Fizarana 9: Andro 2
Lioka 1
Fampidirana
Niseho tamin’i Zakaria ny anjely Gabriela ary nanambara taminy fa i Zakaria sy i Elizabeta vadiny dia hanan-janaka lahy, izay ho antsoin’izy ireo hoe Jaona. Enim-bolana taty aoriana dia niseho tamin’i Maria io anjely io ka nanambara fa ho lasa renin’ny zanakalahin’ Andriamanitra izy. Namangy an’i Elizabeta i Maria ka niara-nifaly ny amin’ny fiavian’ny Mpamonjy izy ireo. Telo volana taty aoriana dia niteraka an’i Jaona i Elizabeta, izay ho fantatra amin’ny hoe Jaona Mpanao Batisa.
Lioka 1:1–4
Nanazava ny antony nanoratany ny filazantsarany i Lioka
Azonao fantarina ve ny zava-nitranga haseho ao anatin’ireto sary manaraka ireto? Manorata famariparitana ilay zava-nitranga eo ambanin’ny sary tsirairay.
Kristy tao amin’ny Tempoly, nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’ny C. Harrison Conroy Co., Inc.
Ireo dia maneho ny sasany amin’ireo zava-nitranga sy ireo fampianarana avy amin’ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany izay noraketin’i Lioka fa tsy ao anatin’ireo filazantsaran’i Matio, Marka ary Jaona.
Nanomboka ny filazantsarany i Lioka tamin’ny firesahany tamin’ny olona iray nantsoina hoe Teofilo (jereo ny Lioka 1:3) ka nanazava ny antony nanoratany. Ny hoe Teofilo dia midika hoe “naman”’ Andriamanitra (Bible Dictionary, “Teofilo”).
Vakio ny Lioka 1:1–4 mba hikarohana ireo antony nanoratan’i Lioka ity filzantsara ity.
Raha miainga avy amin’ny Lioka 1:4 dia inona no azon’ny fandalinana ny filazantsaran’i Lioka atao ho anao?
Eo am-pandalinanao ny filazantsaran’i Lioka, dia afaka “[hahafantatra] tsara” (Lioka 1:4) ireo fahamarinana izay nampianarina anao mikasika an’i Jesoa Kristy ianao.
Lioka 1:5–25
Ny anjely Gabriela dia nanambara ny fahaterahan’i Jaona tamin’i Zakaria, izay ho aterak’i Elizabeta
Hafiriana araka ny eritreritrao ny ahafahanao mihazona ny fofon’ainao ka tsy miaina? Amboary ho eo amin’ny 10 hatramin’ny 30 segondra ny fandrefesam-potoana iray dia alefaso izany rehefa manomboka mihazona ny fofon’ainao ianao, na afaka mijery ilay fanjaitra faharoa manisa ny segondra amin’ny famantaranandro koa ianao. Raha azo atao dia hazony mandram-panenon’ilay fandrefesam-potoana na ny fiafaran’ilay fe-potoana ny fofon’ainao.
Inona no neritreretinao nandritra ny segondra farany talohan’ny nanenoan’ilay fandrefesam-potoana sy ny nahafenoan’ilay fotoana? Ahoana ny mety hitovian’ny fihazonana ny fofon’ainao amin’ny vinavina izay tsapa rehefa miandry ny fahatanterahan’ireo tenin’ Andriamanitra ?
Saintsaino ny fitahiana iray na valinteny iray avy amin’ Andriamanitra izay andrasanao na antenainao. Eo am-pandalinanao ny Lioka 1, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka hanampy anao rehefa miandry fahatanterahan’ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao.
Vakio ny Lioka 1:5–7 mba hitadiavana ny fitahiana nandrasan’i Zakaria sy i Elizabeta nandritra ny fotoana maro teo amin’ny fiainan’izy ireo.
Inona no ianarantsika mikasika an’i Zakaria sy i Elizabeta avy amin’ireo andininy ireo?
Samy taranak’i Aarona, izay nisafidianana ireo mpisorona sy mpisorona avon’i Isiraely i Zakaria sy i Elizabeta. Midika izany fa i Jaona dia mpandova voajanahary ny fisoronan’i Aarona sy ny fitarihana ao amin’izany. Hoy ny mpaminany Joseph Smith : “i Zakaria dia mpisoron’ Andriamanitra, sy niasa tao amin’ny Tempoly, ary i Jaona dia mpisorona taorian’ny rainy sady nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana Aarona”(ao amin’ny History of the Church, 5:257).
Ny Lioka 1:8-10 dia milaza fa i Zakaria dia voatondro handoro ny ditin-kazo manitra tao amin’ny tempolin’ny Jerosalema. Voninahitra lehibe izay indray mandeha ihany no mitranga eo amin’ny fiainan’ny mpisorona iray izany.
Vakio ny Lioka 1:11–13 mba hikarohana ny zava-nitranga raha mbola tao amin’ny tempoly i Zakaria.
Jereo ao amin’ny andininy 13 fa ilay anjely dia nilaza hoe “fa efa nohenoina ny fangatahanao.” I Zakaria sy i Elizabeta dia efa nivavaka an-taonan’ny maro mba hanan-janaka. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao io andian-teny io.
Inona no mety ho tsapan’i Zakaria rehefa naheno izy fa izy sy Elizabeta dia hanan-janaka lahy na dia efa “samy antitra aza izy mivady” (Lioka 1:7)?
Ny Lioka 1:14–17 dia milaza fa ny anjely Gabriela dia nilaza tamin’i Zakaria fa izy sy i Elizabeta dia “ho faly sy ho ravoravo” (Lioka 1:14) ary ny zanakalahin’izy ireo dia hanomana olona maro ho an’ny Tompo.
Vakio ny Lioka 1:18–20 mba hitadiavana ny navalin’i Zakaria ny hafatr’i Gabriela. Nampianatra ny mpaminany Joseph Smith fa i Gabriela dia i Noa ary “manarakaraka an’i Adama izy amin’ny fahefana ao amin’ny fisoronana” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 104).
Jereo ny zava-nitranga tamin’i Zakaria noho ny tsy finoany ny tenin’ilay anjely. Asio marika ao amin’ny andininy 20 ny zavatra nolazain’ilay anjely mikasika ireo teny—-ilay hafatra—izay nolazainy tamin’i Zakaria.
Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ny anjely Gabriela ny hoe ho tanteraka amin’ny fotoany ny teny nolazain’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpanompony. Ny hoe “amin’ny fotoany” dia midika hoe araka ny fotoan’ny Tompo.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no mety ho fiantraikan’ny fahafantarana fa ho tanteraka araka ny fotoan’ny Tompo ny teniny amin’ny fihetsika asetrintsika amin’ireo fampanantenana omen’ny Tompo?
-
Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io manampy olona iray izay maniry mafy ifampanantenana masina iray mba ho tanteraka?
-
Ao amin’ny Lioka 1:21–24 dia mianatra isika fa rehefa nandao ny tempoly i Zakaria, dia tsy afaka niteny izy. Nitoe-jaza i Elizabeta taty aoriana kely araka ny nampanantenain’ilay anjely.
Vakio ny tenin’i Elizabeta ao amin’ny Lioka 1:25, ary eritrereto izay mety ho fahatsapana nananan’i Elizabeta rehefa niomana ny hanan-janaka izy. Ny filazany fa ny Tompo dia “ [nitsinjo azy] hahafa-tondromaso azy amin’ny olona” dia entina ilazana ny henatra nahazo azy noho izy vehivavy tsy nanan-janaka. Tamin’izany fotoana izany sy tao anatin’izany kolontsaina izany, ny fiterahana dia tena nomena lanja be, ary ny tsy fahafahana manan-janaka dia nitondra tsy fanajana sy fahatsapana ho ambany.
Lioka 1:26-38
Ny anjely Gabriela dia nanambara ny fahatongavan’ny fahaterahan’i Jesoa tamin’i Maria
Miananatra isika ao amin’ny Lioka 1:26-27 fa tamin’ny faha enim-bolana nitondran’i Elizabeta vohoka dia nirahina tany amin’i Maria, izay virijiny tao Nazareta ny anjely Gabriela.
Vakio ny Lioka 1:28-33 mba hitadiavana ireo andian-teny izay mety nanampy an’i Maria hahatakatra ny lanjan’ny andraikitra nomen’ Andriamanitra azy. Asio marika izay zavatra hitanao. Ny Jesoa dia “endriky ny anarana Joshua na Jeshua amin’ny teny Grika, ‘Andriamanitra dia fanampiana’ na ‘mpamonjy’” (Bible Dictionary, “Jesus”).
Mariho fa ny anarana hoe “Zanaky ny Avo Indrindra” (Lioka 1:32) dia manondro ny fotopampianarana hoe i Jesoa Kristy dia zanak’ Andriamanitra Ray.
Vakio ny Lioka 1:34 mba hitadiavana ny fanontanian’i Maria. Ny filazany hoe “tsy mahalala lahy aho” dia midika fa virijiny izy.
Vakio ny Lioka 1:35–37 mba hikarohana ny valintenin’ilay anjely tamin’ny fanontanian’i Maria.
Tsy fantatsika, ankoatra ireo tantara ao amin’ny soratra masina, ny fomba nitrangan’ny fahagagana tamin’ny fiforonan’i Jesoa Kristy. Nolazaina antsika fotsiny fa nahagaga izany ary ilay zaza izay ateraka dia ho ny zanak’ Andriamanitra.
jereo ny ao amin’ny Lioka 1:37 ny fahamarinana nambaran’ilay anjely izay manampy amin’ny fanazavana io tranga mahagaga io. Azonao atao ny manisy marika izany ao anatin’ny soratra masinao.
Saintsaino ireo toe-javatra izay mety hahatsapana fa sarotra na tena tsy azo atao mihitsy ny mankatò ny didy sasany. Mitanisà ohatra telo na efatra eo amin’ny toerana voatokana ho an’izany.
-
Eritrereto ilay fahamarinana hoe Tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra atao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no heverinao fa mety holazain’i Maria na i Elizabeta mba handrisihana antsika raha toa isika ka mahatsapa fa ny zavatra angatahin’ny Tompo ataontsika dia sarotra na tena tsy azo tanterahina. Rehefa izany dia manorata momba ny zavatra niainanao iray izay nampatanjaka ny finoanao fa tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra.
Vakio ny Lioka 1:38 mba hikarohana ny fomba namalian’i Maria ilay anjely.
Inona ny porofo hitanao ao amin’ity andininy ity izay maneho fa i Maria dia nino ny tenin’ilay anjely?
Diniho ny maha-samy hafa ny faneken’i Maria ny tenin’ilay anjely amin’nyvalinteny nomen’i Zakaria tamin’ny fanambarana nataon’ilay anjely tao amin’ny tempoly. Saintsaino hoe ahoana ny ahafahanao manaraka ny ohatr’i Maria sy i Elizabeta amin’ny finoanao fa eo amin’ny fiainanao manokana,dia tsy hisy zavatra angatahin’ny Tompo aminao ka tsy azo tanterahina rehefa miaraka amin’ny fanampiany.
Lioka 1:39-56
Namangy an’i Elizabeta i Maria, ka nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy izy ireo
I Elizabeta sy i Maria dia nanatanteraka andraikitra manan-danja izay nanampy tamin’ny fanovana izao tontolo izao. Vakio ny Lioka 1:41-45 mba hikarohana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Elizabeta rehefa “nofenoina ny Fanahy Masina” izy (Lioka 1:41).
Noho ny fijoroana ho vavolombelona azon’i Elizabeta avy amin’ny Fanahy masina dia inona no efa takany mikasika an’i Maria?
Vakio ny Lioka 1:46–49 mba hitadiavana ny fomba nideran’i Maria ny Tompo.
jereo ao amin’ny andininy 49 fa i Maria dia nilaza fa ny Tompo dia “nanao zavatra lehibe” ho azy. Avereno vakina ny Lioka 1:34, 38, 45-46 mba hitadiavana ny zavatra nataon’i Maria ka nahafahan’ny Tompo nanao “ zavatra lehibe ” ho azy.
Tahaka an’i Zakaria sy i Elizabeta ary i Maria izay samy nanana ny anjara asany manokana tao amin’ny drafitra masina, isika koa dia manana anjara asa manan-danja izay voatondron’ny Tompo. Ianarantsika avy amin’io tantara io fa raha miezaka amim-pahatokiana ny hanatanteraka ny anjara asa tian’ny Tompo hataontsika isika dia afaka manao zavatra lehibe eo amin’ny fiainantsika Izy.
-
Saintsaino ny anjara asa tian’ny Tompo hotanterahinao ao amin’ny drafiny dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no mety hitranga eo amin’ny fiainanao raha mamaly ny Tompo toy ny nataon’i Maria ianao?
Nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana azo amin’ny fanatodihana ny fiainantsika any amin’ Andriamanitra sy ny fihezahana amim-pahatokiana ny hanaraka ny sitrapony ny filoha Ezra Taft Benson: “Ireo lehilahy sy vehivavy izay mampitodika ny fiainany amin’ Andriamanitra dia hahita fa Izy dia afaka manao zavatra bebe kokoa avy amin’ny fiainan’izy ireo mihoatra izay azon’izy ireo atao. Ho ataony lalim-paka ny fifalian’izy ireo, hitariny ny fomba fijery sy ny fahatakaran’izy ireo, ho ataony mailaka ny fisainan’izy ireo, hohatanjahany ny hozatr’izy ireo, hampahereziny ny fanahin’ireo, hampitomboany ny fitahiana azon’ izy ireo, hampitomboany ny fotoana hahafahan’izy ireo manao zavatra, hampitoniany ny fanahiny, hanome namana,ary handrotsaka fiadanana. Na iza na iza hamoy ny ainy amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia hahita ny fiainana mandrakizay,” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, Dec. 1988, 4).
Lioka 1:57-80
Teraka i Jaona Mpanao Batisa
Ny Lioka 1:57-80dia manazava fa taorian’ny niterahan’i Elizabeta dia nanamafy tamin’ny alalan’ny soratra i Zakaria fa ilay zaza dia tokony ho antsoina hoe Jaona. Ny anarana hoe Jaona dia midika hoe “feno famindram-po Jehovah.” Tamin’ izay fotoana izay izy dia afaka niteny tampoka indray, ka naminany mikasika ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy sy i Jaona. Rehefa manatanteraka amim-pahatokiana ireo anjara asa masina nomena antsika toy ny an’i Zakaria sy i Elizabeta ary i Maria isika dia afaka manao zavatra lehibe ho antsika sy amin’ny alalantsika koa ny Tompo. Diniho ny fomba azonao hanatanterahana ny anjara asanao manokana ao anatin’ny drafitry ny Tompo.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Lioka 1 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: