Fampahafantarana ny Apokalypsy
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Amin’ny maha- “Fanambaran’i Jesoa Kristy” (Apokalypsy 1:1) an’ity boky ity no iantsoina azy hoe Apokalypsy, izay teny Grika midika hoe fanambarana, na fanaposahana, na famborahana ny zavatra izay miafina (jereo ny Torolalana Ho an’ny Soratra Masina, “Apôkalypsy”). Ity boky ity dia famborahana ny momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy fanambarana iray mikasika ny fahefany, sy ny heriny, ary ny anjara asa lehibe sahaniny ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray. Ilay boky ihany koa dia manambara fampahalalana tena manan-danja tokoa momba ireo tranga mialoha ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona.
Ny fianarana ny bokin’i Apokalypsy dia afaka manampy anao hahazo fahalalana lalina kokoa momba ilay Zanak’ Andriamanitra nitsangana tamin’ny maty sy be voninahitra ary ny fifandraisany amin’ny zanak’ Andriamanitra mandritra ireo fotoana teo amin’ny tantaran’ny tany, indrindra amin’ny andro farany. Ity boky ity dia manolotra hafatra feno fanantenana ho an’ny olo-marina ary afaka mampahery anao hijanona ho mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy ao anatin’ireo fanenjehana sy fitsapana.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Jaona Apôstôly, ilay mpianatra lalain’i Jesoa Kristy, no mpanoratra ity boky ity. Ny Bokin’i Môrmôna dia manamafy fa i Jaona dia efa voatendry mialoha mba hanoratra ireo zavatra izay voarakitra ao amin’ny bokin’i Apokalypsy (jereo ny 1 Nefia 14:18–27; Etera 4:16).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Ny bokin’i Apokalypsy dia nosoratana tamin’ny fotoana izay nisian’ny fampianaran-diso, sy tsy fahavitrihana ary fanenjehana mahery vaika niainan’ny Kristianina (jereo ny Apokalypsy 1:9; 2:4, 10, 14–15; 3:16; 6:9). Io fanenjehana io dia azo heverina indrindra fa avy tamin’ireo manamboninahitra Romana teo amin’ny roapolo taona farany tao amin’ny taon-jato voalohany Taorian’i J.K. Avy tao amin’ny nosy Patmo manamorona ny morotsirak’i Asia, teo amin’ny 100 kilaometatra atsimo andrefan’i Efesosy no nanoratan’i Jaona ny boky (jereo ny Apokalypsy 1:9).
Ho an’iza no nanoratana izany ary nahoana?
Nanoratra hafatra feno fanantenana sy fankaherezana ho an’ireo Olomasina tamin’ny androny (jereo ny Apokalypsy 1:4, 11) sy ho an’ireo Olomasina amin’ny andro farany i Jaona Apôstôly. Ny toko telo voalohany ao amin’ny Apokalypsy dia miantefa manokana amin’ireo fiangonana fito any Asia (jereo ny Apokalypsy 1:4, 11; 2–3). Noho ireo fanenjehana mahery vaika nisy dia nila mafy ireo hafatra mankahery izay hita ao amin’ny Apokalypsy ny Olomasina. Ankoatra izay, ny mpaminany Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona fa “Andriamanitra dia efa nanendry ny apostoly” Jaona mba hanoratra momba ny fiafaran’izao tontolo izao (1 Nefia 14:25) ary ny teniny dia tsy maintsy ho tonga eo amin’ny Jentilisa sy ny sisa tavelan’i Isiraely amin’ny andro farany (jereo ny 1 Nefia 13:20–24, 38; 14:19–27).
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Nampianatra i Joseph Smith fa “anisan’ireo boky tsotra indrindra izay nasain’ Andriamanitra nosoratana ny bokin’i Apokalypsy” (tao amin’ny History of the Church, 5:342). Na dia manan-karena amin’ny kisarisary sy fanoharana izay tsy mora hatrany ho an’ireo mpamaky amin’izao vanim-potoana maoderina izao ny mahatakatra azy aza izany, dia tsotra sy manentana fanahy ireo lohahevitra ao amin’ity boky ity.
I Jaona Apôstôly dia namaritra ny toeran’ny Fiangonana tamin’ny androny (jereo ny Apokalypsy 2–3) ary nanoratra momba ireo tranga efa lasa sy mbola ho avy (jereo ny Apokalypsy 4–22). Ny bokin’i Apokalypsy dia mirakitra ny iray amin’ireo andiany vitsivitsy ao amin’ny soratra masina izay mamariparitra ny Ady talohan’ny fahaterahana nisy tany an-danitra (jereo ny Apokalypsy 12:7–11) ary maneho topimaso mankahery momba ny tantaran’izao tontolo izao, ka mifantoka manokana amin’ny andro farany sy ny Arivotaona. Ny lohahevitra manan-danja indrindra ao amin’izany dia ahitana ny anjara asan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fanatanterahana ny drafitr’ Andriamanitra, ny asa tanan’ Andriamanitra eo amin’ny tantaran’ny tany, ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, sy ny famongorana ny ratsy, ary ny fampanantenana fa ny tany dia ho lasa selestialy any aoriana. Ilay boky ihany koa dia manazava fa hisy “ny fandresena maharitry ny marina amin’ny ratsy … [ary] ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fanjakan’ny olombelona sy Satana” (Bible Dictionary, “Revelation of John”).
Topimaso
Apokalypsy 1–3. Nahita fahitana momba an’i Jesoa Kristy i Jaona. Nanoratra hafatra manokana ho an’ireo fiangonana fito tany Asia izy; ireo hafatra ireo dia mirakitra fiderana, sy fampitandremana ary fampanantenana ho an’ireo Olomasina mahatoky tao amin’ny sampana tsirairay.
Apokalypsy 4–11. Nahita an’ Andriamanitra nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana ao amin’ny fanjakana selestialy, ilay Zanakondrin’ Andriamanitra, ary boky iray izay nofehezina tamin’ny tombo-kase fito i Jaona. Nahita fahitana mifandraika amin’ny fanokafana ny tsirairay amin’ireo tombo-kase fito ireo izy. Ireo izay manana ny tombo-kasen’ Andriamanitra eo amin’ny andriny dia handray ny fiarovan’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Nahita ady, areti-mandringana, sy tranga maro amin’ny andro farany izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany i Jaona.
Apokalypsy 12–16. Nahita ny Ady talohan’ny fahaterahana nisy tany An-danitra sy ny fitohizan’izany eto an-tany i Jaona. Nampianatra izy fa ny herin’ny ratsy dia mikatsaka ny handrava ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Amin’ny andro farany dia haverina eto an-tany indray amin’ny fahafenoany amin’ny alalan’ny fanompoan’ny anjely ny filazantsara. Hisy ny fiomanana atao ho fiatrehana ny adin’ny Hara-magedona.
Apokalypsy 17–22. I Babylona ara-panahy dia haparitaka manerana ny tany. Aorian’ny fanangonana ireo Olomasina marina dia ho lavo i Babylona ary hisaona azy ireo mpanohana azy. Ny olo-marina dia ho asaina amin’ilay fiaraha-misakafo fampakarambadin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra. Hofehezina i Satana, hanomboka ny Arivotaona, ary i Kristy mihitsy no hanjaka etỳ an-tany. Ho tsaraina ireo maty. Handray ny voninahiny selestialy ny tany.