Fizarana 12: Andro 1
Lioka 18–21
Fampidirana
Rehefa nandeha farany nankany Jerosalema i Jesoa Kristy dia nampianatra ny filazantsarany Izy ary nanatanteraka fahagagana maro teo anivon’ireo vahoaka. Niditra tamim-pihobiana tao Jerosalema Izy, nanadio indray ny tempoly, ary nampianatra ireo olona tao.
Lioka 18–21
Nampianatra ny Mpamonjy raha mbola teny an-dalana nankany Jerosalema
Efa nianatra mikasika ireo zava-nitranga maro voarakitra ao amin’ny Lioka 18–21 ianao avy tamin’ny fandalinanao ny Matio sy ny Marka.
Rehefa nandeha farany tany Jerosalema i Jesoa Kristy, dia nampianatra fanoharana maro izy ary nanasitrana olona maro. Nanasa mpanapaka mpanankarena iray Izy mba hanome ny fananany rehetra ho an’ny mahantra ary hanaraka Azy. Nanasitrana lehilahy jamba Izy. Na dia teo aza ny fanesoana Azy dia niara-nihinana tamin’ny iray tamin’ireo lehiben’ny mpamory hetra tany Jeriko Izy. (Jereo koa ny Matio 19–20; Marka 10.)
Tonga tao Jerosalema i Jesoa ary, teo anivon’ireo hiaka fiderana, nitaingina boriky teo am-pidirana ny tanàna. Nandroaka indray ireo mpanakalo vola tao amin’ny tempoly Izy, sy nampianatra ny olona tao, ary namaly ireo fanontaniana avy amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna. Nidera ny mpitondratena iray Izy izay nandatsaka ny farantsakeliny roa tao amin’ny vata fandatsahan-drakitry ny tempoly. Nampianatra ny mpianany mikasika ny Fiaviany Fanindroany ihany koa Izy.
Ny ankabeazan’ireo tantara izay hohalalininao ao anatin’ity lesona ity dia tsy hita afa-tsy ato amin’ny Filazantsaran’i Lioka ihany. Mba hiomanana amin’ny fandalinana ny Lioka18–21, dia valio eo amin’ny toerana natokana ho amin’izany ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona ireo fihetsika mety maneho fa tena maniry amin-kitsimpo hanatona bebe kokoa ny Tompo ny olona iray? Inona ireo fitondran-tena mety haneho fa izy dia manam-paniriana marina ny ho voavela heloka na maniry ny fanampian’ny Tompo?
Vakio ny tsirairay amin’ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny tabilao ato amin’ity lesona ity, ary eritrereto ny valin’ireo fanontaniana. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
|
Fanoharana na Tantara |
Fanampiana momba ireo teny |
Mitana ny anjara toerana fototra |
Fotopampianarana na Fitsipika |
|---|---|---|---|
|
Lioka 18:1–8 |
Reraka: lasa kivy na trotraka Hamaly faty: hampihatra ny fahamarinana na mahazo rariny ho an’ny |
Mananotena | |
|
Lioka 18:9–14 |
Nohamarinina: nekena na nodiovina |
Mpamory hetra | |
|
Lioka 18:35–43 |
Lehilahy jamba | ||
|
Lioka 19:1–10 |
Habetsahan’ny olona: ilay valalabemandry na vahoaka sesehena Fanambakana: ireo fombafomba tsy ara-drariny |
Zakaiosy | |
|
Fanontaniana hodinihina
| |||
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no fitoviana tsikaritrao teo amin’ny zavatra nataon’ny tsirairay tamin’ireo olona mitana ny anjara toerana fototra?
-
Inona no fitoviana tsikaritrao teo amin’ny zavatra noraisin’ny olona mitana ny anjara toerana fototra tsirairay vokatry ny zavatra nataony?
-
Ny fitsipika iray ampianarin’ireo tantara ireo dia hoe afaka mahazo ny famindram-pon’ny Tompo isika raha toa ka maneho amin-kitsimpo sy amim-pahazotoana ny finoantsika Azy.
Vakio ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mba hitadiavana ny zavatra maneho fa ny olona iray dia mampihatra ny finoany ny Tompo: “Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba azy ary mitarika foana amin’ny asa marina” (“Mangataha amim-pinoana,” Ensign na Liahona mey 2008, 95).
Azonao atao ny manoratra io teny nambara io eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba ahafahanao mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Inona avy ireo fitahiana azo amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy isan’andro?
Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Bednar ity mba hikarohana ny zavatra nolazainy mikasika ny dikan’ny hoe mahazo ny famindram-pon’ny Tompo:
“Amin’ny alalan’ny fandalinana manokana, fandinihina, fisaintsainana, ary vavaka, dia mino aho fa lasa takatro bebe kokoa fa ny halehiben’ny famindrampon’ny Tompo dia ireo fitahiana, hery, fiarovana, antoka, fitarihana, hatsaram-panahy ombam-pitiavana, fampiononana, fanohanana ary fanomezam-pahasoavan’ny fanahyizay tena natao ho an’ny tena manokana sy ho an’ny tsirairay izay azontsika avy amin’i Jesoa Kristy Tompo sy noho Izy ary amin’ny alalany. Ary marina tokoa, fa ny Tompo dia mampifanaraka ‘ny famindram-pony araka ny toe-piainan’ny zanak’olombelona’ (F&F 46:15).
“… Mamelà ahy handroso hevitra fa ny fomba iray izay hahatongavan’ny Tompo amintsika tsirairay avy dia amin’ny alalan’ny famindram-pony lehibe . Ohatra, rehefa miatrika fanamby sy sedra izaho sy ianao eo amin’ny fiainantsika dia ilay fanomezam-pahasoavan’ny finoana sy ny fahatokisantena manokana izay mihoatra lavitra ny fahafaha-manaontsika manokana no ohatra roa amin’ny famindram-po lehiben’ny Tompo. Ohatry ny famindram-po lehiben’ny Tompo ny fibebahana sy ny famelan-keloka ary ny filaminan’ny feon’ny fieritreretana. Ary ny fikirizana sy ny herim-po izay mamela antsika handroso miaraka amin’ny fahazotoana na dia eo aza ny tsy fahafahana ara-batana sy ny olana ara-panahy dia ohatry ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo” (“The Tender Mercies of the Lord,” Ensign na Liahona, mey 2005, 99–100).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Tamin’ny fomba ahoana no nampiharanao na ny olona iray fantatrao finoana an’i Jesoa Kristy? Inona ireo famindram-po voarainao na ny olona iray fantatrao avy amin’ny zavatra niainanao?
-
Eritrereto ny fomba hanirinao ny fanampiana na ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao. Inona no hataonao hampiharana ny finoanao ny Tompo mba handraisanao ny famindram-pony?
-
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Lioka 18–21 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: