Tahirim-pitaovana
Fizarana 30, Andro 1: 2 Petera


Fizarana 30: Andro 1

2 Petera

Fampidirana

I Petera Apôstôly dia namporisika ireo Olomasina hampitombo ny fahalalan’izy ireo an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hitovy Aminy. Nampitandrina ihany koa i Petera fa ireo mpaminany sy mpampianatra sandoka dia mitarika ny olona hania. Naminany izy fa amin’ny andro farany, ny ratsy fanahy dia hihomehy an’ireo olo-marina noho izy ireo mino fa hiverina i Jesoa Kristy. Namporisika ny Olomasina hiomana amim-pahazotoana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany i Petera.

2 Petera 1:1–11

Mampianatra ny fomba hahafahantsika ho mpiray amin’ny toetran’i Jesoa Kristy araka an’ Andriamanitra i Petera

Eritrereto ireo toetra ananan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray ka ankafizinao. Mino ve ianao fa afaka mampitombo ireo toetra tsara ireo ianao? Raha zatovovavy ianao dia eritrereto ny teny filamatry ny Zatovovavy izay milaza izao ampahany izao hoe: “Zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra isika, izay tia antsika ary isika koa dia tia Azy.” Eritrereto ireo hasina hita ao amin’io teny filamatra io, indrindra fa ny toetra araka an’ Andriamanitra.

Na zatovovavy ianao na zatovolahy dia midika inona aminao ny “toetra araka an’ Andriamanitra”?

I Petera Apôstôly dia nanoratra ity epistily ity ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay lasa nanana finoana an’i Jesoa Kristy. Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Petera 1:1–4, dia nampianatra azy ireo izy fa afaka ny ho “mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra” (andininy 4) izy ireo. Ilay andian-teny hoe “fomban’ Andriamanitra” dia entina ilazana ireo toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vakio ny 2 Petera 1:5–7, mba hitadiavana ireo toetra vitsivitsy an’ny Ray sy ny toetra araka an’ Andriamanitra an’ny Zanaka. Ataovy lisitra ao anatin’ilay tabilao etsy ambany ireo toetra hitanao ao anatin’ilay ampahan-tsoratra masina. Aorian’izay dia refeso eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 ny fahatsapanao ny fahazotoanao miezaka manana ireo toetra araka an’ Andriamanitra ireo eo amin’ny fiainanao (1 = Tsy miezaka manana; 10 = Miezaka amim-pahazotoana ny hanana). Ny toetra araka an’ Andriamanitra voalohany dia efa voasoratra ao. Ny teny hoe fahononam-po ao amin’ny andininy 6 dia midika hoe fifehezan-tena.

Toetra araka an’ Andriamanitra

Finoana

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

Vakio ny 2 Petera 1:8–11, mba hitadiavana ny fitahiana izay afaka ny ho tonga amin’ireo izay mazoto amin’ny fikolokoloana ao anaty ireo toetra masin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ilay andian-teny hoe “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo” ao amin’ny andininy 10 dia midika fa mahazo antoka na fampanantenana avy amin’ Andriamanitra ianao dieny mbola eto an-tany fa nahazo ny fiainana mandrakizay ianao. Izany dia antsoin’i Petera hoe “teny faminaniana atao mafy orina kokoa” (2 Petera 1:19).

Mpaminany Joseph Smith

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny fiantsoana sy ny fifidianana ny olona iray dia mitoetra rehefa voaporofo fa nahatoky tamin’ny Tompo ilay olona: “Rehefa avy manana finoana an’i Kristy ny olona iray ka mibebaka amin’ny fahotany sy atao batisa ho famelana ny fahotany ary mandray ny Fanahy Masina (amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana), dia ilay Mpampionona voalohany, dia tokony hanohy hanetry ny tenany eo anatrehan’ Andriamanitra izy avy eo ka ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana sy hiaina ny teny rehetra naloaky ny vavan’ Andriamanitra, ary tsy ho ela dia hilaza aminy ny Tompo hoe: Ry zanako, hasandratra ianao. Rehefa avy nitsapa azy tanteraka ny Tompo ka nahita fa vonona ny hanompo Azy ilay olona na inona na inona mitranga, dia ho hitan’ilay olona fa hitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana azy” (ao amin’ny History of the Church, 3:380).

2 Petera 1:12–21

Nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy sy nampianatra momba ny soratra masina i Petera

Nahoana araka ny eritreritrao no mitsikera ny taonan’ny sasany amin’ireo mpaminany sy apôstôly ny olona sasany? Ahoana no hamalianao ny olona iray izay milaza fa antitra loatra ny mpaminany sy ny apôstôly ka tsy azo heverina ho mpitarika mahomby? Rehefa manohy mandalina ny 2 Petera 1, ianao dia tadiavo ny fahamarinana iray momba ireo mpaminany sy apôstôly izay manan-danja kokoa noho ny taonan’izy ireo.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Petera 1:12–19, dia fantatry i Petera Apôstôly fa ho faty tsy ho ela izy ka dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona nahita maso an’i Jesoa Kristy izy. Notononiny tao amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataony ny hoe “teny faminaniana atao mafy orina kokoa” (2 Petera 1:19). Io “teny faminaniana atao mafy orina kokoa” io dia faritana mazava kokoa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:5 ho toy ny fahalalana izay mety ho azon’ny olona iray eto amin’ity fiainana ity amin’ny alalan’ny fanambarana fa “fehezina ho amin’ny fiainana mandrakizay” izy. Izy io ihany koa dia antsoina hoe “[m]ampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana ” (2 Petera 1:10), izay nohalalininao tao amin’ny ampahany voalohany tamin’ny 2 Petera 1.

Vakio ny 2 Petera 1:20–21, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Petera mikasika ny anjara asan’ireo “olona [masin’ Andriamanitra]” na ireo mpaminany. Marihina fa ny Dikantenin’i Joseph Smith, 2 Petera 1:20 dia mivaky toy izao: “fa fantatrareo voalohany indrindra fa tsy misy omena avy amin’izay mety ho sitrapon’ny olona manokana ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina.”

Raha miainga avy amin’izay nampianarin’i Petera dia afaka mahita ity fahamarinana ity isika: Raisin’ireo mpaminany avy amin’ny Fanahy Masina ny soratra masina. (Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao izany.) Ny soratra masina dia “teny soratana na aloaky ny vava” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Soratra masina,” scriptures.lds.org; jereo koa ny F&F 68:2–4).

Ny soratra masina sasany dia nekena mba ho soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana. Ny soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana dia “fitambaran’ireo boky masina ekena sy ankatoavin’ny Fiangonana. Ho an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ireo boky ekena sy ankatoavin’ny Fiangonana dia ahitana ny Testamenta Taloha, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana,” scriptures.lds.org).

Loholona Dallin H. Oaks

Eo am-pamakinao ity fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity dia tadiavo ny fijoroana ho vavolombelona nataony fa ny mpaminany dia manohy mandray soratra masina: “Ny lalam-pifandraisan’ny fisoronana no zotram-pifandraisana izay niresahan’ Andriamanitra tamin’ireo zanany amin’ny alalan’ny soratra masina voaray tamin’ny andro fahiny. Ary amin’ny alalan’izany lalam-pifandraisana izany no hiresahany amintsika ankehitriny amin’ny alalan’ireo fampianarana sy torohevitr’ireo mpaminany sy apôstôly velona ary ireo mpitarika nentanim-panahy hafa” (“Ireo lalam-pifandraisana roa,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 84).

Eritrereto ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana fa Andriamanitra dia nampiasa ary mbola mampiasa mpaminany mba hanome ny soratra masina ho an’ny zanany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo ampahan-tsoratra masina, na avy amin’ireo mpaminany fahiny na avy amin’ireo mpaminany amin’izao fotoana izao izay nisy akony teo amin’ny fiainanao?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ireo soratra masina ireo?

Eritrereto indray ilay fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Loholona Oaks dia mitadiava fotoana iray hahafahana mijoro ho vavolombelona amin’ny hafa ao anatin’ireo andro ho avy, araka izay hitarihan’ny Fanahy anao, mikasika ny tena fisian’ny mpaminany sy ny maha-zava-dehibe ny fandraisana sy ny fandalinana soratra masina.

2 Petera 2

Nampitandrina i Petera sao hisy olona voafitak’ireo mpampianatra sandoka

Nahoana ny olona no misafidy ny hanota na dia efa fantany aza fa tsy mety ny ataony?

Vakintsika ao amin’ny 2 Petera 2 fa nampitandrina ny Olomasina momba ny fisian’ny olona nikatsaka ny hamitaka azy ireo i Petera. Eo am-pandalinanao ny 2 Petera2, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahafantatra sy hiala amin’ny fitaka izay mitarika hanota.

Vakio ny 2 Petera 2:1–3, mba hitadiavana ny fampitandremana nataon’i Petera mikasika ny olona izay hiezaka ny hamitaka ny Olomasina. Ny “sain-diso mahavery ” (2 Petera 2:1) dia fampianaran-diso sy manimba.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe mikatsaka ny hamitaka antsika ireo mpampianatra sandoka.

Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hitadiavana ny zavatra ampianarin’ireo mpampianatra sandoka amin’izao fotoana izao mba hamitahana antsika:

Loholona M. Russell Ballard

“Ny mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra sandoka dia ireo izay manambara fa ny Mpaminany Joseph Smith dia mpamitaka sy mpampiely lainga. Lavin’izy ireo ny maha-marina ny zava-nitranga tamin’ny Fahitana Voalohany. Manambara izy ireo fa ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina hafa dia tsy raki-tsoratra masina fahiny. Manandrana koa izy ireo ny nanova ny famaritana ny toetoetry Ny Andriamanitra, ary lavin’izy ireo fa nanome sy mbola manohy manome fanambarana an’ireo mpaminaniny voatokana sy notohanana Andriamanitra amin’izao andro izao.

“Ny mpaminany sandoka sy ny mpampianatra sandoka dia ireo izay miezaka amim-pieboeboana ny mamorona fanazavana vavovao ny soratra masina mba hanehoana fa ireo lahatsoratra masina ireo dia tsy tokony hekena ho tenin’ Andriamanitra ho an’ny zanany fa teny nambaran’ny lehilahy tsy nentanim-panahy fotsiny, izay voafetran’ny fitsarana an-tendrony ataon’izy ireo sy ny fomba fiheviny ara-kolotsaina. Noho izany izy ireo dia miady hevitra fa mitaky fanazavana vaovao ny soratra masina ary izy ireo ihany no manana ny fahaizana hanolotra izany fanazavana izany.

“Angamba ny tena maharikoriko indrindra dia fandavan’izy ireo ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty sy ny Sorompanavotany, amin’ny filazana fa tsy misy Andriamanitra afaka mamonjy antsika. Notsipahin’izy ireo ny filàna Mpamonjy iray. Raha afohezina dia ireo mpanaratsy ireo dia nanandrana ny hamerina handika ireo fotopampianaran’ny Fiangonana mba hifanaraka amin’ny fomba fijerin’izy ireo izay efa voavolavola mialoha, ary etsy andaniny koa ny fandàvana an’i Kristy sy ny anjara toerany amin’ny maha- Mesia Azy.

“Ireo mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra diso ihany koa ireo izay nanandrana ny hanova ny fotopampianarana fototry ny soratra masina izay nomen’ Andriamanitra izay miaro ny fahahamasin’ny fanambadiana, ny toetra masin’ny fianakaviana ary ny fotopampianarana manan-danjan’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny olona tsirairay. Miaro ny fanovana ny famaritana ny fitsipiky ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo mba hanamarinana ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady ary ny fiarahan’ny samy lahy na samy vavy. Ny sasany dia manohana ny fanaovana ho ara-dalàna ilay antsoina hoe fanambadiana eo amin’ny olona mitovy fananahana” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 63–64).

Eritrereto ireo fotoana izay mety nandrenesanao fampianarana na hafatra avy amin’ny mpampianatra sandoka. Nahoana no tena ilaina ny mahafantatra ny hafatra sy ny fampianaran’ny mpampianatra sandoka?

Hitantsika ao amin’ny 2 Petera 2:4–17 ireo ohatra maro amin’ny zavatra nitranga tamin’ireo olona nanaraka ireo mpampianatra sandoka tany amin’ny lasa, anisan’izany ireo izay nanaraka an’i Satana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ireo olona niaina tamin’ny andron’i Noa, ary ireo olona tao Sodoma sy Gomora. I Petera ihany koa dia nanome ohatra mikasika ireo olona izay tsy voataonan’ireo mpampianatra sandoka, toa an’i Noa sy i Lota. Taorian’izay i Petera dia namariparitra ny fitondrantena ratsin’ireo mpampianatra sandoka.

kankana amin’ny lelam-pintana

Ahoana no fomba hisamboran’ny mpanjono iray trondro?

Paikady tahaka izay ampiasain’ny mpanjono no ampiasain’ny mpampianatra sandoka. Vakio ny 2 Petera 2:18–19, mba hitadiavana ny fomba hanintonan’ireo mpampianatra sandoka ny Olomasina hanaraka ny fampianarany.

Inona no mampitovy ny fampianaran’ireo mpaminany sy mpampianatra sandoka amin’ny jono famandrihana trondro?

Ianarantsika ao amin’ny 2 Petera 2:19 fa mampanantena fahafahana ireo mpampianatra sandoka. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mampianatra izy ireo fa ny fahotana, fa tsy ny fankatoavana ireo didy, no mitondra any amin’ny fahalalahana bebe kokoa.

Afaka mianatra avy amin’ireo andininy ireo isika fa ny mpampianatra sandoka dia mikatsaka ny hamitaka antsika mba hino fa ny fahotana dia mitondra ho amin’ny fahafahana lehibe kokoa.

Vakio indray ny andininy 19 mba hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ireo olona izay resin’ny fampianaran-diso ka nanota.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny ohatra roa na telo amin’ireo fampianaran-diso izay toa manindrahindra ny fahalalahana, saingy raha ny marina dia mitondra ho amin’ny fanandevozana.

Vakio ny 2 Petera 2:20–22, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Petera momba ireo izay niverina nanota raha efa afaka tamin’izany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho alaim-panahy hiverina amin’ny fombany feno fahotana indray ireo izay “efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy” (2 Petera 2:20)?

    2. Inona no torohevitra omenao mba hanampiana olona iray hijanona ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany toy izay hiverina amin’ny fahotana teo aloha?

2 Petera 3

Nijoro ho vavolombelona momba ny fiavin’i Jesoa Kristy Fanindroany i Petera

Rehefa namarana ny epistiliny i Petera Apôstôly, izay iray tamin’ireo fijoroana ho vavolombelona farany nataony izay voasoratra angamba, dia nampahatsiahiviny an’ireo Olomasina ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ary nampianariny azy ireo ny fomba hiomanana amin’izany. Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Petera 3:1–9, dia nampianatra izy fa amin’ny andro farany dia haniratsira sy hihomehy an’ireo izay mino ny Fiaviana Fanindroany ny olona sasany.

Vakio ny 2 Petera 3:10–14, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Petera mikasika ny Fiaviana Fanindroany. Ny teny hoe “mampahafaingana” ao amin’ny andininy 12 dia midika hoe maniry mafy zavatra iray.

Inona no torohevitra nomen’i Petera ny Olomasina mba hanomanana azy ireo amin’ny Fiaviana Fanindroany?

Ny andian-teny hoe “tsy manan-tsiny amam-pondro” ao amin’ny andininy 14 dia midika hoe madio amin’ny fahotana. Ireo izay madio amin’ny fahotana dia nampihavanina tamin’ Andriamanitra, na niverina nanana fifandraisana tsara sy niray Taminy, ary hanam-piadanana miaraka amin’ny Mpamonjy rehefa ho avy Izy. Ianarantsika avy amin’ny fampianaran’i Petera ihany koa fa afaka miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika amin’ny alalan’ny fiainana fiainana araka an’ Andriamanitra sy ny fiandrasana amim-pahazotoana ny Fiaviany. Soraty ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny 2 Petera 3:11-14 io fitsipika io.

Inona avy ireo zavatra sasany izay azontsika atao mba hiaina fiainana araka an’ Andriamanitra eo am-piandrasantsika amim-pahazotoana ny Fiaviana Fanindroany?

Vakintsika ao amin’ny 2 Petera 3:15–18 fa i Petera dia nanaiky fa sarotra takarina ny sasany amin’ireo fampianaran’i Paoly. Nampitandrina ny tsy hahavoataona ao amin’ny haratsiam-panahy koa izy Nanasa ny Olomasina izy mba “[hitombo] amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana [ny] … Tompontsika” (2 Petera 3:18).

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 2 Petera ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: