Tahirim-pitaovana
Fizarana 23, Andro 3: 2 Korintiana 1–3


Fizarana 23: Andro 3

2 Korintiana 1–3

Fampidirana

Nanoratra ho an’ireo Olomasina tany Korinto i Paoly Apôstôly ary nanazava ny fomba ahafahan’izy ireo mifampionona izy. Namporisika azy ireo ihany koa izy mba hamela ny heloky ny mpanota iray izay niara-nivavaka tamin’izy ireo. Nampianarin’i Paoly ireo Olomasina fa rehefa mitodika amin’ny Tompo izy ireo, dia ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa.

2 Korintiana 1

Nampianarin’i Paoly ireo Olomasina Korintiana ny fomba hifampiononan’izy ireo

Mieritrereta fotoana iray izay nianjadian’ny fisedrana mafy na fijaliana tamin’ny olona iray fantatrao. Inona no nataonao hanampiana azy?

Moa ve ianao efa naniry ny hampionona olona izay nandalo fitsapana mafy teo amin’ny fiainany kanefa tsy fantatrao hoe amin’ny fomba ahoana?

Rehefa mandalina ny 2 Korintiana 1 ianao, dia tadiavo ny fahamarinana izay afaka manampy anao hahafantatra ny fomba hampiononana ny hafa ao amin’ny fitsapana sy fahoriana iainan’izy ireo.

Tany Efesosy i Paoly Apôstôly tamin’izy nanoratra ny 1 Korintiana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto. Nisy tabataba taty aoriana tany Efesosy ho valin’ny fampianaran’i Paoly tany (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:23–41; ny Asia voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia faritany Romana izay Turquie amin’izao fotoana izao). Nandao an’i Efesosy i Paoly ka nankany Makedonia, tany no nampitan’i Titosy ny vaovao hoe ireo taratasin’i Paoly teo aloha dia noraisin’ireo Olomasina tany Korinto tsara. Nandre ihany koa i Paoly fa nandalo fotoan-tsarotra ireo Olomasina ary nisy olona sasany nanao fampianaran-diso tany Korinto nanova ny fotopampianarana marin’i Kristy. Nanoratra ny 2 Korintiana i Paoly mba hampiononana ireo Olomasina sy hiresahany ireo olana izay nentin’ireo mpanao fampianaran-diso.

Vakio ny 2 Korintiana 1:1–5 dia tadiavo ny zavatra nolazain’i Paoly ireo Olomasina tany Korinto mikasika ireo fotoan-tsarotra lalovan’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ao amin’ny soratra masinao ny zavatra nolazain’i Paoly ao amin’ny andininy 3–4 ka mety ho nampionona azy ireo.

Ianarantsika avy amin’ny 2 Korintiana 1:4 ity fahamarinana manaraka ity: Satria ny Ray any An-danitra mampionona antsika amin’ny fotoan-tsarotra lalovantsika, dia afaka manampy ny hafa hahazo ny fampiononany isika.

  1. journal iconManorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny fotoana iray izay nandraisanao ny fampiononan’ Andriamanitra nandritra ny fitsapana iray. Nahoana araka ny hevitrao io traikefa io no afaka manampy anao hanampy olona hafa mba handray ny fampiononany?

Ianarantsika ao amin’ny 2 Korintiana 1:6–8 ny zavatra nolazain’i Paoly an’ireo Olomasina tao Korinto momba ny fitsapana mafy sy maningotra aina izay niainan’izy sy ireo namany nandritra ny fitoriana ny filazantsara nataony tany Efesosy.

Vakio ny 2 Korintiana 1:9–11 dia tadiavo izay nanampy an’i Paoly sy ireo namany nandritra ny fitsapana nolalovany.

Fenoy avy amin’izay hita ao amin’ny andininy 11, ity fahamarinana manaraka ity izay mikasika ny fomba ahafahanao manampy ny olona mandalo fitsapana: dia afaka manampy ireo izay mandalo fitsapana.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:

    1. Fomba ahoana no ahafahan’ny vavakao manampy olona iray izay mandalo fitsapana?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny vavaky ny hafa anao nandritra ny fitsapana izay nolalovanao?

Ianarantsika ao amin’ny 2 Korintiana 1:12–24 fa nahafaly an’i Paoly ireo izay nandray ny torohevitra nomeny tao amin’ny epistiliny voalohany. Ao amin’ny andininy 15–20 dia novaliany ireo izay nitsikera azy rehefa tsy tanteraka ilay drafitra nataony hamangy azy ireo. Ny sasany tamin’ireo nitsikera an’i Paoly dia toa nilaza fa satria novain’i Paoly ny dia efa nomaniny, dia tsy afaka ny hatoky azy na ny fampianarany intsony izy ireo. Nambaran’i Paoly fa marina ny hafatry ny filazantsara, na manao ahoana na manao ahoana ny fiovan’ny drafitra nataony.

2 Korintiana 2

Mamporisika ny Olomasina tao Korinto hamela heloka mpanota iray i Paoly

Eritrereto ny fotoana iray izay nanaovan’ny olona iray ratsy taminao na tamin’ny olona tianao. Eritrereto ny antony mety hahasarotra ny mamela izany olona izany.

Rehefa mandalina ny 2 Korintiana 2 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra hoe nahoana no zava-dehibe ny mamela ny olona.

Ao amin’ny taratasy voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana, dia nananatra azy ireo izy noho ny tsy fankatoavany sy ny tsy fahampian’ny finoan’izy ireo. Vakio ny 2 Korintiana 2:1–4 dia tadiavo hoe inona no nantenain’i Paoly ho fantatr’ireo Olomasina tany Korinto mikasika ny fananarana nataony. Asio marika na soraty ao amin’ny andininy 4 ny antony nolazain’i Paoly fa nanomezany ny fananarany.

Porofon’ny fitiavan’ny olona iray antsika amin’ny fomba ahoana ny fananarana na fanitsiana?

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 2:5–6, i Paoly dia nanoratra momba ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay nanota tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa ary niteraka alahelo ho azy ireo. Vokatr’izany, dia nanasazy io lehilahy io ny Fiangonana.

Vakio ny 2 Korintiana 2:7–8 dia tadiavo izay nolazain’i Paoly momba ny fomba tokony hitondran’ireo Olomasina io lehilahy io? Ny teny hoe kosa ao amin’ny andininy 7 dia milaza hevitra mifanohitra.

Na dia nanota aza io lehilahy io, dia lehibe ny hasarobin’io olona io eo imason’ Andriamanitra (jereo ny F&F 18:10). Namporisika ireo Olomasina mba hamela heloka sy hampionona ary hitia io lehilahy io i Paoly mba hanampiana azy hibebaka.

Vakio ny 2 Korintiana 2:9–11 dia tadiavo hoe inona no antony iray hafa nilazan’i Paoly hoe tokony hamela ny hafa ireo Olomasina.

Araka ny zavatra nampianarin’i Paoly ny Olomasina ao amin’ny andininy 11, dia afaka mahita ity fahamarinana manaraka ity isika: Raha tsy mamela ny hafa isika, dia hanana hery bebe kokoa amintsika i Satana. Asio marika na soraty ao amin’ny 2 Korintiana 2:11 izany fahamarinana izany. Ao amin’ny fanambarana maoderina ny Tompo dia mandidy antsika hamela ny olona rehetra (jereo ny F&F 64:8–11).

Ny mamela olona iray dia tsy midika hoe tsy tokony atao tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony ny mpanota. Tsy midika koa izany hoe mametraka ny tenantsika amin’ny toerana izay ahafahan’ny olona manao ratsy amintsika. Tsy izay fa ny mamela dia midika hoe mitondra ireo izay nanao ratsy antsika araka ny fitiavan’i Kristy ka tsy manana otri-po amin’izy ireo, izany dia hisy vokany eo amin’ny fivoarantsika ara-panahy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mamela,” scriptures.lds.org).

“Raha toa ka niharan’ny herisetra ara-nofo ianao dia fantaro fa tsy manan-tsiny ianao ary tia anao Andriamanitra. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao na olon-dehibe atokisana hafa, ary mitadiava avy hatrany ny hahazo ny torohevitry ny evekanao. Afaka manohana anao ara-panahy izy ireo ary manampy anao amin’ny fahazoana ny fiarovana sy ny fanampiana ilainao. Mety haharitra ny dingan’ny fahasitranana. Matokia ny Mpamonjy. Hanasitrana anao Izy sy hanome fiadanana anao” (Jeunes Soyez Forts [bokikely, 2011], 36–37).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny eritreritrao, manana hery bebe kokoa amintsika amin’ny fomba ahoana i Satana rehefa tsy mamela ny hafa isika?

Mieritrereta olona iray izay tokony havelanao. (Tsarovy fa ny mamela dia tsy midika akory hoe mamela ny tenanao hiharan’ny fanaovan-dratsy. Midika izany hoe mamela izay nanao ratsy mba ahafahanao mandroso amin’ny fivoaranao manokana ara-panahy.) Mametraha tanjona hamela io olona io mba tsy hananan’i Satana hery bebe kokoa aminao. Mangataha fanampiana amin’ny Ray any An-danitra rehefa mikatsaka ny hamela ny hafa ianao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 2:12–17, i Paoly dia nilaza tamin’ireo Olomasina fa misaotra an’ Andriamanitra izy, izay “mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy” (andininy 14), na dia nandritra ny fotoan-tsarotra aza.

2 Korintiana 3

Nampianarin’i Paoly ireo Olomasina fa rehefa mitodika amin’ny Tompo izy ireo, dia ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa

Taorian’ny nandaozan’i Paoly an’i Korinto, dia nisy mpampianatra sandoka nanomboka nanohitra ny fampianarany ary niezaka ny hanoso-potaka azy amin’ny filazana tamin’ireo niova fo hoe mbola mila manaraka ny lalàn’i Mosesy izy ireo. Ao amin’ny 2 Korintiana 3:1, mba hamaliana ireo izay niezaka ny nanoso-potaka azy, dia nametraka fanontaniana mifono hevitra tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto i Paoly—fanontaniana izay napetrany noho ny vokatra manafay izay entiny amin’izy ireo, fa tsy nantenainy ho valian’izy ireo— momba ny hoe mila manome azy ireo na omen’izy ireo “[taratasy] filazan-tsoa” izay manamarina ny toetra sy ny zony amin’ny maha-Apôstôly marin’i Jesoa Kristy azy ve izy. (Tamin’ny andron’i Paoly, ny olona vaovao ao amin’ny fiarahamonina iray dia mitondra taratasy filazan-tsoa miaraka aminy. Ireny taratasy ireny dia mampahafantatra ilay olona vao tonga sy manome toky fa tsara toetra izy.)

Vakio ny 2 Korintiana 3:2–3 dia tadiavo hoe inona no nolazain’i Paoly fa atao taratasy filazan-tsoany.

Nampianarin’i Paoly fa ny fiainan’ireo Olomasina izay niova dia toy ny epistily avy amin’i Kristy mihitsy izay atao toy ny taratasy filazan-tsoa an’ny toetran’i Paoly. Ny andian-teny hoe “fantatra sy vakin’olona rehetra” ao amin’ny andininy 2 dia midika fa olona maro no hahafantatra ny Fiangonana amin’ny voalohany sy hitsara ny fahamarinany amin’ny alalan’ny fitondrantena sy ny ohatra asehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

I Mosesy miaraka amin’ny takela-bato

Asio marika na soraty ilay andian-teny hoe “tsy teo amin’izy tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo” ao amin’ny 2 Korintiana 3:3. Tamin’ny andron’i Mosesy dia nosoratana tamin’ny vato fisaka ireo didy. Nampiasa io andian-teny io i Paoly mba hanampiana ireo Olomasina tao Korinto hahatakatra fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia nosoratana tao am-pon’izy ireo ireo didy.

Ao amin’ny 2 Korintiana 3:5–13 i Paoly dia nampiasa tantara tao amin’ny Testamenta Taloha mba hanampiana ireo Olomasina hahatakatra hoe manao ahoana ny ara-panahy amin’ny andron’izy ireo. Nampahatsiahiviny ny Olomasina tao Korinto fa i Mosesy dia nanao voaly teo amin’ny tavany rehefa nidina avy niresaka tamin’ny Tompo tao amin’ny Tendrombohitra Sinay izy satria ny zanak’Isiraely dia natahotra ny voninahitra izay nivoaka avy eny amin’ny tavany.

Vakio ny 2 Korintiana 3:14–15 dia tadiavo ny fomba nampitahan’i Paoly ny Isiraelita izay natahotra ny voninahitra izay nivoaka avy eny amin’ny tavan’i Mosesy sy ireo Jiosy tamin’ny androny. Asio marika na soraty ao amin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.

Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “donto ny sainy” (andininy 14) sy ny hoe nisy “fisalobonana manarona ny fony” (andininy 15)?

Tahaka ireo Isiraelita tamin’ny andron’i Mosesy izay tsy nahazaka ny voninahitra izay avy amin’ny tavan’i Mosesy noho ny tsy fahamendrehany, ireo Jiosy tamin’ny andron’i Paoly dia tsy afaka nahatakatra ny faminaniana momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Testamenta Taloha noho ny faharatsiany.

Vakio ny 2 Korintiana 3:16–18 dia tadiavo ny hoe inona no nampanantenain’i Paoly fa hanaisotra ny voalin’ny tsy fahatakarana ao am-po sy ao an-tsain’ny vahoaka.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manova ny andian-teny hoe “rehefa miverina amin’ny Tompo izy” ao amin’ny andininy 16 ho lasa hoe “rehefa miverina amin’ny Tompo ny fony ” (Dikantenin’i Joseph Smith, 2 Korintiana 3:16; nampiana soramandry).

Araka ny voalaza ao amin’ny 2 Korintiana 3:18, dia inona no mitranga amin’ireo izay mitodika amin’ny Tompo sy voaisotra ny voalin’ny tsy fahatakarany? Asio marika na soraty ao amin’ny soratra masinao ny valiny hitanao.

Ny andian-teny hoe “ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra” (andininy 18) dia milaza ny fiovana tsikelikely izay azontsika amin’ny alalan’ny Fanahy izay manampy antsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa. Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa rehefa mampiverina ny fontsika amin’ny Tompo isika, dia hanana ny Fanahy, izay manova tsikelikely antsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa.

  1. journal iconFenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    1. Hazavao izay eritreretinao ho dikan’ny hoe mampiverina ny fontsika amin’i Jesoa Kristy.

    2. Manaova lisitry ny fomba izay ahafahanao mampiverina ny fonao amin’i Jesoa Kristy.

Eritrereto ny fomba efa nanovan’ny Fanahy anao hatramin’ny nanombohanao nandalina ny Testamenta Vaovao tamin’ity taona ity. Manorata tanjona iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay hanampy anao hiverina bebe kokoa amin’ny Tompo mba hahafahanao mandray ny Fanahy sy ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nNandalina ny 2 Korintiana 1–3 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty)

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: