Fizarana 24: Andro 3
Galatiana
Fampidirana
Nibedy ireo Olomasina i Paoly Apôstôly noho ny fanarahan’izy ireo fampianaran-diso, ary nibedy ireo mpampianatra fampianaran-diso izay nitarika azy ireo hania izy. Nampianatra koa izy fa tahaka ny nahalasa an’i Abrahama ho mpandova an’ Andriamanitra no hahafahan’ireo Olomasina Galatiana ho lasa mpandova an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fananana finoana sy fanarahana an’i Jesoa Kristy fa tsy amin’ny fankatoavana ireo zavatra ara-pomba takian’ny lalàn’i Mosesy.
Galatiana 1–2
Nibedy ireo Olomasina noho ny fanarahan’izy ireo mpampianatra fampianaran-diso i Paoly ary namporisika azy ireo mba hiverina amin’ny filazantsara izy
Alaivo sary an-tsaina hoe ny mpiray tampo aminao na ny namanao iray dia milaza aminao fa tsy azony antoka intsony hoe marina ireo fampianaran’ny Fiangonana. Vokatr’izany dia nitsahatra tsy niangona intsony ary tsy miaina ny filazantsara intsony io olona io.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra holazainao an’io mpiray tampo na namanao io mba hanampiana azy hiverina hino ireo fampianaran’ny Fiangonana.
Eo am-pandalinanao ny Galatiana 1 sy eo am-pianaranao ny antony nihemoran’ireo Olomasina tany Galatia tamin’ny filazantsara marina dia mitadiava fahamarinana iray izay afaka manampy ny mpiray tampo aminao na ny namanao hanana finoana indray.
Ny Galatia dia faritra iray tany avaratra-afovoan’i Asie Mineure izay ahitana tanàna maro novangian’i Paoly Apôstôly nandritra ny dia fitoriana faharoa sy fahatelo nataony (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:6; 18:23; jereo koa ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, faha 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly”). Vakio ny Galatiana 1:6–7, ary tadiavo ny olana iray izay nisy teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana tany Galatia.
Ireo izay nampikorontana ny Olomasina Galatiana sy nanova ireo fampianaran’ny filazantsara dia nahatonga fisalasalana mikasika ny fampianaran’i Paoly fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no hahatongavan’ny famonjena. Ireo mpampianatra fampianaran-diso ireo dia Kristiana Jiosy fantatra amin’ny hoe Mpitory ny Jodaisma. Nitompo teny izy ireo fa ireo Olomasina Galatiana dia tokony ho foraina ary hanaraka ireo fomba fanao ao amin’ny lalàn’i Mosesy mba ho voavonjy.
Vakio ny Galatiana 1:8–9, ary jereo ny zavatra nolazain’i Paoly momba ireo izay nitory filazantsara hafa noho ilay efa notoriany tamin’ny naha-Apôstôlin’ny Tompo azy.
Vakio ny Galatiana 1:10–12, ary tadiavo ny loharanon’ireo fampianaran’i Paoly. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao ao anatin’ny soratra masinao.
Mianatra isika avy amin’ireo fampianaran’i Paoly fa i Jesoa Kristy dia manambara ny fotopampianarany marina amin’ireo mpaminaniny.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na ireto fanontaniana rehetra manaraka ireto:
-
Manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana fa Andriamanitra no loharanon’ny fotopampianarana marina rehefa manana fanontaniana momba ny fampianaran’ireo mpaminany isika?
-
Inona no azontsika atao mba handraisana fanambarana avy amin’ Andriamanitra ka afaka mahafantatra manokana isika fa ny fampianaran’ireo mpaminany dia marina?
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’io fahamarinana io ny olona iray izay manana fahasahiranana amin’ny finoana ny fampianaran’ireo mpaminany?
-
Araka ny voarakitra ao amin’ny Galatiana 1:13–2:21 dia nilaza tamin’ireo Olomasina mikasika ny fiovampony sy ireo dia fitoriana voalohany nataony i Paoly. Nanazava ihany koa izy hoe nahoana ireo Kristiana jentilisa no tsy tokony hiantehitra amin’ilay finoana fahiny fa ny famonjena dia ao amin’ny lalàn’i Mosesy, fa amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy kosa isika no voavela heloka (na hamarinina). Nijoro ho vavolombelona i Paoly fa niaina “[tamin’ny] finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia [azy] ka nanolotra ny tenany hamonjy [azy]” (Galatiana 2:20) izy.
Galatiana 3–4
Nanasa ireo Galatiana mba handray ireo fitahiana rehetra nampanantenaina an’i Abrahama tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy i Paoly
Nahoana ireto olona manaraka ireto no mahatsapa tsy fitovian-jo amin’ny fandraisana ireo fitahian’ny Tompo rehetra raha ampitahaina amin’ireo olon-kafa ao amin’ny Fiangonana izay nahafantatra ny filazantsara sy nahatoky tao amin’izany hatramin’ny fahazazany?
-
Nitombo tao anatin’ny fianakaviana malaindaina ny zatovolahy iray ary tsy nampianarina ny filazantsara izy tamin’ny fahazazany. Miverina ho mazoto ao amin’ny Fiangonana ny fianakaviany ankehitriny ary manomboka mianatra sy miaina ny filazantsara.
-
Ny vehivavy iray dia nanesoeso ny nitsikera ny Fiangonana nandritra ny taona maro. Niaina fiovana tao am-pony vao tsy ela izy ary natao batisa.
Eo am-pandalinanao ny Galatiana 3–4, dia mitadiava fahamarinana iray izay afaka manampy anao hahatakatra ireo fitahiana izay afaka ny ho azon’ny rehetra, na inona na inona toe-javatra iainany sy ireo safidy nataony taloha.
Satria maro tamin’ireo Olomasina Galatiana no jentilisa niova fo ho Kristiana dia tsy taranak’i Abrahama ara-bakinteny izy ireo, izay nampanantenaina ireo fitahian’Andriamanitra rehetra.
Vakio ny Galatiana 3:7–9, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ireo izay “amin’ny finoana” (Galatiana 3:7), na ireo izay mino an’i Jesoa Kristy.
Araka ny andininy 8, dia inona no nampanantenain’ny Tompo an’i Abrahama?
Araka ny andininy 9, dia inona no hitranga amin’ireo izay manana finoana an’i Jesoa Kristy?
Ny hoe “notahiana mbamin’i Abrahama mpino” (Galatiana 3:9) dia milaza ny fahafahana mandray ireo fitahian’ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama fa amin’ny alalany dia afaka handray ireo fitahian’ny fisoronana avo sy ny fanambadiana selestialy ary ny fisandratana ny vahoaka rehetra (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanan’i Abrahama,” scriptures.lds.org).
Mamaky isika ao amin’ny Galatiana 3:10–25 fa ny lalàn’i Mosesy dia tsy natao velively ho fomba nahafahan’ny olona ho “hamarinina” (Galatiana 3:11), izay midika hoe voavela heloka sy voalaza ho tsy manan-tsiny. Izany dia natao ho torolalana na ho “mpitaiza” (Galatiana 3:24) mba hanampiana ireo Isiraelita hanatona an’i Jesoa Kristy ary ho hamarinina amin’ny alalan’ny finoana Azy. Mariho fa ny hoe hamarinina dia midika hoe “Afahana amin’ ny famaizana noho ny ota ka ambara ho tsy manan-tsiny” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamarinana, Manamarina,” scriptures.lds.org).
Fenoy izao tabilao manaraka izao amin’ny alalan’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina sy amin’ny alalan’ny famaliana ireo fanontaniana:
Galatiana 3:26–27. Inona no tokony hataontsika mba handraisana ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama? |
Galatiana 3:28–29; 4:7. Na iza na iza ary na karazana olona toa inona isika taloha, dia lasa ahoana isika rehefa miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara amin’ny alalan’ny batisa? |
Avy amin’ny Galatiana 3:26–29; 4:7 dia mianatra isika fa ireo rehetra izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara dia lasa ho iray ao amin’i Kristy ary mpandova an’ Andriamanitra.
Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa mampanantena ireo fitahiana ireo ho an’izay rehetra miditra ao amin’ny fanekempihavanana Andriamanitra, na inona na inona toe-javatra iainany sy ireo safidy nataony taloha?
Mamaky isika ao amin’ny Galatiana 4:8–31 fa nanasa ireo Olomasina Galatiana mba hiverina amin’i Jesoa Kristy sy hiala amin’ny fanababoana izay tonga avy amin’ny fanandramana hitandrina ireo fomba fanao maro ao amin’ny lalàn’i Mosesy i Paoly.
Galatiana 5–6
Namporisika ireo Olomasina Galatiana mba hiverina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy i Paoly
Inona ireo fakam-panahy sasantsasany sarotra indrindra atrehinao? Ahoana no ahafahanao mandresy ireo fakam-panahy ireo?
Eo am-pandalinanao ny Galatiana 5–6 dia karohy ireo fitsipika izay afaka manampy anao handresy ny fakam-panahy.
Vakio ny Galatiana 5:16–17 ary tadiavo ireo hery anankiroa mifanandrina izay nofariparitan’i Paoly.
Ny hoe “[mandeha] araka ny Fanahy” (Galatiana 5:16) dia midika hoe mendrika sy manaraka ireo fanentanan’ny Fanahy Masina. Ny hoe “[manatanteraka] ny filan’ny nofo” (Galatiana 5:16) dia midika hoe firotsahana amin’ny fakam-panahy hanota.
Fenoy izao fitsipika manaraka izao avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Galatiana 5:16: Rehefa mandeha araka ny Fanahy isika, dia handresy .
Diniho ny fomba ahafahan’ny fandehanana araka ny Fanahy manampy anao handresy ireo fakam-panahy.
Vakio ny Galatiana 5:22–23 ary tadiavo ireo vokatra hafa avy amin’ny fandehanana araka ny Fanahy. (Marihina fa ny Galatiana 5:22–23 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita ny misy izany amin’ny manaraka.)
Soratra Masina Fehezina—Galatiana 5:22–23
-
Mba hanampiana anao hitadidy ny Galatiana 5:22–23 dia ataovy sary ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hazo iray izay mitondra voa miisa sivy—izany hoe andalana telo ahitana voa telo avy. Soraty eo ambonin’ilay hazo ny hoe Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia … Eo ambanin’ilay hazo dia soraty ny hoe tsy misy lalàna manohitra izany. Soraty ny litera voalohany amin’ny voa notanisan’i Paoly ka atombohy amin’ny andalana ambony indrindra misy ireo voa izany. Manaova fanazaran-tena manonona ilay soratra masina fehezina amin’ny fijerena io sary io ary amin’ny famakiana ny andinin-tsoratra masina raha ilaina. Tohizo ny fanononana izany mandra-pahafahanao mamerina ilay soratra masina fehezina ka tsy mijery ilay sary na ny soratra masinao ianao. Tonony amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny mpiara-mianatra seminera aminao ilay soratra masina.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Mampitombo ny fahafahanao manampy ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fandraisana ireo fanomezam-pahasoavana ireo?
Vakio ny Galatiana 6:1–2, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly Apôstôly mikasika ny tokony hasetrin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray izay nanota. Ny hoe “azon’ny ota” (Galatiana 6:1) dia midika hoe nanota.
Nahoana no zava-dehibe ny manana “ny fahamorana” (Galatiana 6:1) rehefa miezaka manampy ny olona iray hiverina amin’ny lalan’ny filazantsara isika?
Araka ny voarakitra ao amin’ny Galatiana 6:3–5 dia nampianatra antsika mba tsy hieboebo sy hiseho ho marina i Paoly, ary ny olona tsirairay dia “samy hitondra ny entany avy” (Galatiana 6:5), na samy ho tompon’andrikitra amin’ny safidy nataony.
Inona no haniry rehefa mamboly ireto karazana voa tsirairay ireto isika? Soraty ny valinteninao eo amin’ireo toerana malalaka mifanentana amin’izany. (Any amin’ny faran’ity lesona ity no ahitana ireo valiny marina.)
a. |
|
b. |
|
d. |
|
Nampiasa ny hevitra mikasika ny voa mba hampianarana fahamarinana ara-panahy i Paoly. Vakio ny Galatiana 6:7–8 ary tadiavo izay nampianarin’i Paoly momba ny zavatra tokony handrasantsika rehefa mamafy na mamboly voa isika. Ny fampianaran’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo dia antsoina matetika hoe ny lalàn’ny fijinjana.
Vakio ny Galatiana 6:9–10 ary karohy ny antony nampianaran’i Paoly ny lalàn’ny fijinjana taorian’ny nanasany ireo Galatiana mba hifanampy amin’ny fijanonana na amin’ny fiverenana amin’ny lalan’ny filazantsara.
Mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa raha mazoto amin’ny fanaovan-tsoa isika dia hijinja ireo fitahiana avy amin’ny zavatra nataontsika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa fara-fahakeliny amin’ ireto asa ampanaovina manaraka ireto:
-
Manampy antsika mba tsy “ho reraka” (Galatiana 6:9), na hilavo lefona amin’ny ezaka ataontsika hanompo ny hafa sy hiaina ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ilay fampanantenana fa isika dia hijinja “amin’ny fotoan’andro”?
-
Oviana ianao na ny olona fantatrao no nazoto tamin’ny fanaovan-tsoa na dia tsy tonga teo no ho eo aza ireo fitahiana?
-
Diniho ombam-bavaka ny olona azonao ampiana hiverina amin’ny lalan’ny filazantsara. Eo am-pandinihana momba io olona io dia manorata tanjona anankiray ny amin’ny fomba hahatongavanao ho mazoto amin’ny fanaovan-tsoa rehefa mikasa hanampy azy, na dia mety tsy hahita ny vokatra eo no ho eo avy amin’ny ezaka ataonao aza ianao.
-
Araka ny voarakitra ao amin’ny Galatiana 6:11–18 dia namarana ny epistiliny ho an’ireo Olomasina Galatiana tamin’ny fijoroana ho vavolombelona i Paoly fa ny fiadanana sy famindrampon’i Jesoa Kristy dia eo amin’ireo rehetra izay lasa olom-baovao amin’ny alalan’ny finoana ny anarany.
-
Soraty eo amin’ny faran’ireo asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Galatiana 1–6 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: