13. Ny Dia Fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly
Ava.
Maribolana
Dia voalohany
Dia faharoa
Dia fahatelo
Dia tany Roma
Italia
Ranomasina Mainty
Roma
Masedonia
Ponto
Hatreny Antranotelom-bahiny
Bitinia
Kianjan’i Appius
Tesalonika
Filipo
Potioly
Troasy
Berea
Galatia
Samotrasy
Mysia
Azia
Pergamomy
Kapadosia
Antiokia
Lidia
Frygia
Smirna
Ikonioma
Tarsa
Kio
Efeso
Pisidia
Listra
Atena
Korinto
Laodikia
Rezioma
Akaia
Mileto
Pamfilia
Derbe
Lisia
Perga
Antiokia
Patmo
Silisia
Sirakoza
Mira
Kinido
Rodo
Kiprosy
Salamina
Malta (Melita)
Kreta
Pafo
Sidona
Syria
Tiro
Fair Havens
Foinisia
Damaskosy
Ptolemaisy
Ranomasina Mediteranea
Kaisaria
Samaria
Jopa
Jerosalema
Gaza
Sireneana
Aleksandria
Egypta
Libya
Kilaometatra
0 100 200 300 400
A B D E F G H I
1 2 3 4
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
-
Gaza Nitory ny amin’i Kristy i Filipo ary nanao batisa tandapa Etiopiana iray raha teo an-dalana ho any Gaza (Asa 8:26–39).
-
Jerosalema Jereo sarintany 12 momba ny zava-nitranga tao Jerosalema.
-
Jopa Azon’i Petera ny fahitana manambara fa manolotra ny fanomezan’ny fibebahana amin’ny Jentilisa Andriamanitra (Asa 10; 11:5–18). Nanangana an’i Tabita tamin’ny maty i Petera (Asa 9:36–42).
-
Samaria Nanompo tao Samaria i Filipo (Asa 8:5–13), ary nampianatra tao i Petera sy i Jaona taty aoriana (Asa 8:14–25). Taorian’ny nanoloran’izy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia nitady ny hividy io fanomezana io tamin’izy ireo i Simona mpanao ody (Asa 8:9–24).
-
Kaisaria Rehefa avy nitory tamin’ny Kapiteny antsoina hoe Kornelio ny anjely tao, dia namela azy hatao batisa i Petera (Asa 10). Tao no niaro tena nanoloana an’i Agripa i Paoly (Asa 25–26; jereo koa JS—T 1:24–25).
-
Damaskosy Niseho tamin’i Saoly i Jesoa (Asa 9:1–7). Taorian’ny namerenan’i Ananiasy ny fahitan’i Saoly, dia natao batisa i Saoly ary nanomboka ny asa fanompoany (Asa 9:10–27).
-
Antiokia (ao Syria) Tao no niantsoana voalohany ny mpianatra ho Kristiana (Asa 11:26). Naminany mosary i Agabo (Asa 11:27–28). Nisy fifanoherana lehibe nitranga tao Antiokia mikasika ny famorana (Asa 14:26–28; 15:1–9). Tao Antiokia no nanombohan’i Paoly ny asa fitoriany faharoa, miaraka amin’i Silasy sy i Barnabasy ary i Jodasy Barsabasy (Asa 15:22, 30, 35).
-
Tarsa Tanàna niavian’i Paoly; nalefan’ireo rahalahy nankao i Paoly mba hiarovana ny ainy (Asa 9:29–30).
-
Kiprosy Nandositra nankao ireo olomasina sasany taorian’ny fanenjehana azy (Asa 11:19). Nandalo namakivaky an’i Kiprosy i Paoly tamin’ny dia fitoriana nataony voalohany (Asa 13:4–5), tahaka izany koa i Barnabasy sy i Marka taty aoriana (Asa 15:39).
-
Pafo Nanozona mpanao ody i Paoly tao (Asa 13:6–11).
-
Derbe Nitory ny filazantsara tao amin’io tanàna io i Paoly sy i Barnabasy (Asa 14:6–7, 20–21).
-
Listra Nohobiana toy ny Andriamanitra i Paoly sy i Barnabasy raha nanasitrana kilemaina iray i Paoly. Notoraham-bato sy noheverina fa maty i Paoly saingy mbola velona sy nanohy ny fitoriana (Asa 14:6–21). Fonenan’i Timoty (Asa 16:1–3).
-
Ikonioma Nitory tao i Paoly sy i Barnabasy tamin’ny asa fitoriana voalohany nataony ary norahonana ny hotoraham-bato (Asa 13:51–14:7).
-
Laodikia sy Kolosy Laodikia no iray amin’ireo sampan’ny Fiangonana izay novangin’i Paoly sy nandray taratasy avy aminy (Kol. 4:16). Io koa no iray amin’ireo tanàna fito voatanisa ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy (ireo hafa dia i Efeso, i Smirna, i Pergamosy, i Tyatira, i Sardisy, ary i Filadelfia; jereo Apôk. 1:11). 18 kilaometatra atsinanan’i Laodikia i Kolosy. Nanoratra tamin’ireo Olomasina izay nonina tao i Paoly.
-
Antiokia (ao Pisidia) Nampianatra ny Jiosy i Paoly sy i Barnabasy tamin’ny asa fitoriana nataony voalohany fa avy amin’ny taranak’i Davida i Kristy. Nanolotra ny filazantsara tamin’i Isiraely, ary avy eo tamin’ny Jentilisa i Paoly. Nenjehina sy noroahina i Paoly sy i Barnabasy (Asa 13:14–50).
-
Mileto Nanditra ny asa fitoriana fahatelo nataony, dia nampitandrina an’ireo loholon’ny Fiangonana i Paoly fa hisy “amboadia masiak” hiditra eo amin’ny ondry (Asa 20:29–31).
-
Patmo Gadra tao amin’io nosy io i Jaona raha nandray ny fahitana izay hita ankehitriny ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy (Apôk. 1:9).
-
Efeso Nitory tamin-kery tao i Apolosy (Asa 18:24–28). I Paoly, tamin’ny asa fitoriana fahatelo nataony, dia nampianatra tao Efeso nandritra ny roa taona ka nampiova fo olona maro (Asa 19:10, 18). Nanolotra ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ny fametrahan-tanana izy tao (Asa 19:1–7) ary nanao fahagagana maro, ka isan’izany ny fandroahana fanahy ratsy (Asa 19:8–21). Tao no nitarihan’ireo mpivavaka amin’i Diana sahotaka hanoherana an’i Paoly (Asa 19:22–41). Mivantana amin’ny Fiangonana ao Efeso ny ampahany amin’ny bokin’ny Apôkalipsy (Apôk. 1:11).
-
Troasy Raha mbola tao i Paoly nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony, dia nahita tamin’ny fahitana lehilahy iray any Masedonia izay nangataka fanampiana (Asa 16:9–12). Nanangana an’i Eotyka tamin’ny maty i Paoly nandritra ny dia fahatelo nataony (Asa 20:6–12).
-
Filipo Nampiova fo ny vehivavy iray antsoina hoe Lidia, nandroaka fanahy ratsy, ary nokapohina i Paoly, i Silasy ary i Timoty (Asa 16:11–23). Nahazo fanampiana avy any an-danitra nanafaka tao an-tranomaizina izy ireo (Asa 16:23–26).
-
Atena Nitory teny teo amin’ny Havoanan’i Martsa (Areopago) momba ny “andriamanitra tsy fantatr” i Paoly nandritra ny asa fitoriana faharoa nataony tao Atena (Asa 17:22–34).
-
Korinto Nankao Korinto i Paoly tamin’ny dia fitoriana faharoa nataony, ary nipetraka niaraka tamin’i Akoila sy i Prisila. Nitory teny sy nanao batisa olona maro tao izy (Asa 18:1–18). Avy ao Korinto no nanoratan’i Paoly ny epistiliny ho an’ny Romana.
-
Tesalonika Nitory teny tao i Paoly nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony. Niainga avy ao Berea ny andiana mpitory niaraka taminy taorian’ny nifofoan’ny Jiosy ny ainy (Asa 17:1–10).
-
Berea Nahita olona tsara toe-panahy hampianarina i Paoly sy i Silasy ary i Timoty nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony. Nanaraka sy nanenjika azy ireo ny Jiosy (Asa 17:10–13).
-
Masedonia Nampianatra tao i Paoly nandritra ny diany faharoa sy fahatelo (Asa 16:9–40; 19:21). Noderain’i Paoly ny fahalalahan-tanan’ireo Olomasin’i Masedonia, izay nanome azy sy ireo Olomasina mahantra tao Jerosalema (Roma. 15:26; 2 Kor. 8:1–5; 11:9).
-
Malta Vaky sambo tao amin’io nosy io i Paoly raha an-dalana ho any Roma (Asa 26:32; 27:1, 41–44). Tsy naninona tamin’ny kaikitry ny menarana izy ary nanasitrana olona narary maro tao Malta (Asa 28:1–9).
-
Roma Nitory teny nandritra ny roa taona tao i Paoly raha izy tao an-tranomaizina (Asa 28:16–31). Nanoratra epistily na taratasy ho an’ny Efesiana sy ny Filipiana sy ny Kolosiana ary tamin’i Timoty sy i Filemona koa izy raha izy nigadra tao Roma. Nanoratra ny epistiliny voalohany avy any “Babylona,” izay azo inoana fa i Roma, i Petera, tsy ela taorian’ny nanenjehan’i Nerao ny Kristiana tamin’ny 64 taona taorian’i Kristy. Inoan’ny maro fa tao no namonoana maritiora an’i Petera sy i Paoly.