Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Marka


Fampahafantarana ny Marka

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny bokin’i Marka dia mitantara ny asa fanompoana, ny fahafatesana, ary ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ao anatin’ny fitantarana haingana izay matetika mifantoka amin’ireo asa mahatalanjona nataon’ny Mpamonjy. Ny lehibe indrindra eo anivon’izany dia ny Sorompanavotana, izay nasongadin’i Marka fa ivon’ny iraka nataon’i Jesoa amin’ny maha-Mesia izay nampanantenaina efa ela Azy. Amin’ny alalan’ny fandalinana ny fitantarana sy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Marka mikasika ny fomba nanatanterahan’ny Mpamonjy ny Sorompanavotana izay nataony, dia afaka manova ny fonao bebe kokoa amin’ny filazantsara ianao ary hanana herimpo hanara-dia ny Mpamonjy.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Marka (izay antsoina koa hoe Jaona Marka) no nanoratra ity boky ity. Na dia tsy anisan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy tany am-boalohany aza i Marka, dia taty aoriana kely izy dia niova fo ary lasa mpanampy ny apôstôly Petera, ary mety ho nanoratra ny filazantsarany araka izay nianarany avy amin’i Petera izy (jereo ny Bible Dictionary, “Mark”).

I Marka sy i Maria reniny dia nipetraka tao Jerosalema, ary ny tranon’izy ireo dia toerana fihaonana ho an’ireo olona sasany Kristianina tany aloha (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:12). Nandao an’i Jerosalema i Marka mba hamonjy an’i Barnabasy sy i Saoly (Paoly) tamin’ny dia fitoriana ny filazantsara nataon’izy ireo voalohany (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:25;13:4-6, 42-48). Taty aoriana kely i Paoly dia nanoratra fa i Marka dia niaraka taminy tany Roma (jereo ny Kolosiana 4:10; Filemona 1:24; antsoina hoe Marka izy ao amin’ireo andininy ireo) ary nidera an’i Marka ho namana “mahasoa [azy] amin’ny fanompoana izy” (2 Timoty 4:11). I Petera dia niantso azy hoe “Marka zanako” (1Petera 5:13), izay maneho ny fifandraisana akaiky nisy teo amin’izy ireo.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Tsy fantatsika mazava hoe oviana no nanoratana ny filazantsaran’i Marka. I Marka dia azo inoana fa nanoratra ny filazantsarany tany Roma teo anelanelan’ny taona 64 taorian’i J.K. sy ny taona 70taorian’i J.K. , mety ho fotoana fohy taorian’ny namonoana ny Apôstôly Petera ho maritiora teo ho eo amin’nytaona 64 taorian’i J.K.. “ ”

Nosoratana ho an’iza ity boky ity ary inona ny antony nanoratana azy?

Ny filazantsaran’i Marka dia mirakitra antsipiriany—toy ireo teny nalaina avy amin’ny dikanteny Arameanina, fanehoan-kevitra Latina, ary fanazavana ireo fomba fanao Jiosy—izay natao ho an’ireo vahoaka Romana voalohany indrindra ary ireo olona avy amin’ny firenena jentilisa hafa, sy ireo niova fo tamin’ny finoana Kristianina, indrindra tao Roma sy nanerana ny fanjakana Romana manontolo. Maro ireo nino fa i Marka dia niaraka tamin’i Petera tany Roma nandritra ireo fotoana niatrehana fisedrana mahery vaika ny finoan’ireo izay mpikamban’ny fiangonana nanerana ny fanjakana Romana.

Ny iray ampahatelon’ny filazantsaran’i Marka dia mitantara ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo zavatra niainany nandritra ny herinandro farany teo amin’ny fiainany. I Marka dia nijoro ho vavolombelona fa ny Zanak’ Andriamanitra izay nijaly dia nandresy hatramin’ny farany ny faharatsiana, ny fahotana, ary ny fahafatesana. Io fijoroana ho vavolombelona io dia midika fa ireo mpanaradia ny Mpamonjy dia tsy tokony natahotra rehefa niatrika fanenjehana, na fisedrana, eny fa na dia ny fahafatesana aza, fa nanara-dia ny Tompony izy ireo. Afaka niaritra tamim-pahatokiana izy ireo, amin’ny fahafantarana fa ny Tompo dia hanampy azy ireo ary ny fampanantenany rehetra dia ho tanteraka amin’ny farany.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Nanomboka tampotampoka sy tamin’ny endriny mahavariana ary mitantara ny fandehan-javatra amin’ny fomba haingana dia haingana hatramin’ny farany ny filazantsaran’i Marka, izay nitantara ireo zava-nitranga nifanesy haingana. Matetika no nampiasain’i Marka ny teny hoe niaraka tamin’izay sy avy hatrany, izay mampiseho ny hafainganan’ny fandehan-javatra sy ny asa natao.

Na dia mihoatra ny 90 isan-jaton’ny fampianarana ao amin’i Marka aza no hita ihany koa ao amin’i Matio sy Lioka, dia matetika no ahitana antsipiriany fanampiny izay manampy antsika hankasitraka feno kokoa ny fangorahan’ny Mpamonjy sy ny valintenin’ireo olona nanodidina Azy ny fampianaran’i Marka (ampitahao Marka 9:14-27 amin’ny Matio 17:14-18). Ohatra, i Marka dia nitantara ny fandraisana feno hafanam-po niely patrana izay noraisin’ny Mpamonjy avy amin’ireo olona tao Galilia sy tany amin’ireo toerana hafa tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoana nataony (jereo ny Marka 1:32-33,45; 2:2; 3:7-9; 4:1). Nitantara tamim-pitandremana ireo fihetsika maneho fanoherana nasehon’ireo mpanora-dalàna sy ny fariseo koa i Marka, ary ny fanoheran’izy ireo dia nitombo haingana niainga avy tamin’ny fananan’izy ireo eritreri-dratsy tao am-po (jereo ny Marka 2:6-7) ka niafara tamin’ny firaisana tetika ny hamotika an’i Jesoa (jereo ny Marka 3:6).

Anisan’ireo lohahevitra manan-danja ao amin’i Marka ireo fanontaniana mikasika ny hoe iza i Jesoa ary iza no nahatakatra ny maha-Izy Azy, anisan’izany ihany koa ny anjara asan’ny mpianatra amin’ny maha-tsy maintsy “hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka an’i [Jesoa]” azy ireo (Marka 8:34). Ho fanampin’izany, ny filazantsaran’i Marka irery ihany no hany mitantara ny fanoharana ny amin’ny voa izay mitombo samirery (jereo ny Marka 4:26-27), ny fanasitranana ilay olona marenina teo amin’ny faritr’i Dekapolisy (jereo ny Marka 7:31-37), ary ny fanasitranana tsikelikely ilay lehilahy jamba tao Betsaida (jereo ny Marka 8:22-26).

Topimaso

Marka 1–4. Nataon’i Jaona Mpanao Batisa batisa i Jesoa dia nanomboka nitory ny filazantsara, niantso ireo mpianany, ary nanao fahagagana maro. Rehefa nitombo ny fanoherana Azy dia nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana Izy.

Marka 5-7. Nanohy nanao fahagagana maro ny Mpamonjy, ary nampiseho ny fangorahany ny hafa. Tao aorian’ny namonoana an’i Jaona Mpanao Batisa, dia namahana olona mihoatra ny dimy arivo i Jesoa ary nandeha teo ambonin’ny rano. Nanitsy ireo fomban-drazana diso izy.

Marka 8-10. Nanohy nanao fahagagana i Jesoa Kristy. I Petera dia nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy. Intelo naminany mikasika ny fijaliany, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin’ny maty ny Mpamonjy kanefa tsy nahatakatra tanteraka ny tena dikan’izany ireo mpianany. Nampianatra azy ireo mikasika ny fanetrentena sy ny asa fanompoana takiana amin’ny mpianany Izy.

Marka 11-16. Niditra tao Jerosalema, nampianatra ireo mpianany, nijaly tao Getsemane, ary nohomboana ny Mpamonjy tao anatin’ny herinandro farany teo amin’ny Fiainany. Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.