Tahirim-pitaovana
Fizarana 22, Andro 2: 1 Korintiana 9–10


Fizarana 22: Andro 2

1 Korintiana 9–10

Fampidirana

Niresaka ny ahiahin’ireo Olomasina Korintiana momba ny fampiasana ny fitaovana sy fananan’ny Fiangonana hamatsiana izay ilainy i Paoly. Nanazava izy fa ny tanjon’ny fitoriana nataony dia ny hitondra ny famonjena ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Nitaona azy ireo izy mba hiala amin’ny fahotana sy amin’ny fanaovana izay manafintohina ny hafa amin’ny finoany ara-pivavahana.

1 Korintiana 9

Nitory ny filazantsara i Paoly mba hahatonga azy sy ireo mpihaino azy ho azo vonjena

Moa ve ianao efa sahirana tamin’ny fifohazana maraina hany ka tsy nahatratra zavatra iray manan-danja vokatr’izany? Ahoana ny fahatsapanao rehefa hitanao fa tsy nahatratra na tsy nahavita zavatra manan-danja ianao noho ny tsy fahavitanao niomana?

Ny zavatra manan-danja indrindra eto amin’ity fiainana ity izay tokony hiezahantsika tanterahina dia ny fahafahana ny ho mendrika ny fiainana mandrakizay.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hanirianao ny hahazo ny fiainana mandrakizay.

Tahaka ny mety tsy hahatratrarantsika na tsy hahavitantsika zavatra manan-danja noho ny tsy fifohazantsika maraina, dia toy izany koa ny fitondran-tena sasany izay mety hahatonga antsika tsy hahazo ny zavatra manan-danja indrindra—dia ny fiainana mandrakizay. Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 9 ianao, dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao hahafantatra ny fomba hahazoana antoka fa ho azonao ny fiainana mandrakizay.

Ao amin’ny 1 Korintiana 9:1–21 i Paoly dia namaly fanontaniana isan-karazany izay napetrak’ireo Olomasina Korintiana. Nanoratra izy fa na dia ho voamarina tanteraka aza izy noho ny fiantohan’ny mpikamban’ny Fiangonana azy amin’ny zavatra ilainy ara-batana, dia tsy niankin-doha tamin’izy ireo izy ho amin’ny fandaniaina ataony amin’ny fiainany. Nanazava izy fa rehefa nanao izay hampifanarahana ny tenany amin’ny toe-javatra misy kanefa tsy miala amin’ny fenitry ny filazantsara, dia afaka nanampy Jiosy sy Jentilisa ary izay olona rehetra narefo tamin’ny filazantsara mba haneken’izy ireo ny filazantsara.

Vakio ny 1 Korintiana 9:17 dia tadiavo ny fomba nitorian’i Paoly ny filazantsara.

Vakio ny 1 Korintiana 9:22–23 dia tadiavo ny antony nitorian’i Paoly ny filazantsara an-tsitrapo.

Eritrereto ny fotoana iray izay nanazaranao tena na nanaovanao famerimberenana ho amin’ny trangan-javatra iray. Nanao ahoana ny faharetan’ny famerenana na fanazaran-tena nataonao? Fomba ahoana no nahazoanao faharisihana noho ny fiezahanao hahatratra tanjona iray?

Nanazava i Paoly fa ny mpanao fanatanjahantena dia afaka mandresy ny fakampanahy tsy hanao fanazarana rehefa mifantoka amin’ny tanjony. Vakio ny 1 Korintiana 9:24–25 dia tadiavo ny fifaninana ara-panatanjahantena nampiasain’i Paoly mba hampianarana ireo Olomasina Korintiana.

Inona no toetra na famariparitana izay lazain’i Paoly fa ilain’ny mpihazakazaka mba hahombiazana?

Ny hoe mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra dia midika hoe mifehy ny tenany na mahafehy tena. Ilay satro-boninahitra tsy mety ho lò noresahin’i Paoly izay haharitra mandrakizay dia ny fiainana mandrakizay.

Azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintiana 9:25 ity fitsipika manaraka ity: Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia mila mianatra mifehy tena isika amin’ny zavatra rehetra. Na izany aza, amin’ny farany dia amin’ny alalan’ny “fahamendrehana sy ny famindrampo ary ny fahasoavan’i” Jesoa Kristy ihany no ahazoana ny fiainana mandrakizay (2 Nefia 2:8) fa tsy amin’ny alalan’ny fifehezan-tenantsika.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrareo no ilaina ny fifehezan-tena mba ahafahana mahazo ny fiainana mandrakizay?

    2. Lafiny inona amin’ny fiainantsika no ilantsika rehetra ifehezana tena mba ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay?

Vakio ny 1 Korintiana 9:26–27 dia tadiavo ny fomba nanoritsortan’i Paoly ny ezaka nataony mba hifehezany ny tenany. Ny andian-teny hoe “asiana mafy” ao amin’ny andininy 27 dia midika hoe fehezina am-pahavitrihana.

Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina ao amin’ny andininy 27 rehefa nanoratra izy hoe: “asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako”?

Diniho ity teny nolazain’ny Filoha Brigham Young ity:

Filoha Brigham Young

“Tsy afaka mandova ny fiainana mandrakizay ianareo, raha tsy ataonareo eo ambany fifehezan’ny fanahy izay miaina ao anatinareo ny filanareo, ilay fanahy izay nomen’ny Raintsika any An-danitra. Ny tiako holazaina dia ilay Rain’ny fanahinareo, ireo fanahy izay nataony ao anatin’ireo fitoerana [vatana] ireo. Ireo vatana ireo dia tokony ho eo ambany fifehezan’ny fanahy tanteraka, raha tsy izany ny vatanareo dia tsy afaka ny hasandratra mba handova ny fiainana mandrakizay. … Mitadiava amim-pahazotoana, mandra-pitondranareo ny zavatra rehetra ho eo ambany fifehezan’ny lalàn’i Kristy” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 204).

“Raha mandefitra amin’ny vatana ny fanahy, dia ho lasa simba izy [ny fanahy]; fa raha ny vatana no mandefitra amin’ny fanahy dia ho lasa madio sy masina izy [ny vatana]” (Teachings: Brigham Young, 205).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo zavatra vitsivitsy azonao atao mba hanampiana ny vatanao handefitra amin’ny fanahinao?

1 Korintiana 10

Nampitandrina ireo Olomasina Korintiana i Paoly mba hiala amin’ny fahotana sy ny fanaovana izay manafintohina ny hafa

Filoha James E. Faust

Nampitandrina ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny iray amin’ireo finoanoam-poana eo amin’ny fiainana dia rehefa mieritreritra ny [olona] hoe tsy azo resena izy ireo. Maro loatra ny olona no mieritreritra fa [vita] amin’ny vỳ izy, ampy tanjaka hanoherana ny fakam-panahy rehetra. Mamitaka ny tenany izy mieritreritra hoe: ‘Tsy afaka ny hitranga amiko izany’” (“It Can’t Happen to Me,” Ensign, mey 2002, 46).

Mieritrereta toe-javatra izay mety hamelan’ny olona ny tenany ho alaim-panahy kanefa mieritreritra azy ho ampy hery hanoherana izany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 10:1–5, i Paoly dia niresaka momba ny zavatra sasantsasany niainan’ny zanak’Isiraely tamin’ny andron’i Mosesy izay tokony ho nampahatanjaka azy ireo ara-panahy. Na dia notahian’ny Tompo aza izy ireo tany an’efitra sady nahita fahagagana maro, dia tsy faly tamin’ny maro tamin’izy ireo ny Tompo ka voasazy izy ireo.

Vakio ny 1 Korintiana 10:6–11 dia tadiavo hoe inona no tian’i Paoly hianaran’ireo Olomasina Korintiana avy amin’ny ohatry ny Isiraelita taloha.

Na dia nahazo fitahiana mahatalanjona aza ireo Isiraelita taloha, dia nisafidy ny ho resin’ny fakam-panahy izy ireo. Tian’i Paoly hampitandremana ireo Olomasina Korintiana mba tsy hamerenan’izy ireo ny fahotana efa nataon’ny Isiraelita taloha.

Vakio ny 1 Korintiana 10:12, ka fintino amin’ny teninao manokana ny hafatr’i Paoly.

Vakio ny 1 Korintiana 10:13 dia tadiavo hoe inona no nampianarin’i Paoly momba ny fakam-panahy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Inona no azontsika ianarana momba ny fakam-panahy avy amin’io andalana io?

Eritrereto ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ireo Isiraelita taloha no resin’ny fakam-panahy raha toa Andriamanitra tsy hamela antsika ho alaina fanahy mihoatra noho izay azontsika zakaina?

Vakio ny 1 Korintiana 10:14 dia tadiavo hoe nampianarin’i Paoly haninona ny Olomasina Korintiana. Ny fanompoan-tsampy dia fahotana izay samy nanahirana ny Isiraelita taloha sy ny Olomasina Korintiana.

Azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintiana 10:13–14 fa Andriamanitra dia hanome antsika ny fomba hialantsika amin’ny fakam-panahy, saingy mila misafidy ny hanalavitra ilay fakam-panahy isika.

Vakio ny Alma 13:28 dia tadiavo hoe inona no azontsika atao mba hanalavirana ny fakam-panahy. Azonao atao ny manoratra io andinin-tsoratra masina mifandray io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 1 Korintiana 10:13–14.

  1. journal iconValio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto manaraka ireto:

    1. Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny 1 Korintiana 10:13–14 sy Almà 13:28, manorata matoan-dahatsoratry ny gazety iray na lohateny mirenty amin’ny takelaka lehibe izay milaza amin’ny olona ny fomba ahafahan’izy ireo miala amin’ny fakam-panahy.

    2. Afaka manampy antsika hanalavitra ny fahotana amin’ny fomba ahoana ny fanetrentena sy ny fiambenana ary ny fivavahana lalandava?

Mety tsy ho afaka ny hiala amin’ny fakam-panahy hatrany ianao. Noho izany, dia mila manapa-kevitra isika ankehitriny hoe ahoana no fihetsitsika rehefa tojo fakam-panahy isika. Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Filoha Spencer W. Kimball

“Mora kokoa ny mandray ny fanapahan-kevitra tsara rehefa atao mialoha izany, sady mitahiry an-tsaina ny tanjona tiana hahatongavana [mandritra ny fotoana hanapahana hevitra], rehefa reraka sy alaim-panahy fatratra isika. …

“… Ny fotoana hanapahana hevitra fa tsy hamela zavatra hafa hanakana ny fahafahana hiaina mandrakizay hiaraka amin’ ny Raintsika any an-danitra dia amin’ izao fotoana izao, amin’izay ny safidy rehetra hataontsika dia hifanaraka amin’ny fahavononantsika tsy hamela na inona na inona hanembantsembana ny fahatratrarana izany tanjona farany izany” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball, [2006], 108–9).

“Ampitomboy ny fifehezanao ny tenanao, amin’izay ianao tsy ho voatery hanapaka hevitra sy hiverina hanapaka hevitra hoe inona no hataonao rehefa miverimberina ny fakam-panahy iray. Mila maka fanapahan-kevitra iray ianao indray mandeha!

“Tena fitahiana lehibe ny hoe afaka amin’ny fahasahiranan-tsaina miverimberina noho ny fakam-panahy iray. Mandany andro sy mampidi-doza ny manao izany” (Teachings: Spencer W. Kimball 109).

“Ny fotoana hialana amin’ny lalana ratsy dia mialoha ny fotoana hisehoan’izy ireny. Ao amin’ny fiarovana sy ny fisorohana no misy ny tsiambaratelon’ny fiainana tsara. Ireo izay milefitra amin’ny faharatsiana no matetika mametraka ny tenany amin’ny toerana mora hamelezana azy” (Teachings: Spencer W. Kimball 109).

Diniho hoe inona no fakam-panahy manahirana anao indrindra. Inona no azonao ovaina mba hialana amin’ny fakam-panahy mialohan’ ny hiatrehanao azy?

Makà fotoana hamakina lohahevitra iray ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts izay afaka manampy anao hahafantatra ny fomba hanalavirana ny fakam-panahy. Miainga avy amin’ny zavatra izay novakinao, manorata tanjona iray ary ento manaraka anao izany elaela mba ho fampahatsiarovana anao hiala amin’ny fakam-panahy.

Ao amin’ny 1 Korintiana 10:15–33 i Paoly dia nanoro hevitra ny Olomasina Korintiana mba hanaja ny fomba fivavahan’ny hafa kanefa tsy mampandefitra ny azy, ary namerina nanoratra indray izy hoe mitory izy mba hanampiana ny maro ho voavonjy.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 1 Korintiana 9–10 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: