Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Filipiana


Fampahafantarana ny Filipiana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Tao amin’ny epistiliny ho an’ny Filipiana dia nanome fankaherezana ho an’ireo Olomasina tao Filipy i Paoly ary namporisika azy ireo mba hijoro ao amin’ny firaisan-kina ary hiara-hiasa mba hiaro ny finoana. Angamba anisan’ireo fitsipika manan-danja indrindra nampianarin’i Paoly ny Filipiana ny hoe mitondra “ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” ny fivavahana amin’Andriamanitra sy ny fahatokisana Azy (Filipiana 4:7). Ny fandalinana ireo hafatra feno fankaherezana nataon’i Paoly ao anatin’ity epistily ity dia afaka manampy anao eo amin’ny ezaka ataonao mba haharitra hatramin’ny farany amim-pahatokiana. Rehefa miezaka ny hanaraka an’i Kristy ianao dia afaka hahazo fahatokiana ihany koa ary hilaza toy ny nambaran’i Paoly hoe “afaka manao ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy izay mampatanjaka ahy” (Filipiana 4:13).

Iza no nanoratra ity boky ity?

Na dia voatonona miaraka amin’i Paoly ao amin’ny fiarahabana ao amin’ilay epistily aza i Timoty (jereo ny Filipiana 1:1), dia i Paoly no nanoratra ny Epistily ho an’ny Filipiana. Izany dia tohanan’ny fampiasana ny hoe aho manerana ilay taratasy sy ny fanononana an’i Timoty ao amin’ny Filipiana 2:19. Mety ho mpitantsoratr’i Paoly i Timoty, ka nanoratra teo ambany fitarihan’i Paoly.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Mety ho nanoratra ny Filipiana teo anelanelan’ny 60 sy 62 taorian’ny J.K. i Paoly, fony izy nigadra tany Roma (jereo ny Filipiana 1:7, 13, 16; jereo ihany koa ny Asan’ny Apostoly 28:16–31; Torolalana ho a’ny Soratra Masina, “Filipiana, Epistily ho an’ny,” scriptures.lds.org).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

I Filipy no toerana voalohany tany Eorôpa izay nitorian’i Paoly ny filazantsara tamin’ny fomba ôfisialy sy nananganany sampan’ny Fiangonana iray (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:11–40; Bible Dictionary, “Pauline Epistles”). Anisan’ireo tanjon’i Paoly tamin’ny fanoratra ity taratasy ity ny fanehoana fankasitrahana noho ny fitiavana sy ny fanampiana ara-bola natolotr’ireo Olomasina tao Filipy taminy nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony sy fony izy nigadra tany Roma (jereo ny Filipiana 1:3–11; 4:10–19; jereo ihany koa ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”).

Nidera ireo mpikambana tao Filipy ihany koa i Paoly noho ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ary nanome torohevitra ho azy ireo izay mifototra amin’ny fampahalalana momba azy ireo izay noraisiny avy tamin’ny mpianatra Filipiana iray nantsoina hoe Epafrodito izy (jereo ny Filipiana 4:18). Ny torohevitra nomen’i Paoly dia ahitana famporisihana mba hanetry tena sy hiray hina (jereo ny Filipiana 2:1–18; 4:2–3). Nampitandrina ireo Filipiana ihany koa i Paoly mba ho mailo amin’ireo Kristiana voaloto toa an’ireo izay nampianatra fa ilaina amin’ny fiovampo ny famorana. Ny olona toy izany (izay antsoina matetika hoe Jodaizera) dia manambara amim-pahadisoana fa ireo mpikambana vaovao dia tsy maintsy manoa ny lalàna tany aloha momba ny famorana tamin’ny Testamenta Taloha mialoha ny hahatongavana ho Kristiana (jereo ny Filipiana 3:2–3).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Matetika ny Filipiana no antsoina hoe epistily tany am-ponja, miaraka amin’ny Efesiana, ny Kolosiana ary ny Filemona. Na dia nosoratana tany am-ponja aza izany dia nofariparitan’ny manam-pahaizana ho ny rakitsoratra feno fifaliana indrindra nosoratany ny taratasin’i Paoly ho an’ny Filipiana. Naneho fankasitrahana sy fitiavana ary fahatokisana tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana i Paoly; namariparitra ireo fahafoizan-tena nataony mba hanarahana an’i Jesoa Kristy; ary nampianatra ny Olomasina Filipiana ireo fitsipiky ny fiainana araka ny fahamarinana. Mety ho hitan’ireo mpianatra ao amin’ny Filipiana 4:8 ireo fiteny nampiasaina sasany ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo, izay nosoran’ny Mpaminany Joseph Smith.

Nasehon’i Paoly tamin’ny tononkalo ny fiambanian’ny Mpamonjy avy any amin’ny maha-Andriamanitra talohan’ny fahaterahany ka nanketo amin’ny fiainana an-tany, izay niaretany “fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana” (jereo ny Filipiana 2:3–8). Rehefa nahatontosa ny asa masina nanirahana Azy i Jesoa Kristy dia mijoro nasandratra Izy ankehitriny, ary ho avy ny andro ka “[handohalika eo anoloany] ny lohalika rehetra” ary “[hanaiky] ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo” (Filipiana 2:10–11). Nambaran’i Paoly fa avy amin’i Jesoa Kristy ny loharano anaty izay hahafahany manana fahatokisana sy tanjaka (jereo ny Filipiana 4:13).

Topimaso

Filipiana 1. Naneho fankasitrahana noho ny fiombonan’ireo Olomasina Filipiana i Paoly. Nampianatra izy fa nampandroso ny filazantsara ny fanoherana izay niainany teo amin’ny fanompoana ny Tompo, ka anisan’izany ny fampidirana azy am-ponja. Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hiorim-paka amim-piraisan-kina eo amin’ny fiarovana ny finoana izy.

Filipiana 2. Nankahery bebe kokoa ireo mpikamban’ny Fiangonana i Paoly mba hiray hina ary nomarihany ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy, izay niambany mba ho tonga eto amin’ny fiainana an-tany, ho ohatra amin’ny fitiavana sy fankatoavana ary fanetrentena. Indray andro any dia hiaiky ny olona rehetra fa i Jesoa Kristy no Tompo. Nanoro lalana ireo mpikamban’ny Fiangonana i Paoly mba hiasa ho amin’ny famonjena azy ireo.

Filipiana 3. Nampitandrina ny amin’ireo Judaizera i Paoly. Nofariparitany ny fiainany taloha tamin’ny naha-Fariseo azy sy ny fahavononany hanary ny zava-drehetra tokoa mba hanaraka an’i Jesoa Kristy. Nandrisika ny Olomasina izy mba hanaraka ny ohatra nasehony teo amin’ny fibosesehana mankany amin’ny famonjena. Nohazavain’i Paoly fa i Jesoa Kristy dia hanova ny vatantsika mety maty ho vatana be voninahitra tahaka ny Azy.

Filipiana 4. Mamporisika ny Olomasina mba hifaly mandrakariva ao amin’ny Tompo i Paoly. Mandrisika azy ireo mba hanolo ny fitaintainany amin’ny vavaka sy fankasitrahana izy, sady nampanantena fa izy ireo dia hankamamy ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra. Mamporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hieritreritra izay zavatra marin-toetra, mahitsy, marina, madio, mahate-ho-tia, tsara laza ary misy hatsaram-panahy i Paoly. Niaiky izy fa mahay ny zavatra rehetra izy ao amin’ Ilay mampahery azy.