Fampahafantarana ny Lioka
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ny bokin’i Lioka dia manome teny vavolombelona fanampiny amin’ireo fahamarinana noraketin’i Matio sy i Marka ary ahitana koa votoatin-javatra miavaka. Ny filazantsaran’i Lioka dia afaka hampitombo ny fahatakaranao ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ary hanampy anao hankasitraka feno kokoa ny fitiavany sy ny fangorahany ny olombelona rehetra, toy ny niseho nandritra ny asa fanompoany teto an-tany sy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Lioka no nanoratra ity filazantsara ity. Mpitsabo izy (jereo ny Kolosiana 4:14) ary “irak’i Jesoa Kristy” (dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 1:1 [ao amin’ny Lioka 1:1, fanovozan-kevitra eo ambanin’ny pejya]). I Lioka dia iray tamin’ireo “mpiara-miasa” tamin’i Paoly (Filemona1:24; nantsoina hoe Lioka izy eto) ary namana mpiara-mitory ny filazantsara tamin’i Paoly (jereo ny 2 Timoty 4:11). Nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ihany koa i Lioka (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Lioka”).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Na dia tsy fantatra mazava tsara aza hoe oviana i Lioka no nanoratra ity filazantsara ity, dia azo inoana fa voasoratra nandritra ny tapany’ny taon-jato voalohany taorian’i J.K.izany. Ny loharanom-pitaovan’i Lioka dia ireo olona izay “vavolombelona … nahita maso … hatramin’ny voalohany” (Lioka 1:2) ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Tsy fantatsika kosa hoe taiza no nanoratana ny filazantsaran’i Lioka.
Nosoratana ho an’iza ity boky ity ary inona ny antony nanoratana azy?
Nataon’i Lioka mba hovakin’ny vahoaka jentilisa aloha ny filazantsarany, izay nanehoany an’i Jesoa Kristy ho ilay Mpamonjy ny Jiosy sy ny Jentilisa. Nosoratan’i Lioka ho an’i “Teofilo” (Lioka 1:3), izay midika amin’ny teny grika hoe “naman’ Andriamanitra” na “malalan’ Andriamanitra” indrindra indrindra ny filazantsarany (jereo ny Bible Dictionary, “Theophilus”). Hita mazava fa i Teofilo dia efa nandray torolalana mialoha mikasika ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Lioka 1:4). Nanantena ny hanome torolalana bebe kokoa tamin’ny alalan’ny fanolorana fitantaranna mitohitohy momba ny asa nanirahana sy ny asa fanompoan’ny Mpamonjy i Lioka. Tiany ireo izay mamaky ny fijoroana ho vavolombelona nataony mba “hahafantatra tsara” (Lioka 1:4) ny zanak’ Andriamanitra —ny fangorahany, ny Sorompanavotany, ary ny fitsanganany tamin’ny maty.
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Ny bokin’i Lioka no lava indrindra amin’ireo filazantsara efatra ary ny boky lava indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mampiavaka manokana ny filazantsaran’i Lioka ireo tantara sasantsasany malaza indrindra mahakasika ny maha-kristianina: ireo toe-java-nitranga manodidina ny fahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Lioka 1:5–25, 57–80); ny tantaran’ny Noely mahazatra (jereo ny Lioka 2:1–20); ny tantaran’i Jesoa fony Izy zazalahy12 taona tao amin’ny tempoly (jereo ny Lioka 2:41–52); ireo fanoharana toy ny Samaritana tsara fanahy (jereo ny Lioka 10:30–37), ilay zanaka adala (jereo ny Lioka 15:11–32), ilay lehilahy manan-karena sy i Lazarosy (jereo ny Lioka 16:19–31); ny tantaran’ireo boka folo (jereo ny Lioka 17:11–19); ary ny tantaran’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty raha nandeha teo anilan’ireo mpianany teny andalana nankany Emaosy (jereo ny Lioka 24:13–32).
Ireo lafin-javatra sasany miavaka ao amin’i Lioka dia ny nampidirany ny fampianaran’i Jaona Mpanao Batisa izay tsy hita ao amin’ireo filazantsara hafa (jereo ny Lioka 3:10-14); ny fanantitranterany ny fitiavan’i Jesoa Kristy nivavaka (jereo ny Lioka 3:21; 5:16; 9:18,28-29; 11:1); ary ny fampidirany ny antso, sy ny fanofanana ary ny asa fitoriana filazantsara nataon’ireo Fitopololahy (jereo ny Lioka 10:1-22). Ankoatra izany, i Lioka irery ihany no mpanoratra Filazantsara izay nirakitra ny hoe nandatsaka ny ràny tao Getsemane ny Mpamonjy ary nisy anjely nanompo Azy (jereo ny Lioka 22:43-44).
Satria manomboka sy mifarana ao amin’ny tempoly ny filazatsaran’i Liokadia maneho ihany koa ny maha-zava-dehibe ny tempoly izany ho toy ny toerana fototra izay hifandrasain’ Andriamanitra amin’ny zanak’olombelona (jereo ny Lioka 1:9; 24:53).
Topimaso
Lioka 1–3. Ny fahaterahana sy ny iraka nampanaovina an’i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesoa Kristy dia efa nambara mialoha. Ireo vavolombelona nahita maso dia mijoro ho vavolombelona fa ilay Jesoa zazakely no ilay Mesia. Nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesoa fony izy 12 taona. I Jaona Mpanao Batisa dia nitory fibebahana ka nanao Batisa an’i Jesoa. Nirakitra ny tetiaran’i Jesoa i Lioka.
Lioka 4-8. I Jesoa Kristy dia nalaina fanahy tany an’efitra. Nanambara ny tenany ho ny Mesia Izy tany Nazareta ary dia nolavina. Nifidy Apôstôly roa ambin’ny folo Izy dia nampianatra ireo mpianany. Namela heloka sy nanatanteraka fahagagana maro izy.
Lioka 9–14. Nirahina hitory sy hanasitrana ireo Apôstôly roa ambin’ny folo. Namahana olona mihoatra ny 5.000 i Jesoa Kristy ary niova tarehy teny an-tendrombohitra. Niantso ireo Fitopololahy izy ary naniraka azy ireo hampianatra. Nampianatra mikasika ny maha-mpianatra, sy ny fihatsaram-belatsihy ary ny fitsarana Izy. Nitantara fanoharana momba ilay Samaritana Tsara Fanahy Izy.
Lioka 15–17. Nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana i Jesoa Kristy. Nampianatra mikasika ny fanafintohinana, ny finoana ary ny famelan-keloka Izy. Nanasitrana boka 10 sy nampianatra mikasika ny Fiaviany Fanindroany Izy.
Lioka 18–22. Nanohy nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana i Jesoa Kristy. Nanasitrana lehilahy jamba Izy ary nampianatra an’i Zakaiosy. Niditra tamim-pihobiana tao Jerosalema Izy, nitomany ho an’ilay tanàna ary nanadio ny tempoly. Nilaza mialoha momba ny fahasimban’i Jerosalema Izy ary niresaka ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany. Nampiorina ny fanasan’ny Tompo Izy, nampianatra ny Apostoliny ary nijaly tao Getsemane. Nisy namadika Izy, nosamborina, noesoina, nokapohina ary nohadihadiana.
Lioka 23–24. Notsaraina teo anatrehan’i Pilato sy i Heroda i Jesoa Kristy, nohomboana, ary nalevina. Nijoro ho vavolombelona ireo anjely tao am-pasana sy ireo mpianatra anankiroa teny an-dalana ho any Emaosy fa efa nitsangana i Jesoa Kristy. Niseho tamin’ireo mpianany tao Jerosalema ny Mpamonjy, ary nampanantena Izy fa hahazo hery avy amin’ Andriamanitra izy ireo ka hiakatra any an-danitra.