Fizarana 9: Andro 4
Lioka 3–4
Fampidirana
I Jaona Mpanao Batisa dia nitory ny fibebahana ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fiavian’ny Mesia. Nataon’i Jaona batisa i Jesoa Kristy ary taorian’izay Izy dia nifady hanina tany an’efitra nadritra ny 40 andro. Rehefa avy nandeha tany Galilia i Jesoa dia nanambara tamin’ireo olona tao Nazareta fa Izy no Mesia. Nandà Azy ireo olona tao Nazareta, ka nandeha nankany Kapernaomy Izy, ary tao Izy no nanasitranana ny marary sy nandroaka demonia.
Lioka 3:1–22
Naminany momba an’i Jesoa Kristy i Jaona Mpanao Batisa
Makà fotoana kely hisaintsainana ireto fanontanaina manaraka ireto:
-
Efa nisy olona nananihany na naneso anao ve satria ianao mpikamban’ny Fiangonana?
-
Efa nisy olona nihomehy na na nanohitra ny zavatra inoanao na ny fenitra ezahinao iainana ve?
-
Nisy ve fety na fivoriana izay tsy nanasana anao na mety tsy nahazoanao aina noho ny finoana arahanao?
Eo am-pandalinanao ny lioka 3:1-22, dia tadiavo ny fahamarinana iray izay afaka manazava ny antony mety hahatsapan’ireo izay miaina ny filazantsara ho tafasaraka amin’ny hafa indraindray.
Teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy, ny filoha mpiahy ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana Aharôna dia nantsoina hoe mpisoronabe. Na izany aza, tamin’ny fotoana nanompoan’ny Mpamonjy dia lasa voaloto ny anjara fanompoan’ny mpisoronabe. Ny mpisoronabe dia mpitarika ara-pôlitika teo amin’ny firenena ihany koa, saingy ireo mpihazona izany anjara fanompoana izany dia tsy nosafidian’ Andriamanitra tamin’izany fotoana izany. Nosafidian’olombelona tahaka an’i Heroda sy ireo manam-pahefana Romana hafa izy ireo (jereo ny Bible Dictionary, “High priest”).
Vakio ny Lioka 3:2-6, hijerena ao amin’ny andininy 2 hoe iza no niresahan’ Andriamanitra teo amin’ny toeran’ireo mpisorona avo.
Fintino izay nampianarin’i Jaona Mpanao Batisa ny olona ao amin’ny Lioka 3:3–6. (Ho fanampiana izay zavatra nampianarin’i Jaona dia vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 3:4-11 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina].)
Tamin’ny andron’i Jaona dia nino izany ny olona sasany satria izy ireo dia taranak’i Abrahama, tsaratsara kokoa noho ny hafa izy ireo na hoe tian’ Andriamanitra kokoa izy ireo noho ireo tsy Isiraelita. Io toe-javatra io dia mety mitovy amin’ny olona ankehitriny izay mihevitra fa ho lasa any an-danitra tsotra izao izy ireo satria mpikamban’ny Fiangonana.
Vakio ny Lioka 3:7–9 mba hikarohana ny zavatra nampianarin’i Jaona ireo Jiosy fa tokony nataon’izy ireo mba hahazoana ny famonjena. (Ao amin’ny andininy 9, ny voa dia tandindon’ny vokatr’ireo safidy izay ataontsika.)
Jereo ao amin’ny andininy 9 ny zavatra hitranga amin’ireo izay tsy mamoa “voa tsara,” na tsy miaina am-pahamarinana.
Vakintsika ao amin’ny Lioka 3:10-15 fa i Jaona dia nampianatra an’ireo vondron’olona manokana teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy ny fomba ahafahan’izy ireo mamoa voa tsara amin’ny alalan’ny fiainana am-pahamarinana. Nahatalanjona ny asa fanompoan’i Jaona, ary ny sasany dia nihevitra fa mety ho izy no ilay Mesia.
Vakio ny Lioka 3:16–17 mba hikarohana ny zavatra nolazain’i Jaona fa hataon’ny Mesia rehefa avy Izy.
Ny andian-teny hoe “hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo” (Lioka 3:16) dia entina ilazana ny vokatra manadio sy manamasina avy amin’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy masina. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny olona iray dia tsy maintsy hateraka amin’ny rano sy ny fanahy mba hahafahany miditra ao amin’ny fanjankan Andriamanitra” (Enseignements des presidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 90).
Mba hahatakarana lalindalina kokoa ny Lioka 3:17, dia tena manampy ny mahatakatra mikasika ny fampisarahana ny vary amin’ny akofa.
Tantsaha Arabo manasaraka vary amin’ny akofa
Rehefa avy nojinjaina sy nokapohina ny vary (rehefa voasaraka tamin’ny tahony sy ny raviny ny voam-bary) dia nikororoka ny voa ilay tantsaha. Ny fikororohana dia fomba fahiny izay nampiasaina mba hampisarahana ny voambary amin’ny akofa (ilay fonony ivelany) sy ny ampombo. Ny mpanorokorodia hampiasa lapelina iray lehibe na angady rovi-dela vita amin’ny hazo antsoina hoe mpampifofo rivotra mba hanipazana ireo vary voavely eny amin’ny rivotra. Ny tsio-drivotra dia hitondra ny akofa maivana sy tsy ilaina, ary ny voam-bary mavesatra dia hianjera eo amin’ny tany fivelezana.
Mety maneho inona ny vary ao amin’ilay fifanahafana nataon’i Jaona?
Mety haneho inona ny akofa?
Fotopampianarana iray manan-danja nampianarina tao amin’ny Lioka 3:16–17 ny hoe i Jesoa Kristy dia hanasaraka ireo olo-marina amin’ny olon-dratsy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Na dia amin’ny Andron’ny Fitsarana aza no hitranga ny fanasarahana farany ny olo-marina amin’ny olon-dratsy dia amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana ny filazantsarany manasaraka ny mpianany amin’ny tsy fahamarinana ankehitriny?
-
Nahoana isika no mila mahatakatra fa rehefa mikatsaka ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy sy hiaina ny filazantsarany isika dia mety hahatsapa ho tafasaraka na tafasaraka amin’ny hafa?
-
Ny Lioka 3:18–22 dia mirakitra fa i Jesoa dia tonga mba ho ataon’i Jaona Mpanao Batisa batisa (jereo koa ny Matio 3:13–17). Taty aoriana kely dia nogadrain’i Heroda i Jaona Mpanao Batisa.
Lioka 3:23–38
Nomena ny firazanan’i Jesoa
Ao amin’ny Lioka 3:23–38, i Lioka dia nampiditra ny tetiaran’i Jesoa izay manome ny firazanan’i Jesoa mivantana na iray ra Aminy. Nijoro ho vavolombelona ihany koa izy fa i Josefa dia “natao ho” (tsy ilay tena) rain’i Jesoa (Lioka 3:23).
Lioka 4:1–13
Nalain’i Satana fanahy tany an’efitra i Jesoa
Ny Lioka 4:1–13 dia mirakitra ny tantaran’i Jesoa izay nifady hanina nandritra ny 40 andro tany an-tany foana sy nandà ny fakam-panahin’i satana (jereo koa ny Matio 4:1–11).
Lioka 4:14–30
Nanambara i Jesoa fa Izy no ilay Mesia
Eritrereto ireto teny manaraka ireto: malahelo,nampaoriana, mpifatotra, mahantra, ary jamba. Efa nahatsapa ve ianao fa ny iray tamin’ireo teny ireo na ny mihoatra izany dia mety efa namaritra ny zavatra tsapanao momba ny tenanao manokana? Eo am-pandalinanao ny Lioka 4:14–30, dia tadiavo ireo teny izay mampianatra ny fomba nanirahana an’i Jesoa Kristy hanasitrana ireo malahelo sy hanafaka ny mpifatotra.
Novakiantsika tao amin’ny Lioka 4:14–17 fa rehefa niverina avy nifady hanina sy nalaina fanahy tany an’efitra i Jesoa, dia nanomboka nitory tao amin’ny synagogan’i Galilia Izy. Tsy ela dia niverina tao Nazareta izay tany niaviany Izy. Tamin’Izy nijanona tao dia nijoro tao amin’ny synagoga Izy mba hamaky ny bokin’i Isaia izay naminany mikasika ny asa masina nanirahana ny Mesia.
Vakio ny Lioka 4:18–20 mba hikarohana ny faminanian’i Isaia mikasika izay hataon’ny Mesia ho an’ny olona. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Vakio ny Lioka 4:21 mba hikarohana ny zavatra nolazain’i Jesoa mikasika ny andalan-tsoratra masina izay avy novakiany.
Tamin’ny alalan’ny filazana fa tanteraka ny faminanian’i Isaiano nanambaran’i Jesoa fa Izy no ilay Mesia izay tian’io faminaniana io ambara. Soraty ao amin’ny soratra masinao ity fotopampianarana manaraka ity: Nalefa mba hanasitrana ireo malahelo sy hanafaka ireo mpifatotra ara-panahy i Jesoa Kristy.
Raha miainga avy amin’ny zavatra fantatrao mikasika ny asa fanompoan’ny Mpamonjy dia inona avy ireo zavatra nataony ka nahatanteraka ity faminaniana ity?
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ny traikefa efa hitanao izay maneho ny fomba hanohizan’i Jesoa Kristy manasitrana sy manafaka antsika ankehitriny?
Vakio ny Lioka 4:22,mba hitadiavana ny fihetsik’ireo olona tao Nazareta rehefa nanambara i Jesoa fa izy ilay Mesia nadrasana efa ela.
Vakiantsika ao amin’ny Lioka 4:23 fa i Jesoa dia nahafantatra fa ireo olona tao Nazareta dia hitsapa Azy mba hanaporofoana fa Izy Ilay Mesia tamin’ny alalan’ny famerenana ireo fahagagana izay nataony tao Kapernaomy. Novalian’i Jesoa tamin’ny alalan’ny findramana tantara roa tao amin’ny soratra masina izany mba hampianarana azy ireo fitsipiky iray momba ny finoana.
I Elia sy ilay mpitondratena avy ao Zarefata, ary ny zanany lahy
Vakio ny Lioka 4:24–27 mba hikarohana ireo tantara roa izay noresahin’i Jesoa. Azonao atao ny mamaky vetivety ny tantaran’i Elia sy ilay mpitondratena tao Zarefata ao amin’ny 1 Mpanjaka 17:1–6 sy ny tantaran’i Namàna sy i Elisa ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:1–14. Mifantoha tsara amin’ny zavatra nataon’i Namàna sy ilay mpitondratena mba hanehoan’izy ireo ny finoany.
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ilay mpitondratena avy ao Zarefata sy i Namàna finoana?
Zava-dehibe ny mahalala fa i Elia (Elià) sy i Elisa izay samy mpaminanin’ny Testamenta Taloha dia samy nanatanteraka fahagagana ho an’ireo olona izay tsy Isiraelita (Jentilisa). I Jesoa dia nampianatra ireo izay tao Nazareta fa na dia nisy mpitondratena sy boka aza teo anivon’ny Isiraelita, dia nisy Jentilisa roa afaka niaina fahagagana satria nanana finoana sy nanaiky ireo mpaminanin’ Andriamanitra izy ireo.
Satria maro tamin’ireo olona avy ao Nazareta no tsy ampy finoana Azy, dia fahagagana vitsy dia vitsy no nataon’i Jesoa tao ( jereo ny Matio 13:54-58; Marka 6:1-6). Afaka mianatra fitsipika manan-danja mikasika ny finoana isika rehefa mampitaha ireo olona tao Nazareta amin’ilay mpitondratena avy ao Zarefata sy i Namàna: Rehefa maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mahita fahagagana mitranga.
I Namàna sy ilay mpanompon’i Elisa
-
Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahantsika maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpamonjy antsika Azy. Avereno jerena ny Lioka 4:18, ka diniho ireo fomba ilainao mba hanehoana finoana an’i Jesoa Kristy mba hahafahanao mandray ireo fitahiana voatanisa ao.
Vakio ny Lioka 4:28–30 mba hikarohana ny fomba namalian’ireo tao amin’ny synagoga ny zavatra nolazain’i Jesoa.
Saintsaino ny fomba hanehoan’io tantara io ny fomba hanasarahan’i Jesoa Kristy ny olon-dratsy amin’ny olo-marina (jereo ny Lioka 3:17).
Lioka 4:31–44
Nandroaka demonia sy nanasitrana ny marary i Jesoa
Vakio ny Lioka 4:31–44 mba hitadiavana ny maha-samy hafa ny valintenin’ireo olona tao Kapernaomy amin’ny valintenin’ireo olona tao Nazareta.
Ahoana no hanazavan’ireo tantara ireo ny fitsipika fa rehefa maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia afaka handray ireo fitahiany?
-
Farano ny fianaranao androany amin’ny fanoratana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpamonjy Azy sy momba ireo fitahiana izay azonao rehefa naneho finoana azy ianao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Lioka 3–4 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: