Tahirim-pitaovana
Fizarana 11,Andro 3: Lioka 16


Fizarana 11: Andro 3

Lioka 16

Fampidirana

Nampianatra ny fanoharana mikasika ny mpitandrina fananana tsy marina i Jesoa. Naheno ny fampianaran’i Jesoa ireo Fariseo ka naneso Azy. Avy eo i Jesoa dia niteny mafy ireo Fariseo ka nampianatra azy ireo ny fanoharana momba ilay lehilahy manan-karena sy i Lazarosy.

Lioka 16:1–12

Nizara ny fanoharana mikasika ny mpitandrina fananana tsy marina i Jesoa

Tanisao eo amin’ny toerana malalaka voatokana ny vitsivitsy amin’ireo zavatr’izao tontolo izao izay hametrahan’ny olona matetika ny fony sy ezahiny ho azo:

Mitanisà vitsivitsy aminireo harena mandrakizay izay tian’ny Ray any An-danitra ho katsahintsika (toy ny fianakaviana mandrakizay sy ny fiadanana):

Afaka mahazo ny sasany amin’ireo harena mandrakizay ireo eto amin’ity fiainana ity isika. Asio faribolana ny iray na ny roa amin’ireo harena mandrakizay izay notanisainao ka manan-danja indrindra aminao. Eo am-pandalinanao ny Lioka 16, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka hanampy anao hahazo harena mandrakizay.

Rehefa avy nampianatra ny fanoharana momba ny ondry very sy ny farantsa kely very ary ny zanaka adala ny Mpamonjy dia nampianatra ireo mpianany ny fanoharana momba ilay mpitandrina fananana tsy marina Izy. Ny mpitandrina fananana dia olona iray izay mikarakara ny raharaham-barotry ny olona iray, na vola, na fanananana.

Vakio ny Lioka 16:1–2 mba hikarohana ny zavatra nianaran’ilay lehilahy mpanankarena tao amin’ilay fanoharana mikasika ilay mpitandrina fananana.

Jereo ny zavatra niampangana ilay mpitandrina fananana fa nataony tamin’ny fananan’ilay lehilahy mpanankarena. Vokatry ny fandaniana nataon’ilay mpitandrina fananana dia mety ho very amin’ny ny toerana maha-mpitandrina fananana azy.

Ianarantsika ao amin’ny Lioka 16:3–7, fa ilay mpitandrina fananana dia niahiahy mikasika izay ho ataony rehefa very ny asany satria tsapany fa tsy afaka hiasa tany izy ary koa menatra loatra ny hangataka. Nanao drafitra izay noheveriny fa mety hitarika azy hanana fahafahana hiasa any amin’ny tokantrano hafa izy. Namangy ny roa tamin’ireo mpitrosa vola tamin’ilay lehilahy mpanankarena izy ka nahenany be ny trosan’izy ireo, izay nantenainy fa hahazoany fankasitrahana avy amin’izy ireo.

Vakio ny Lioka 16:8 mba hikarohana ny fihetsika nasehon’ilay lehilahy mpanankarena rehefa naheno ny zavatra nataon’ilay mpiandry fananana izy. Mety manampy ny mahalala fa “ny zanak’izao tontolo izao”dia ireo olona mieritreritra araka ny zavatr’izao tontolo izao, ary ny “ zanaky ny mazava” dia ireo mpanaradia an’ Andriamanitra , na ireo olona mihevitra ny zava-panahy.

Mariho fa ilay lehilahy mpanankarena dia nidera ny faharanitantsain’ilay mpitandrina fananana tamin’ny fahazoana fankasitrahana avy amin’ireo olona nananan’ilay lehilahy manankarena trosa. Tsy ny tsy fahamarinan-toetran’ilay mpitandrina fananana no noderainy.

Loholona James E. Talmage

Nanazava ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ilay fanoharana momba ilay mpitandrina fananana tsy marina ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny tanjon’ny Tompontsika dia ny haneho ny fifanoherana eo amin’ny firaharahiana sy ny fahaizana misaina ary ny fanolorantenan’ireo olona izay mirotsaka amin’ny fanaovana raharaha fitadiavam-bola eto an-tany, sy ny firotsahana amin’ny ampahany ataon’ny maro izay mody miezaka mikatsaka ireo arena ara-panahy. Ireo olona izay misaina araka ny fomban’izao tontolo izao dia tsy manao ambanin-javatra ny vatsy izay ilain’izy ireo: mandritra ny taona maro izay ho avy, ary matetika dia maika ny hanangona be dia be amim-pahotana Ireo ‘zanaky ny mazava’ kosa, na ireo izay mino ny harena ara-panahy ho ambony noho ny zavatr’izao tontolo izao dia tsy dia ampy fahavitrihana,fahamalinana ,na fahendrena“ (Jesus le Christ, ed. faha 3 [1916], 463).

Vakio ny Lioka 16:10–12 mba hikarohana ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hataontsika mba ho voatahy amin’ny harena maharitra mandrakizay. Marihina fa ny mamôna ao amin’ny andininy 11 dia entina ilazana ireo harenan’ny tany, ka anisan’izany ny vola sy ny fananana. Mety hanampyihany koa ny mahafantatra fa ny hoe “mahatoky amin’ny kely indrindra” (Lioka 16:10) dia midika hoe mampiasa amim-pahamarinana ny harenan’ny tany.

Avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 16:1–12no ianarantsika fa raha miomana amim-pahendrena amin’ny ho avintsika mandrakizay isika sy mampiasa amim-pahamarinana ireo harenan’ny tany, dia afaka ny ho voatahy amin’ireo harena mandrakizay.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:

    1. Amin’ny fomba ahoana no ahitana taratra ny fahamendrehantsika ho azo atokisana amin’ny harena mandrakizay amin’ny alalan’ny fampiasantsika am-pahamarinana ireo harenan’ny tany?

    2. Ahoana no ahafahanao mampiasa amim-pahamarinana ny harenan’ny tany amin’ny maha tanora anao? Ahoana no ahafahanao manao izany amin’ny maha olon-dehibe anao? (jereo ny Jakoba 2:17–19.)

Lioka 24:36–31

Niteny mafy ireo Fariseo ka nampianatra fanoharana momba an’ilay lehilahy mpanankarena sy i Lazarosy i Jesoa

Eo ampandalinanao ny Lioka 16:13–26, dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny haren’ny tany manakana ny olona sasany tsy hahazo ireo harena mandrakizay.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Lioka 16:13–14 dia nampianatra ny Mpamonjyfa “tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna [isika]” (Lioka 16:13). Nandre ny fampianaran’ny Mpamonjy ireo Fariseo ka “naneso“ (Lioka 16:14), na nanala baraka Azy. Karohy ao amin’ny Lioka 16:14 ny teny izay mamaritra ireo Fariseo sy manome fanazavana iray mikasika ny antony nanesoan’izy ireo ny Mpamonjy noho ny fampianarany.

Ireo Fariseo dia be fitsiriritana, izany hoe naniry fananana bebe kokoa tamim-pitiavan-tena izy ireo, indrindra fa ireo zavatra izay an’ny hafa. Nitsiriritra harenan’ny tany sy fahefana izy ireo (jereo ny Matio 23:2–6, 14). Nahoana araka ny eritreritrao no anisan’ny fanesoana ny Mpamonjy ny fitsiriritana izay nananan’izy ireo?

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 16:16–23 (ao amin’ ny torolalana ho an’ny soratra masina), mba hitadiavana hevi-baovao misimisy kokoa momba ny resaka nifanaovan’ireo Fariseo tamin’ny Mpamonjy.

Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa ny Fariseo dia nanambara fa ny lalàn’i Mosesy dia niasa ho toy ny lalàn’izy ireo, ka noho izany dia nandà an’i Jesoa tsy ho mpitsara azy izy ireo. Nanazava i Jesoa fa ny lalàn’i Mosesy sy ireo mpaminany dia nijoro ho vavolombelona momba Azy. Nanotany ireo Fariseo Izy noho ny fandavan’izy ireo izay voasoratra ary niteny azy ireo mafy noho izy ireo “namily ny lala-mahitsy“ (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 16:21). Mba hanampiana ireo Fariseo mpitsiriritra ireo hahatakatra ny fitondran-tenany sy ny vokatr’izany, dia nampitovy azy ireo tamin’ilay lehilahy manankarena ao anatin’ilay fanoharana voarakitra ao amin’ny Lioka 16:19–31 ny Mpamonjy.

Eo am-pamakianao ny Lioka 16:19–31, dia alaivo saryan-tsaina ireo olona ao amin’io fanoharana io sy ny fifandraisan’izy ireo. Vakio mafy ireo andininy ireo, toy ny hoe eo anoloan’ny mpihaino ianao, ary mitanisa ny tenin’ny Mpamonjy (Lioka 16:19–23), ilay lehilahy mpanankarena (Lioka 16:24, 27, 28, 30), sy Abrahama (Lioka 16:25, 26, 29, 31). Mety manampy ny mahafantatra fa ny hoe “an-tratran’i Abrahama“ (Lioka 16:22) dia maneho ny paradisa ao amin’ny tontolon’ny fanahy ary ny “fiainan-tsy hita” (Lioka 16:23) dia entina ilazana ny tranomaizin’ny fanahy (jereo ny Bible Dictionary, “Abraham’s Bosom,” “Hell”).

fanehoana an-tsary ny paradisa sy ny tranomaizina

Inona no tsy mampitovy ny fiainan’ilay lehilahy mpanankarena teto an-tany amin’ny an’i Lazarosy?

Inona ny fiantraikan’ny fitsiriritan’ilay lehilahy mpanankarena na ny fitiavany haren’ny tany teo aminy rehefa maty izy?

Natao hampianatra inona ho an’ireo Fariseo ity fanoharana ity araka ny hevitrarao?

Ny fitsipika iray azontsika hianarana avy amin’io fanoharana io dia ny hoe raha toa ka mpitsiriritra isika ka tsy mampiasa ny harenan-tsika eto an-tany amim-pahamarinana, dia hiaina fijaliana sy fanenenana isika any aoriana any (jereo koa ny F&F 104:18).

Mpangataka sy alika

Ireo alika dia nilelaka ny ferin’i Lazarosy ilay olona mahantra nandry teo anilan’ny vavahadin’ilay lehilahy mpanankarena.

Afaka mianatra fahamarinana fanampiny isika avy amin’io fanoharana io. Araka ny voalazan’ny Lioka 16:30 dia inona no ninoan’ilay lehilahy mpanankarena fa hitranga raha niseho tamin’ireo rahalahiny i Lazarosy?

Nino ilay lehilahy mpanankarena fa hibebaka sy hiova fo ho amin’ny fahamarinana ireo rahalahiny raha toa ka miseho amin’izy ireo i Lazarosy. Ny fiovam-po dia “manova ny finoana, ny fo, ary ny fiainana mba hanaiky sy hankato ny sitrapon’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “fiovam-po,niova fo,” scriptures.lds.org).

Araka ny voalazan’ny Lioka 16:19, 31, dia nahoana i Abrahama no tsy naniraka an’i Lazarosy ho any amin’ireo rahalahin’ilay lehilahy mpanankarena?

Rehefa nanonona ny hoe “Mosesy sy ireo mpaminany,” ny Mpamonjy dia niresaka indray ireo soratra masina izay nolazain’ireo Fariseo fa inoan’izy ireo sy iainany fa raha ny tena marina dia nolaviny.

Mianatra avy amin’io fanoharana io isika fa ny fiovam-po dia tonga amin’ny alalan’ny finoana sy ny fihainoana ny tenin’ireo mpaminany, fa tsy amin’ny alalan’ny fahitana fahagagana na ny fahitana anjely.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no tonga amin’ny alalan’ny finoana sy ny fihainoana ny tenin’ireo mpaminany ny fiovam-po fa tsy amin’ny alalan’ny fahitana fahagagana na ny fahitana ireo anjely?

    2. Inona ny fampianarana manokana avy amin’ireo mpaminany izay nanentana ny fiovam-ponao?

Soraty eo amin’ny taratasy iray hafa ny tanjona iray izay ahafahanao mino na mihaino bebe kokoa ny fampianarana manokana na ny torohevitra avy amin’ireo mpaminany mba ho matanjaka ny fiovam-ponao. Mba hahazoana hevitra dia avereno jerena ny kiboky Ry tanora mahereza. Apetraho eo amin’ny toerana izay ahitanao azy isan’andro ilay taratasy, mba hampahatsiahy anao ny tanjonao, mety ho ao anatin’ny soratra masinao izany.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Lioka 16 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: