Tahirim-pitaovana
Fizarana 29: Andro 3, 1 Petera 1–2


Fizarana 29: Andro 3

1 Petera 1–2

Fampidirana

I Petera Apôstôly dia nanoratra mba hanamafisana orina ny finoan’ireo Olomasina ianjadian’ny fanenjehana mafy nataon’ny Fanjakana Romana izy ireo. Nanantitrantitra izy fa efa navotana tamin’ny alalan’ny ra sarobidin’i Jesoa Kristy izy ireo ary nampahatsiahy azy ireo ny lova sarobidin’izy ireo avy amin’ Andriamanitra amin’ny maha vahoaka voafidin’ Andriamanitra azy ireo izy. Nampianatra ny Olomasina izy mba hidera an’ Andriamanitra eo anatrehin’ny olona sy hiaritra fijaliana tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy.

1 Petera 1

Nampianatra ireo Olomasina mikasika ny lova mety ho azon’izy ireo sy ny antony ilàna ny fisedrana i Petera

Loholona M. Russell Ballard

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Rehefa mandeha manerana ny Fiangonana aho dia mahita mpikambana miaritra fitsapana ao anatin’ny memin’ny fahorian’izy ireo” (“Hyrum Smith: ‘Firm As the Pillars of Heaven,’” Ensign, nôv. 1995, 9).

memy mandraraka vy narendrika

Ny memy dia fatana fandrendrehana metaly na akora hafa, izany hoe hafanaina sy empoina izany mba hanalana ny lotony sy hanamafisana ny zavatra vita aminy farany. Araka izay nampiasain’ny Loholona Ballard, “ny memin’ny fahoriana” dia mety ilazana ireo fitsapana manahirana eo amin’ny fiainana. Inona avy ireo fitsapana, na “memin’ny fahoriana” izay niainanao?

I Petera Apôstôly dia nanoratra ity epistily ity mba hampatanjahana sy hampaherezana ny olomasina rehefa mandalo fitsapana izy ireo. Hatramin’ny teo ho eo amin’ny taona 64 taorian’i J.K., ny fotoana izay nanoratan’i Paoly ity epistily ity, dia naneho fandeferana tamin’ny ankapobeny tamin’ireo Kristianina ny fitondram-panjakana Romana. Ny volana jolay tamin’io taona io dia noravan’ny afo iray ny ampahany maro tamin’i Roma. Nisy olona ambony Romana sasantsasany nanendrikendrika ny Kristiana ho nandrehitra ilay afo. Izany dia nitarika fanenjehana mafy ny Kristianina manerana ny fanjakana Romana. Ny sasany tamin’ireo fampijaliana niainan’ny Kristianina dia avy tamin’ireo namany sy mpiara-belona taminy teo aloha.

Eo am-pandalinanao ny 1 Petera 1–2, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hijanona ho mahatoky mandritra ny fitsapana anao.

Ao amin’ny 1 Petera 1:1–2, i Petera dia niarahaba ny Olomasina tao amin’ireo faritany Romana tao Asie Mineur (Turquie amin’izao fotoana izao) ary nampahatsiahy azy ireo fa vahoaka voafidy izy ireo.

Vakio ny 1 Petera 1:3–5, mba hitadiavana ireo fitahiana amin’ny ho avy izay nampanantenaina an’ireo Olomasina. Asio marika ny zavatra hitanao.

Ny teny hoe famonjena sy fisandratana ao amin’ny soratra masina dia matetika no ampiasaina mba hilazana zavatra iray. Ao amin’ny 1 Petera 1:5, i Petera dia niresaka ny fisandratana, na ny fiainana mandrakizay, izany hoe miaina eo anatrehan’ Andriamanitra sy manohy miaina amin’ny maha-fianakaviana (jereo ny F&F 132:19–20).

Vakio ny 1 Petera 1:6, mba hitadiavana ny fihetsika nasetrin’ny Olomasina ny fampanantenana an’ireo fitahiana ho avy ireo. Marihina fa ny teny hoe fakam-panahy dia ilazana ireo fitsapana sy fahoriana .

Afaka mianatra ity fahamarinana manaraka nalaina tao amin’ny 1 Petera 1:3–6 ity isika: Na dia mandalo fitsapana aza isika dia afaka mifaly ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ireo fitahiana ho avy izay nampanantenain’ Andriamanitra fa homeny antsika.

Nampianatra i Petera fa na dia eo aza ireo zava-tsarotra lalovantsika dia afaka mifaly isika satria hahazo fitahiana lehibe amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika. Afaka manampy anao hifaly amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ny Sorompanavotan’i Kristy na dia mandalo fitsapana aza ianao?

Vakio ny 1 Petera 1:7–9, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Petera mikasika ny fizahan-toetra ny finoan’ireo Olomasina. Asio marika ny zavatra nampitahany ny fizahan-toetra ny finoan’ireo Olomasina.

Ny finoana dia sarobidy tahaka ny volamena. Na izany aza anefa dia sarobidy kokoa noho ny volamena ny finoana satria “mety ho simba” (1 Petera 1:7) ny volamena raha toa kosa ny finoana an’i Jesoa Kristy ka mitondra ho amin’ny famonjena (jereo ny 1 Petera 1:9), izay mandrakizay. Ankoatra izay, ny volamena dia arendrika amin’ny hafanana tena mahamay, ary mitovy amin’izany, ny finoantsika indraindray dia tsapaina amin’ireo olana, fanontaniana ary ahiahy. Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny teny nolazain’i Petera tamin’ireo Olomasina ny hoe tsapaina sy hatsaraina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy rehefa miaritra amim-pahatokiana ireo fitsapana isika.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fitsapana hatrehanao na ireo namanao amin’izao fotoana izao?

    2. Mitsapa ny finoanao na ny finoan’izy ireo amin’ny fomba ahoana ireo fitsapana ireo?

Vakio ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity dia asio marika ny zavatra asainy ataontsika rehefa miaina ny fizahan-toetra ny finoantsika isika:

Loholona Neil L. Andersen

“Ahoana no ahafahanareo ‘[m]iorina mafy … sady tsy [m]iova’ [Almà 1:25] rehefa mandalo fizahan-toetra ny finoana ianareo? Miroboka ao anatin’ireo zavatra izay tena nanampy anareo hanorina ny fototry ny finoanareo [eo anatrehan’ny fitsapana] ianareo: mampihatra finoana an’i Kristy, mivavaka, mandalina ny soratra masina, mibebaka, mitandrina ny didy, ary manompo ny hafa.

“Rehefa miatrika ny fizahan-toetra ny finoana ianareo–na inona na inona ataonareo, dia tsy hanalavitra ny Fiangonana ianareo! Ny fihatahanareo amin’ny fanjakan’ Andriamanitra mandritra ny fizahan-toetra ny finoana dia toy ny mandao ilay toerana azo antoka misy tafo mahatanty rivo-doza rehefa injay iny tazana iny ilay rivodoza fa manatona” (“Fitsapana ny finoanao,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 40).

Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny hanaovana ireo zavatra asain’ny Loholona Anderson ataontsika rehefa tsapaina ny finoantsika?

Vakio ny 1 Petera 1:13–17, mba hitadiavana ny zavatra nasain’i Petera nataon’ny Olomasina mba hiaretana amim-pahatokiana ny fitsapana lalovan’izy ireo. Asio marika ny zavatra hitanao. Ny andian-teny hoe “sikino ny sainareo” ao amin’ny andininy 13 dia midika hoe manomana ny tenanao.

Vakio ny 1 Petera 1:18–21, mba hitadiavana ireo fahamarinana nampianarin’i Petera an’ireo Olomasina mba hiaretana amim-pahatokiana ny fitsapana lalovan’izy ireo toy izay hiala amin’ny finoan’izy ireo.

Ireto manaraka ireto dia fahamarinana vitsivitsy nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina ireo ao amin’ireo andininy ireo: Avotana amin’ny ra sarobidin’i Jesoa Kristy isika. Noho i Jesoa Kristy niaina fiainana tsy nisy fahotana dia afaka nanolotra ny tenany ho toy ny sorona tonga lafatra ho antsika Izy. Efa voatendry mialoha mba ho Mpanavotra antsika i Jesoa Kristy.

Ny mpaminany Joseph Smith dia nampianatra hoe: “Tany amin’ny fandrindrana voalohany tany an-danitra dia nanatrika teo avokoa isika rehetra ary nahita ny Mpamonjy nofidiana sy notendrena ary ny nanaovana ny drafitry ny famonjena ka nanaiky izany isika” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007],209).

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana ireo manampy ny Olomasina hiaritra amim-pahatokiana ny fitsapana lalovany?

  1. journal iconMieritrereta fotoana iray izay nisafidiananao na ny olona iray fantatrao hiatrika fitsapana tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy toy izay hiala tamin’ny finoana Azy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra ny zavatra niainana iray sy ny fomba nanamafisana orina ny finoanao ny Mpamonjy na ny an’izany olona izany tao anatin’ilay dingana.

Ao amin’ny 1 Petera 1:22–25, i Petera dia mamporisika ny Olomasina hifankatia sy hahatsiaro fa nateraka indray tamin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra izay maharitra mandrakizay izy ireo.

1 Petera 2:1–12

Nanantitrantitra ny andraikitry ny Olomasina i Petera

Ahoana avy no tsy hitovizan’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ireo izay manaraka ny fomban’izao tontolo izao? Inona avy ireo olana sasany izay mety hatrehintsika noho ny maha-hafa antsika?

Rehefa mandalina ny 1 Petera 2:1–12, ianao dia tadiavo ny fitsipika izay afaka mampatanjaka ny fanirianao hiavaka amin’izao tontolo izao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Petera 2:1–8, i Petera dia nampianatra fa ireo Olomasina mahatoky dia tahaka ny vato velona miorina eo ambonin’ny vato fehizoron’i Jesoa Kristy ary ireo izay tsy mankatò dia tafintohina noho Izy satria tsy mahazaka ny tsy fankatoavan’izy ireo Izy.

Vakio ny 1 Petera 2:9–10, mba hitadiavana ny fomba namaritan’i Petera ireo Olomasina mahatoky. Asio marika ireo andian-teny manaitra anao indrindra.

Iza amin’ireo anarana nomen’i Petera ireo Olomasina no tianao indrindra?

Niantso ny Olomasina hoe “taranaka voafidy” i Petera (1 Petera 2:9), ary eto amin’ity sahan-kevitra ity, ny hoe voafidy dia midika hoe harena sarobidy na voafidin’ Andriamanitra.

Mety ho nanampy azy ireo hanana risi-po tamin’ny fomba ahoana ireo teny nampiasain’i Petera hamaritana ireo Olomasina tao amin’ny 1 Petera 2:9–10 rehefa niharan’ny fanenjehana ara-pivavahana izy ireo?

Vakio ny 1 Petera 2:11–12, mba hitadiavana ny zavatra nasain’i Petera nataon’ireo Olomasina amin’ny maha-vahoaka voafidy na tena tian’ny Tompo azy ireo. Marihina fa mety niantso ny Olomasina hoe “vahiny” sy “mpivahiny” i Petera na noho izy ireo niaina teo anivon’ireo olona izay nanana kolontsaina sy fivavahana hafa noho ny an’ny Olomasina na noho izy ireo lavitra ny fonenany any an-danitra ka miaina mandritra ny fotoana voafetra eto an-tany.

Nilaza tamin’ny Olomasina i Petera fa afaka ny ho ohatra ho an’ireo olona manodidina azy izy ireo ary manampy ny hafa hankalaza an’ Andriamanitra (jereo ny 1 Petera 2:12). Ianarantsika avy amin’ny 1 Petera 2:11–12 fa Miantso ny Olomasiny Andriamanitra mba hisaraka na hiavaka amin’izao tontolo izao mba hahafahan’ny hafa mahita ny ohatra asehon’izy ireo ka hankalaza Azy. Soraty ao anatin’ny soratra masinao io fitsipika io.

Elaine S. Dalton

Ny Rahavavy Elaine S. Dalton dia nilaza izao fony izy filohan’ny Zatovovavy maneran-tany: “Raha maniry hanova an’izao tontolo izao ianareo dia tsy maintsy miavaka eo anatrehan’izao tontolo izao” (“Izao no fotoana tokony hitsanganana sy hamirapiratana!” Ensign na Liahona, mey 2012, 124).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Toy ny ahoana avy ireo fomba nangatahana mba hisarahan’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany sy hiavahany amin’izao tontolo izao?

    2. Nahakasika ny hafa mba hanao ny tsara na nitarika azy ireo hanatona an’ Andriamanitra tamin’ny fomba ahoana ny safidy nataonao mba hisaraka sy hiavaka amin’izao tontolo izao?

    3. Inona no azonao atao amin’ny fomba tsara kokoa mba hisarahana sy hiavahana amin’izao tontolo izao mba hahafahanao ho tonga ohatra? (Manorata tanjona iray momba ny zavatra nomaninao atao mba ho ohatra ho an’ny hafa.)

1 Petera 2:13–25

Nanoro hevitra ny Olomasina i Petera mba hiaritra fijaliana tahaka ny nataon’ny Mpamonjy

Ao amin’ny 1 Petera 2:13–18, i Petera dia nampianatra ny Olomasina mba hanoa ireo lalàna sy ireo manam-pahefana ara-panjakana izay mitondra azy ireo (ao anatin’izany ny amperora Romana izay namporisika ny hampiharana fanenjehana mavaivay tamin’izy ireo). Namporisika ireo izay niaritra fahoriana amin’ny maha-mpanompo izy mba hizaka ny fijalian’izy ireo amim-paharetana sy hahatsiaro fa mahita azy ireo Andriamanitra.

Vakio ny 1 Petera 2:19–20, mba hitadiavana ny torohevitra nomen’i Petera ny Olomasina mikasika ny fomba tokony hiaretan’izy ireo fijaliana.

Namporisika ny Olomasina hiaritra ny fijaliany amim-paharetana i Petera. Vakio ny 1 Petera 2:21–25, mba hitadiavana ny famaritan’i Petera ny fihetsika nasetrin’i Jesoa Kristy ny fanenjehana. Asio marika ny zavatra hitanao.

Araka ny voalazan’ny 1 Petera 2:21, dia inona ny zavatra azon’ny fahorian’ny Mpamonjy omena antsika?

Afaka mianatra ity fahamarinana manaraka ity avy amin’ny fampianaran’i Petera mikasika ny fiaretana fitsapana isika: Afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fiaretana amim-paharetana ny fitsapana.

Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanarahana amin’ny fomba tsara kokoa ny ohatra nasehon’i Jesoa tamin’ny fiaretana fitsapana tamim-paharetana.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 1 Petera 1–2 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: