Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny 1 Petera


Fampahafantarana ny 1 Petera

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny lohahevitra iray hita manerana ny Epistily Voalohany nosoratan’i Petera dia ny hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ireo mpianatry ny Mpamonjy dia afaka maharitra sy miatrika amim-pahatokiana ireo fijaliana sy fanenjehana. Ny toko tsirairay avy ao amin’ny 1 Petera dia miresaka momba ny fitsapana na ny fijaliana, ary i Petera dia nampianatra fa ny faharetana ireo fitsapana amim-pahatokiana dia “tsara lavitra noho ny … volamena” ary hanampy ireo mpino hahazo ny “famonjena ny fanah’[izy ireo]” (1 Petera 1:7, 9). Nampahatsiahy ireo Olomasina ny maha-“taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, [ary] firenena masina” azy ireo ihany koa i Petera (1 Petera 2:9). Amin’ny alalan’ny fandalinana ny torohevitra nomen’i Petera tao anatin’ity epistily ity dia afaka mahazo fanantenana sy fampaherezana ary tanjaka ianao, izay afaka manampy anao manoloana ireo olana mianjady aminao.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny mpanoratra ity epistily ity dia i “Petera, apostolin’i Jesoa Kristy” (1 Petera 1:1).

““Tamin’ny voalohany i Petera dia fantatra tamin’ny anarana hoe Simeona na Simona (2 Pet. 1:1), mpanarato tany Betsaida nonina tany Kapernaomy niaraka tamin’ny vadiny. … Nantsoina niaraka tamin’i Andrea rahalahiny mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy izy (Mat. 4:18–22; Marka 1:16–18; Lioka 5:1–11). …

“… Nosafidin’ny Tompo [i Petera] mba hihazona ireo fanalahidin’ny fanjakana eto ambonin’ny tany (Mat. 16:13–18). …

“I Petera no lohan’ny Apôstôly tamin’ny androny” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Petera,” scriptures.lds.org).

Ny asa soratr’i Petera dia maneho ny fivoarany avy tamin’ny naha-mpanarato tsotra azy ka tonga Apôstôly lehibe.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Tokony teo anelanelan’ny taona 62 sy 64 taorian’i J.K. no nanoratan’i Petera ny epistiliny voalohany. Nanoratra avy tany “Babylona” (1 Petera 5:13) izy, izay mety ho tandindona maneho an’i Roma.

Eken’ny maro fa maty nandritra ny fanjakan’ny Amperora Romana Néron—tokony taorian’ny taona 64 taorian’i J.K. i Petera, rehefa nanomboka nanenjika ireo Kristinina i Néron (jereo ny Bible Dictionary, “Peter, Epistles of”ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy an’ny OMAF).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Natokan’i Petera ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana nonina tany amin’ireo faritra Romana niisa dimy tao Asie Mineure, izay hita any amin’ny misy an’i Turquie amin’izao fotoana ity epistily ity (jereo ny 1 Petera 1:1). Noraisin’i Petera ho “[olom-boafidin’]” Andriamanitra ireo mpamakiny (1 Petera 1:2). Nanoratra izy mba hampatanjahana sy hankaherezana ireo Olomasina tao amin’ny “fizahan-toetran’ny finoan’[izy ireo]” (1 Petera 1:7) ary mba hanomanana azy ireo amin’ny “fizahan-toetra mahamay” ho avy (1 Petera 4:12). Ny hafatr’i Petera dia nampianatra azy ireo ihany koa ny amin’ny zavatra tokony hatao manoloana ny fanenjehana (jereo ny 1 Petera 2:19–23; 3:14–15; 4:13).

Tonga ara-potoana tsara ny torohevitr’i Petera satria ireo mpikamban’ny Fiangonana dia nanomboka niatrika vanim-potoana nisian’ny fanenjehana tsy nitsaha-nitombo. Hatramin’ny taona 64 taorian’i J.K. teo ho eo, tokony tamin’ny fotoana nanoratan’i Petera ny epistiliny, dia nilefitra tamin’ny fivavahana Kristianina tamin’ny ankapobeny ny fanjakana Romana. Ny volana jolay tamin’io taona io dia noravaravain’ny afo ny ampahany lehibe tamin’i Roma, ary araka ny tsaho dia ny Amperora Néron izy tenany mihitsy no nandidy ny hampirehetana ny afo. Tao anatin’ny ezaka mba hialana amin’ny fanamelohana noho ilay loza nitranga dia niampanga ireo Kristianina tamin’ny fanombohana ilay fandorana ny Romana nanana toerana ambony sasany. Izany dia nitarika tamin’ny fanenjehana fatratra ireo Kristianina nanerana ny Fanjakana Romana. Nilaza i Petera fa rehefa “mijaly satria Kristianina” (1 Petera 4:16)ireo Olomasina, dia afaka mahatsapa fifaliana noho ny fanarahana ny dian’i Jesoa Kristy izy ireo (jereo ny 1 Petera 2:19–23; 3:15–18; 4:12–19).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Tao anatin’ny fahoriana sy ny fanenjehana natrehan’ireo Olomasina tamin’ny vaninandrony dia namporisika azy ireo mba hifampitondra ao anatin’ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy i Petera (jereo ny 1 Petera 1:22; 3:8–9). Ankoatra izany dia mamaky isika ao amin’ny 1 Petera 5 fa nanazava ny fomba tokony hankaherezan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny mpikambana sahanin’izy ireo i Petera.

Ity epistily ity angamba no mirakitra filazana mazava indrindra ao amin’ny Baiboly momba ny tontolon’ny fanahy ary ny asa famonjena izay mitranga any. Nilaza fohifohy i Petera fa i Jesoa Kristy dia namangy ny tontolon’ny fanahy mba hitory amin’ireo fanahy tsy mpankatò izay niaina nandritra ny vaninandron’i Noa (jereo ny 1 Petera 3:18–20). Nampiany ihany koa fa ny filazantsara dia notoriana tamin’ny maty mba hanomezana ho an’ny olona efa maty tsirairay avy ny fahafahana ho tsaraina araka ny fepetra mitovy amin’ny an’ny velona (jereo ny 1 Petera 4:5–6). Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao, ny Filoha Joseph F. Smith dia nisaintsaina ny dikan’ny 1 Petera 3:18–20 sy ny 1 Petera 4:6 rehefa nandray fanambarana anankiray izay nanazava ireo fotopampianarana mikasika ny tontolon’ny fanahy izy (jereo ny F&F 138).

Topimaso

1 Petera 1:1–2:10. Manoratra momba ny antony ilan’ireo Olomasina ny fitomboana ara-panahy mba hahafahana mandray ireo valisoa mandrakizay i Petera. Ny fampanantenana famonjena dia tanteraka amin’ny alalan’ny ra sarobidin’i Jesoa Kristy. Ireo Olomasina dia “taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, [ary] firenena masina” (1 Petera 2:9) izay nandray ny famindrampon’ Andriamanitra.

1 Petera 2:11–3:12. Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia mikatsaka ny hanaja ny olon-drehetra ary ny hanoa ireo manam-pahefana sy lalàna sivily. Niresaka tamina vondrona Olomasina voafaritra tsara i Petera: ireo olom-pirenena afaka, ireo mpanompo, ary ireo olona manam-bady.

1 Petera 3:13–5:14. Rehefa mijaly noho ireo fanenjehana ireo Olomasina dia tokony hahatsiaro ny ohatr’i Jesoa Kristy izay nijaly ary nahazo ny fisandratana izy ireo. Nitory ny filazantsara tamin’ny maty mba hahafahan’izy ireo ho tsaraina araka ny rariny i Jesoa Kristy. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fikarakarana ny valan’ondrin’ Andriamanitra. Ireo Olomasina dia tokony hanetry ny tenan’izy ireo ary hametraka ny fiainan’izy ireo amin’ Andriamanitra.