Tahirim-pitaovana
Fizarana 11, Andro 4: Lioka 17


Fizarana 11: Andro 4

Lioka 17

Fampidirana

Nampianatra ny mpianany mikasika ny ilàna mamela ny hafa i Jesoa. Taorian’izay dia nangataka tamin’i Jesoa ireo Apôstôly ny mba hampitomboany ny finoan’izy ireo. Ho valin’izany dia nampianarin’ny Mpamonjy azy ireo ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy mahasoa. Taty aoriana kely, dia nanasitrana ireo boka 10 i Jesoa, saingy iray monja no mba niverina ka nisaotra Azy. Niatrika ireo Fariseo ny Mpamonjy ary nampianatra mikasika ny fiavian’ny fanjakan’ Andriamanitra Izy.

Lioka 17:1–10

Nangataka an’i Jesoa ireo Apôstôly mba hampitomboana ny finoan’izy ireo

  1. sary famantarana ny diaryEritrereto ireo toe-javatra izay mety mitaky ny hampiharanao finoana, toy ny fikatsahana tsodranon’ny fisoronana, na fandoavana ny fahafolonkarena, na fanaovana lahateny na lesona iray any am-piangonana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lisitra nataonao. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto: Moa efa naniry ny hanana finoana lehibe kokoa ve ianao? Raha eny dia inona ireo traikefa nanananao na efa natrehanao ka nanampy anao hanana izany faniriana izany?

Eo am-pandalinanao ny Lioka 17 dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka hanampy anao hampitombo ny finoanao.

Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 17:1–2 fa ny irayolona izay maka fanahy ny hafa mba hanota dia ho tazonina ho tompon’andraikitra.

Vakio ny Lioka 17:3–4 mba hikarohana ny didy iray izay nomen’ny Mpamonjy ireo mpianany izay mety mitaky finoana. Asio marika ao anatin’ny soratra masinao io didy io.

Nahoana no mety ho sarotra ny mamela ny olona iray izay namerimberina nanao ny tsy mety taminao?

Vakio ny Lioka 17:5 mba hikarohana ny zavatra nirian’ireo Apôstôly avy amin’ny Mpamonjy rehefa avy nampianatra azy ireo mikasika ny famelan-keloka Izy.

Mety hanampy azy ireo hankatò ilay didy hamela ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fikatsahana finoana lehibe kokoa ao amin’ny Tompo?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Lioka 17:6, dia namaly ny fangatahan’ireo Apôstôly finoana bebe kokoa ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa na dia finoana kely toa ny voantsinapy aza dia afaka manao fahagagana maro. Mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny fombahampitomboana ny finoan’izy ireo, dia nizara fanoharana iray izay mamaritra ny fifandraisana teo amin’ny tompo sy ny mpanompo iray i Jesoa.

Vakio ny Lioka 17:7–10 mba hikarohana ny zavatra nandrasan’ilay tompo tamin’ny mpanompony. “ ”

Tamin’ny andron’ny baiboly dia nanome ny zavatra rehetra nilain’ny mpanompony teo amin’ny fiainana ny tompo ary ny mpanompo dia manatanteraka tamim-pahatokiana ireo andraikitra izay nandrasana taminy. Noho izany antony izany, dia tsy nilain’ny tompo ny nanome fisaorana manokana ny mpanompony na nahatsapa nanana trosa taminy noho ny fanatontosany ny andraikiny.

Eritrereto ireo fomba mampitovy ny Ray any An-danitra amin’ilay tompo ao anatin’ity fanoharana ity.

Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny Lioka 17:10 ny andian-teny hoe “rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo.”

  1. sary famantarana ny diarySoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao: Hitombo ny finoantsika rehefa miezaka ny hanao izay rehetra handidian’ny Ray any An-danitra antsika isika. Hanampy io fehezanteny io ianao afaka kelikely eo.

Asio marika ao amin’ny Lioka17:10 ny zavatra nolazain’i Jesoa fa tokony hotenenin’ireo mpanompo rehefa avy nanao izay nandidiana azy ireo.

Ny fanekena fa isika dia mpanompo tsy mahasoa dia midika fa isika dia manaiky fa na toy ny ahoana na ahoana ny fomba fanajantsika ny didy dia manana trosa amin’ Andriamanitra foana isika. Tena nalala-tanana Izy nNitahy antsika tamin-kalalahan-tanana tokoa Izy ka tsy afaka hanonitra izany Aminy na oviana na oviana isika—na dia mankato sy miaina amim-pahamarinana aza isika (jereo ny Mosià 2:20–26).

  1. sary famantarana ny diaryFenoy ilay fehezanteny ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hampitan’izany ity fitsipika manaraka ity: Hitombo ny finoantsika rehefa miezaka manao izay rehetra handidian’ny Ray any An-danitra isika ary rehefa mahatsiaro isika fa manana trosa Aminy foana. Avy eo dia valio ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no hampitomboan’ny fiezahana manao izay rehetra hanididian’ Andriamanitra antsika ny finoantsika?

Filoha Heber J. Grant

Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny andraikitsika amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra ny Filoha Heber J. Grant: “Tsy atahorana ny hahavery ny finoan’ny lehilahy na ny vehivavy rehetra ato anatin’ity Fiangonana ity raha manetry ny tenany sy mivavaka ary mankato ny andraikiny izy. Tsy mbola nisy olona fantatro hoe toy izany ka very finoana. Rehefa manao ny andraikitsika isika dia mitombo ny finoantsika mandra-pahatonga an’izany ho fahalalana tonga lafatra” (Enseignements des Presidents de l’Eglise: Heber J. Grant [2002], 28).

Saintsaino ny fotoana iray izay nitandremanao ny didy sy nanaovanao tamim-pankatoavana ireo andraikitrao amin’ Andriamanitra ary nahatsapanao fa nitombo ny finoanao vokatr’izany.

Lioka 17:11–19

Nanadio boka folo i Jesoa

IJesoa sy ireo boka

Fenoy miainga avy amin’ny zavatra fantatrao mikasika ny habokana ity fehezanteny manaraka ity: Nandritra ny fotoan’ny Baiboly dia tena sarotra ny manana ny aretin’ny habokana satria .

Ny habokana dia aretina izay afaka nitarika ny fahasimban’ny tarehy sy fahafatesana. Nosarahina tamin’ny sarababem-bahoaka ireo boka mba hiarovana ny fahasalaman’ny hafa, ary notakiana tamin’izy ireo ny hihiaka mafy hoe “Maloto e!” mba hampitandremana ny tsirairay izay manatona azy ireo (jereo ny Bible Dictionary, “Leper”).

Vakio ny Lioka 17:11–12 mba hitadiavana hoe iza no tojo an’i Jesoa raha nijanona tao amin’ny tanàna kely iray Izy raha fandeha nankany Jerosalema.

Raha toa ianao ka iray tamin’ireo boka ireo, dia inona no mety ho fahatsapana nanananao rehefa nahita an’i Jesoa ianao?

Vakio ny Lioka 17: 13–14 mba hikarohana ny zavatra nolazain’ireo boka tamin’ny Mpamonjy sy ny valinteniny tamin’izy ireo.

Ny lalàn’ i Mosesy dia nitaky ny tokony hanehoan’ireo boka ny tenany tamin’ny mpisorona taorian’ny fahasitranany mba ho ekena indray ny hiverenany eo anivon’ny fiaraha-monina (jereo ny Levitikosy 14). Asio marika ao amin’ny soratra masinao ny zava-nitranga rehefa naneho ny tenany tany amin’ny mpisorona ireo boka ireo.

Azontsika ianarana avy amin’ny Lioka 17:14 fa mandray ireo fitahiana avy any amin’ny Tompo isika rehefa manao izay natorony antsika.

Eritrereto hoe mety ho toy ny ahoana—ahoana no nanovan’izany ny fiainanao—izany hoe anisan’ireo boka izay voadio ianao. Inona araka ny eritreritrao no mety nataonao raha hitanao fa nodiovina tamin’ny habokana ianao?

Vakio ny Lioka 17:15–19 mba hikarohana ny nanehoan’ny iray tamin’ireo boka fihetsika hafa tamin’ny an’ireo hafa.

Fahamarinana iray azontsika hianarana avy amin’ilay boka izay niverina mba hisaotra ny hoe zava-dehibe ny maneho fankasitrahana noho ireo fitahiana raisintsika.

Nahoana no zava-dehibe ny maneho fisaorana an’Andriamanitra noho ireo fitahiana voaraintsika?

Inona no mampitovy antsika amin’ireo boka sivy indraindray?

Filoha Thomas S. Monson

Rehefa mamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity ianao dia asio marika ny zavatra nampianariny fa hitranga rehefa maneho fankasitrahana ny Raintsika any an-danitra isika: “Ry rahalahy sy anabavy, moa ve isika mahatsiaro maneho fisaorana noho ireo fitahiana izay noraisintsika? Ny fanehoana fisaorana vokatry ny fo dia tsy hoe manampy antsika fotsiny hamantatra ireo fitahiana fa koa mamaha ny varavaran’ny lanitra ary manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra” (“Ilay fanomezana masin’ny fankasitrahana,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 87).

Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny Lioka 17:19 ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa nitranga tamin’ilay boka izay naneho fisaorana.

Mety hanampy antsika ho sitrana amin’ny fomba ahoana ny fanehoana fisaorana ny Tompo noho ireo fitahiana azontsika?

  1. sary famantarana ny diaryRaketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fitahiana miavaka noraisinao avy amin’ny Ray any An-danitra izay hanananao fankasitrahana. Tanisao ireo zavatra azonao atao eo amin’ny fiainanao izay maneho ny fankasitrahanao noho ireo fitahiana.ireo.

Lioka 17:20–37

Nampianatra mikasika ny fahatongavan’ny fanjakan’ Andriamanitra i Jesoa

Nampianatra mikasika ny Fiaviany fanindroany i Jesoa ao amin’ny Lioka 17:20–37. Nandalina ny sasany amin’ny sahan-kevitr’ireo andalan-tsoratra masina ireo ianao rehefa nandalina ny Matio 24 sy Joseph Smith—Matio

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Lioka 17 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: