Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Matio


Fampahafantarana ny Matio

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Hita ao amin’ny bokin’i Matio ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina tsara indrindra ao amin’ny Baiboly, ka anisan’izany ny Toriteny teo An-tendrombohitra sy ireo fanoharana, fampianarana, ary fahagagana maro nataon’i Jesoa Kristy. Afaka manampy anao hahafantatra bebe kokoa ny asa fanompoana sy ireo tenin’i Jesoa Kristy ny fandalinana ity boky ity ary afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao sy ilay Mesia nampanantenaina Azy izay voalazan’ireo mpaminany masina rehetra.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Matio, fantatra ihany koa amin’ny hoe Levy, ilay zanak’i Alfeo, no mpanoratra ity boky ity. Mpamory hetra, na mpanangona hetra izy talohan’ny niovan’ny fiainany mandrakizay rehefa namaly ny fanasan’i Jesoa Kristy mba hanaraka Azy izy. (Jereo ny Matio 9:9; Marka 2:14; Lioka 5:27–28; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Matio.”) Lasa iray tamin’ireo Apôstôly Roambinifolon’ny Mpamonjy i Matio taorian’ny fiovampony (jereo ny Matio 10:2–4). Nanatri-maso ny zava-nitranga maro izay nofariparitany i Matio tamin’ny naha-Apôstôly azy. Izany dia hamafisin’ny anarana nomena ny Filazantsara ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith: “Ny Tenivavolombelon’i Md. Matio.”

Oviana ary Taiza no Nanoratana Izany?

Tsy fantatsika mazava ny fotoana nanoratana ny bokin’i Matio saingy azo antoka fa nosoratana tamin’ny tapany faharoa tao amin’ny taon-jato voalohany taorian’i J.K. izany. Tsy fantatsika ny toerana nanoratan’i Matio ity boky ity.

Ho an’iza no nanoratana izany ary nahoana?

Hita fa toa nanoratra manokana ho an’ny mpihaino Jiosy i Matio mba hampisehoana fa nahatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ny Mesia i Jesoa (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Matio”). Rehefa nitantara ny fiainana sy ny teny ary ny asa nataon’i Jesoa Kristy i Matio dia nampiasa matetika ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha izy ary nampiasa ilay andian-teny hoe: “mba hahatanteraka ny” (ohatra, jereo ny Matio 4:14; 8:17; 13:35; 21:4).

Nampiasa in-12 ny andian-teny hoe “Zanak’i Davida” i Matio tao anatin’ny Filazantsarany ho fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ilay mpandova ara-dalàna ny fiandrianan’ny Mpanjaka Davida sy ny fahatanterahan’ireo faminaniana momba ny Mesia. Ny tetiaran’i Jesoa Kristy nataon’i Matio dia manoritra ny firazanany hatramin’i Davida sy i Joda ary i Abrahama (jereo ny Matio 1:1–3), izay mampiseho ny zon’i Jesoa hanjaka sy ny anjara asany amin’ny fanatanterahana ireo fampanantenan’ Andriamanitra ho an’i Isiraely.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Na dia hita ao amin’ny Marka sy Lioka aza ny ankamaroan’ny zavatra voalaza ao amin’ny Matio dia 42 isan-jaton’ny Filazantsaran’i Matio no miavaka. Lohahevitra lehibe ao amin’ny Matio ny hoe tonga hanangana ny fanjakany eto ambonin’ny tany i Jesoa Kristy. Nilaza ny “fanjakan’ny lanitra” imbetsaka i Matio ary izy no hany mpanoratra ny Filazantsara izay nampiditra ireo fampianaran’i Jesoa izay manonona ny “fiangonana” (jereo ny Matio 16:18; 18:17).

Ny Filazantsaran’i Matio ihany koa dia mampiasa fitoviana eo amin’ireo asa fanompoan’i Mosesy sy ny an’i Jesoa Kristy. Ohatra, samy novonjena izy ireo tamin’ny mbola kely rehefa niezaka hamono azy ny mpanjaka (jereo ny Eksôdôsy 2:1–10; Matio 2:13–18), samy nivoaka avy tao Egypta izy ireo, samy notolorana ny lalàn’ Andriamanitra teo an-tendrombohitra (jereo ny Eksôdôsy 19–20; Matio 5–7), ary samy tonga mba hanafaka ny vahoakany izy ireo.

Votoatiny

Matio 1–4. Nanome ny tetiarana sy ny fahaterahan’i Jesoa i Matio. Nitady ny Mpanjakan’ny Jiosy ireo Magy. Rehefa notarihina tamin’ny alalan’ny nofy i Josefa dia nitondra an’i Maria sy i Jesoa zaza nankany Egypta ary tany Nazareta avy teo. Nitory ny filazantsara momba ny fibebahana i Jaona Mpanao Batisa ary nanao batisa an’i Jesoa Kristy. Nalaina fanahy tany an-tany foana ny Mpamonjy. Nanomboka ny asa fanompoany teto ambonin’ny tany Izy tamin’ny fampianarana sy ny fanasitranana.

Matio 5-7. Nanome ny Toriteny teo An-tendrombohitra i Jesoa Kristy.

Matio 8-12. Nanasitrana boka iray i Jesoa, nampitony ny oram-baratra, nandroaka devoly, nanangana tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jairo, ary nampahiratra ny jamba. Nanome fahefana ny Apôstôly Roambinifolo Izy mba hanao araka izay nataony ary naniraka azy ireo mba hitory ny filazantsara.) Nanambara i Jesoa fa mihoatra noho ny mpaminany iray i Jaona Mpanao Batisa. Nanasitrana tamin’ny Sabata ny Mpamonjy.

Matio 13-15. Nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana i Jesoa. Novonoina i Jaona Mpanao Batisa. Namahana olona maherin’ny 5000 isa i Jesoa. Nandeha teny ambonin’ny Ranomasin’i Galilia Izy, ary nandeha nanatona Azy teo ambonin’ny ranomasina i Petera. Nanontany an’i Jesoa ireo mpanora-dalàna sy Fariseo.

Matio 16-18. Rehefa avy nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no ilay Mesia dia nilaza ny Mpamonjy fa hanome ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra an’i Petera sy ireo Apôstôly hafa Izy. Niova tarehy teo amin’ny tendrombohitra iray i Jesoa Kristy, ka nandray ireo fanalahidin’ny fisoronana teo i Petera sy i Jakoba ary i Jaona. Nanome torolalana ho an’ny mpianany momba ny fomba hitarihana ny Fiangonana i Jesoa ary nampianatra Izy fa tsy hamela antsika Andriamanitra raha toa ka tsy mamela ny hafa isika.

Matio 19-23. Nampianatra mikasika ny toetoetra mandrakizain’ny fanambadiana ny Mpamonjy. Niditra tao Jerosalema Izy ary nanadio ny tempoly. Nampiseho ny fikasan-dratsin’ireo mpitarika Jiosy izay nanohitra Azy i Jesoa tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana. Nitomany noho ny fandravana an’i Jerosalema amin’ny hoavy Izy.

Matio 24–25; Joseph Smith—Matio. Naminany momba ny fandravana an’i Jerosalema i Jesoa. Nampianatra ny fomba ahafahan’ny mpanaradia Azy miomana amin’ny fiverenany Izy.

Matio 26-27. Nihinana ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa ary nanorina ny fanasan’ny Tompo. Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane Izy ary nisy namadika sy nosamborina ary notsaraina teo anoloan’ireo manampahefana Jiosy sy Romana, ka nohomboina. Maty Izy ary nalevina.

Matio 28. Niseho tamin’ny mpianany ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty. Nandidy ny Apôstôly mba hitondra ny filazantsarany manerana an’izao tontolo izao Izy.