Tahirim-pitaovana
Fizarana 17, Andro 3: Asan’ny Apostoly 2


Fizarana 17: Andro 3

Asan’ny Apostoly 2

Fampidirana

Feno ny Fanahy Masina ireo mpianatra tamin’ny andron’ny Pentekôsta ary nahazo ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny izy ireo rehefa nitory ny filazantsara. Nanambara i Petera fa i Jesoa dia “Tompo sy Kristy” (Asan’ny Apostoly 2:36) ka nanasa ny olona hibebaka sy hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy. Olona tokony ho 3.000 teo no niova fo sy natao batisa tamin’io andro io, ary nijanona ho mahatoky tao amin’ny Fiangonana izy ireo.

Asan’ny Apostoly 2:1–13

Feno ny Fanahy Masina ireo mpianatr’i Jesoa Kristy tamin’ny andron’ny Pentekôsta

Eritrereto ny fahafahana vao haingana indrindra izay mety nanananao nanaovana lahateny tao am-piangonana na nampianarana lesona na nizarana ny filazantsara tamin’ny olona iray. Inona no manahirana anao manao lahateny na ny mampianatra na ny na mijoro ho vavolombelona amin’ny hafa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 2:1–13 ianao dia tadiavo ny fahamarinana iray izay afaka manampy anao rehefa mahatsiaro ho manana fiahiahiana na tahotra ianao rehefa manao lahateny sy mampianatra ary mijoro ho vavolombelona amin’ny olona hafa momba ny filazantsara naverina amin’ny laoniny.

Tokony ho herinandro taorian’ny niakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra dia tonga tao Jerosalema ireo Jiosy avy amin’ny firenena maro mba handray anjara tamin’ny fetin’ny Pentekôsta sy hanao fanompoam-pivavahana tao amin’ny Tempoly ary hanati-pisaorana ho an’ny Tompo. “Ao anatin’ny lalàn’i Mosesy, ny fetin’ny Pentekôsta na ny Voaloham-bokatra dia atao dimampolo andro aorin’ny Fetin’ny Paska (Lev. 23:16). Natao hankalazana ny fijinjana ny Pentekôsta, ary antsoina hoe andro firavoravoana amin’ny fijinjana na ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro izany ao amin’ny Testamenta Taloha” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Pentekosta,” scriptures.lds.org).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:1–4, hitadiavana ny zavatra niainan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy tamin’ny andron’ny Pentekôsta.

Ny andian-teny hoe “lela maro,” raha raisina ara-bakiteny dia entina ilazana lelan-javatra misaraka roa na maromaro na manana endrika lelan’afo. Rehefa narotsaka teo amin’ireo mpianatra ny Fanahy Masina, ireo “lela maro mitarehin’ afo” (Asan’ny Apostoly 2:3) dia fisehon’ny Fanatrehan’ny Fanahy.

I Jaona mpanao batisa dia nampitaha ny fandraisana ny Fanahy Masina tamin’ny batisan’ny “afo” (Matio 3:11; Lioka 3:16). Tao Isiraely fahiny, ny afo matetika dia naneho ny fanatrehan’Andriamanitra. Ny sarina “lela maro,” izay nampiasaina mba hilazana an’ilay afo avy amin’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Pentekôsta dia maneho fa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina izay nampanantenain’ny Mpamonjy ireo mpianatra (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:8).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:5–8 hitadiavana ny zavatra nitranga rehefa feno ny Fanahy Masina ireo Apôstôly. Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho tahaka ny ahoana ny nanatrika izany tranga izany?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:9–11 dia isao ireo vondron’olona samihafa na avy amin’ny firenena samihafa izay naheno an’ireo mpianatra niteny tamin’ny teny tsy fantatra tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Tadiavo ao amin’ny sarintany miaraka amin’ity lesona ity ireo toerana voalaza ao.

sarintanin’ny Mediteranea atsinanana

Jereo fa ny tsirairay tamin’ireo vondron’olona ireo dia nahare ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra” izay notoriana tamin’ny fitenin’izy ireo avy (Asan’ny Apostoly 2:11). Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona manerana an’izao tontolo izao mandre ny fitoriana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara amin’ny fiteniny manokana amin’izao androntsika izao?

Noho izy ireo feno ny Fanahy Masina dia afaka nizara ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa ireo mpianatra, tamin’ny fitenin’ireo izay nampianariny mihitsy aza. Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe: rehefa feno ny Fanahy Masina isika dia hanampy antsika Izy hampianatra ny hafa sy hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo.

Ny ohatra iray maneho ity fahamarinana ity dia miseho amin’ny fotoana hampianaran’ny Fanahy Masina antsika ny filazantsara amin’ireo olona izay miteny amin’ny fiteny hafa ankoatra ny fitenintsika.

Mba hahatakarana tsara kokoa ny dikan’ny hoe feno ny Fanahy Masina dia jereo ity sary manaraka ity ka alaivo sary an-tsaina ny hoe miezaka manisy rano ao anatin’ireo vera ianao. Jereo tsara hoe nahoana no sarotra ny mameno ireo vera ireo.

sarina vera

Eritrereto ny fomba mety azo hampitahana ireo vera ireo amin’ny olona sy hampitahana ny rano amin’ny Fanahy Masina. Inona no mety ho asehon’ireo sakana amin’ny famenoana ireo vera? Inona avy ireo fitondran-tena sy toe-tsaina mety hanakana antsika tsy ho feno ny Fanahy Masina?

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no azonao atao mba ho feno ny Fanahy masina ka hahafahany manampy anao hampianatra sy hijoro ho vavolombelona amin’ny hafa?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no efa nanampian’ny Fanahy Masina anao hampianatra ny filazantsara na hizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona anananao?

    3. Ahoana no ahafahan’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo manome fahafahana ny Fanahy Masina hiaraka amintsika?

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:12–13 isika dia mamaky fa talanjona tamin’ny zavatra izay reny ny Jiosy sasany rehefa niteny tamin’ny teny tsy fantatra ireo mpianatra, raha toa kosa ka naneso an’ireo mpianatra tamin’ny fanendrikendrehana azy ireo ho mamon’ny divay be loatra ny sasany.

Asan’ny Apostoly 2:14–47

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Petera ary nampianatra ny olona ny fomba hahazoana famonjena

Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:14 hitadiavana hoe iza no nanomboka nampianatra ny vahoaka.

Eritrereto hoe teo amin’ny toeran’ny Apôstôly Petera ianao, nijoro nanoloana ny vahoaka. Inona no fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay mety ho nampianarinao sy nijoroanao ho vavolombolona? Nahoana?

Araka ny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:15–35, dia nanambara i Petera fa ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny sy ireo fomba hafa niasan’ny Fanahy teo anivon’ireo mpianatra dia farafahakeliny iray tamin’ireo fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Joela sy dikan’izany faminaniana izany (jereo ny Joela 3:1–5). Avy eo i Petera dia nampianatra sy nijoro ho vavolombelona tamin’ny vahoaka tamin’ny fampiasana ny sasany tamin’ny teny sy ny salamo nataon’i Davida Mpanjaka.

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny Joela 3:1–5 dia ohatra iray amin’ny soratra masina izay mety manana heviny sy fahatanterahany maro:

Loholona Dallin H. Oaks

“Maro amin’ireo faminaniana sy ireo andininy mirakitra fotopampianarana ao amin’ny soratra masina no manana heviny maro. …

“Ny ohatra [iray] izay manana heviny maro dia mahakasika ilay faminaniana ao amin’ny bokin’i Joela izay milaza fa handatsaka ny fanahiny amin’ny nofo rehetra ny Tompo amin’ny andro farany ary haminany ny zanakalahy sy ny zanakavavintsika (jereo ny Joela 3:1). Tamin’ny andron’ny Pentekôsta dia nanambara ny Apôstôly Petera fa ireo zava-nitranga izay hitan’izy ireo dia ireo izay efa ‘nampilazaina an’ i Joela mpaminany’ (Asan’ny Apostoly 2:16). Valonjato sy arivo taona taty aoriana dia namerina nilaza io faminaniana io ny anjely Môrônia ka nilaza hoe ‘tsy mbola tanteraka izany saingy ho tanteraka tsy ho ela’ [Joseph Smith—Tantara 1:41]” (“Scripture Reading and Revelation,” Ensign, jan. 1995, 8).

Samy marina avokoa ny nambaran’i Petera sy i Môrônia fa ny faminaniana nomen’ny mpaminany Joela dia samy nanana ny fahatanterahany sy ny heviny ary ny fampiharana azy tamin’ny andron’ny Pentekôsta sy amin’ny andro farany.

  1. sary famantarana ny diaryVakio ny Asan’ny Apostoly 2:22–24, 29–33, 36, ka valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

    1. Inona avy ireo fahamarinana manan-danja sasantsasany izay nampianarin’i Petera sy nijoroany ho vavolombelona?

    2. Inona no manaitra anao ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Petera tamin’ireo Jiosy?

Eritrereto ny zavatra nolaizain’i Petera sy ny zavatra nataony rehefa nanontaniana momba ny fifandraisany tamin’i Jesoa izy ny alina nisamborana ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 22:54–62).

Eritrereto ny nampiavaka ny teny sy ny zavatra nataon’i Petera tamin’ny andron’ny Pentekôsta tamin’ny zavatra izay nitranga rehefa nandà in-telo ho nahafatatra an’i Jesoa izy. Inona araka ny eritreritrao no nahatonga io fiovana tao amin’i Petera io?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:37 mba hitadiavana ny fiantraikan’ny tenin’i Petera tamin’ireo vahoaka. (Soratra masina fehezina ny Asan’ny Apostoly 2:36–38. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hanamora ny fahitanao ny toerana misy izany.)

Jereo ilay andian-teny hoe “voatsindrona tam-pony” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:37. Ny teny hoe voatsindrona eto dia midika hoe voatrobaka ary milaza fa nahatsapa alahelo sy nenina ny vahoaka satria nohomboin’ny vahoaka sy ny firenena Jiosyi Jesoa Kristy Tompony. Tsy nilaza akory i Petera fa ilay vondron’olona Jiosy avy amin’ny firenena maro izay nampianariny tamin’ny andron’ny Pentekôsta no ireo izay tompon’andraikitra tamin’ny fanomboana ny Mpamonjy tamin’ny hazo fijaliana.

Araka ny voalazan’ny Asan’ny apostoly 2:37, dia inona no fanontaniana napetraky ny vahoaka? Diniho ny fomba anehoan’io fanontaniana io fa nanomboka niaina fiovampo ilay vahoaka.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:38–41 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Petera ireo vahoaka mba ho ataony. Ny teny hoe maditra dia midika hoe mpikomy na ratsy fanahy na tsy marin-toetra.

Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 2:41, dia inona no fihetsika nasetrin’ny vahoaka ny fampianarana sy ny fanasan’i Petera mba hibebaka sy hatao batisa?

vahoaka manatrika batisa eo amin’ny renirano

Maro no nandray ny fahamarinana ka natao batisa.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:42–47 hitadiavana ny zavatra nataon’ireo olona vao niova fo tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy rehefa avy nandray ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy sy natao batisa izy ireo.

Ahoana no nanehoan’ny zavatra nataon’izy ireo fa tena niova fo marina izy ireo?

Ny andian-teny hoe “famakiana ny mofo” (Asan’ny Apostoly 2:42) dia manondro ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, ary ny hoe “niombonany avokoa ny fananany rehetra” (Acts 2:44) dia manondro ny Olomasina izay miainana ny lalàn’ny fanokanana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana eo anivon’izy ireo.

Tadidio fa talohan’ny nandrenesan’izy ireo sy ny nanaovany zavatra araka ny tenin’i Petera, ireo Jiosy ireo dia sady tsy nanaiky an’i Jesoa ho Mpamonjy no tsy nanaraka ny fampianarany. Diniho ny halehiben’ny fiovana teo amin’ireo vahoaka ireo.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny Asan’ny Apostoly 2:37–47 ny hoe: rehefa mandray ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika dia hiova ny fontsika ka hiova fo amin’i Jesoa Kristy isika.

  1. sary famantarana ny diaryAtaovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    1. Soraty ny zavatra izay azon’ny olona iray atao mba handraisana ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

    2. Apetraho amin’ny havana na namana na mpiray vodirindrina iray izao fanontaniana manaraka izao ka soraty ny valinteniny (azonao atao ihany koa ny manoratra ny valinteninao amin’ilay fanontaniana): Rehefa niezaka nianatra sy niaina ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ianao, dia tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina anao hiova ka ho lasa niova fo ho an’i Jesoa Kristy?

  2. sary famantarana ny diaryMakà minitra vitsy hieritreretana lalina momba ny zavatra azonao atao mba handraisana tsara kokoa ny tenin’Andriamanitra sy ireo fampianarany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Inona avy ireo fiovana azonao atao rehefa mikatsaka ny hanao zavatra araka ireo bitsika voarainao ianao? Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao sy ny fahatsapanao. Mametraha tanjona momba ny zavatra hataonao amin’ity herinandro ity mba handray tsara kokoa ny tenin’Andriamanitra sy ireo fampianarany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Asan’ny Apostoly 2:36–39

Vakio indray ny Asan’ny Apostoly 2:38 hitadiavana ny fitahiana izay nolazain’i Petera fa ho azon’ireo vahoaka noho ny fibebahany amin’ny fahotany sy ny fanaovany batisa.

Avy amin’io andininy io isika dia mianatra fa rehefa mino an’i Jesoa Kirsty isika, mibebaka ary atao batisa, dia vonona ny handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ahoana no hanomanan’ny fibebahana sy ny batisa ny olona iray handray ny fanomezana ny Fanahy Masina? Mianatra isika avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa nohamasinina amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina isika (3 Nefia 27:20) ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia afaka mahazo ny famelana ny fahotantsika isika (jereo ny 2 Nefia 31:17).

  1. sary famantarana ny diaryAmpitahao amin’ny fanekem-pinoana fahefatra ny Asan’ny Apostoly 2:36–38. Tadiavo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:36–38 ireo teny na andian-teny izay mampiseho na mampianatra ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:38 (ohatra: A h P t: M, a a s h …). Avy eo dia ampiasao ny zavatra izay nosoratanao mba hanampiana anao hitadidy izany andininy avy ao amin’ny soratra masina fehezina izany. Tonony ilay andininy mandra-pahafahanao manao tsianjery izany. Alaivo sary an-tsaina ny hoe manasa olona iray hatao batisa mba hahafahany migoka ny fanomezana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany.

  2. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 2 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: