Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny 1 Korintiana


Fampahafantarana ny 1 Korintiana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ireo mpikamban’ny Fiangonana taloha izay nonina tany Korinto dia niatrika olana maro izay misy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, toy ny fisaraham-bazana sy ny fampianaran-diso ary ny faharatsiam-pitondrantena. Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana fa i Paoly Apôstôly dia nampianatra ireo Olomasina ny fomba hamporisihana ny firaisankina ao amin’ny Fiangonana, ny fomba hianarana ireo zavatra araka an’ Andriamanitra, ny momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy, ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana, ary ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty. Mandritra ny fandalinanao ireo fampianaran’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana, dia afaka mianatra fotopampianarana sy fitsipika izay hanampy anao hiaina amim-pahamarinana ianao, na dia eo aza ny faharatsiana izay mety holalovanao.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny andininy voalohany ao amin’ny 1 Korintiana dia milaza fa i Paoly Apôstôly sy ny mpianatra iray antsoina hoe Sostena, izay mety ho mpitantsoratr’i Paoly, no nandefa izany (jereo ny 1 Korintiana 1:1). Na dia tsy fantatra amin’ny antsipiriany aza ny anjara asan’i Sostena, dia mazava tsara fa i Paoly no nanoratra ny votoatin’ilay epistily (jereo ny 1 Korintiana 16:21–24).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Nanoratra ilay epistily fantatra amin’ny hoe 1 Korintiana i Paoly taloha kelin’ny fiafaran’ny telo taona nitsidihany an’i Efesosy (nandritra ny asa fitoriana fahatelo nataony), izay mety nifarana teo anelanelan’ny 55 sy 56 taorian’i J.K. (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:10; 20:31; Bible Dictionary, “Pauline Epistles”).

Ho an’iza no nanoratana azy ary nahoana?

Nosoratana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny tanànan’i Korinto ity epistily ity. Nitory ny filazantsara tany Korinto nandritra ny roa taona teo ho eo i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–18) ary nanangana sampan’ny Fiangonana iray tany izy (jereo ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”). Taty aoriana, rehefa nitory tany Efesosy i Paoly nandritra ny dia fahatelo fitoriana ny filazantsara nataony, dia nahazo vaovao avy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto izy. Namaly an-tsoratra an’ilay sampana izy (jereo ny 1 Korintiana 5:9), saingy indrisy fa very io epistily io ary noho izany dia tsy hita ao amin’ny soratra masina ananantsika. Taty aoriana dia naharay tatitra iray hafa avy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto i Paoly momba ireo olana nisy tao amin’ny Fiangonana tany an-toerana (jereo ny 1 Korintiana 1:11), novaliany izany tamin’ny epistily iray hafa nosoratany, izay lasa fantatra amin’ny hoe 1 Korintiana. Noho izany, ny 1 Korintiana raha ny tena marina dia ny taratasy faharoa nosoratan’i Paoly ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto.

Tamin’ny andron’i Paoly, dia i Korinto no renivohitr’ilay faritany Romana antsoina hoe Akaia, izay nandrakotra ny ampahany lehibe indrindra amin’ny atsimon’i Makedonia amin’ny Grisia taloha. Amin’ny maha-ivontoerana fifanakalozana miroborobo azy, dia nisarika olona avy amin’ny Fanjakana Romana i Korinto, izany dia nahatonga azy ho iray amin’ireo tanàna misy karazan’olona maro samihafa indrindra amin’ny faritra nisy azy. Nahazo vahana tao amin’ny kolontsaina ara-pivavahan’ny Korintiana ny fivavahana amin’ny sampy, ary nisy tempoly sy toerana nohamasinina maro manerana ny tanàna. Tamin’ny vanim-potoana nitorian’i Paoly, dia nalaza ho tena ratsy fitondran-tena ireo Korintiana. Ohatra, voalaza fa fanao tao amin’ny tempolin’i Afrôdita ny fombafomban’ny mpivarontena.

Ao amin’ity epistily ity dia nohazavain’i Paoly fa tsy ampy firaisankina ny mpikamban’ny Fiangonana ary nanomboka nisy fiantraikany teo amin’ny fanajany ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny ny filazantsara ny finoana sy ny fombafomban’ireo izay tsy mpino (jereo ny 1 Korintiana 1:11; 6:1–8; 10:20–22; 11:18–22). Nanoratra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto izy mba hanampy azy ireo amin’ny fanontanian’izy ireo sy amin’ireo olany ary mba hampahatanjahana ireo niova fo izay niezaka ny tsy hiverina amin’ny finoany sy ny fanaony taloha.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ny Testamenta Vaovao dia ahitana torohevitra sy fampianarana betsaka nataon’i Paoly ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto mihoatra noho ny sampan’ny Fiangonana hafa rehetra. Raha ny marina, dia ampahefatry ny rakitsoratra rehetra nataon’i Paoly ireo epistily roa ho an’ny Korintiana.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana, dia nanazava i Paoly fa efa nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy i Jesoa Kristy. Nantitranterin’i Paoly ny maha-zava-dehibe “ny mitandrina ny didin’ Andriamanitra” (1 Korintiana 7:19) eo “ambanin’ny lalàn’i Kristy” (1 Korintiana 9:21) mba hahazoana ireo fitahian’ny famonjena amin’ny alalan’ny filazantsara.

Topimaso ankapobeny

1 Korintiana 1–11. Nampitandrina ny amin’ny fizarazarana tao amin’ny Fiangonana sy nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny firaisankina eo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana i Paoly. Nampitandrina ireo mpikambana izy ny amin’ny fahalotoam-pitondrantena, nampianatra izy fa ny vatana dia tempoly ho an’ny Fanahy Masina, ary namporisika ny fahaizana mifehy tena izy. Nametraka fanontaniana manokana izy momba ny fanambadiana sy ny asa fitoriana, ary koa momba ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy ny hoe azo atao ve sa tsia ny mihinana ireo hena natao sorona izay natao fanatitra ho an’ireo sampy.

1 Korintiana 12–14. Mampianatra i Paoly fa tokony hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy isika. Ampahatsiahiviny ireo Olomasina Korintiana ny maha-zava-dehibe ny apôstôly sy ny mpaminany sy ny mpampianatra ary ny tokony hifampikarakaran’ireo mpikambana. Mampisongadina ny maha-zava-dehibe ny fiantrana mihoatra noho ireo fanomezam-pahasoavana hafa rehetra izy.

1 Korintiana 15–16. Mijoro ho vavolombelona i Paoly fa izy dia miara-mijoro amin’ny maro hafa izay vavolombelon’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty. Mampianatra izy fa ny rehetra dia hitsangana amin’ny maty ary ny batisa ho an’ny maty dia manamafy ny fahamarinan’ny Fitsanganana amin’ny maty izay mbola ho avy. Manazava izy fa ireo vatana natsangana tamin’ny maty dia hanana ambaratongam-boninahitra samy hafa ary ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fasana dia manaisotra ny fanindron’ny fahafatesana. Mametraka lamina izy mba hanangonana fanampiana ho an’ireo Olomasina mahantra any Jerosalema.