Fizarana 2: Andro 1
Matio 1–2
Fampidirana
Nilaza ny tetiaran’i Jesoa Kristy i Matio, ary nanambara tamin’i Josefa ny maha-Andriamanitra ireo ray aman-drenin’i Jesoa. Ireo Magy avy tany Atsinanana dia nanao dia mba hitady sy hitsaoka ilay zaza. Nilazan’ny anjely iray tao anatin’ny nofy i Josefa mba hitondra ny fianakaviany any Egypta satria tian’i Heroda hovonoina i Jesoa zazakely.
Matio 1:1–17
Nanome ny tetiaran’i Jesoa i Matio
Jereo ny sarin’ny ray aman-dreninao, ary jereo raha afaka mahita fitoviana izay nolovainao tamin’izy ireo ianao. Ataovy lisitra eto amin’ireto tsipika ambany ireto ny sasany amin’izany fitoviana izany (tahaka ny lokon’ny maso, ny lokon’ny volo, ny halavana, ny toetra, na ny fahaizana):
Rehefa mandalina ny Matio 1–2 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny ray aman-drenin’ny Mpamonjy—ny Ray any An-danitra sy i Maria—ary ireo toetra izay nolovainy tamin’izy ireo.
Ny Matio 1:1–17 dia mitanisa ireo razamben’ny Mpamonjy. Ny andininy 1 dia milaza fa i Jesoa Kristy dia taranak’i Davida (izay namono an’i Goliata ka lasa mpanjakan’i Isiraely taty aoriana) ary Abrahama (izay fantatra amin’ny hoe rain’ny vahoakan’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana).
Davida mpanjaka Abrahama
“Nanambara ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha fa ny Mesia dia ho taranak’i Davida (jereo ny 2 Samoela 7:12–13; Isaia 9:6–7; Jeremia 23:5–6) ary ny taranak’i Abrahama iray no hitahiana ny ‘firenena rehetra ambonin’ny tany’ (Genesisy 22:18; jereo ihany koa ny Abrahama 2:11)” (Testamenta Vaovao, boky torolalana ho an’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana 2014], 12). Nanoratra manokana ho an’ny mpihaino Jiosy i Matio ary tiany hahafantatra izy ireo fa nahatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ny Mesia i Jesoa. Mampiseho ilay tetiarana izay nomena ao amin’ny Matio1:1–17 fa i Jesoa no ilay Mesia nampanantenaina sy mpandova ara-dalàna ny seza fiandrianan’i Davida. Rehefa mandalina ny bokin’i Matio ianao dia tadiavo ireo ohatra hafa amin’ny fomba nanatanterahan’i Jesoa Kristy ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ny Mesia.
Vakio ny Matio 1:16, ka tadiavo ny anarana fiantsoana izay nomena an’i Jesoa.
Ny teny hoe Kristy dia endrika Grikan’ny teny Aramaika hoe Mesia, izay midika hoe “ilay voahosotra.” Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia i Jesoa Kristy no ilay voahosotry ny Ray any An-danitra mba ho “Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka, ary Mpanafaka” antsika (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Ilay voahosotra,” “Mesia,” scriptures.lds.org).
Matio 1:18–25
Ny anjely dia nanambara tamin’i Josefa ny maha-Andriamanitra ireo ray aman-drenin’i Jesoa
Ao amin’ny Matio 1:16, any amin’ny fiafaran’ny tetiaran’i Jesoa izay nataony dia milaza i Matio fa vadin’i Josefa i Maria. Milaza ireo trangan-javatra izay nitarika nankany amin’ny fanambadian’izy ireo sy ny fahaterahan’i Jesoa ny Matio 1:18–25.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 1:18 dia nanazava i Matio fa mpifamofo i Josefa sy i Maria. Midika izany fa nifamofo izy ireo ary nifamatotra ara-dalàna saingy tsy mbola niara-nitoetra tahaka ny mpivady. Fantatr’i Josefa anefa, mialoha ilay fampakaram-bady, fa nitoe-jaza i Maria.
Vakio ny Matio 1:19, ka tadiavo izay nokasain’i Josefa atao.
Ny hoe “hametraka azy mangingina” dia midika fa nanao drafitra ny hamaha ilay olana momba ny vohoka nentin’i Maria i Josefa kanefa tsy nanery azy mba hiatrika fahafaham-baraka ampahibemaso.
Inona no ampianarin’io andinin-tsoratra masina io antsika momba ny toetran’i Josefa sy ny fitiavany an’i Maria?
Vakio ny Matio 1:20, ka tadiavo ny zavatra nitranga raha nieritreritra ny hamarana ny fifamofoany tamin’i Maria i Josefa.
Nahoana ilay anjely no nilaza tamin’i Josefa mba tsy hatahotra ny hiroso amin’ny fanambadiany an’i Maria?
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra izao manaraka izao momba ny fahazoan’i Josefa ny tenivavolombelony manokana momba ny fahamarinana:
“Nandinika sy nivavaka i Josefa. Nitoe-jaza tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ve i Maria sa tamin’ny fomba hafa? Raha ny momba ny tena rain’ilay zaza tao am-bohoka dia nahafantatra i Maria; nahafantatra i Elizabeta; nahafantatra i Zakaria. Nahazo fijoroana ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny fanambarana izy rehetra, ary tsy maintsy nahafantatra ho an’ny tenany manokana tamin’ny fomba mitovy amin’izany i Josefa ankehitriny. …
“Azontsika heverina tsara fa nolazain’i Maria tamin’i Josefa ny momba azy; fa nandeha tany amin’i Elizabeta izy avy eo; fa sahirana tamin’izany olana izany i Josefa saika ho efa nandritra ny telo volana, sady notsapaina tanteraka; fa nitondra ny teny i Gabriela; fa nandefa hafatra ho an’i Maria momba ny fiovampony i Josefa; fa niverina indray tamin’ny fahamehana sy hafaliana [i Maria], fa notanterahina avy hatrany ny tapany faharoa tamin’ilay fampakaram-bady” (The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, boky miisa 4 [1979–81], 1:332–33).
Mba hahatakarana ny dikan’ilay andian-teny hoe “… avy amin’ny Fanahy Masina” (Matio 1:20), dia vakio izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona McConkie: “Tahaka ny maha-zanak’i Maria ara-bakiteny an’i Jesoa dia taranaka manokana sy ara-bakitenin’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay Izy. … Ilay tenin’i Matio hoe ‘hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy,’ raha hadika araka ny tokony ho izy dia tokony hilaza hoe ‘hita fa nitoe-jaza izy noho ny herin’ny Fanahy Masina.’ (Mat. 1:18.) Mirakitra izay tena nitranga marina ny fitantaran’i Lioka (Lioka 1:35). Mamaritra tanteraka ny fomba nahariana sy ny fahaterahan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny faminaniana i Almà: I Kristy dia ‘haterak’ i Maria, … izy izay virijiny sady fanaka iray sarobidy sy nofinidy izay halofana sy hitoe-jaza noho ny herin’ ny Fanahy Masina, ary hiteraka zazalahy, eny, dia ny Zanak’ Andriamanitra.’ (Almà 7:10.) Niteny mitovy amin’izany i Nefia rehefa nilaza izy fa tamin’ny fotoana nampitoe-jaza azy dia ‘nentin’ny Fanahy’ i Maria ka vokatr’izany, ilay zaza naterany dia ‘ny Zanakondrin’ Andriamanitra, eny, dia ny Zanaky ny Ray Mandrakizay.’ (1 Ne. 11:19–21.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:82–83).
Manamafy izao fotopampianarana manaraka izao ireo fampianarana ireo: I Jesoa Kristy no ilay Zanakalahy masin’ny Ray any An-danitra sy i Maria. Hevero ny hanoratra io fotopompianarana io eo akaikin’ny Matio 1:18–25 eny amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao.
Tsarovy ilay sarin’ny ray aman-dreninao izay nojerenao sy ilay lisitra izay nosoratanao momba ireo toetra izay nolovainao tamin’izy ireo. Vakio avy eo ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ka tadiavo ny antony maha-manan-danja ny mahatakatra fa i Jesoa no ilay Zanakalahy masin’ny Ray any An-danitra sy i Maria: “Zanak’i Elohima, ilay Ray Mandrakizay izany zaza ho aterak’i Maria izany. … Hifangaro ao amin’ny toetrany ireo herin’ny maha-Andriamanitra sy ny fahafaha-manao ary ireo zavatra mety hitranga mandritra ny fiainana an-tany. … I Jesoa Zazakely dia natao handova ireo toetra sy fironana ary hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy izay nampiavaka ireo ray aman-dreniny—ny iray tsy mety maty sy be voninahitra—dia Andriamanitra, ny iray hafa olombelona—ilay vehivavy” (Jésus le Christ, ed. faha 3 1916, 81).
Inona ny zavatra nolovain’i Jesoa Kristy tamin-dRainy? Inona ny zavatra nolovainy tamin-dreniny?
Satria Zanakalahin’ny Ray tsy mety maty sy ny reny mety maty i Jesoa dia nanana ny fahafahana hiaina mandrakizay Izy raha toa ka nisafidy izany, torak’izany koa ny fahafahana ny ho faty. Izany toetra maha-Andriamanitra izany dia nanome Azy irery ihany ny fahafahana mijaly noho ny fahotantsika sy ho faty eo amin’ny hazofijaliana ary hitsangana amin’ny maty (jereo ny Almà 34:9–10).
-
Alaivo sary an-tsaina hoe ianao dia manana fahafahana ny hanampy ny namana iray hahatakatra hoe iza i Jesoa Kristy kanefa tsy mbola nahalala momba ny Kristiana izy. Ahoana no hanazavanao ny toetra maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy amin’izany namana izany? Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.
Matio 2:1–12
Notoroina lalana hankany amin’i Jesoa ireo Magy
Iza no nitondra fanomezana ho an’ny Mpamonjy taorian’ny nahaterahany?
Ny Filazantsaran’i Matio ihany no hany Filazantsara mampiditra ny tantaran’ireo Magy. Soraty eo amin’ny toerana malalaka eo ankavanan’ny fanontaniana ireo valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto momba ireo Magy.
|
Inona ny zavatra fantatrao mikasika ireo Magy? | |
|---|---|
|
Tamin’ ny fomba ahoana no nahafantaran’ ireo Magy fa teraka ilay Mesia? | |
|
Nahoana ireo Magy no naniry ny hahita ilay Mesia? | |
|
Ahoana no nahafantaran’ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ny toerana hahaterahan’ny Mesia? | |
|
Inona no nirian’i Heroda ho ataon’ireo Magy rehefa nahita ny Mesia izy ireo? | |
|
Inona kosa no nataon’ireo Magy? | |
Izao dia vakio ny Matio 2:1–12, ka tadiavo ny valin’ireto fanontaniana ireto. Ahitsio na hatsarao ny valinteninao raha ilaina izany.
Nianatra zava-baovao momba ireo Magy ve ianao? Raha izany no izy dia manaova sarina kintana iray eo akaikin’ireo fanontaniana izay nianaranao zava-baovao.
“Tsy noresahina hoe iza ireo lehilahy ireo, kanefa azo antoka fa tsy olon-tsotra izy ireo. Fa nanana tombontsoa hitady ilay Zanak’ Andriamanitra izy ireo ka hanolotra fanomezana ho Azy, ary malina ara-panahy sy nanam-pahalalana izy ireo, raha tsy lazaina aza fa mpaminany nanatanteraka adidy avy tamin’ Andriamanitra izy ireo” (Bible Dictionary, “Wise Men of the East”).
Ireo Magy dia “notarihin’ny Fanahy, mba hahita ilay Zanak’ Andriamanitra ary … niverina tany amin’ny vahoakan’izy ireo mba hijoro ho vavolombelona fa teraka tokoa tao amin’ny nofo ny Mpanjaka Imanoela” (Bible Dictionary, “Magi”).
Matetika ny olona no milaza fa namangy ny Mpamonjy tamin’ny alin’ny fahaterahany, niaraka tamin’ireo mpiandry ondry ireo Magy. Ny Matio 2:11 anefa dia milaza fa taty aoriana no nitranga izany, teo anelanelan’ny iray sy roa taona (nahita an’i Jesoa tao an-trano ireo Magy, fa tsy tao an-tranon’omby, ary “Zazakely,” Izy tamin’izay fa tsy menavava). Diniho ihany koa fa ny anton’ny nanirian’i Heroda ny hanaovan’ireo Magy tatitra aminy aorian’ny ahitan’izy ireo ny Mesia dia mba hahafahany mamono Azy (jereo ny Matio 2:13).
Tamin’ ny fomba ahoana no nahafantaran’ ireo magy ny toerana ahitana ny Mesia?
Ny ohatra nasehon’ireo Magy dia manampy antsika hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka mitady ny Mpamonjy amin-kitsimpo sy amim-pahazotoana isika dia hotarihina any Aminy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no ahafahanao mitady ny Mpamonjy amim-pahazotoana?
Rehefa hitan’ireo Magy ny Mpamonjy dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo. Iray amin’ireo tanjon’izany ny hitsaoka sy hidera Azy. Inona ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ireo Magy tamin’ny fanolorana fanomezana ho an’i Jesoa?
Mba hahatakarana ny fomba ahafahantsika manolotra fanomezana manan-danja ho an’ny Mpamonjy dia vakio izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Fahiny, rehefa te hitsaoka ny Tompo ny olona sy hikatsaka ny fitahiany dia matetika izy ireo no nitondra fanomezana. …
“Moa ve misy zavatra tsy madio na tsy mendrika ao aminao na eo amin’ny fiainanao? Rehefa ialanao izany dia tena fanomezana ho an’ny Mpamonjy. Moa ve misy fahazarana tsara na toetra tsara izay tsy ampy loatra eo amin’ny fiainanao? Rehefa manaiky ny hanao izany ianao ary manao izany ho ampahany amin’ny fiainanao, dia manome fanomezana ho an’ny Tompo ianao amin’izany Sarotra ny manao izany indraindray, saingy ho fanomezana mendrika ve ireo fanomezana avy amin’ny fibebahana sy fankatoavana omenao raha toa ka tsy nandanianao na inona na inona izany? Aza matahotra ny ezaka izay takina. Ary tsarovy fa tsy voatery manao izany irery ianao. Hanampy anao hanao ny tenanao ho fanomezana mendrika i Jesoa Kristy” (“When Thou Art Converted,” Ensign mey 2004, 12).
-
Saintsaino ny teny nataon’ny Loholona Christofferson, ary eritrereto ireo fanomezana izay tsapanao fa tokony hatolotrao ny Mpamonjy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo hevitra ireo ary manaova drafitra ny amin’ny fomba hanoloranao ireo fanomezana ireo ho an’i Jesoa Kristy. (Raha toa ka mahakasika ny tena manokana ireo fanomezana izay tianao hatolotra ny Mpamonjy dia azonao soratana eo amin’ny taratasy hafa izany ka hotehirizinao sy hojerenao, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo fa nahavita ity asa ampanaovina ity ianao.)
Nanolotra izao topimaso manaraka izao ny Loholona Bruce R. McConkie rehefa niresaka momba ny fahazazan’i Jesoa Kristy teto amin’ny fiainana an-tany:
“Na dia tsy mazava tanteraka aza ny fifandimbiasan’ireo dia sy fivahinianan’ny Tompo fony izy fahazaza dia toa azo antoka ihany izao manaraka izao:
“(1) Tamin’ny fotoana nifamofoany sy nifanambadiany dia nipetraka tany Nazareta tany amin’ny lafiny atsinanan’ny faritan’i Galilia i Josefa sy i Maria. (Lioka 1:26–35; 1 Ne. 11:13.)
“(2) Rehefa notarihin’ny fahendren’ Andriamanitra izy ireo dia nandeha nankany Betlehema, ilay tanànan’i Davida, izay toerana nahaterahan’i Jesoa tao an-tranom’omby. (Lioka 2:1–7.)
“(3) Noforaina i Jesoa, tamin’ny andro fahavalo, raha mbola tao Betlehema izy mivady. (Lioka 2:21.)
“(4) Taorian’ireo andro fanadiovana an’i Maria, izay naharitra efa-polo andro (Lev. 12), dia nandeha tany Jerosalema ilay fianakaviana masina ka natolotra tao amin’ny tempoly i Jesoa, nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy i Simeona sy i Ana tao. (Lioka 2:22–38.)
“(5) Noho izany, rehefa ‘vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo,’ dia niverina avy hatrany tany Nazareta izy ireo. (Lioka 2:39.) Mazava fa tsy mbola tonga nitsaoka ny Mpanjakan’izy ireo ireo Magy satria taorian’ny fitsidihan’izy ireo ny fitsoahana tany Egypta. Mazava fa tsy afaka nandeha tany Egypta ka niverina tany Betlehema tao anatin’ny efa-polo andro izy ireo (a) satria tany Egypta izy ireo tamin’ny fotoana nahafatesan’i Heroda izay tsy nitranga raha tsy teo amin’ny roa taona taorian’ny fahaterahan’i Jesoa teo, ary (b) satria niverina avy any Egypta nankany Nazareta izy ireo fa tsy tany Betlehema.
“(6) Manaraka izany, noho ny antony tsy fantatra sy tsy voarakitra dia niverina tany Betlehema i Josefa sy i Maria ary ilay zazakely, ka nahazo trano tao, ary tao anatin’ny fiarahamonina rehefa tonga ireo magy. (Mat. 2:1–12.)
“(7) Rehefa nampitandreman’ Andriamanitra dia nitsoaka tany Egypta ka nitoetra tany nandritra ny halavam-potoana tsy fantatra ilay fianakaviana masina teto, angamba nandritra ny herinandro na volana vitsivitsy. (Mat. 2:13–15.)
“(8) Taorian’ny fahafatesan’i Heroda dia niverina sady nanana tanjona mazava ny hanorim-ponenana tany Betlehema indray izy ireo, toerana izay tsy maintsy nananan’izy ireo fonenana ara-dalàna. Saingy noho ny tahotra an’i Arkelaosy, zanakalahin’i Heroda dia nilaozan’izy ireo ny faritan’i Jodia mba hahazoana fiarovana bebe kokoa tany Galilia. Niverina sy nitoetra tao Nazareta izy ireo nanomboka teo. (Mat. 2:19–23.)
“(9) Nanomboka teo ka mandra-panombohan’ny asa fanompoany, izay naharitra fito amby roapolo na valo amby roapolo taona teo angamba, dia nanohy nitoetra tao Nazareta ny Tompontsika. (Lioka 2:51–52; I. V. Mat. 3:22–26.)” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:108–9).
Matio 2:13–23
Nitsoaka tany Egypta i Josefa sy i Maria ary i Jesoa
Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 2:13–23 dia nanjary tezitra i Heroda rehefa “nody any amin’ny fonenany” ireo Magy (Matio 2:12) ka tsy niteny taminy ny toerana nisy ny Mesia. Nandidy ny hamonoana ireo zaza latsaky ny roa taona rehetra tao Betlehema sy ny faritra manodidina izy ka nanantena hamono ny Mesia.
Vakio ny Matio 2:13–14, ka tadiavo ny fomba nahafantaran’i Josefa izay zavatra tokony atao mba hiarovana ny fianakaviany.
Taiza no nitondran’i Josefa sy i Maria an’i Jesoa?
Nijanona tany Egypta mandra-pahafatin’i Heroda i Josefa sy i Maria ary i Jesoa. Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 2:19–23 dia nanoro lalana an’i Josefa tamin’ny alalan’ny nofy Andriamanitra mba hitondrany ny fianakaviany hiverina any Jodia, ka nitoetra tao amin’ny tanànan’i Nazareta izy ireo.
Nitahy ny fiainan’ny olona hafa tamin’ny fomba ahoana ny fahamalinan’i Josefa ny amin’ireo zavatra ara-panahy?
Fenoy izao fehezan-teny manaraka izao mba hamoronana fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’i Josefa: Raha toa ka mora mahatsapa ny Fanahy isika dia .
-
Saintsaino izay azonao atao mba hahatonga anao ho mora mahatsapa ny Fanahy ka afaka hahazo fitarihana sy torolalana ianao eo amin’ny fiainanao (jereo ny 2 Nefia 32:3). Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao, ary manaova tanjona ny hanao asa araka izay bitsika mety ho azonao.
Na dia kely dia kely aza no voarakitra momba ny fahazazana sy ny fahatanoran’i Jesoa dia manampy andininy telo izay hanaraka ny Matio 2:23 ao amin’ny Baiboly King James ny Dikantenin’i Joseph Smith. Manolotra antsipirihan-javatra momba izany fotoana teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izany ireo andinin-tsoratra masina ireo. Rehefa mamaky izao fanampiana manaraka izao avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ianao dia diniho ny fanetrentenan’i Jesoa raha mbola zatovolahy Izy:
“Ary ny zava-nitranga dia niara-nitombo tamin’ireo rahalahiny i Jesoa ka nihanatanjaka ary niandry tamin’ny Tompo ny amin’ ny fotoana hiavian’ny asa fanompoany.
“Dia nanompo teo ambany fahefan’ny Rainy Izy ka tsy mba niteny toy ireo olona hafa sady tsy hay nampianarina; fa tsy nila olona nampianatra Azy Izy.
“Ary rehefa afaka taona maro dia nanakaiky ny oran’ ny asa fanompoany” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:24–26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]).
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 1-2 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: