Fizarana 31: Andro 2
Apokalypsy 4–5
Fampidirana
I Jaona Apôstôly dia nahita olona maro nomem-boninahitra tao anatin’ny fahitana izay nidera ny Ray any An-danitra raha nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany Izy. Nahita boky iray ihany koa izy izay nofehezina tamin’ny tombo-kase fito ary ny Zanakondry, na i Jesoa Kristy, izay hany mendrika hanokatra ilay boky.
Apokalypsy 4
Nahita olona nomem-boninahitra nidera ny Ray any An-danitra i Jaona
Alaivo sary an-tsaina hoe ao amin’ny fanjakana selestialy ianao. Toy ny ahoana ny fahitanao ny fanjakana selestialy? Tahaka ny ahoana izany araka ny eritreritrao?
Araka ny voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 4–5, i Jaona Apôstôly dia nahita fahitana iray momba ny ampahan’ny fanjakana selestialy.
-
Vakio ny Apokalypsy 4:1–8. Ataovy sary tsotra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra izay hitan’i Jaona. Mariho fa ny hoe “voatsindrin’ny fanahy” (andininy 2) dia midika hoe ao amin’ny toetry ny fanambarana na mahita fahitana iray amin’ny alalan’ny Fanahy.
Nanoratra i Jaona tao amin’ny Apokalypsy 4:3 fa ny mijery ny Ray any An-danitra dia “toy ny jaspy sy karneola.” Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Raha niezaka hirakitra araka izay azon’ny sain’olombelona takarina ny halehibe, sy ny voninahitra, ary ny hatsaran’ilay Tsitoha amin’ny Tsitoha rehetra i Jaona dia nampitaha ny endriny tamin’ireo vato sarobidy sy vatosoa. Ny jaspy voalaza dia inoan’ireo mpandalina fa diamondra iray. …
“… Ahoana no ahafahan’ny mpaminany eto an-tany mahita fiteny mba hanazavana amin’ireo olona mety maty toa azy ny fahitana ny hatsarana kanto dia kanto sy mihoatra ny zava-drehetran’izany tontolo mandrakizay feno hery sy voninahitra selestialy izany? Izany dia miresaka momba ny avana sy ny firavaka, ny afo manodidina, ny vainafo amin’ny tselatra nivoaka mifandrambondrambona; izany dia milaza ny kotroka sy feo maro, ny feon’ny firohondrohon’ny rano maro, ary ny voninahitra fampisehoana ny faherezana sy ny hatsaran-tarehy–izany rehetra izany dia noezahana noraketina tamin’ny fitenin’ny olona mety maty izay afaka ho hita sy fantarina amin’ny herin’ny Fanahy ihany. (Ezek. 1 sy 10; Isa. 6.) Isaorana anefa ny Tompo fa nanao andrana toy izany izy ireo mba hahafahan’ireo izay tsy nahita sy nahare hahazo fahalalana kely momba ireo zavatra izay nafenina tao ambadiky ny varavaran’ny lanitra” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 3:464–66).
Ny fanambarana maoderina dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa momba ny zavatra izay hitan’i Jaona. Ohatra, ny Tompo dia nanome fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekampihavanana 77 rehefa avy nangataka Taminy mba handika ny sasany amin’ireo tandindona sy tranga voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 1–11 ny Mpaminany Joseph Smith.
-
Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao nampiarahina eto ity. Vakio ireo soratra masina mifandray tsirairay ary soraty ao amin’ilay tabilao ireo fampahalalana fanampiny izay hitanao momba ny zavatra hitan’i Jaona. (Rehefa vitanao izany dia hamarino amin’ny valiny nomena any amin’ny faran’ny lesona ireo valinteninao.)
|
Apokalypsy 4 | ||
|---|---|---|
|
Ny zavatra hitan’i Jaona |
Andinin-tsoratra masina mifandray |
Fanampim-pahalalana |
|
Seza fiandrianana (Apokalypsy 4:2–3) | ||
|
Loholona efatra amby roapolo miaraka amin’ny satro-boninahitra (Apokalypsy 4:4) | ||
|
Fanahy Fiton’ Andriamanitra (Apokalypsy 4:5) |
Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ity andininy ity dia manova ny teny hoe “Fanahy fito” ho “mpanompo fito” | |
|
Ranomasina fitaratra (Apokalypsy 4:6) | ||
|
Bibi-dia efatra (Apokalypsy 4:6-7) | ||
|
Ny maso sy elatr’ireo bibi-dia(Apokalypsy 4:8) | ||
Vakio ny Apokalypsy 4:8–11 dia tadiavo ny zavatra izay nolazain’ireo izay nivory nanodidina ny Ray any An-danitra sy ny zavatra nataon’izy ireo.
Inona no mety asehon’ireo loholona nanipy ny satro-boninahitr’izy ireo teo anoloan’ny seza fiandrianan’ny Ray any An-danitra?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny hoe raha manaiky ny halehiben’ny Ray any An-danitra isika, dia haniry hidera sy hitsaoka Azy.
Saintsaino ny zavatra izay afaka manampy antsika hanaiky ny halehiben’ny Ray any An-danitra.
Anio alina, alohan’ny hivavahanao, dia saintsaino ny drafitra lehiben’ny fahasambarana ary ny fomba nitahian’ny Ray any An-danitra anao. Rehefa mivavaka ianao dia tsarovy ny misaotra Azy manokana momba ireo zavatra rehetra izay nomeny anao.
Apokalypsy 5
Nahita boky izay nisy tombo-kase fito ary ny Zanakondry, izay hany mendrika hanokatra izany i Jaona.
Vakio ny Apokalypsy 5:1–4 dia tadiavo ireo zavatra hitan’i Jaona teo amin’ny tanan’ny Ray any An-danitra.
Mariho fa ilay boky, na horonan-taratasy, izay hitan’i Jaona dia nofehezina tamin’ny tombo-kase fito. Tamin’ny andro fahiny, ireo antontan-taratasy manan-danja dia nasiana tombo-kase tanimanga na savoka. Ny tompon’ilay antontan-taratasy sy ireo izay nahazo lalana avy amin’ny tompony ihany no afaka mamaky ny tombo-kase sy mamaky ny lahatsoratra.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7 dia tadiavo ny dikan’ ilay boky sy ireo tombo-kase.
Ilay vanim-potoan’ny 7,000 taona “fisian’ny tany ara-nofo” (F&F 77:6) dia manondro ny fotoana hatramin’ny Fahalavoan’i Adama sy Eva. Fa tsy entina hilazana kosa ny tena taona marin’ny tany izay ahitana ny vanim-potoan’ny fahariana izany. Ny tombo-kase tsirairay dia maneho vanim-potoan’ny 1,000 taona.
Araka ny Apokalypsy 5:2, inona ireo fepetra takina amin’ny olona iray mba hahafahany manokatra ilay boky?
Mariho fa nitomany i Jaona momba ny zavatra hitany fa tsy nisy na dia iray aza afaka nanokatra ilay boky. Mety nihevitra izy fa ny “sitrapon’ Andriamanitra, ny misteriny, ary … ny asany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6) mikasika ny famonjena ny zanany dia tsy ho ambara na hotanterahina. Inona no mety hitranga amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra raha toa ka ny drafiny ho an’ny famonjena azy ireo dia tsy afaka tanterahina?
Vakio ny Apokalypsy 5:5–7 dia tadiavo ny antony nilazana an’i Jaona mba tsy hitomany. Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 6:14 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina). Ao amin’ny soratra masina, ny tandroka matetika dia tandindon’ny hery na fahefana; ny maso matetika dia tandindon’ny fahazavana sy fahalalana; ary ny isa roambin’ny folo dia mety ho tandindon’ny fitondrana avy amin’ Andriamanitra sy vondrona, na fisoronana.
Ny fiantsoana hoe “Zanak’ondry” (Apokalypsy 5:6) dia manondro ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-sorona atao fanatitra Azy izay nomena mba hanao sorompanavotana ho an’ny zanak’ Andrimanitra (jereo ihany koa ny Isaia 53:7; 1 Koritianina 5:7; 1 Petera 1:18–19). Ilay andian-teny hoe “Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono” (Apokalypsy 5:6) dia milaza ny Zanak’ondry izay maneho ny marika fa avy novonoina izy. I Jaona Mpanao Batisa dia niantso ny Mpamonjy ho “Zanakondrin’ Andriamanitra” (Jaona 1:29, 36).
Vakio ny Apokalypsy 5:8–10 dia tadiavo ny fomba nideran’ireo olona izay nanodidina ny seza fiandrianan’ ny Ray any An-danitra ny Zanak’ondry.
Araka ny zavatra izay hita sy ren’i Jaona momba ny Zanak’ondry, dia mianatra isika fa i Jesoa Kristy irery ihany no hany mendrika sy afaka manavotra antsika.
Nahoana araka ny eritreritrao no i Jesoa Kristy irery ihany no hany mendrika sy afaka manavotra antsika?
Araka ny Apokalypsy 5:10, ireo izay navotan’i Jesoa Kristy dia lasa mpanjaka sy mpisorona, anisan’izany ireo vehivavy izay lasa mpanjaka vavy sy mpisorona vavy.
Vakio ny Apokalypsy 5:11–14 dia tadiavo ny fomba nahafahan’ny hafa nidera sy nihoby an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.
Ireo olona nomem-boninahitra sy ireo zava-manan’aina rehetra dia niaiky ny hatsaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary nahatsapa fankasitrahana noho ny anjara toeran’ ny Zanak’ondry ao amin’ ny drafitry ny Ray any An-danitra. Noho izany, dia nidera sy nihoby ny Ray sy ny Zanaka izy ireo. Toy izany koa, rehefa miaiky sy mahatsapa fankasitrahana ny amin’izay nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamintsika isika, dia haniry hidera sy hitsaoka Azy ireo.
Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fiderana: “Ny fiderana marina sy lavorary dia ny fanarahana ny dian’ilay Zanak’ Andriamanitra; izany dia ny fitandremana ny didy sy ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray araka izay ilaina mba hahafahantsika mandroso amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana mandra-pahatonga antsika hasandratra ao amin’i Kristy tahaka Azy ao amin’ny Ray. Mihoatra lavitra noho ny vavaka sy ny lahateny ary ny hira izany. Miaina sy manao ary mankatò izany. Fakana tahaka ny fiainan’ilay Ohatra lehibe izany” (“How to Worship,” Ensign, des. 1971, 129, 130).
-
Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto manaraka ireto:
-
Ataovy lisitra ireo antony sasany ahatsapanao fankasitrahana sy fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Ahoana ireo zavatra notanisainao ireo no nisy fiantraikany teo amin’ny fanirianao hidera sy hihoby ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Eritrereto ity fanontaniana manaraka ity: Inona ihany koa ny zavatra mbola azonao atao mba hiderana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Manaova drafitra ary mandraisa andraikitra araka ireo bitsika azonao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Apokalypsy 4–5 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: