Fizarana 16: Andro 2
Jaona 17
Fampidirana
Talohan’ny nijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane dia nanolotra ilay Vavaka Fanalalanana Lehibe nataony Izy. Nivavaka Izy mba hahafantaran’ireo mpianany sy ireo rehetra izay manaraka Azy ny Ray any An-danitra ka hahazo ny fiainana mandrakizay, ary nivavaka Izy mba ho iray Taminy sy ny Rainy izy ireo.
Jaona 17:1–8
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka i Jesoa Kristy
Mieritrereta olo-malaza vitsivitsy izay fantatrao kely ny momba azy.
Izao dia eritrereto ireo olona eo amin’ny fiainanao izay tena fantatrao indrindra.
Inona no maha samy hafa ny mahafantatra zavatra momba ny olona iray sy ny tena mahafantatra izany olona izany? Soraty eto amin’ity toerana malalaka manaraka ity ireo zavatra sasany izay mety ho tsy maintsy ataonao mba tena hahafantarana olona iray:
Nampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana ny Ray any An-danitra sy Izy ny Mpamonjy. Rehefa mandalina ny Jaona 17 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao hanaraka ny lalana izay hitarika anao tsy hahafantatra fotsiny momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fa hahafantatra Azy ireo tsara kokoa ihany koa rehefa mandeha ny fotoana.
Taorian’ny Sakafo hariva Farany dia nandeha nankany amin’ny Sahan’i Getsemane ny Mpamonjy sy ireo mpianany. Talohan’ny nahatongavan’izy ireo teo amin’ny saha dia niato mba hivavaka i Jesoa. Fantatra hatry ny ela amin’ny hoe ilay Vavaka Fanalalanana izany. Heviny iray handikana ny teny hoe manalalana ny hoe miresaka amin’ny olona iray ho an’ny olona iray hafa. Tamin’ity indray mitoraka ity i Jesoa Kristy dia niresaka tamin’ny Ray any An-danitra ho an’ireo mpianany, nangataka ny mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay.
Vakio ny Jaona 17:1-3, ka tadiavo ny fomba nanoritsoritan’ny Mpamonjy ny fiainana mandrakizay. (Ny Jaona 17:3 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika io andininy io amin’ny fomba miavaka mba hanampiana anao hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)
Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ny Jaona 17:3: Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany isika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no maha samy hafa ny mahafantatra ny Ray sy ny Zanaka amin’ny hoe mahafantatra momba Azy ireo fotsiny?
Vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asio marika izay nolazainy fa dikan’ny hoe mahafantara ny Ray sy ny Zanaka: “Samy hafa ny mahalala zavatra momba an’ Andriamanitra sy ny mahafantatra Azy. Mahalala zavatra momba Azy isika rehefa mahalala fa Izy dia olona ary tahaka ny endriny no nahariana ny olona. Rehefa mahalala isika fa ny Zanaka dia mitovy endrika tanteraka amin’ny Rainy. Rehefa mahalala isika fa samy manana toetra sy hery voafaritra manokana ny Ray sy ny Zanaka. Fa fantatsika amin’ilay heviny hoe hahazoana ny fiainana mandrakizay kosa Izy ireo, rehefa migoka sy miaina zavatra tahaka izay iainan’Izy ireo isika. Ny mahafantatra an’ Andriamanitra dia ny mieritreritra izay zavatra eritreretiny, mahatsapa ny zavatra tsapany, manana ny hery izay ananany, mahatakatra ireo fahamarinana takany, ary manao ny zavatra ataony. Ireo izay mahafantatra an’ Andriamanitra dia lasa toa Azy ary miaina ny karazam-piainana iainany, dia ny fiainana ny mandrakizay” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:762).
Ny fahalalana an’ Andriamanitra sy fahatongavana tahaka Azy dia azontsika atao rehefa mandray ny Fanahy Masina sy mandray ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika. Izany anefa dia dingana hitohy mandritra ity fiainana ity, eny fa na dia aorian’ity fiainana ity aza (jereo ny Môrônia 7:48; 10:32–33).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana ny olona iray no tsy afaka mahazo ny fiainana mandrakizay raha tsy mahafantatra an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo fomba ahafahanao mahafantatra bebe kokoa ny Ray sy ny Zanaka?
-
Mianatra isika ao amin’ny Jaona 17:4–5 fa ny Mpamonjy dia nanao tatitra tamin’ny Rainy fa vitany ny asa nampanaovin’ny Ray Azy. Nangataka ny Rainy Izy mba hankalaza Azy amin’ny voninahitra izay efa nananany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.
Vakio ny Jaona 17:6-8, ary tadiavo ny zavatra nataon’ireo Mpianany mba hahafantaran’izy ireo ny Mpamonjy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Soratra masina fehezina—Jaona 17:3
-
Vakio ity tahadikan’ny andinin-tsoratra masina fehezina Jaona 17:3 ity:
“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.”
Manaraka izay dia tsipiho tsy ho hitanao intsony ny teny telo izay safidinao, ka vakio mafy indray ilay andinin-tsoratra masina, miaraka amin’ireo teny notsipihinao. Avereno hatrany ny fanipihana teny sy famakiana ilay andinin-tsoratra masina mandra-pahavoafafa ny teny rehetra. Avy eo dia ataovy izay tsara indrindra vitanao mba hanoratana ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina araka ny fitadidianao.
Jaona 17:9–19
Mivavaka ho an’ireo mpianany ny Mpamonjy
Vakio ny Jaona 17:9, 11–18, ka tadiavo ny zavatra nangatahin’i Jesoa ho an’ny mpianany.
Jereo fa ny Mpamonjy dia nilaza fa hanohy hiaina ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana sy mankahala azy ireo ny Mpianany. Mianatra isika avy amin’ny Jaona 17:14–16 fa amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tokony ho ao amin’izao tontolo izao isika fa tsy naman’izao tontolo izao. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao.
Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe ao amin’izao tontolo izao fa tsy naman’ izao tontolo izao?
Ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba hiainana ao amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao:
“Ao amin’ny Fiangonana, dia matetika isika no milaza ireo andian-teny roa mitovy rima hoe: ‘Aoka ho ao amin’izao tontolo izao fa tsy ho naman’izao tontolo izao.’ …
‘Angamba tokony izao no hilazantsika azy … ho famporisihana roa samihafa. Voalohany, ‘Aoka ho ao amin’izao tontolo izao.’ Mandraisa anjara; manaraha vaovao. Miezaha ny hahatakatra sy handefitra ary hankasitraka ireo fitsapana. Mandraisa anjara manan-danja eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fanompoana sy ny firotsahana. Faharoa, ‘Aza mety ho naman’izao tontolo izao.’ Aza manaraka lalan-diso na manova ny finoanareo mba hanome toerana ny zavatra tsy mety na hanaiky izany. …
“Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hitaona kokoa amin’ny tsara fa tsy hanaiky hotaomin’ny hafa fotsiny. Tokony hiasa isika mba hanohitra ny fitaoman’ny fahotana sy ny ratsy fa tsy hanaiky hotaomin’izany mora foana. Mila manampy amin’ny famahana izany olana izany isika tsirairay avy fa tsy miala na tsy miraharaha izany” (“The Effects of Television,” Ensign, mey 1989, 80).
Saintsaino ny antony hanirian’ny Tompo ny hijanonantsika ao amin’izao tontolo izao kanefa tsy ho naman’izao tontolo izao.
-
Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny olona iray ho ao amin’izao tontolo izao kanefa tsy naman’izao tontolo izao amin’ny tsirairay amin’ireto sehatra ireto: any an-tsekoly, miaraka amin’ny namana, ary ao amin’ny Internet. Dia manorata fomba iray voafaritra tsara avy eo mba hiezahanao hanaraka tsara kokoa ny Mpamonjy amin’ny fijanonana ao amin’izao tontolo izao kanefa tsy naman’izao tontolo izao.
Jaona 17:20–26
Mivavaka ho an’ny olona rehetra izay manaiky ny filazantsarany ny Mpamonjy
Na dia manao ny ezaka tsara indrindra aza isika dia tsy mijanona ho madio tanteraka amin’ny fahotana sy ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao. Raha tsy afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika isika dia ho tafasaraka amin’ Andriamanitra mandrakizay satria tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra eo anatrehany (jereo ny 1 Nefia 15:33–34).
Vakio ny Jaona 17:20–23, ka tadiavo ny zavatra nangatahan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ny teny hoe iray isaky ny miseho ao amin’ireo andininy ireo izany.
Jereo fa ny Mpamonjy dia tsy nivavaka ho an’ny Apôstôliny fotsiny ihany fa ho an’ireo rehetra izay hino ny tenin’izy ireo ihany koa mba hahatongavan’izy rehetra ho iray tahaka ny maha-iray an’i Jesoa sy ny Ray. Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manazava fa ny Ray sy ny Zanaka dia olona roa samy hafa. Nangataka firaisan-kina ara-panahy fa tsy firaisan-kina ara-batana i Jesoa.
Inona no mahatonga antsika ho lasa iray miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahantsika ho tonga iray miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka: “Ny dika ara-bakitenin’ny teny Anglisy hoe Atonement (Sorompanavotana) dia mazava ao anatin’ilay teny ihany: at-one-ment, ny fampiarahana ireo zavatra izay nosarahina” (“The Atonement of Jesus Christ,”Ensign, mar. 2008, 34–35).
Fahamarinana manan-danja iray azontsika ianarana avy amin’ny Jaona 17:20–23 ny hoe rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika ka mandray ireo fitahiana avy amin’ny sorompanavotany dia afaka ny ho lasa iray miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka.
Raha miainga avy amin’ny zavatra fantatrao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nahoana ianao no maniry ny ho lasa iray ao amin’izy ireo?
Vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary tadiavo ilay fitahiana izay ho avy amin’ireo izay miezaka ny ho iray ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
“Tsy tokony ho izay zavatra mikasika ny Mpampianatra ihany no hokatsahintsika amim-pahazotoana mba ho fantatra, fa tokony hiezaka isika, rehefa asainy, ny ho iray ao Aminy (jereo ny Jaona 17:21), mba ‘hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo’ (Efe. 3:16). …
“Ijoroako ho vavolombelona fa miatrika fotoan-tsarotra isika. Tsy maintsy mankato amin’ny risi-po isika. Ny fijoroana ho vavolombelona zaraiko dia hoe hasaina hisedra ny tanjaka ara-panahintsika isika, satria ho feno fahoriana sy zava-tsarotra ireo andro ho avy. Saingy omena herim-po mampionona isika amin’ny alalan’ilay fampiononana manome toky avy amin’ny fifandraisana manokana amin’ Andriamanitra” (“That We Might Know Thee,” Ensign, jan. 1999, 2, 5).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no ho ataonao mba hahalala tsara kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy hanamafisana orina ny fifandraisanao amin’Izy ireo?
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Jaona 17 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: