111; jereo koa ny Histoire de l’Eglise, 5:424–25).
Ianarantsika avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ilay mpangalatra izay voarakitra ao amin’ny Lioka 23:43 fa ny fanahin’ny olona rehetra dia miditra ny tontolon’ny fanahy amin’ny fotoan’ny fahafatesany.
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 dia mianatra isika fa rehefa nodimandry ny Mpamonjy, dia niditra ny tontolon’ny fanahy ny fanahiny. Na izany aza, dia tsy namangy ireo ratsy fanahy izay tao amin’ny ampahan’ny tontolon’ny fanahy antsoina hoe tranomaizina Izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–32 mba hitadiavana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy tao amin’ny tontolon’ny fanahy sy ny zavatra azo inoana fa nitranga tamin’ilay mpangalatra rehefa maty izy ka nankany amin’ny tontolon’ny fanahy. Azonao atao ny manoratra ny soratra masina mifandray amin’izany F&F 138:29–32 eo akaikin’ny Lioka 23:43 ao amin’ny soratra masinao.
Na dia hotoriana amin’ity mpangalatra ity aza ny filazantsara, dia tsy voatery hahazo ho azy ny fisandratana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy. Ilay mpangalatra (sy ireo olona hafa izay maty tsy nahalala akory ny filazantsara) dia mila mibebaka ary manaiky ny ôrdônansin’ny tempoly natao ho azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58–59).
Ny Lioka 23:44–56 dia mitantara fa maty teo amin’ny hazo fijaliana ny Mpamonjy. Nofonosina hariry madinika ny vatanyavy eo ka nampandriana tao am-pasana. Ireo fitaovana mikasika ny fahafatesan’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana dia resahina ao anatin’ity lesona ho an’ny Matio 27 ity.
Lioka 24
Nanambara ireo anjely fa efa nitsangana i Jesoa Kristy ary dia niseho tamin’ireo mpianany
Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera ianao, ary mifanena amin’olona iray izay milaza hoe:“Betsaka ny olona fantatro no tsy mino ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ny sasany amin’izy ireo dia milaza fa mino an’i Jesoa Kristy kanefa tsy mino fa efa nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’ny vatana nofo sy taolana Izy. Milaza izy ireo fa manohy miaina toy ny fanahy fotsiny Izy. Inona no inoanao mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?”
Ahoana no hamalianao io fanontaniana io?
Vakio ny Lioka 24:1–4, mba hitadiavana ny zavatra hitan’ireo vehivavy rehefa tonga teo amin’ny fasana izay nametrahana ny vatan’i Jesoa izy ireo.
Vakio ny Lioka 24:5–8 mba hitadiavana ny zavatra nolazain’ny anjely an’ireo vehivavy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Fantatsika avy amin’ny Lioka 24:9–10 fa nandao ny fasana ireo vehivavy ireo ka nilaza tamin’ireo mpianatra ny zavatra hitany sy reny.
Vakio ny Lioka 24:11, mba hitadiavana ny fihetsik’ireo Apôstôly tamin’ny fandrenesana ny tenin’ireo vehivavy ireo.
Manaova famintinana mikasika ny fihetsika nasehon’ireo Apôstôly tamin’ny tenin’ireo vehivavy:
Rehefa avy naheno ny tatitra nataon’ireo vehivavy i Petera dia nihazakazaka nankany amin’ny fasana izy ka nahita akanjo hariry fotsy saingy efa tsy tao intsony kosa ny vatan’i Jesoa (jereo ny Lioka 24:12).
Ianarantsika ao amin’ny Lioka 24:13–32 fa ny Mpamonjy izay efa nitsangana tamin’ny maty dia niseho tamin’ny mpianatra roa teny an-ndalana ho any Emaosy. Tsy nahafantatra an’i Jesoa ireo mpianatra roa raha niara-dia tamin’izy ireo Izy ka nampianatra azy ireo mba hampiasa ny soratra masina satria nohazonina ny mason’izy ireo (Lioka 24:16). Tsy naniry ny ahafantaran’izy ireo Azy avy hatrany Izy ny Mpamonjy.
Vakio ny Lioka 24:32 mba hitadiavana ny fiantraikan’ny fampianaran’ny Mpamonjy avy tamin’ny soratra masina teo amin’ireo mpianatra roa. Asio marika izay zavatra hitanao.
Niverina avy hatrany tany Jerosalema ireo mpianatra roa ary nitantara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ireo Apôstôly sy ireo mpianatra hafa (jereo ny Lioka 24:33–35). Raha mbola niresaka izy ireo dia niseho ny Mpamonjy.
Vakio ny Lioka 24:36–39 mba hikarohana ireo porofo fa i Jesoa Kristy dia nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny ary manana vatana nofo sy taolana. (Ny Lioka 24:36–39 dia andini-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny mahita izany.)
Araka ny hevitraodia inona no mety ho tsapanao raha teo ianao rehefa niseho tamin’ny mpianany ilay Kristy izay efa nitsangana tamin’ny maty?
Vakio ny Lioka 24:40–43 mba hikarohana hoe inona ihany koa ny nataon’i Jesoa mba nanehoany fa manana vatana nitsangana tamin’ny maty azo tsapain-tanana (na nofo sy taolana) Izy.
Ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo dia hoe i Jesoa Kristy dia olona efa nitsangana tamin’ny maty izay manana vatana nofo sy taolana. Manana nofo sy taolana feno voninahitra ireo vatana rehetra nitsangana tamin’ny maty.
Eo am-pamakianao izao teny nambara manaraka izao dia tsipiho ny antony maha-manan-danja ny hahatakarana sy hinoana io fotopampianarana io:
“Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty ny olon-drehetra —ka ho voavonjy amin’ny fahafatesana ara-batana (jereo ny 1 Korintiana 15:22). Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fitambaran’ny fanahy amin’ny vatana amin’ny toetra tonga lafatra sy tsy mety maty, ary tsy hiharan’ny aretina na fahafatesana intsony (jereo ny Almà 11:42–45). …
“Afaka mitondra fanantenana sy fomba fijery manokana ho anao eo am-piatrehanao ireo fanamby sy fitsapana ary fahombiazana eo amin’ny fiainana ny fahatakarana sy ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fitsanganana amin’ny maty. Ianao dia afaka mahazo fampiononana ao anatin’ny fananana antoka fa velona ny Mpamonjy ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia ‘manapatapaka ny famatoran’ ny fahafatesana Izy, hany ka tsy hanam-pandresena ny fasana, ary ny fanindronan’ ny fahafatesana dia hatelina ao amin’ ny fanantenana ny voninahitra’ (Almà 22:14)” (Miorim-paka ao amin’ny finoana, 139–40).
Ny drafitry ny famonjena dia mampianatra antsika fa ny fahalavoan’i Adama sy i Eva no nitondra ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy. Tsy ho afaka hiverina hitoetra hiaraka amin’ny Ray any An-danitra isika raha tsy nisy ny Mpanavotra izay nomena mba handresy ny ota sy ny fahafatesana. Mahatonga antsika handresy ireo vokatry ny Fahalavoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty.
-
Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny maha-manan-danja ny fahatakarana sy finoana ny fotopampianarana momba ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty sy ny antony maha-manan-danja izany aminao.
Soratra masina fehezina—Lioka 24:36–39
-
Avereno vakiana ilay toe-javatra izay naha-misiônera anao ka nihaonanao tamin’ny olona iray izay manontany anao mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Amin’ny fampiasana ireo zavatra nianarantsika tao amin’ny Lioka 24:36–39, dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ny fanontanian’io olona io.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Lioka 23–24 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: