Tahirim-pitaovana
Fizarana 19, Andro 2: Asan’ny Apostoly 15


Fizarana 19: Andro 2

Asan’ny Apostoly 15

Fampidirana

Nisy mpikamban’ny Fiangonana tao Jodia nandeha tany Antiokia ka nampianatra ireo Jentilisa niova fo fa nila noforaina izy ireo mba ho voavonjy. Nentin’i Paoly sy i Barnabasy teo amin’ireo Apôstôly tany Jerosalema ilay olana. Ity hetsika ity, izay nantsoina indraindray hoe ny fihaonamben’i Jerosalema, dia natao tokony ho tamin’ny taona 49–50 taorian’i Kristy. Tamin’io fihaonambe io dia nijoro ho vavolombelona i Petera fa hovonjen’Andriamanitra ireo Jiosy sy Jentilisa mahatoky na voafora izy ireo na tsia. Nohamafisin’i Jakoba ny tenin’i Petera tamin’ny fampiasana soratra masina. Nandefa taratasy ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Antiokia sy Syria ary Kilikia ireo Apôstôly ka nanazava fa tsy ilaina ho an’ny famonjena ny famorana. Nifidy an’i Silasy i Paoly mba ho namana mpiara-mitory aminy ary nirotsaka tamin’ny asa fitoriana faharoa izay nataony.

Asan’ny Apostoly 15:1–29

Tamin’ny alalan’ny fikaonan-doha netanim-panahy i Petera sy ireo Apôstôly hafa dia nanapaka fa tsy ilaina intsony ny famorana

Manorata fanapahan-kevitra manan-danja dimy farafahakeliny izay tokony horaisinao amin’izao sy amin’ny hoavy:

Saintsaino ny mety hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no fahendrena ny mikatsaka ny fanampian’Andriamanitra rehefa mandray fanapahan-kevitra manan-danja?

  • Inona no azonao atao mba hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra ho anao?

Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 15 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mitarika anao rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ho anao ianao.

Mba hahatakarana tsara kokoa ny Asan’ny Apostoly 15 dia zava-dehibe ny mahafantatra fa rehefa nitsidika ireo Olomasina tao Antiokia i Paoly sy i Barnabasy dia nanao fitakiana ireo Jiosy sasany tao Jodia izay niova fo ho Kristianina mikasika ny zavatra ilain’ireo Jentilisa niova fo hatao mba ho voavonjy. Lasa fantatra tamin’ny hoe “Mpitaky ny maha-Jiosy” ireo lehilahy ireo, sy ny hafa mitovy aminy, noho izy ireo nanizingizina fa nila niova finoana ho amin’ny fivavahana Jiosy koa ireo jentilisa niova fo vao azo vonjena.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:1 hitadiavana ny zavatra notakin’ireo lehilahy avy any Jodia ireo fa nilain’ireo jentilisa niova fo hatao mba hovonjena.

Tao anatin’ny fanekempihavanana nifanaovany tamin’i Abrahama Andriamanitra dia nanome didy ny hamoràna ny lehilahy rehetra izay niditra tao amin’ilay fanekempihavanana. “Ny famorana dia tanterahina amin’ ny fandidiana ny kambo nofo eo amin’ ny zazalahy sy ny lehilahy lehibe. Ireo izay nandray izany dia nahazo ny tombontsoa ary nanaiky ny andraikitry ny fanekempihavanana” (jereo ny Torolalana momba ny Soratra Masina, “Famorana,” scriptures.lds.org). Ny famorana dia lasa famantarana na fampahatsiahivana ny fanekempihavanana nataon’ny olona tamin’Andriamanitra. Naorina indray tamin’ny andron’i Mosesy io fomba io ary mbola nampiharina hatrany teo anivon’ny mpino mpianakavin’ Isiraely mandra-pahatongan’ny fotoan’ny Mpamonjy.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:2–3 hitadiavana ny zavatra nitranga rehefa avy nahare ireo lehilahy ireo nitaky ny tokony hamorana ny jentilisa niova fo i Paoly sy i Barnabasy. Ny andian-teny hoe “nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ ireo” (Asan’ny Apostoly 15:2) dia midika fa niady hevitra tamin’i Paoly sy i Barnabasy ireo mpikamban’ny Fiangonana nilaza fa nila noforaina ny Jenitilisa.

Araka ny voalazan’ny andininy 2, dia inona no notapahan’izy ireo fa tokony hatao?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:4–6 hitadiavana ny zavatra nitranga rehefa tonga tao Jerosalema i Paoly sy ireo olona hafa. Ny andian-teny hoe “hihevitra izany zavatra izany” ao amin’ny andininy 6 dia midika fa niara-nidinika sy nifanome ny heviny izy ireo.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:7–11 hitadiavana ny zavatra nolazain’i Petera tamin’ilay filankevitra. Ny andian-teny hoe “rehefa nisy ady hevitra be ihany” ao amin’ny andininy 7 dia midika fa niady hevitra mafy ny momba ny raharahan’ny famorana ireo Apôstôly.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona araka ny eritreritrao no tian’i Petera nolazaina rehefa nilaza izy fa “tsy [nataon’Andriamanitra] misy hafa isika [ireo Jiosy niova fo] sy izy [ireo Jentilisa niova fo]” (Asan’ny Apostoly 15:9)?

I Petera no Apôstôly zokiny indrindra teto an-tany tamin’izay ka noho izany izy dia nahazo lalana ny hiresaka tamin’ny Tompo. Ny fanambarana nentanim-panahy nataon’i Petera izay nilaza fa tsy nila noforaina ny Jentilisa dia ohatra iray amin’ny fitarihan’ny Tompo ny Fiagonany amin’ny alalan’ny fanambarana ny sitrapony amin’ireo Apôstôliny (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:2).

Avy amin’ireo andininy ireo isika dia afaka mianatra izao fahamarinana manaraka izao: Afaka mahafantatra ny sitrapon’ny Tompo isika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny velona sy ireo apôstôliny. Soraty na hanaovy fanamarihana ao amin’ny soratra masinao io fahamarinana io eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 15:6–7.

Amin’izao androntsika izao dia inona avy ireo fomba sasany anampian’ireo Apôstôly velona antsika mba hahafantatra ireo fanambarana voarainy?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:12–15 hitadiavana ny fomba nandraisan’ny vahoaka ny fanambarana nataon’i Petera fa tsy ilaina amin’ny famonjena ny famorana.

I Petera no niahy io fihaonambe io ary hita fa i Jakoba no nitarika ny fivoriana. I Jakoba dia rahalahin’i Jesoa Kristy hafa ray taminy ary eveka voalohan’ny vondron’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Jerosalema. Araka ny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:16–18 dia namerina nilaza ny tenin’ny mpaminany Amosa i Jakoba (jereo ny Amosa 9:11–12) mba hanehoana fa nifanaraka tamin’ny tenin’ireo mpaminany, araka ny voasoratra tao amin’ny soratra masina, ny tenin’i Petera.

Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika raha miainga avy amin’ny zavatra nampianarin’i Jakoba: Afaka mahafantatra ny sitrapon’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina. Soraty na hanaovy fanamarihana ao amin’ny soratra masinao io fahamarinana io eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 15:15–18.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:19–20 hitadiavana ny zavatra natoron’i Jakoba an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mba hataony.

Ny teny hoe hevitro ao amin’ny andininy 19 dia midika hoe soso-kevitro na tolo-kevitro. I Jakoba dia naneho ny fanohanany an’ilay fitsipika nambaran’i Petera, izay niahy ny Fiangonana, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:7–11 (jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 2:143). Jereo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:20 ireo ampahan’ny lalàn’ny Mosesy izay nolazain’i Jakoba fa mbola ilain’ireo vao niova fo tandremana.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:22-27, hitadiavana ny fanapahan-kevitr’ilay filankevitra.

Nanapa-kevitra ny handefa taratasy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ilay filankevitra izay nanambara fa tsy takina amin’ny famonjena ny famorana ary izany dia fanapahan-kevitra niarahan’ireo Apôstôly. Manaraka fomba mitovy amin’ireo ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao androntsika izao mba hanomezana tari-dalana nentanim-panahy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’io tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15 io: Mahazo fitaomam-panahy momba ireo olana saro-bahana amin’ny alalan’ny fikaonan-doha sy amin’ny alalan’ny fikatsahana fanambarana avy amin’Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Loholona D. Todd Christofferson

Mba hahatakarana tsara kokoa ny fomba ifandraisan’io fahamarinana io amin’ny Fiangonana ankehitriny dia saintsaino izao teny manaraka nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao: Rehefa avy nampiasa ireo ohatra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 sy ny Asan’ny Apostoly 15 ny Loholona Chiristofferson mba hanehoana ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy “mifandray manokana amin’ ny mpanompony […] na mifandray amin’ izy ireo ao anatin’ ny filankevitra ataon’ izy ireo,” dia hoy izy hoe: “Ireo lamina ireo koa dia arahana ankehitriny ao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa naverina tamin’ ny laoniny. Ny Filohan’ ny Fiangonana dia afaka manambara na manazava fotopampianarana izay mifototra amin’ ny fanambarana omena azy (jereo ohatra ny F&F 138). Ny fanazavana ara-potopampianarana koa dia mety tonga amin’ ny alalan’ ny filankevitra itambaran’ ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo (jereo ohatra ny Fanambarana Ôfisialy 2). Ny resaka atao ao anatin’ ny filankevitra matetika dia ahitana ny fampiasana ireo soratra masina nankatoavin’ ny Fiangonana, ireo fampianaran’ ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana, ary ny zavatra natao teo aloha. Saingy amin’ ny farany toy ny ao amin’ ny Testamenta Vaovao ihany dia tsy hoe fifanarahana tsotra fotsiny eo amin’ireo mpikambana ao amin’ ny filankevitra akory no tanjona fa fanambarana avy amin’ Andriamanitra Fomba fiasa sady ahitana ny fampiasana ny saina sy ny finoana izany mba hahazoana mahafantatra ny saina sy ny sitrapon’ ny Tompo” (“Ny Fotopampianaran’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2012, 88–89).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:28–29 hitadiavana ny zavatra nosoratan’ireo Apôstôly sy loholona tao amin’ireo taratasy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana. Ny andian-teny hoe “tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany” ao amin’ny andininy 28 dia midika fa tsy nila nankatò fepetra fanampiny izay avy amin’ny olona fa tsy avy amin’Andriamanitra ny vahoaka.

Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 15:28, dia ahoana no nahafantaran’ireo Apôstôly ny sitrapon’Andriamanitra mikasika ny zavatra takina amin’ireo Jentilisa niova fo?

Tsy nanentana ny fanahin’ireo Apôstôly fotsiny ihany ny Fanahy Masina rehefa nikaon-doha izy ireo fa nanome fijoroana ho vavolombelona manamafy koa Izy fa nety ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Ianarantsika avy amin’ny Asan’ny Apostoly 15:28 fa ny fomba iray ahafahantsika mahafantatra ny sitrapon’ny Tompo dia amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

  1. sary famantarana ny diaryAvereno jerena ilay lisitra misy ireo fanapahan-kevitra manan-danja izay nataonao tany am-piandohan’ny lesona. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hampiasanao ny tenin’ireo mpaminany maoderina sy ny soratra masina mba hahazoana fitarihana avy amin’ny Tompo amin’ny zava-mitranga amin’izao sy amin’ny hoavy.

Asan’ny Apostoly 15:30–41

Nitondra an’ilay taratasy avy amin’ireo Apôstôly tany amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tany Antiokia i Paoly sy ireo olona hafa

Ny Asan’ny Apostoly 15:30–41 dia manazava fa mpitarika maro tao amin’ny Fiangonana no nanatitra ilay taratasy avy amin’ny Apôstôly tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Antiokia. Rehefa avy nitory tany Antiokia i Paoly avy eo dia nangataka an’i Barnabasy mba hiaraka aminy hitsidika ireo toerana izay nitorian’izy ireo nandritra ny asa fitoriana voalohany nataony. Naniry ny hitondra an’i Marka niaraka tamin’izy ireo i Barnabasy saingy nandà i Paoly satria efa nandao azy ireo izy tamin’ny asa fitoriana voalohany nataony. Rehefa avy nifanditra ireo mpitarika mendri-kaja tao amin’ny Fiangonana ireo dia voavaha izany rehefa nanapa-kevitra ny hitondra an’i Marka hiaraka aminy tany Kyprosy i Barnabasy ary i Paoly nifidy an’i Silasy ho namana mpiara-mitory ka nandeha nanao ny asa fitoriany faharoa.

Tsy fahotana ny tsy fitoviana hevitra amin’ny hafa. Araka ny asehon’io tantara io dia tokony hiaraka hikatsaka vahaolana amin’ny zavatra tsy hifankahazoantsika hevitra isika fa tsy hifanditra.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 15 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: