Fizarana 27: Andro 1
2 Timoty
Fampidirana
Tao amin’ny epistiliny faharoa ho an’i Timoty dia nampianatra i Paoly Apôstôly fa ny tahotra dia tsy avy amin’ Andriamanitra ary nanoro hevitra an’i Timoty izy mba tsy ho menatra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Namporisika an’i Timoty mba haharitra amim-pahatokiana ireo fitsapana izy ary nanoro lalana azy mba hampianatra ireo Olomasina hibebaka. Nanazava i Paoly fa na dia hihoa-papana aza ny apôstazia sy ny faharatsiana, na tamin’ny vaninandrony izany na amin’ny andro farany, dia tokony hijanona ho mahatoky amin’ireo fahamarinana efa nianarany i Timoty. Nampianatra ny tanjon’ireo soratra masina ihany koa i Paoly. Namarana ny taratasiny tamin’ny fanentanana an’i Timoty mba hanatanteraka ny asa fanompoany amim-pahazotoana izy.
2 Timoty 1
Manoro hevitra an’i Timoty mba tsy ho menatra ny filazantsara i Paoly
Eritrereto ny fotoana iray izay nahatsapanao tahotra. Taiza ianao tamin’io fotoana io? Inona no nataonao?
Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanazava hoe amin’ny fomba ahoana no mety hisy fiantraikany eo amintsika ny tahotra: “Iza amintsika no afaka milaza fa mbola tsy niaina tahotra mihitsy? Tsy mahalala na dia iray aza aho tsy niharan’izany tanteraka. Mazava ho azy fa ny olona sasany dia miaina tahotra lehibe kokoa noho ny hafa. Ny sasany dia afaka miharina aingana kokoa, fa ny hafa kosa dia voageja sy voatorotoro ary resin’izany mihitsy aza. Mijaly isika noho ny fahatahorana ny fanesoana, ny tsy fahombiazana, ny maha-irery, ny fanilikilihana. Ny sasany dia matahotra ny ankehitriny ary ny hafa kosa ny hoavy. Ny sasany dia mibata ny vesatrin’ny fahotana ary saika hanao izay rehetra takina aminy mba hampiala amin’izany enta-mavesatra izany nefa matahotra ny hanova ny fiainany. Aoka isika hiaiky fa ny tahotra dia tsy avy amin’ Andriamanitra, fa io zavatra mampihoro-koditra sy mandrava io dia avy amin’ilay fahavalon’ny marina sy ny fahamarinana. Ny tahotra dia mifanohitra tanteraka amin’ny finoana. Mandrava ny vokatr’izany, mahafaty mihitsy aza” (“God Hath Not Given Us the Spirit of Fear,” Ensign, ôkt. 1984, 2).
Inona no mety ho fiantraikan’ny tahotra amin’ny fahafahantsika miaina ny filazantsara?
Eo am-pandalinanao ny 2 Timoty 1 dia tadiavo ny fitsipika iray izay afaka manampy anao handresy ny tahotra.
Nandritra ny fotoana naha-voafonja azy tany Roma talohalohan’ny nahafatesany dia nanoratra ny epistiliny faharoa ho an’i Timoty i Paoly. Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Timoty 1:1–5, i Paoly dia naneho ny faniriany mba hahita an’i Timoty ary niresaka mikasika ny finoana tena izy nananan’i Timoty izy.
Vakio ny 2 Timoty 1:6–8 dia jereo hoe nampahatsiahivin’i Paoly mba hanao inona i Timoty mba hahafahany mandresy ny tahotra.
Ilay “fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra” izay raisina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana (2 Timoty 1:6) dia entina ilazana ny Fanahy Masina. Nanoro hevitra an’i Timoty mba hamelombelona ny fanomezana ny Fanahy Masina, na mba hanasa ny Fanahy Masina hiaraka aminy i Paoly.
Araka ny 2 Timoty 1:7 dia inona avy ireo fitahiana mety ho tonga amintsika noho ny fananantsika ny Fanahy miaraka amintsika?
I Paoly dia niresaka momba ny tahotra araka izao tontolo izao, izay miteraka fiahiahiana, tsy fahazoana toky, ary fitaintainana, ary tsy mitovy amin’izay lazain’ny soratra masina hoe “ny fahatahorana an’i Jehovah” (Ohabolana 9:10) izany. Ny fahatahorana ny Tompo dia “ny manaja sy ny manahy ny Aminy ka mankatò ny didiny” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tahotra,” scriptures.lds.org). Ny fahatahorantsika, na ny fanajantsika ny Tompo dia afaka mampahatanjaka antsika manoloana ny tahotra araka izao tontolo izao.
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty ny hoe rehefa mikatsaka amim-kitsim-po ny hanana ny Fanahy miaraka amintsika isika dia afaka mandresy ny tahotra ary tsy ho menatra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo fomba hahafahanao mampiseho fa tsy menatra ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy anananao ianao?
-
Oviana ny Fanahy no nanampy anao handresy ny tahotra araka izao tontolo izao na nanome herim-po anao mba ho mafy orina amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy?
-
Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanasana ny Fanahy hiaraka aminao hahafahanao mandresy ny tahotra ary tsy ho menatra ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.
Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Timoty 1:9–18 dia nanainga an’i Timoty mba hijanona ho mahatoky ao amin’ny fotopampianarana marina i Paoly. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny hery manavotr’i Jesoa Kristy, izay hahafahan’ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny tsy fahafatesana ary ny fiainana mandrakizay mitranga izy.
2 Timoty 2
Manoro hevitra an’i Timoty mba haharitra ireo fotoan-tsarotra amim-pahatokiana i Paoly
Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Timoty 2:1–9 dia namporisika an’i Timoty mba hiantehitra amin’ny filazantsara sy mba haharitra ireo fotoan-tsarotra tahaka ny ho nataon’ny miaramila tsara iray i Paoly. Nilaza ihany koa i Paoly fa niaina fitsapana maro izy noho ny maha-mpianatr’i Kristy azy.
Vakio ny 2 Timoty 2:10–12, dia jereo ny zavatra nolazain’i Paoly momba ny antony niaretany izany fotoan-tsarotra izany. Ny hoe “olom-boafidy” (andininy 10) dia milaza ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky (jereo ny F&F 29:7), ary ilay teny hoe miaritra ao amin’ny andininy 12 dia maneho ny faharetana sy ny tsy fiovana (jereo ny 2 Timoty 2:12).
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa maharitra fotoan-tsarotra sy mijanona ho mahatoky ny Tompo isika dia afaka manampy ny tenantsika sy ny hafa amin’ny fandraisana ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Ahoana no hahafahantsika manampy ny hafa mba handray ny famonjena hoentin’i Jesoa Kristy amin’ny faharetana amim-pahatokiana ireo fitsapana mianjady amintsika manokana?
Ao amin’ny 2 Timoty 2:13–19 dia manoro hevitra an’i Timoty i Paoly ny mba hampahatsiahivany ireo Olomasina ny amin’ny tokony handosirana ny fifandirana sy ny “[fialana] amin’ny ratsy” (andininy 19). Azonao atao ny manisy marika ny fehezan-teny farany ao amin’ny 2 Timoty 2:19.
Mba hanampiana an’i Timoty hahatakatra fa mila mibebaka ireo Olomasina dia nampiasa fanaka na fitoeran-javatra isan-karazany i Paoly ho fanoharana ho an’ireo mpikamban’ny trano, na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Vakio ny 2 Timoty 2:20 dia fantaro ireo karazana fanaka misy ao amin’ilay “trano lehibe”. Ilay andian-teny hoe “ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka” dia milaza fa ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia mendrika ary nanolo tena amina tanjona mendri-kaja, fa ny hafa kosa dia tsy tahaka izany.
Vakio ny 2 Timoty 2:21 dia tadiavo izay mahatonga ny olona iray ho “fanaka … mahasoa ho an’ny Tompo.” Ilay andian-teny hoe “manadio ny tenany” dia midika hoe lasa nodiovina tsara tamin’ny ota (jereo ny 2 Timoty 2:19).
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny fanoharana nomen’i Paoly ny hoe raha manadio ny tenantsika amin’ny ota isika dia afaka manompo tsaratsara kokoa ny Tompo.
Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika manadio ny tenantsika amin’ny ota?
Vakio ny 2 Timoty 2:22 dia tadiavo ireo zavatra sasany nosoratan’i Paoly izay azontsika atao mba hanadiovana ny tenantsika amin’ny ota.
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ohatra iray ny amin’ny fampiharana an’ity fitsipika ity ho an’ny misiônera:
“Ny Tompo dia nanoritra tsipika izay mamaritra ny fahamendrehana ho an’ ireo voantso hiasa hiaraka Aminy amin’ity asa ity. Tsy misy misiônera afaka ny tsy hibebaka amin’ireo fandikan-dalana mikasika ny fadiovam-pitondrantena nataony na ny fampiasana teny maniratsira na ny fironana amin’ny pôrnôgrafia ary avy eo hanantena fa afaka ny hanentana ny hafa hibebaka amin’ireo zavatra ireo! Tsy afaka manao izany ianareo. Tsy hiaraka aminareo ny Fanahy ary hanakenda anareo ireo teny eo am-pitenenanareo izany. Tsy afaka hidina any amin’izay nantsoin’i Lehia hoe ‘lalana voarara’ [1 Nefia 8:28] ianareo ka hanantena hitarika ny hafa ho any amin’ ilay lalana ‘ety sy tery’ [2 Nefia 31:18] —tsy azo atao izany.
“Kanefa misy vahaolana amin’izany fanamby izany ho anareo tahaka ny sahaza ireo naman’ny fiangonana izay handeha hitorianareo koa. Na iza na iza ianareo ary na inona na inona vitanareo dia afaka ny ho voavela heloka ianareo. Ianareo tsirairay … dia afaka manajanona ireo fandikan-dalana izay misakantsakana anareo. Izany no fahagagan’ny famelan-keloka, ilay fahagagan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Kanefa tsy hahavita izany ianareo raha tsy manolo-tena marina amin’ny filazantsara, ary tsy afaka hanao izany raha tsy mibebaka amin’izay ilàna izany. Miangavy anareo aho … mba ho mazoto sy ho madio. Raha ilaina dia miangavy anareo aho ho mazoto sy ho madio ” (“Mpandray anjara avokoa isika,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 45).
Saintsaino ny antony maha-tena manan-danja ny hoe madio amin’ny fahotana rehefa mitory ny filazantsara. Eritrereto izay fahotana rehetra mety ilainao hibebahana mba hahafahanao manompo ny Tompo tsaratsara kokoa. Tsarovy fa ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao dia mety ho loharano manan-danja hahazoana fanampiana eo am-piezahanao ny ho lasa madio sy tsisy pentina.
2 Timoty 3
Mamariparitra ireo andro mahory amin’ny andro farany i Paoly
Efa sahiran-tsaina ve ianao fa ianao na ireo izay ho zanakao dia mety tsy afaka handresy ireo ratsy ao amin’ny tontolo amin’ny vaninandrontsika?
Nampianatra an’i Timoty ny amin’ny fomba handresena ireo loza ao amin’izao tontolo izao i Paoly. Vakio ny 2 Timoty 3:1–5, dia tadiavo ireo loza sasany nolazain’i Paoly fa hiainantsika na hitantsika sy i Timoty maso amin’ny fiainantsika. Azonao atao ny mampiasa ireo fanamarihana eny ambany pejy mba hanampiana anao hahatakatra ireo teny sarotra sasany.
Eritrereto ny fotoana vao tsy ela izay mety nahitanao ireo karazana fitondrantena mandoza ireo.
Ao amin’ny 2 Timoty 3:6–13 dia manohy ny famariparitany ireo loza ireo i Paoly, ary naminany izy fa hiharatsy hatrany izy ireny amin’ny andro farany.
Mariho fa ao amin’ny 2 Timoty 3:7 dia manonona ireo izay “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina” i Paoly. Inona avy ireo filôzôfia na foto-kevitra mibahan-toerana ankehitriny nefa mifanohitra amin’ny fahamarinana izay nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminaniny?
Rehefa avy namariparitra ireo loza ireo i Paoly dia nanolotra torohevitra ho an’i Timoty—sy ho antsika—momba ny fomba handresena ireo loza ara-panahy ireo.
Vakio ny 2 Timoty 3:14–17 mba hahafantarana ny torohevitra nomen’i Paoly. (Marihina fa ny 2 Timoty 3:15–17 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)
Eritrereto ny mety ho dikan’ny hoe “mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampionona anao” (2 Timoty 3:14).
Afaka mianatra izao fitsipika roa manaraka izao isika avy amin’ireo andininy ireo: Raha toa isika ka manohy miaina ireo fahamarinana izay nianarantsika avy ao amin’ireo loharano azo antoka sy ny soratra masina, dia afaka mandresy ireo loza ara-panahy izay hitranga amin’ny andro farany. Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mianatra fotopampianarana sy mandray fanitsiana sy torolalana izay hanampy antsika hivoatra mankany amin’ny fahatanterahana.
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nanampian’ny soratra masina anao tamin’ny iray na mihoatra amin’ireto zavatra manaraka ireto:
-
Mba hahatakatra ny fotopampianaran’ny filazantsara iray
-
Mba hibedesana na hanitsiana ny zavatra iray neritreretinao, ny safidy, na ny fitondrantena izay tsy mety nataonao
-
Mba hanomezana valim-bavaka na fampianarana mikasika ny fomba hahazoanao ny vahaolan’ny olana iray
-
Soratra Masina Fehezina—2 Timoty 3:15–17
-
Makà fotoana mba hitadidiavana ny 2 Timoty 3:16–17. Dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe: Mahatadidy ny 2 Timoty 3:16–17 aho. Diniho ny mety handalinanao ny soratra masina mandritra ity herinandro ity amin’ny fomba izay hanasana ny fampanantenan’ireo andininy ireo eo amin’ny fiainanao.
2 Timoty 4
Milaza i Paoly fa efa niady ny ady tsara izy ary manainga an’i Timoty mba hanohy ny fitoriana izy
Mety ho ny 2 Timoty no taratasy farany nosoratan’i Paoly Apôstôly mialoha ny nahafatesany. Vakio ny 2 Timoty 4:1–5, dia tadiavo izao zavatra anankiroa manaraka izao: (1) Ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty ary (2) ny faminanian’i Paoly momba ny hoavin’ny Fiangonana Kristianina fahiny. Ampiasao ireo fanamarihana eny ambany pejy mba hanampiana anao hahatakatra izay vakianao. Ilay andian-teny hoe “mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana” ao amin’ny andininy 2 dia midika hoe mazoto amin’ny asan’ny Tompo ary mibedy na manitsy ireo izay tsy mazoto.
Soraty ao anatin’izao tabilao manaraka izao ny zavatra hitanao:
|
Ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty |
Ny faminanian’i Paoly momba ny hoavin’ny Fiangonana Kristianina fahiny |
|---|---|
Nahoana araka ny hevitrao i Paoly no nanentana an’i Timoty mba hanohy hitory sy hanompo ny olona na dia nahafantatra aza izy fa betsaka ny hihemotra amin’ny fahamarinana?
Vakio ny 2 Timoty 4:6–8, ary tadiavo ny zavatra nosoratan’i Paoly momba ny ezaka manokana nataony mba hanaparitahana ny filazantsara.
Mariho fa ny filazan’i Paoly teny mahakasika ny fanatanjahantena ny amin’ny niadiany ny ady tsara sy ny nahatanterahany ny fihazakazahana dia manoritsoritra fa nahavita ny iraka nampanaovina azy tamim-pahatokiana izy. Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 8 dia inona no fantatr’i Paoly fa miandry azy aorian’ny fahafatesany?
Afaka mianatra ity fitsipika manaraka ity isika avy amin’ireo andininy ireo: Raha mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra rehetra takin’ny Tompo amintsika isika dia hahazo ny satro-boninahitry ny fahamarinana. Tafiditra ao amin’ny “satro-boninahitry ny fahamarinana” ny hoe lasa toy ny Ray any An-danitra.
-
Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra sasany takin’ny Tompo amin’ireo tanoran’ny Fiangonana mba hanampiana azy ireo ho lasa ho toy ny Rainy any An-danitra. (Raha mila fanampiana ianao dia jereo ao amin’ny kiboky Jeunes, soyez forts.) Dia soraty avy eo izay valinteny omenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana ny tanora no mety hisafidy ny hilavo lefona amin’ny fahatokiana amin’ny fanaovana ny sasany amin’ireo zavatra takina ireo?
-
Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara, tahaka an’i Paoly amin’ny fijanonana ho mahatoky na dia sarotra aza izany? Inona no zavatra nataony izay ohatra maneho izany fitsipika izany?
-
Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Timoty 4:9–22 dia namarana ny taratasiny i Paoly tamin’ny fanazavana fa na dia nahatsapa tena ho irery tao amin’ny asany aza izy indraindray dia fantany fa ny Tompo dia niaraka taminy ary nankahery azy.
Tsarovy ny mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra izay takin’ny Tompo aminao. Mety ho tianao ny hanoratra ireo fahatsapana na fitaomana avy amin’ny Ray any An-danitra izay mety nanananao nandritra ity lesona ity. Hevero ny hametraka tanjona mba hampihatra ny fitaomana azonao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny 2 Timoty ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: