Tahirim-pitaovana
Fizarana 30, Andro 3: 2 Jaona– 3 Jaona


Fizarana 30: Andro 3

2 Jaona3 Jaona

Fampidirana

I Jaona Apôstôly dia nampitandrina ireo Olomasina mikasika ireo olona izay mamitaka sy mitory fa i Jesoa Kristy dia tsy tonga teto an-tany tao amin’ny nofo. Nidera an’i Gaio, izay mpikamban’ny Fiangonana, ihany koa izy noho ny fahatokiany.

2 Jaona

Nampitandrina mikasika ireo olona izay mampianatra fampianaran-diso i Jaona

Mieritrereta atleta fanta-daza iray. Inona no mety ataon’ity atleta ity mba hijanona ho salama lalandava ka hahita fahombiazana?

baolina kitra sy mpilalao baolina kitra

Inona no mety hitranga raha toa ka rehefa avy niasa mafy mba hananana ny toe-batana ilaina ka nijanona tsy nikotrana ary nanomboka nihinana sakafo mampatavy, mijery fahitalavitra be loatra, milalao jeux vidéo ary mampiasa zavatra izay manimba ny vatana ity atleta ity?

Saintsaino hoe ahoana no ampitahaina amin’ny asa tsy maintsy ataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hihazonana ireo fitahiana azon’izy ireo amin’ny alalan’ny filazantsara ny asa izay tsy maintsy ataon’ireo atleta mahomby mba hihazonan’izy ireo toe-batana tsara indrindra. Rehefa mandalina ny 2 Jaona ianao dia tadiavo ny fitsipika iray izay afaka manampy anao hihazona ireo fitahiana azonao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Jaona 1:1–4, i Jaona Apôstôly dia nanomboka ity epistily ity tamin’ny firesahana tamin’ilay “tompokovavy voafidy sy ny zanany,” izay mety ho resaka mivantana natao tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana vehivavy iray sy ny zanany na sarin-teny hamariparitana ny mpivavaka ao amin’ny Fiangonana iray.

Vakio ny 2 Jaona 1:5–6 dia tadiavo ny didy izay nampahatsiahivin’i Jaona ireo Olomasina.

Vakio ny 2 Jaona 1:7 dia tadiavo ny antony nanoroan’i Jaona hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba “handeha araka ny” (2 Jaona 1:6), na hankatò ny didin’ Andriamanitra.

Inona avy ireo zavatra nampianarin’ireo mpamitaka sy antikristy?

Tamin’ny fotoana nanoratan’i Jaona ity epistily ity, dia nisy filôzôfia antsoina hoe Docetisme izay niha-nahazo vahana. Ireo Docetiste dia nino fa Andriamanitra dia nisandratra avo dia avo tokoa ka teo ambonin’ny fijaliana, fahafatesana na ireo traikefa misy eto an-tany Izy. Noho izany dia noraisin’izy ireo fa i Jesoa Kristy, amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy, dia tsy tonga tamin’ny nofo fa ny fanahiny ihany no toa (ny dikan’ny teny Grika iray izay nakana ny docetisme) manao ireo zavatra izay ho atao na hiainan’ny olona iray.

Inona ireo ohatra na fampianaran-diso amin’izao androntsika izao izay mifanipaka amin’ny fahamarinan’ny filazantsara?

Nahoana no miteraka loza ara-panahy ireo fampianarana ireo?

Vakio ny 2 Jaona 1:8 dia tadiavo ny torohevitra nasain’i Jaona nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana noho ireo fampianaran-diso ireo. Ny hoe “mitandrema ianareo” dia midika hoe miambina na mailo mba tsy hampihatra ireo fampianaran-diso ireo. Ny hoe namonoanay tena dia midika hoe notanterahina na nilofosana ka azo.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny 2 Jaona 1:6–8 ny hoe rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy miambina isika, dia afaka manohy mankamamy ireo fitahiana azontsika avy amin’ny filazantsara.

  1. journal iconValio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto manaraka ireto:

    1. Tanisao ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara izay noraisinao na hantenainao ho azo.

    2. Nahoana isika no tsy maintsy manohy mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy miaina ny filazantsara mba hahazoantsika sy hanohizantsika mankamamy ireo fitahiana azontsika avy amin’ny filazantsara?

Vakio ny 2 Jaona 1:9 dia tadiavo ny zavatra izay nampianarin’i Jaona fa hitranga amin’ireo izay mijanona, na mitoetra ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy. Ny fotopampianaran’i Kristy dia ny manana finoana, mibebaka, atao batisa, mandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina avy amin’ny olona iray izay manana ny fahefan’ny fisoronana, ary maharitra hatramin’ny farany (jereo ny 2 Nefia 31:15–21).

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny 2 Jaona 1:9 dia ny hoe rehefa mitoetra ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy isika, dia hanana ny Ray sy ny Zanaka miaraka amintsika.

Ny fomba iray ahafahantsika manana ny Ray sy ny Zanaka miaraka amintsika dia amin’ny alalan’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana.

Saintsaino ireo fahamarinana roa izay hita tao amin’ity lesona ity. Manao ahoana ianao eo amin’ireo ezaka ataonao mba hitandremana ny didin’ Andriamanitra, ho mailo, ary hitoetra ao amin’ny Filazantsara? Inona ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara izay tianao hankamamiana amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy? Inona no ho ataonao anio mba ho mahatoky bebe kokoa amin’ny fitandremana ireo didy sy hitoetra ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy?

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Jaona 1:10–13, i Jaona dia mamporisika ireo Olomasina mba tsy hifampikasoka amin’ireo izay manaparitaka fotopampianaran-diso. Nolazainy ihany koa ny faniriany hamangy manokana ireo Olomasina izay nanoratany taratasy.

3 Jaona

Nidera an’i Gaio noho ny fahatokiany i Jaona

Inona no mitranga eo ambonin’ny rano rehefa misy zavatra mikasika izany? Azo atao ve ny mikasika ny rano kanefa tsy mampisy fiantraikany eo amin’izany? Ahoana no mety hampitovy ny fikasihana ny eo ambonin’ny rano amin’ny fiainana ny filazantsara?

onja eo amin’ny rano

Ao amin’ny 3 Jaona dia niresaka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana mahatoky iray antsoina hoe Gaio i Jaona Apôstôly. Vakio ny 3 Jaona 1:1–4 dia tadiavo hoe tamin’ny fomba ahoana no nampihetsi-po an’i Jaona ny fahatokian’i Gaio teo amin’ny fiainana ny filazantsara. Ny teny hoe ny zanako ao amin’ny andininy 4 dia mety hilaza ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nampian’i Jaona mba handray ny filazantsara.

Araka ny fomba nampihetsi-po an’i Jaona noho ny fahatokian’i Gaio, dia inona ny fahamarinana hitantsika avy ao amin’ny 3 Jaona 1:1–4 momba ny fomba fiantraikan’ny fiainana ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika sy ny fiainan’ny hafa?

  1. journal iconMieritrereta momba ny fotoana izay nahatsapanao fifaliana satria nahita ny ezaka nataon’ny olona hafa mba hiaina ny filazantsara ianao. Manorata taratasy iray izay maneho fisaorana izany olona izany noho ny ezaka izay nataony mba hiaina ny filazantsara ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina na eo amin’ny taratasy hafa, ary hazavao ny fiantraikan’ny fahatokiany teo aminao. Raha soratanao amin’ny taratasy manokana izany, dia manorata famintinana fohy ilay taratasy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Azonao atao ny manome izany taratasy izany ho an’ilay olona izay nanoratanao.

Mieritreritra fotoana iray izay nahenonao mpitarika ao amin’ny Fiangonana na misionera iray izay tsy fantatrao, nanao lahateny nandritra ny fivoriam-piangonana na ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mety hisy fotoana izay hahavoan’ny fakam-panahy antsika tsy dia hiraharaha na hanaja ireo mpitarika sasany ao amin’ny Fiangonana na ireo mpampianatra sasantsasany raha tsy mifankahazatra amin’izy ireo isika.

Vakio ny 3 Jaona 1:5–8 dia tadiavo ny zavatra nataon’i Gaio ka nahafaly an’i Jaona. Ireo rahalahy sy mpivahiny ao amin’ny andininy 5 dia milaza ireo mpampianatra na ireo misiônera mandalo izay tsy nifankahazatra tamin’i Gaio.

I Jaona ihany koa dia nanoratra momba ny mpitarika ny Fiangonana iray antsoina hoe Diotrefa, izay tsy nahafaly an’i Jaona. Vakio ny 3 Jaona 1:9–10 dia tadiavo ny antony nahatonga an’i Jaona ho tsy faly taminy.

I Diotrefa dia lasa nikomy ary nanolo-tena tamin’ny apôstazian’ny tena manokana. Ny fahamarinana iray izay azontsika hianarana avy amin’ny ohatra tsara nasehon’i Gaio sy ny ohatra ratsy nasehon’i Diotrefa dia izao manaraka izao: Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tokony handray sy hanohana ireo mpanompon’ny Tompo rehetra.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hahafahanao “mandray” (3 Jaona 1:8) ireo mpanompon’ny Tompo.

Mitadiava fotoana hahafahana mampihatra ny fahamarinana etsy aloha amin’ny alalan’ny fandraisana sy fanohanana ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo manampahefana ambony ao amin’ny Fiangonana.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 2 Jaona–3 Jaona ary nahavita ip lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: