Tahirim-pitaovana
Fizarana 21, Andro 3: 1 Korintiana 1–2


Fizarana 21: Andro 3

1 Korintiana 1–2

Fampidirana

Rehefa nahafantatra momba ny olana sasantsasany izay niainan’ny mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto i Paoly, dia nanoratra ho azy ireo izy ka nanentana azy ireo mba hanafoana ny fifampiandaniana sy mba hiray hina. Nanazava ihany koa izy fa miantso ny malemy sy ny manetry tena Andriamanitra mba hitory ny filazantsarany ary koa hoe ny zavatr’ Andriamanitra dia tsy afaka ny ho fantatra sy ho takatra raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahy.

1 Korintiana 1:1–16

Nanoratra ho an’ny Olomasina tany Korinto i Paoly ka nanentana azy ireo mba hanafoana ny fifampiandaniana sy mba hiray hina

Mieritrereta fianakaviana iray sy ekipa mpanao fanatanjahantena iray ary andiana mpinamana iray.

fianakaviana mipetraka eny amoron-dranomasina, ekipa mpilalao baolina kitra, mpinamana miara-mihanika tendrombohitra

Inona no mety hiteraka fisaraham-bazana sy fifampiandaniana ao amin’ireo vondrona tsirairay ireo?

Ahoana no mety hisian’ny fiantraikan’izany fisaraham-bazana izany eo amin’ny fianakaviana iray na ekipa iray na andiana mpinamana iray?

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fisaraham-bazana sy ny fifampiandaniana eo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray miantraika amin’izany Fiangonana izany.

Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 1 ianao, dia tadiavo ny fahamarinana nampianarin’i Paoly ireo Olomasina tany Korinto momba ny fisaraham-bazana sy ny fifampiandaniana.

Tadiavo amin’ity sarintany manaraka ity i Korinto:

sarintany, Mediteraneana atsinanana

Nandritra ny dia faharoa fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly, dia nandeha nankany amin’ny tanànan’i Korinto tany Grisia izy, ary tany izy dia nitory ny filazantsara. Olona maro no natao batisa tamin’izany fotoana izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–18). Taty aoriana, rehefa nitory tany Efesosy i Paoly, dia nandre izy fa nisy olana niseho teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana satria nisy maromaro tamin’ireo izay niova fo no niverina tamin’ny finoany sampy sy ny fanompoany sampy teo aloha. Nanoratra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto i Paoly mba hampahatanjaka azy ireo sy hampahatsiahy azy ireo ny fanolorantena nataony mba hanompo ny Tompo.

Vakiantsika ao amin’ny 1 Korintiana 1:1–9 fa nilaza tamin’ireo Olomasina tany Korinto i Paoly hoe nisaotra an’ Andriamanitra izy ny amin’izy ireo noho ny fahasoavana izay noraisin’izy ireo tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izy nitahy azy ireo tamin’ny fomba rehetra.

Vakio ny 1 Korintiana 1:10–11 dia tadiavo ny zavatra nanentanan’i Paoly mba hataon’ ireo Olomasina Korintiana.

Mba hamantarana ny fahamarinana voarakitra ao amin’ireo andininy ireo, dia ampiasao ireto teny manaraka ireto mba hamenoana ny banga ao amin’ity filazana manaraka ity: hiray hina, manantena, fifampiandaniana, hanafoana.

Ny Tompo dia ____________________ antsika amin’ny maha-Olomasina antsika mba ____________________ sy mba ____________________ ny fisaraham-bazana sy ny ____________________.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo fitahiana raisintsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika rehefa miezaka ny hiray hina sy hanafoana ny fisaraham-bazana sy ny fifampiandaniana isika?

    2. Oviana ianao no nahazo fitahiana vokatry ny firaisanao hina tamin’ny fianakavianao, na tamin’ny mpiara-mianatra aminao, na tamin’ny kôlejy misy anao na tamin’ny mpiray paroasy na sampana aminao?

    3. Inona no azontsika atao mba hanafoanana ny fisaraham-bazana sy ny fifampiandaniana ao amin’ny Fiangonana?

Araka ny 1 Korintiana 1:12–16, dia nizarazara ho vondrona ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto vokatry ny tsy fitovian’ny fandraisan’izy ireo ny fotopampianaran’ny Fiangonana, ary nanohana ny heviny sy ny fomba fijeriny tamin’ny findramana ny tenin’ny mpitarika ny Fiangonana fanta-daza izy ireo.

1 Korintiana 1:17–31

Nampianarin’i Paoly ireo Olomasina fa Andriamanitra dia miantso ny malemy mba hitory ny filazantsarany

Tamin’ny vaninandro niainan’i Paoly, dia teo ambanin’ny fanapahana Romana i Grisia, ary Grika maro no nipetraka tao Korinto. Nanome lanja lehibe ho an’ny hevitra filôzôfika sy ho an’ny fahendren’izao tontolo izao ny Grika.

Diniho ny antony mahatonga ny olona iray izay manome lanja ny filôzôfian’izao tontolo izao hahita fa sarotra ny manaiky na miaina ny filazantsara.

Rehefa mandalina ny 1 Korintiana1:17–31 ianao, dia mitadiava fahamarinana iray izay afaka manampy anao hahatakatra fa hadalana ny miantehitra amin’ny fahendren’izao tontolo izao.

Vakio ny 1 Korintiana 1:17–22 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly Apôstôly momba ny fifanoheran’ny fahendren’izao tontolo izao sy ny fahendren’ Andriamanitra. Ny andian-teny hoe “fahendren’ny hendry” (1 Korintiana 1:19) sy ny hoe “fahendren’izao tontolo izao” (1 Korintiana 1:20) dia entina milaza ny fomba fanao ara-pilôzôfika diso tamin’izany andro izany. Mety hanampy ihany koa ny mahafantatra fa nampiasa ny andian-teny hoe “hazofijaliana” (1 Korintiana 1:17–18) i Paoly mba hilazana ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy ary ny Sorompanavotany.

Araka ny eritreritrao, nahoana ireo tsy mpino no mieritreritra fa ny hafatry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hadalana?

Vakio ny 1 Korintiana 1:25 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly Apôstôly momba ny fahendren’ny olona raha ampitahaina amin’ny fahendren’ Andriamanitra. Tsy adala Andriamanitra ary tsy manana fahalemena Izy. Nampiasain’i Paoly ny andian-teny hoe “ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona” sy ny hoe “ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona” mba hampahafantarany ny hevitra hoe ny fahendren’ny olona sy ny heriny dia tsisy dikany raha oharina amin’ny fahendrena sy ny herin’ Andriamanitra.

Ataovy anaty faribolana ny fahamarinana izay tena milazalaza ny zavatra nampianarin’i Paoly ny Korintiana momba ny fahendren’ Andriamanitra:

  • Ny fahendren’ Andriamanitra dia lehibe noho ny fahendren’ny olona.

  • Mahery ny olona iray rehefa hendry izy.

  • Ny famantarana avy any an-danitra dia lehibe noho ny fahendren’ny Grika.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny eritreritrao dia hampiova ny fomba fitadiavan’ny olona iray vahaolana amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa ny fahendren’ Andriamanitra dia lehibe kokoa noho ny fahendren’ny olombelona.

Vakio ny 1 Korintiana 1:26–27, mba hitadiavana izay nosafidian’ Andriamanitra mba hitory ny filazantsarany.

Saintsaino hoe nahoana Andriamanitra no nisafidy ireo izay heverin’izao tontolo ho adala sy malemy mba hitory ny filazantsarany.

Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana1:28–31 fa i Paoly dia nampianatra hoe i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny “fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana” (1 Korintiana 1:30) ka tokony hankalaza na hifaly ao Aminy isika.

1 Korintiana 2

Hazavain’i Paoly ny fomba ahafahantsika mianatra ny zavatr’ Andriamanitra

Vakio ity tantara manaraka ity, izay nozarain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny zavatra niainany talohan’ny niantsoana azy ho Manampahefana Ambony:

Filoha Boyd K. Packer

“Tao anaty fiaramanidina iray aho dia nipetraka teo akaikin’ny profesora tsy mino an’ Andriamanitra iray izay tena faingana amin’ny filazany ny tsy finoany an’ Andriamanitra hany ka nijoro ho vavolombelona taminy aho. ‘Diso ianao,’ hoy aho, ‘misy Andriamanitra. Fantatro fa velona Izy!’

“Nandà mafy izy hoe: ‘Tsy mahafantatra ianao. Tsy misy olona mahafantatra izany! Tsy afaka ny hahafantatra izany ianao!’ Rehefa tsy nilavo lefona aho dia nametraka fanontaniana izay angamba farany sarotra indrindra momba ny fijoroana ho vavolombelona ilay tsy mpino an’ Andriamanitra izay mpisolovava no asany. ‘Eny ary,’ hoy izy somary nilefitra tsy sazoka, ‘hoy ianao hoe mahafantatra ianao. Lazao amiko hoe amin’ny fomba ahoana no ahafantaranao.’

“Rehefa nikasa ny hamaly aho, na dia nanana diplaoma amin’ny fianarana ambony aza ny tenako, dia sahirana aho nifampiresaka taminy. …

“Rehefa nampiasa ny teny hoe Fanahy sy ny hoe tenivavolombelona, aho dia novalian’ilay tsy mino an’ Andriamanitra hoe, ‘Tsy misy fantatro izay zavatra resahinao.’ Ny teny hoe vavaka sy fahaizana manavaka, ary finoana dia samy tsy midika na inona na inona aminy. ‘Hitanao,’ hoy izy, ‘tsy tena mahafantatra ianao. Raha nahafantatra ianao dia ho vitanao ny milaza amiko hoe ahoana no ahafantaranao.

“Nahatsapa aho hoe angamba tsy tamim-pahendrena no nijoroako ho vavolombelona taminy ka very hevitra aho ny amin’izay zavatra tokony hatao.” (“The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 51).

Inona no ho nolazainao tamin’io lehilahy izay tsy nino an’ Andriamanitra io raha taminao no nitrangan’izany zavatra izany?

Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 2 ianao, dia tadiavo ny fahamarinana iray izay hanampy anao hahatakatra hoe nahoana io lehilahy io no tsy nahazo ny teny nolazain’ny Filoha Packer ary nahoana ianao no afaka manana antoka amin’ny fahafantaranao ny zavatra ara-panahy.

Vakiantsika ao amin’ny 1 Korintiana 2:1–8 fa i Paoly dia nilaza tamin’ireo Olomasina tany Korinto hoe tsy nampiasa ny fahendren’izao tontolo izao izy mba handresena lahatra azy ireo ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara. Nanazava izy fa tamin’ny herin’ny Fanahy no nampianarany azy ireo mba hananan’izy ireo finoana an’ Andriamanitra. Nolazain’i Paoly azy ireo ihany koa fa ny tsy mpino dia tsy afaka ny hahatakatra ireo misterin’ Andriamanitra.

Vakio ny 1 Korintiana 2:9–16 dia tadiavo ny antony nilazan’i Paoly hoe ny olona sasany dia afaka mahafantatra sy mahatakatra ny “zavatr’ Andriamanitra” (1 Korintiana 2:10–11), fa ny hafa kosa tsy afaka.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny 1 Korintiana 2:9–10, nahoana i Paoly sy ireo mpino hafa no nahatakatra ny zavatr’ Andriamanitra?

    2. Araka ny 1 Korintiana 2:14, nahoana ny olona sasany no tsy afaka nahatakatra ny zavatr’ Andriamanitra?

Mianatra ity fahamarinana manaraka ity isika avy amin’ireo andininy ireo: Amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra ihany no ahafahantsika mahafantatra sy mahatakatra ny zavatr’ Andriamanitra. Asio marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny 1 Korintiana 2:10–14 izay mampianatra io fahamarinana io.

Filoha Boyd K. Packer

Ny namaran’ny Filoha Packer ny tantarany dia ny fanazavany fa nahatsapa fanentanam-panahy izy hanontany ilay lehilahy nipetraka teo akaikiny tao amin’ilay fiaramanidina raha toa izy mahafantatra hoe manao ahoana ny tsiron’ny sira.

“‘Mazava ho azy fa mahafantatra aho,’ hoy ny navaliny.

“Oviana ianao no nanandrana sira farany?”

“‘Vao avy nisakafo hariva aho tato anaty fiaramanidina.’

“‘Mieritreritra fotsiny ianao hoe mahafantatra ny tsiron’ny sira ianao,’ hoy aho.

“Nanantitrantitra izy hoe: ‘Fantatro ny tsiron’ny sira toy ny fahafantarako ny zavatra hafa fantatro.’ …

“‘Noho izany ary,’ hoy aho, ‘ndeha hatao hoe tsy mbola nihinana sira mihitsy aho, hazavao amiko hoe manao ahoana ny tsiron’ny sira.’ …

“Rehefa nanandrana nanao izany imbetsaka izy, dia mazava ho azy, fa tsy nahavita nanao izany. Tsy vitany ny nampita tamin’ny alalan’ny teny fotsiny ihany ny traikefa tsotra toy ny tsiron’ny sira. Nijoro ho vavolombelona taminy indray aho ka niteny hoe: ‘Fantatro fa misy Andriamanitra. Nohamavoinao izany fijoroana ho vavolombelona izany ary nilaza ianao fa raha tena nahafantatra aho, dia ho afaka nilaza taminao mazava tsara hoe amin’ny fomba ahoana no ahafantarako. Ry namako, raha lazaina amin’ny ara-panahy, dia efa nihinana sira aho. Mitovy amin’ny tsy fahafahanao milaza amiko ny tsiron’ny sira ny tsy fahafahako mampita aminao amin’ny teny ny fomba nahatongavan’izany fahalalana izany. Kanefa lazaiko aminao indray hoe misy Andriamanitra! Tena velona Izy! Ary satria fotsiny tsy mahafantatra ianao dia aza miezaka ny hilaza amiko hoe tsy mahafantatra aho, fa mahafantatra aho!’

“Rehefa nisaraka izahay, dia henoko izy nimonomonona hoe: ‘Tsy mila ny fivavahanao aho mba hianteherako! Tsy mila an’izany aho.’

“Nanomboka tamin’izay traikefa niainako izay, dia tsy sadaikatra intsony aho na menatra hoe tsy afaka nanazava amin’ny teny fotsiny ihany ny zavatra rehetra fantatro ara-panahy” (“The Candle of the Lord,” 52).

  1. journal iconFenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    1. Tanisao ny zavatra vitsivitsy an’ Andriamanitra izay tsy afaka ny ho fantatra sy takarina raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahiny irery ihany.

    2. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mino fa amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra ihany no ahafahantsika mahafantatra sy mahatakatra ny zavatr’ Andriamanitra?

Eritrereto ny fotoana iray izay nahafantaranao sy nahatakaranao tamin’ny alalan’ny Fanahy ny iray amin’ireo zavatr’ Andriamanitra izay notanisainao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina: Diniho hoe inona no azonao atao mba hikatsahana ny fanampian’ny Fanahy rehefa miezaka ny mahafantatra sy mahatakatra ny zavatr’ Andriamanitra ianao.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 1 Korintiana 1–2 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: