Tahirim-pitaovana
Fizarana 15, Andro 2: Jaona 12


Fizarana 15: Andro 2

Jaona 12

Fampidirana

I Maria avy ao Betania, rahavavin’i Marta sy anabavin’i Lazarosy, dia nanosotra menaka manitra ny tongotr’i Jesoa mba ho tandindon’ny fahafatesana sy ny fandevenana Azy izay efa akaiky dia akaiky. Ny ampitson’io i Jesoa dia nanao ny fidirany tamim-boninahitra tao Jerosalema ary nilaza mialoha ny amin’ny hahafatesany. Na dia teo aza ireo fahagagana nataon’i Jesoa dia tsy nino ny olona sasany fa Izy no Mpamonjy, ilay Mesia nampanantenaina. Nampianatra mikasika ny vokatry ny finoana sy ny tsy finoana Azy Izy.

Jaona 12:1–19

Nanosotra menaka manitra ny tongotr’i Jesoa i Maria ary nanao ny fidirany tamim-boninahitra tao Jerosalema i Jesoa

  1. journal iconAtaovy sary na soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny iray amin’ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Saintsaino hoe mety ho amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fahitana fahagagana iray fiantraikany eo amin’ny finoanao ny Mpamonjy.

Rehefa mandalina ny Jaona 12 ianao dia tadiavo ireo fihetsika samihafa mety hasehon’ny olona manoloana ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy ireo, sy ireo fahamarinana izay afaka manampy antsika hahatakatra ireo fihetsika ireo.

Mamaky isika ao amin’ny Jaona 12:1-9 fa enina andro talohan’ny Paska dia niara-nisakafo hariva tamin’ny namana sasany tao Betania, tanàna kely ivelan’i Jerosalema, i Jesoa. Nanosotra menaka manitra lafo vidy ny tongotr’i Jesoa i Maria rahavavin’i Marta sy anabavin’i Lazarosy. Nanohitra ny fampiasana izany diloilo lafo vidy izany i Jodasy Iskariota, ka nilaza fa afaka nomena ny mahantra ny vola tamin’izany (jereo ny Jaona 12:4–5). Ny tena fikasany anefa dia “tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo” (Jaona 12:6). Ny andian-teny hoe “nitondra ny kitapo” dia nilaza ny anjara asan’i Jodasy amin’ny maha-mpitambola azy ho an’ireo izay niara-dia tamin’ny Mpamonjy.

Olona maro no nahare fa tao Batania i Jesoa ka dia tonga nijery Azy sy i Lazarosy, izay natsangan’i Jesoa tamin’ny maty teo aloha izy ireo. Tadidio fa noho i Jesoa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty dia nanomboka nanao drafitra ny amin’ny fomba mety hamonoana an’i Jesoa ireo mpitarika Jiosy.

Vakio ny Jaona 12:10-11, ka tadiavo ny zavatra tian’ireo lohan’ny mpisorona hatao tamin’i Lazarosy.

Nahoana no tian’ireo lohan’ny mpisorona hovonoina i Lazarosy?

Tian’ireo lohan’ny mpisorona hovonoina i Lazarosy mba hamotehana ny porofon’ilay fahagagana nataon’ny Mpamonjy. Ahoana no hamariparitanao ireo fihetsika samihafa nasetrin’ny olona izay nanatri-maso na nandre momba ny fananganan’i Jesoa tamin’ny maty an’i Lazarosy?

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 12:12–16 fa ny ampitson’ny andro nanosoran’i Maria menaka ny tongotr’i Jesoa dia nanao ilay fidirana tamim-boninahitra tao Jerosalema Izy. Vakio ny Jaona 12:17–19, ka tadiavo ny zavatra nataon’ireo olona izay nandre momba ny fananganan’i Jesoa tamin’ny maty an’i Lazarosy nandritra ny fiakaran’ny Mpamonjy tamim-boninahitra tao Jerosalema.

Jereo ao amin’ny andininy 19 ny teny nasetrin’ireo Fariseo ny zavatra nitranga. Nahatsapa izy ireo fa tsy nahomby ireo ezaka nataony mba hanakanana ny vahoaka tsy hanaraka an’i Jesoa. Nahoana araka ny eritreritrao no nino sy nanaraka an’i Jesoa ny sasany tamin’ny olona izay nandre momba ireo fahagagana nataony raha toa ka nisafidy ny handà Azy kosa ny hafa?

Jaona 12:20–36

Nilaza mialoha ny fahafatesany i Jesoa

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 12:20–22 fa nisy “Grika sasany” (Jaona 12:20), mety ho olona niova fo ho amin’ny Jodaisma, tonga tao Jerosalema mba hanaja ny Paska ka nangataka ny hiresaka tamin’i Jesoa. Rehefa nahafantatra ny fangatahan’izy ireo i Jesoa dia nampianatra mikasika ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany amin’ny maty izay efa antomotra Izy.

Vakio ny Jaona 12:23-24, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jesoa mikasika ny fahafatesany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ny filazan’ny Mpamonjy momba ny “voambary” izay nila “nilatsaka tao amin’ny tany ka maty” (Jaona 12:24) mba hahavokatra be dia sarin-teny entina ilazana ny fandreseny ny fahafatesana sy ny fahotana. Ny Sorompanavotany dia hamela ny olona rehetra hitsangana amin’ny maty, ary hitondra fiainana mandrakizay ho an’ireo rehetra izay manana finoana Azy sy mibebaka ary mankatò ny didiny izany. Mamaky isika ao amin’ny Jaona 12:25-26 fa nankahery ny olona rehetra mba hanary ny tenany ao amin’ny fanompoana Azy ny Tompo.

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 12:27–31 fa, rehefa nahatsapa ny havesatry ny fahoriana izay efa niandry azy i Jesoa dia nanapa-kevitra ny handroso amin’ny fanatanterahana ny tanjony. Nivavaka izy mba hanomezam-boninahitra ny anaran’ny Ray, ary ireo izay nihaino dia naheno feo nijoro ho vavolombelona fa homem-boninahitra izany. Nampiseho ny fahatokisany tanteraka ny Zanany Lahy mba hanatontosa ny Sorompanavotana ny fanambarana nataon’ny Ray.

Vakio ny Jaona 12:32-33, ka tadiavo hoe karazana fahafatesana toy ny ahoana no noresahin’ny Mpamonjy momba ny fijaliana ary inona no fiantrakan’izany eo amin’ny olombelona.

Rehefa avy naheno ny fampianaran’i Jesoa ny vahoaka dia nanontany hoe iza ilay “Zanak’olona” izay “hasandratra” (Jaona 12:34). Mianatra isika ao amin’ny Jaona 12:35-36 fa niantso ny tenany ho “ny mazava” i Jesoa. Namporisika ny olona mba handeha ao amin’ny mazava i Jesoa raha niaraka tamin’izy ireo Izy.

Jaona 12:37–50

Nampianatra mikasika ny vokatry ny finoana sy ny tsy finoana Azy i Jesoa.

Tsaroanao ve izay novakinao tao amin’ny Jaona 12:9–11 mikasika ny fomba fihetsika nasehon’ny olona tamin’ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy? Vakio ny Jaona 12:37, ka tadiavo ny fomba fihetsiky ny vondron’olona iray hafa tamin’ireo fahagagana nataon’i Jesoa.

Ireo karazana fihetsika naseho tamin’ireo fahagagana notontosain’i Jesoa ireo dia mampiseho fa tsy mahatonga antsika hino an’i Jesoa Kristy ny fahagagana fotsiny ihany.

Na dia tsy mahatonga antsika hino an’i Jesoa Kristy aza ny fahagagana fotsiny ihany dia eritrereto ny mety ho fiantraikan’izy ireo eo amin’ny finoantsika Azy.

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 12:38–41 fa ireo faminaniana nataon’ny mpaminany Isaia (jereo ny Isaia 6:9–10;53:1–3) dia tanteraka tamin’ny alalan’ireo olona izay nisafidy ny tsy hino an’i Jesoa. Na dia teo aza ireo asa mahatalanjona nataon’ny Mpamonjy dia nisafidy ny tsy hiraharaha ny zavatra nataon’ny Mpamonjy sy nanamafy ny fony Taminy ny olona sasany.

Mijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fisafidianana ny hino sy hanaraka an’i Jesoa Kristy ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Fitopololahy:

Loholona Gerrit W. Gong

“Safidy ny finoana [jereo ny Môsià 4:9]. …

“Rehefa misafidy ny hino isika dia mahatakatra sy mahita ny zavatra misy amin’ny fomba hafa. Rehefa manana fomba fijery sy miaina toy izany isika dia sambatra sy feno fifaliana amin’ny fomba izay ny filazantsara ihany no afaka mitondra izany” (“Choose Goodness and Joy,” New Era, aog. 2011, 44).

  1. journal iconEritrereto ny teny nataon’ny Loholona Gong hoe “safidy ny finoana.” Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny dikan’io teny nambara io io ho anao.

Vakio ny Jaona 12:42-43, dia tadiavo ny antony nahatonga ny sasany tamin’ireo mpitarika Jiosy tsy nety nanaiky ampahibemaso ny finoan’izy ireo an’i Jesoa.

Hazavao amin’ny teninao manokana izay heverinao fa dikan’ny hoe mitia ny “voninahitra avy amin’ny olona … fa tsy ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Jaona 12:43):

Mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa ny firaharahiana bebe kokoa ny hanao izay mahafinaritra ny hafa noho izay mahafinaritra an’ Andriamanitra dia afaka manakana antsika tsy hiaiky ampahibemaso ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Soraty ao anatin’ny soratra masinao izany fahamarinana izany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny maro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo karazana ohatra amin’izao androntsika izao mikasika ny fomba hanakanan’ny fiahiahiana momba izay eritreretin’ny hafa antsika tsy hiaiky ampahibemaso ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

    2. Inona avy ireo fomba sasany izay azontsika hanehoana fa miraharaha bebe kokoa momba izay mahafaly an’ Andriamanitra isika mihoatra izay mahafaly ireo olona manodidina antsika?

    3. Inona avy ireo vokatra tsara mety ho azo avy amin’ny fanehoana fa mino an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika?

Eritrereto ny zavatra niainanao iray rehefa tao anatin’ny haizina tanteraka ianao. Eritrereto izay tsapanao. Nahatsapa ve ianao fa notandindomin-doza? Tamin’ny fomba ahoana no nanampiana anao tao anatin’izany toe-javatra niseho izany tamin’ny fanananao fahazavana?

Inona no mampitovy ny hoe ao anaty haizina ara-nofo sy ao anaty haizina ara-panahy?

Inona avy ireo loza mety ho tonga avy amin’ny fiainana ao anaty haizina ara-panahy?

Vakio ny Jaona 12:44-46, ka tadiavo ny fomba hitahiana ireo izay mino an’i Jesoa Kristy.

Fitsipika iray azontsika hianarana avy ao amin’ny andininy 46 ny hoe raha mino an’i Jesoa Kristy isika dia tsy ho voatery hiaina ao anatin’ny haizina ara-panahy.

Saintsaino ny maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafahan’ny finoana Azy manaisotra ny haizina ara-panahy eo amin’ny fiainan’ny olona iray.

  1. journal iconMisafidiana iray amin’ireto lohahevitra manaraka ireto, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fanontaniana roa: ny tanjona nanamboarana ny vatantsika ara-nofo, ny fialamboly sy ny seraseram-pifandraisana, ny fahazoana fiadanana sy fifaliana, ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Raha misy olona eo akaikinao dia azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo amin’izany olona izany ka hanoratra momba izay noresahinareo.

    1. Inona no mety hinoan’ny olona ao anaty haizina ara-panahy mikasika ity lohahevitra ity?

    2. Inona no fahazavana, na fitarihana sy fanazavana, omen’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany mikasika ity lohahevitra ity?

Eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no hanampian’ilay fitsipika hita tao amin’ny Jaona 12:46 antsika hahatakatra ny antony mety hahatakarantsika amin’ny fomba hafa ireo lohahevitra sy zavatra resahina raha ampitahaina amin’ny olona hafa. Tadidio fa mety hahita lohahevitra sasany sy olana mitovy amin’izany amin’ireo olona izay hafa finoana isika. Misy ireo izay tsy manana ny fanomezana ny Fanahy Masina kanefa mbola mino mafy an’i Jesoa Kristy sy hazavaina amin’ny alalan’ny fahazavan’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:16–19; F&F 88:7, 11) sy amin’ny alalan’ny fampianarany ny safidy ataony.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 12:47-50, dia nanazava i Jesoa fa ireo izay tsy hino ny teniny sy mandà Azy dia hotsaraina amin’ny alalan’ireo teny izay nambarany, izay teny nomen’ny Ray any An-danitra Azy mba hambarany.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jaona 12 sy nahavita io lesona io tamin’ny  (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: