Tahirim-pitaovana
Fizarana 2: Andro 2 Matio 3


Fizarana 2: Andro 2

Matio 3

Fampidirana

Nitory teny sy nanao batisa tao Jodia i Jaona Mpanao Batisa. Nandeha avy tany Galilia nankany amin’ny Renirano Jordana i Jesoa Kristy, ka nataon’i Jaona batisa. Nijoro ho vavolombelona Andriamanitra Ray fa i Jesoa no ilay Zanaka Malalany.

Matio 3:1–12

Nitory teny tao Jodia i Jaona Mpanao Batisa

Alaivo sary an-tsaina hoe mipetraka ao anatin’ny efitrano fianarana ianao ary alain’ny mpiara-mianatra aminao ny zavatra iray izay anao (tahaka ny peninao, na ny bokinao, na ny palitaonao). Miala-tsiny izy tamin’ny fakany izany zavatra izany kanefa mandeha maka zavatra hafa amin’ny mpianatra hafa. Miala-tsiny hatrany izy kanefa manohy maka zavatra izay tsy an’ny tenany. Inona no eritreritrao momba ireo fialan-tsinin’izany mpianatra izany?

Ahoana no mety hitovian’ny zavatra nataon’izany mpianatra izany amin’ny fiezahana mba hibebaka kanefa tsy misy faniriana marina?

Rehefa mandalina ny Matio 3 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay manampy antsika hahatakatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hibebahana marina.

Tonga tamin’ny taona hanombohany ny asa fanompoany i Jesoa Kristy. (Izany taona mahazatra hidiran’ny lehilahy Isiraelita amin’ny asa fanompoana izany dia 30 taona [jereo ny Nomery 4:3].) Vakio ny Matio 3:1-4 ka tadiavo izay zavatra nitranga tamin’izany fotoana izany izay hanampy amin’ny fanomanana ny olona amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy.

I Jaona mampianatra

I Jaona Mpanao Batisa dia “zanakalahin’i Zakaria sy i Elizabeta, izay taranaka mpisorona avy amin’ny lafiny roa amin’ny ray aman-dreniny. Manan-danja izany tetiarana izany satria i Jaona no ohatra tonga lafatra momba ny lalàn’i Mosesy, voatendry hanomana ny lalan’ny Mesia, ary hanao izay hahatonga ny olona ho vonona handray Azy” (Bible Dictionary, “John the Baptist”). Havan’i Maria, renin’i Jesoa, ihany koa i Elizabeta. Nihazona ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna i Jaona (jereo ny F&F 13; 84:27–28). Maneho ny maha-tso-piaina azy ny akanjony sy ny sakafony, izay voafariparitra ao amin’ny Matio 3:4.

Inona no nataon’i Jaona araka ny zavatra nianaranao tao amin’ny Matio 3:1–4?

Ny asa fitoriana nataon’i Jaona dia efa voalazan’i Isaia sy ny mpaminany hafa mialoha (jereo ny Isaia 40:3; Malakia 3:1; 1 Nefia 10:7–10). Natao hanomana ny lalana ho an’ny Mesia (Jesoa Kristy) i Jaona tamin’ny alalan’ny fanambarana ny fibebahana sy fanaovana batisa tamin’ny rano.

Vakio ny Matio 3:5–6, ka tadiavo ny fomba fihetsika nasetrin’ny olona ny hafatr’i Jaona.

Inona no nasetrin’ny olona ny hafatr’i Jaona?

Manan-danja amin’ny fibebahana ny fahavononana hibaboka ny fahotana amin’ny Ray any An-danitra, ary raha ilaina dia amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay voatondro (jereo ny Miorim-paka amin’ny finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 134).

Vakio ny Matio 3:7–12, ka tadiavo ireo olona izay niresahan’i Jaona.

Antokom-pivavahana teo anivon’ny Jiosy izay mitondra anarana midika hoe misaraka na mitokana ny Fariseo. Nandoka tena tamin’ny fanarahana amin’ny fomba hentitra ny lalàn’i Mosesy izy ireo ary ninoany fa manan-danja mitovy amin’ny lalàna voasoratra ireo lalàna lovan-tsofina sy ny fomba nentim-paharazana (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fariseo”). Ny Sadoseo dia antoko na saranga bitika iray teo anivon’ny Jiosy izay nino ny fanarahana ny tenin’ny lalàn’i Mosesy kanefa tsy nino ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty na ny fiainana mandrakizay (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Sadoseo”).

Inona no niantsoan’i Jaona ny Fariseo sy ny Sadoseo?

Ny menarana any Palestina no bibilava misy poizina indrindra any Isiraely. Velombelona be ny menarana amin’ny alina ary mihaza amin’ny alalan’ny fihafenana ka manatona mora ny hazany avy eo. Rehefa mahatsiaro ho voarahona izy ireo dia mangorona ny vatany ireo menarana ka mihisitra ary mamely izay mifanandrina aminy.

Menarana any Palestina

Menarana any Palestina

© taviphoto/Shutterstock.com

Nahoana araka ny eritreritrao no nolazain’i Jaona ho menarana ireo Fariseo sy Sadoseo?

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia ahitana ireo teny fanampiny izay nambaran’i Jaona tamin’ireo Fariseo sy Sadoseo. Rehefa avy niresaka tamin’izy ireo i Jaona tao amin’ny Matio 3:7, dia nampitandrina hoe:

“[Nahoana ianareo no tsy mandray ny toritenin’ilay nirahin’ Andriamanitra? Raha toa ka tsy mandray izany ao am-ponareo ianareo, dia tsy mandray ahy ianareo; ary raha toa ka tsy mandray ahy ianareo, dia tsy mandray ilay nanirahana ahy mba hijoroako ho vavolombelona; ary tsy misy rakotra ny fahotanareo.

“Noho izany, mibebaha, ary mamoaza voa miendrika ny fibebahana” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:34–35 [ao amin’ny Bible appendix]).

Araka an’i Jaona, raha toa ka handà ny toriteniny ireo Fariseo sy ireo Sadoseo, dia iza ihany koa no holavin’izy ireo?

Ahoana no hamintinanao ny hafatr’i Jaona ho azy ireo?

Asio marika ilay fehezan-teny hoe: “Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana” ao amin’ny Matio 3:8.

voankazo eo ambony hazo

Ao amin’ny soratra masina, ny olona indraindray dia ampitahaina amin’ny hazo, izay mamokatra na voa tsara na voa ratsy. Ilay voa dia maneho ireo faniriantsika sy ny zavatra ataontsika. Ilay andian-teny hoe “miendrika” ao amin’ny andininy 8 dia midika hoe “mendrika ny” (jereo ny Matio 3:8, “ ”) .

Eritrereto ilay trangan-javatra tany amin’ny fanombohan’ity lesona ity—mikasika ilay mpianatra izay maka ny zavatry ny mpianatra hafa. Naneho araka ny tokony ho izy ny tena fitsipiky ny fibebahana tamin’ny alalan’ny faniriany sy ny zavatra ataony ve ity mpianatra ity? Fa nahoana no tsy izay?

Ny Matio 3:8 dia manampy antsika hahatakatra fa mampiseho fibebahana marina amin’ny Tompo isika rehefa manova ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika mba hanaraka ireo fampianarany. Hevero ny hanoratra io fitsipika io eny amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 3:8.

Saintsaino ny fomba hanehoan’ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika fa tena nibebaka marina tamin’ireo fahotantsika isika rehefa eritreretinao ireto fitondran-tena manaraka ireto: mangala-tahaka any am-pianarana, ratsy fanahy amin’ireo iray tampo, mampiasa teny ratsy, ary mijery pôrnôgrafia.

  1. journal iconHazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mety ho eritreritra na zavatra ataon’ny olona iray izay nibebaka tamin’ireo fahotana ireo.

Vakio ny Matio 3: 10, ka tadiavo ny voka-dratsin’ny tsy fibebahana marina.

Saintsaino ireo izay mety ho faniriana na zavatra atao izay mila ovaina mba hibebahanao marina. Eritrereto ny fomba ahafahanao mampiseho fibebahana marina amin’ny fanovana ireo faniriana na zavatra atao izay tsy mifanaraka amin’ireo fampianaran’ Andriamanitra.

Vakio ny Matio 3:11, ka tadiavo izay nolazain’i Jaona Mpanao Batisa fa ho ataon’ny Mpamonjy.

Hanao batisa “amin’ny Fanahy Masina, sy amin’ny afo” i Jesoa Kristy (Matio 3:11). Ilaina ity batisa ity aorian’ny batisan’ny rano ary milaza ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina izany, izay manamasina sy manefy ny fanahintsika tahaka ny amin’ny alalan’ny afo (jereo ny 2 Nefia 31:13–14, 17).

Ny Matio 3:12 dia mamariparitra ny zavatra hitranga amin’ireo olo-marina izay manaiky an’i Jesoa Kristy sy amin’ireo olon-dratsy izay handà Azy.

Matio 3:13–17

Natao batisa i Jesoa Kristy, ary manambara Azy ho ilay Zanany Malala ny Ray

  1. journal iconMakà fotoana fohy hieritreretana momba ny batisanao. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay tsaroanao momba izany zava-nitranga manan-danja teo amin’ny fiainanao izany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 3:13–17 dia natao batisa i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia tadiavo ireo fitoviana teo amin’ny batisanao sy ny an’ny Mpamonjy.

Vakio ny Matio 3:13–17, ka tadiavo ireo valinteny ho an’ireto fanontaniana telo manaraka ireto momba ny batisan’i Jesoa:

Nataon’iza?

Tamin’ny fomba ahoana?

Nahoana?

Raha ilaina dia ampifanaraho araka izao fampahalalana manaraka izao ireo valinteninao:

Nandeha avy tany Galilia nankany amin’ny Renirano Jordana i Jesoa mba ho ataon’i Jaona batisa satria nihazona ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna i Jaona ary nanana ny fahefana mba hanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa. Soraty hoe Jaona Mpanao Batisa sy Fahefahana marina eo amin’ny tsipika eo akaikin’ny hoe “Nataon’iza?”

I Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa

Ny hoe “niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay” i Jesoa (Matio 3:16) dia maneho fa natao batisa asitrika Izy—izay midika fa rakotry ny rano tanteraka Izy. Soraty hoe Asitrika eo amin’ny tsipika eo akaikin’ny hoe “Tamin’ny fomba ahoana?”

Fantatr’i Jaona fa avo kokoa noho ny azy ny toerana sy ny fahefana nananan’i Jesoa. Araka ny Matio 3:15 anefa dia nilaza i Jesoa fa nilainy ny hatao batisa mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Soraty eo amin’ny tsipika eo akaikin’ny hoe “Nahoana?” izany andian-teny izany.

Ny hoe “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” dia midika hoe manao ny zavatra rehetra izay takin’ny Ray any An-danitra amintsika mba hahafahantsika miaina miaraka Aminy indray. Ahitana ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena izany. Nametraka ny ohatra tonga lafatra tokony harahantsika i Jesoa rehefa natao batisa. Vakio ny 2 Nefia 31:4–9, ary soraty ho soratra masina mifandray eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 3:15 izany. Asio marika ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra”.

Ampiasao ireo valin’ireo fanontaniana telo teo aloha mba hamantarana fotopampianarana iray momba ny batisa marina avy ao amin’ny Matio 3:13–17.

Toy ny ahoana ny batisanao raha ampitahaina amin’ny ohatra napetraky ny Mpamonjy ho antsika?

Miresaka momba Ny Andriamanitra ny fotopampianarana manan-danja iray ao amin’ny Matio 3:16–17. Avereno vakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo ka tadiavo ny zavatra ampianarin’izy ireo momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Soraty eto amin’ireto tsipika manaraka ireto ny toerana nisy ny mpikambana tsirairay ao amin’ Ny Andriamanitra amin’ny ankapobeny nandritra ny batisan’ny Mpamonjy:

Ny Ray:

Ny Zanaka:

Ny Fanahy Masina:

Manan-danja ny mahatakatra fa tsy tena niova ho voromailala ny Fanahy Masina. Famantarana na tandindona kosa ilay voromailala fa nidina teo amin’i Jesoa ny Fanahy Masina (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Voromailala, endriky ny”).

Inona no fotopampianarana ampianarin’ireo andininy ireo mikasika Ny Andriamanitra? (Jereo ihany koa ny F&F 130:22–23.)

Olona maro no tsy manana fahalalana marina na feno momba Ny Andriamanitra. Rehefa mahatakatra ny tena toetran’ Ny Andriamanitra isika dia vao mainka afaka hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ho Azy ireo ary ho vonona bebe kokoa ny hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba Azy Ireo amin’ny hafa.

  1. journal iconJereo ny teny iditra ho an’ny “Andriamanitra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.lds.org). Avereno vakiana ilay teny iditra ka tadiavo ny fampahalalana momba ny mpikambana tsirairay ao amin’ Ny Andriamanitra. Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina fehezanteny iray na roa momba ny mpikambana tsirairay ao amin’ Ny Andriamanitra izay ahitana fampahalalana izay tsapanao fa manan-danja ny hahafantarana izany.

Zarao amin’ny olona iray izay fantatrao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 3 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: