Fizarana 22: Andro 3
1 Korintiana 11
Fampidirana
Niresaka momba ny fifandirana nisy teo amin’ny Olomasina Korintiana mikasika ny fombafomba ara-pivavahana i Paoly Apôstôly. Nanantitrantitra izy fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia manana anjara asa mandrakizay sy masina ary mifampila izy ireo ao amin’ny drafitry ny Tompo. Nampianatra ny mpikamban’ny Fiangonana ihany koa izy momba ny fiomanana tokony hatao amin’ny fanasan’ny Tompo.
1 Korintiana 11:1–16
Miresaka momba ny fifandirana mikasika ny fombafomba ara-pivavahana i Paoly
Vakio ireto filazana manaraka ireto izay maneho ny zavatra mety ho tsapan’ny olona sasany momba ny fanambadiana:
-
“Ny mahomby amin’ny asa ataoko no tena manan-danja amiko. Tsy te hozaraiko amin’ireo tanjon’ny asako sy ny fanambadiana ny fifantohako.”
-
“Tsy te hanolo-tena amin’ny fiarahana maharitra aho. Matahotra ny handray fanapahan-kevitra izay hanenenako any aoriana aho.”
-
“Hamatotra ahy ny fanambadiana. Tsy ho afaka ny hanao izay zavatra rehetra tiako hatao aho.”
-
“Fantatro fa ny fanambadiana no fanapahan-kevitra manan-danja indrindra izay ho raisiko, ary miandrandra ny hanao izany aho.”
-
Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahatsapana ananao momba ny fanambadiana.
Ao amin’ny 1 Korintiana 11 dia ahitantsika bebe kokoa momba ny zavatra izay nosoratan’i Paoly Apôstôly mba hamaliany ireo ahiahin’ny mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto. Vakio ny 1 Korintiana 11:3 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny andraikitry ny vady.
Ilay andian-teny hoe “ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy” dia midika fa ny lehilahy manam-bady dia manana andraikitra masina ny hiahy ny tokantrano. Ny miahy dia midika hoe mitarika sy mitondra amim-pahamarinana ny hafa amin’ny zavatra ara-panahy sy ara-batana.
Jereo ao amin’ny andininy 3 hoe iza no miahy sy mitarika ny lehilahy manam-bady rehefa miahy ny fianakaviany izy. Nahoana no ho zava-dehibe amin’ny lehilahy manam-bady sy ny raim-pianakaviana ny miantehitra amin’i Kristy amin’ny maha-mpitarika sy mpitondra azy?
Rehefa takatsika ny fomba iahian’ny Raintsika any An-danitra ny fanjakany, dia ho hitantsika fa Izy dia Andriamanitry ny filaminana fa tsy an’ny fifanjevoana (jereo ny F&F 132:8).
Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 11:4–16, dia mamaly ny fanontanian’ireo Olomasina Korintiana i Paoly momba ny fombafomba ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mivavaka sy maminany izy ireo mandritra ny fotoam-pivavahana. Tafiditra ao anatin’izany fombafomba izany ny fanaovan’ny vehivavy saron-doha.
Indraindray ny mpamaky ny Testamenta Vaovao dia tsy mahatakatra ny fampianaran’i Paoly fa mandray izany ho midika hoe ny anjara asan’ny lehilahy dia manan-danja kokoa noho ny an’ny vehivavy. Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava io fiheveran-diso io:
“Mira lenta ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fijerin’ Andriamanitra sy amin’ny fijerin’ny Fiangonana, kanefa ny hoe mira lenta dia tsy midika hoe mitovy izy ireo. Ny andraikitra sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy mitovy amin’ny toetrany fa mitovy ny maha-zava-dehibe azy ireo na ny fitaomana entiny. Ny fotopampianaran’ny Fiangonantsika dia mametraka ny vehivavy hitovy lenta amin’ny lehilahy kanefa samy hafa amin’ny lehilahy. Andriamanitra dia tsy mandray ny iray ho tsara kokoa na ho manan-danja kokoa noho ny iray hafa. …
“Manana fanomezam-pahasoavana samy hafa sy hery samy hafa ary fomba fijery sy fironana samy hafa ny lehilahy sy ny vehivavy. Izany dia iray amin’ireo antony fototra izay mahatonga antsika hifampila” (“Men and Women in the Work of the Lord,” New Era, apr. 2014, 4).
Vakio ny 1 Korintiana 11:11 dia tadiavo hoe inona no nampianarin’i Paoly momba ny fifandraisana misy eo amin’ny mpivady. Ilay andian-teny hoe “ao amin’ny Tompo” dia entina milaza ny drafitry ny Tompo hanampiana antsika ho lasa tahaka Azy sy hahazo ny fiainana mandrakizay.
Azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintiana 11:11 ity fahamarinana manaraka ity: Ao amin’ny drafitry ny Tompo, ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy afaka ny hahazo ny fiainana mandrakizay raha tsy eo ny iray amin’izy ireo (jereo koa ny F&F 131:1–4).
Lafiny iray tena manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadian’ny lehilahy sy ny vehivavy. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Manampy ny drafitr’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny hoe ray na reny marin-toetra? Ahoana no fomba hanampian’izany antsika hiomana ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra?
Eritrereto ny fomba fiasan’ny hety. Manao ahoana ny fiasan’ny hety raha toa sarahina ireo lelany ary manandrana manapaka taratasy na lamba amin’ny lelany tokana fotsiny ianao? Fomba ahoana no hitovizan’ny hety iray amin’ny mpivady izay miezaka ny hahazo ny fiainana mandrakizay?
Vakio ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia tadiavo ny fomba nanaovana ny mpivady ho mpiara-miasa mba hahazo ny fiainana mandrakizay: “Araka ny tendrin’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiaraka handroso mankany amin’ny fahatanterahana sy ny fahafenoan’ny voninahitra. Noho ny toetra voajanahary sy ny fahaiza-manaon’izy ireo izay samy miavaka tsara dia samy mitondra fomba fijery sy traikefa tsy manam-paharoa ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mandray anjara amin’ny fomba samy hafa nefa mitovy lenta hanatrarana ny firaisan-kina izay tsy azo tratrarina amin’ny fomba hafa ankoatra izany. Ny lehilahy dia mameno sy manatanteraka ny vehivavy ary ny vehivavy dia mameno sy manatanteraka ny lehilahy rehefa mianatra amin’ny fifankaherezana izy roa sy mifampitahy” (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 83–84).
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo toetoetra sy andraikitry ny lehilahy sy ny vehivavy izay mifanohana sy mifankahery ao amin’ny fianakaviana.
Ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao tontolo izao,” dia nanambara ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: Araka ny drafitr’ Andriamanitra ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany. Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo. Ny kilema, ny fahafatesana, na ny toe-javatra hafa dia mety ilàna ny fandaminana avy amin’ny tsirairay” (Ensign, nôv. 2010, 129).
-
Eritereto ireo fihetsika isan-karazany momba ny fanambadiana izay hita taratra tamin’ireo tenin’olona novakinao tany amin’ny fanombohan’ny lesona. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Taorian’ny fandalinanao ny 1 Korintiana 11:1-16, dia ahoana no havalinao ny olona iray izay tsy mahatakatra ny maha zava-dehibe ny fanambadiana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra?
1 Korintiana 11:17–34
Nampianatra ireo Olomasina Korintiana i Paoly mba tsy hanamaivana ny fanasan’ny Tompo.
Inona no tonga ao an-tsaina rehefa mamaky ireto andian-teny manaraka ireto isika?
-
“Tena traikefa ara-panahy tokoa.”
-
“Fanavaozana ho an’ny fanahy.”
-
“Ny ampahany tsara indrindra amin’ny andro Sabatako.”
Saintsaino ny fandraisanao ny fanasan’ny Tompo vao haingana indrindra, ary eritrereto raha toa ka milazalaza ny zavatra niainanao ireo andian-teny ireo na tsia.
Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 1:17–34 ianao, dia mitadiava fahamarinana izay hahatonga ny fandraisanao ny fanasan’ny Tompo ho traikefa ara-panahy sy manan-danja kokoa.
Tamin’ny andron’i Paoly, dia nanaraka fombafomba mitovy amin’ny Fiaraha-misakafo Farany ny mpikamban’ny Fiangonana. Nivory matetika izy ireo hiara-hisakafo ary nandray ny fanasan’ny Tompo avy eo. Nanameloka izany fivoriana izany i Paoly Apôstôly satria ny Olomasina dia lasa nanova azy ireny ho fiaraha-misakafo fa tsy nihazona ny fahamasinana izay tokony hiaraka amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ny tenin’i Paoly momba ny tanjon’ny fiaraha-mivorin’izy ireo: “Koa raha miangona ao amin’ny toerana iray hianareo, moa ve tsy hihinana ny Fanasan’ny Tompo akory?” (Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 11:20 ).
Na dia natao hampitombo ny firahalahiana sy ny firaisan-kina aza izany fivoriana izany, dia matetika mivadika ho fifandirana ilay izy. Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 11:17–22, i Paoly dia nanameloka ny fifandirana izay nisy teo anivon’ny Olomasina Korintiana nandritra ireny fisakafoana ireny.
Vakio ny 1 Korintiana 11:23–26 dia tadiavo ny zavatra namporisihan’i Paoly ireo mpikamban’ny Fiangonana mba ho tsaroan’izy ireo momba ny fanasan’ny Tompo. Amin’ny teny Anglisy ny hoe manambara ao amin’ny andininy 26 dia mitovy amin’ny teny hoe mampiseho ary mitovy ny fanononana azy. Fa ny teny Grika izay nandikana io teny io dia midika hoe manambara, milaza, na mijoro ho vavolombelona.
Vakio ny 1 Korintiana 11:27–30 dia tadiavo ny fampitandremana nomen’i Paoly ireo Olomasina Korintiana momba ny fanasan’ny Tompo.
Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana dia mitondra fanamelohana sy fanasaziana ho an’ny tenany.
Hamafisina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany fahamarinana izany, rehefa nampitandrina i Jesoa Kristy hoe ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana, dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny fanahiny (jereo ny 3 Nefia 18:29). Ho fanampin’izany, ny Mpamonjy dia nilaza tamin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa izy ireo dia tsy tokony hamela ireo izay tsy mendrika handray ny fanasan’ny Tompo (jereo ny 3 Nefia 18:29). Raha manana fanontaniana momba ny fahamendrehanao handray ny fanasan’ny Tompo ianao dia tokony hiresaka amin’ ny eveka na ny filohan’ ny sampana misy anao.
Ao amin’ny 1 Korintiana 11:29, ny teny Grika izay nadika hoe “fanamelohana” dia azo adika ihany koa hoe “fanendrena ho meloka”. Ny hoe fanamelohana dia midika hoe “tsarain’ Andriamanitra ho meloka” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Manameloka, Fanamelohana,” scriptures.lds.org). Ny hoefanamelohana dia entina milaza “ny toetran’izay ajanona ny fivoarany ary lavina ny fidirany ho eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny voninahiny. Misy amin’ny ambaratonga isan-karazany ny fanamelohana. Ireo rehetra izay tsy mahazo ny fahafenoan’ny fisandratana faratampony dia azo lazaina fa voafetra ny fivoarany sy ny tombontsoany, ary dia nomelohana izy araka izay” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamelohana,” scriptures.lds.org).
Tsarovy fa “tsy voatery ho tonga lafatra ianao vao afaka mandray ny fanasan’ny Tompo, saingy tokony hanana toetra manetry tena sy vonona hibebaka ao am-ponao ianao” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 148). Raha mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny fo tsy mibebaka sy tsy manam-paniriana hahatsiaro sy hanaraka ny Mpamonjy isika, dia mandray ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana.
Saintsaino hoe nahoana no mety hitondra fanamelohana ho an’ny fanahintsika ny fandraisantsika ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana.
Vakio ny 1 Korintiana 11:28 dia tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hataon’izy ireo mandritra ny fandraisan’izy ireo ny fanasan’ny Tompo. Asio marika izay hitanao.
Mianatra isika avy amin’io andinin-tsoratra masina io fa tokony handinika ny fiainantsika isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no tokony handinihantsika ny fiainantsika?
Ny tanjon’ny fandinihana ny fiainantsika dia tsy ny hijerena fotsiny raha mendrika ny handray ny fanasan’ny Tompo isika na tsia, fa mba hijery ihany koa hoe manao ahoana ny fiezahantsika mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra ary ahoana no mety hikatsahantsika fibebahana sy hivoarana ho tsara kokoa.
Vakio ity teny nindramina manaraka ity, ka diniho ireo fomba ahafahanao mandinika ny fiainanao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.
Raha nilazalaza ny zavatra niainany teo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo ny Filoha Howard W. Hunter dia nilaza izy hoe: “Nanontany tena aho hoe: ‘Moa ve aho mametraka an’ Andriamanitra eo ambonin’ny zavatra hafa rehetra sy mitandrina ny didiny rehetra?’ Avy eo dia tonga ny fieritreretana sy ny fanapahan-kevitra. Andraikitra lehibe ny manao fanekempihavanana amin’ny Tompo mba hitandrina mandrakariva ny didiny, ary lehibe toy izany koa ny manavao izany fanekempihavanana izany amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Misy dikany lehibe ilay fotoana feno haja amam-boninahitra hieritreretana mandritra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Izy ireny dia fotoana handinihan-tena, hijerena ny momba ny tena, hitsarana ny tena—fotoana hieritreretana sy hanapahana hevitra” (“Thoughts On the Sacrament,” Ensign, mey 1977, 25).
I Tad R. Callister, filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany, fony izy mpikambana tao amin’ny Fitopololahy, dia nampianatra fa ny fanasan’ny Tompo dia fotoana hieritreretana sy handinihan-tena: “Ny fanasan’ny Tompo dia … fotoana handinihan-tena lalina sy hanaovana tombantombana ny momba ny tena manokana. … Ny fanasan’ny Tompo dia fotoana izay tsy vitan’ny hoe hahatsiarovana ny Mpamonjy fotsiny, fa hampitoviana ny fiainantsika amin’ny an’ilay Filamatra Lehibe [Jesoa Kristy]. Io no fotoana hanajanonana ny famitahan-tena; io no fotoanan’ny tena fahamarinana mafonja tokoa. Ny fialan-tsiny rehetra, ny endrika ivelany rehetra dia mila afafy eny amoron-dalana, amin’izay ny fanahintsika, amin’ny tena maha-izy azy, dia ho afaka ny hifandray amin’ny Raintsika dia fanahy miresaka amin’ny Fanahy. Amin’io fotoana io isika dia lasa mpitsara ny tenantsika, sy mandinika hoe manao ahoana marina ny fiainantsika ary tokony hanao ahoana ny fianantsika” (The Infinite Atonement [2000], 291).
Ny fomba iray hampiharana io fitsipiky ny fandinihana ny fianantsika io rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia ny mieritreritra fanontaniana izay azonao dinihina rehefa miomana ny handray ny fanasan’ny Tompo ianao. Ohatra, azonao atao ny manontany hoe: “Ahoana no fomba ahafahako hanara-dia bebe kokoa an’i Jesoa Kristy?” “Ahoana no hitovizan’ny fiainako amin’ny an’ny Mpamonjy? Amin’ny fomba ahoana no tsy hitovizany?” “Inona no fahalemena manahirana ahy izay misakana ahy tsy hivoatra ara-panahy?” “Inona no azoko atao amin’ity herinandro ity mba hihatsara kely kokoa?”
-
Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fanontaniana vitsivitsy fanampiny izay azonao apetraka amin’ny tenanao aloha sy mandritra ny fanasan’ny Tompo.
-
Manorata drafitra iray ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina mikasika ny zavatra izay hataonao mba hiomananao bebe kokoa amin’ny fotoana manaraka handraisanao ny fanasan’ny Tompo.
Rehefa mandinika ny fiainanao ianao mialoha sy mandritra ny fanasan’ny Tompo, dia afaka manampy anao ny Tompo hahafantatra hoe ahoana no hanatanterahanao bebe kokoa ny fanekempihavananao sy hahatonga anao ho mendrika ny handray ireo fitahiana izay tiany homena anao. Manolora tena hanaraka izay bitsika rehetra voarainao avy amin’ny Fanahy.
Hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 11:33–34 ny torolalana fanampiny nomen’i Paoly ireo Olomasina Korintiana mikasika ny sakafo izay nohanin’izy ireo rehefa nivory handray ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Noteneniny ny Olomasina mba hifampieritreritra sy hiala amin’ny fifandirana.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny 1 Korintiana 11 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: