Tahirim-pitaovana
Fizarana 23, Andro 1: 1 Korintiana 15:1–29


Fizarana 23: Andro 1

1 Korintiana 15:1–29

Fampidirana

Nandre i Paoly Apôstôly fa ny sasany amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto dia nampianatra hoe tsy misy ny fananganana ny maty. Nijoro ho vavolombelona izy fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy ary nohazavainy ny dikan’ny Fitsanganana amin’ny maty ho an’ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra.

1 Korintiana 15:1–10

Nanome porofon’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty i Paoly

Filoha Thomas S. Monson

Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity: “Isika ry rahalahy sy rahavavy dia mihomehy, mitomany, miasa, milalao ary mitia sy miaina. Ary avy eo isika dia maty. Hitranga amin’ny olona rehetra ny fahafatesana. Ny rehetra dia tsy maintsy handalo amin’izany. Maka ny antitra, ny reraka sy ny trotraka ny fahafatesana. Mitsidika ny tanora ao anatin’ny fanantenana mbola mamelana izy sy ny voninahitry ny fiandrandrana. Ary ireo ankizy madinika koa dia tsy afa-mitsoaka amin’ny famihin’ny tanany. Amin’ny filazan’i Paoly Apôstôly azy dia hoe: ‘[notendrena] ny olona ny ho faty indray mandeha’ [Hebreo 9:27]” (“I Know That My Redeemer Lives!” Ensign na Liahona, mey 2007, 24).

Eritrereto ireo fisainana na fahatsapana izay niainanao rehefa nodimandry ny olona iray fantatrao.

Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 15:1–29 ianao, dia tadiavo ny fitsipika izay afaka manampy anao rehefa maty ny olona iray fantatrao.

Rehefa namarana ny epistily nosoratany ho an’ireo Olomasina tany Korinto i Paoly, dia niresaka momba ny finoan-diso izay nampianarin’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany izy. Vakio ny 1 Korintiana 15:12 dia tadiavo hoe inona ilay finoan-diso izay nampianarina.

Nahoana araka ny eritreritrao no nanahiran-tsaina an’i Paoly io finoan-diso io?

Vakio ny 1 Korintiana 15:3–8 dia tadiavo hoe inona no nosoratan’i Paoly mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hahatakatra ny tena fisian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. (Mariho fa Kefasy dia anarana iray hafa iantsoana an’i Petera Apôstôly)

Azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo fa mijoro ho vavolombelona ny Apôstôly hoe maty noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy ary efa nitsangana tamin’ny maty Izy. (Azonao atao ny manisy marika io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masinao.)

Filoha Thomas S. Monson

Nizara izao fijoroana ho vavolombelona izao ny Filoha Monson: “Hasandratro miaraka amin’ny foko iray manontolo sy ny fientanentanan’ny fanahiko ny feoko mba hijoro ho vavolombelona amin’ny maha-vavolombelona manokana ahy ary hanambara fa velona Andriamanitra. I Jesoa dia Zanakalahiny, ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo. Mpanavotra antsika Izy ary Mpanelanelana antsika amin’ny Ray. Izy ilay maty teo amin’ny hazo fijaliana mba hanonitra ny fahotantsika. Lasa santatry ny Fitsanganana amin’ny maty Izy. Satria maty Izy dia ho velona indray isika.” ‘Endrey mamy sy kanto erỳ, “Ny mandre fa velona i Kristy!”’ [“Velona ilay Mpanavotra ahy,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy lah. 76] Enga anie izao tontolo izao hahafantatra izany sy hiaina araka izany fahafantarana izany” (“Fantatro fa velona Ilay Mpanavotra ahy!” 25).

Saintsaino ny fomba nampaherezan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo apôstôly ny finoanao ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

1 Korintiana 15:11–29

Nanazava ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty i Paoly

Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 15:11–15, i Paoly Apôstôly dia nametra-panontaniana hoe maninona ireo Olomasina Korintiana no nanomboka nisalasala ny amin’ny tena fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty. Nandaha-kevitra izy hoe raha tsy nisy ny Fitsanganana amin’ny maty, dia tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Ary raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, dia diso avokoa ireo vavolombelon’ny Fitsanganany tamin’ny maty ary tsy ho nisy antony ny fitoriana ny filazantsara.

Mpaminany Joseph Smith

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ireo fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika dia ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra tany an-danitra; ary ny zavatra rehetra izay mikasika ny fivavahantsika dia manampy izany fotsiny” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 49; ny manampy dia tovana amin’ny zavatra iray na ampahany izay ampifanohizana mba hahazoana zavatra lehibe kokoa).

  1. journal iconAdikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao nampiarahana amin’ny lesona ity. Avy eo vakio ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana havian’ilay tabilao dia tadiavo ny fomba hamenoanao ilay fehezanteny mifanaraka aminy ao amin’ny tsanganana havanana. Avy eo dia fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fehezanteny.

    Marihana fa ny teny hoe santatra ao amin’ny 1 Korintiana 15:20 dia entina milaza ny voaloham-bokatra izay nojinjain’ny tantsaha. Tahaka ireo vokatry ny fijinjana ireo izay voalohany amin’izay marobe hojinjaina, dia i Jesoa Kristy no voalohany nitsangana tamin’ny maty. (Marihina fa ny 1 Korintiana 15:20–22 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahitanao izany amin’ny manaraka.)

    1 Korintiana 15:16–19

    Raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, dia …

    1 Korintiana 15:20–22

    Koa satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, dia …

Jereo ny voalazan’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15:19: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.” Ny fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly ao amin’ny andininy 20–22 dia ny hoe noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, dia afaka manana fanantenana isika.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty hitondra fanantenana ho anao rehefa maty ny olom-pantatrao iray na rehefa matahotra ny amin’ny mety hahafaty anao ianao.

  2. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Soraty ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny tena fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny maha-zava-dehibe azy ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Azonao atao ny mizara amin’ny olona iray hafa ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fitahian’ny fisoronana momba ny Fitsanganana amin’ny maty.

    2. Asaivo mizara aminao ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Fitsanganana amin’ny maty ny ray aman-dreny, na namana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana iray. Soraty ny momba ny zavatra nianaranao na tsapanao rehefa nihaino izany fijoroana ho vavolombelona izany ianao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 15:23–24, i Paoly dia nampianatra fa hisy laharany ny Fitsanganana amin’ny maty. Jesoa Kristy no nitsangana voalohany, ary ireo mpanara-dia azy mahatoky no hitsangana aorian’izay. Mampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa ireo mpanara-dia mahatoky ireo dia handova ny voninahitra selestialy (jereo ny F&F 76:50–70; 88:97–98). Ireo izay tsy naherifo tamin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy sy ireo izay ratsy fanahy dia hitsangana aty aoriana (jereo ny F&F 76:71–86; 88:99–101). Nampianatra ihany koa i Paoly fa amin’ny “farany” (mandritra ny Arivotaona), i Jesoa Kristy dia “[hanolotra] ny fanjakana” ho an’ny Ray any An-danitra rehefa nofaranany avokoa ny endriky ny “fahefana sy hery” ety an-tany (na an’izao tontolo izao) (1 Korintiana 15:24).

Vakio ny 1 Korintiana 15:25–26 dia tadiavo hoe inona no nampianarin’i Paoly fa hitranga amin’ireo fahavalon’i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona.

Jereo hoe iza no fahavalo farany izay horavan’i Jesoa Kristy. Nahoana ny fahafatesana no azo heverina ho fahavalon’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny Ray any An-danitra? (Jereo ny Mosesy 1:39.)

Vakio ny 1 Korintiana 15:29 dia tadiavo ny ôrdônansy izay nataon’ny Olomasina Korintiana.

Fintino amin’ny teninao manokana hoe inona no nangatahin’i Paoly tamin’ireo Olomasina mikasika ny fiomanan’izy ireo amin’ny batisa ho an’ny maty:

Ny fahamarinana iray ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana 15:29 dia hoe ireo izay nodimandry tsy vita batisa dia afaka mahazo io ôrdônansy manan-danja io.

Filoha Gordon B. Hinckley

Nanazava ny Filoha Gordon B. Hinckley fa ny tempoly dia mijoro ho mariky ny finoantsika ny Fitsanganana amin’ny maty: “Ireo tempolintsika tsirairay avy, na lehibe na kely, dia maneho ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika fa ny fiainana ankoatry ny fasana dia misy ary tena misy toy ny fisian’izao fiainantsika eto an-tany izao. Tsy ho nilaina ny tempoly raha toa tsy mandrakizay ny fanahy sy ny tenan’olombelona. Mandrakizay ny vokatry ny ôrdônansy rehetra tanterahina any amin’ireny trano masina ireny” (“This Peaceful House of God,” Ensign, mey 1993, 74).

Tempolin’i Payson Utah

Tempolin’i Payson Utah

Raha mipetraka tsy lavitry ny tempoly ianao, dia eritrereto ny fotoana izay nanaovanao batisa ho an’ny maty na nanomananao ny anaran’ireo razambenao mba ho entina any amin’ny tempoly. Inona no fahatsapana nanananao rehefa nanomana anarana na nanatanteraka asa ho azy ireo tany amin’ny tempoly ianao? Raha mipetraka lavitra ny tempoly ianao, dia diniho hoe inona no azonao atao mba hanampiana amin’ilay asa famonjena ho an’ny maty.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no azonao atao mba handraisana anjara bebe kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly, ary ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fandraisanao anjara mampahatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona anananao momba ny Fitsanganana amin’ny maty?

Soraty eo amin’ny taratasy kely iray ny tanjonao manokana mikasika ny fomba handraisanao anjara bebe kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Apetraho amin’ny toerana izay mety hampahatsiahy anao hiezaka hanatratra ny tanjonao io taratasy io.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—1 Korintiana 15:20–22

  1. journal iconNy fitadidiana tsianjery ity andinin-tsoratra masina ity (1 Korintiana 15:20–22) dia hanampy anao hahay izay tokony hambara sy hanana ny fahatakarana ilaina mba hanampiana anao hampianatra ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty amin’ny hafa. Manokàna fotoana fohy hitadidiana ny andininy 22, ary avereno tsy an-kijery ny soratra masinao izany avy eo. Ataovy koa izany amin’ny andininy 21, sady mamerina ny andininy 21–22; ary avy eo ny andininy 20, avereno manaraka ny filaharany ny andininy telo. Amin’ny farany, ezaho soratana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay andinin-tsoratra masina manontolo araka ny fitadidianao azy.

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 1 Korintiana 15:1–29 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: