Fizarana 1 Andro 4
Fampahafantarana sy sahan-kevitry ny Testamenta Vaovao
Fampidirana
Ny Testamenta Vaovao dia firaketana ny tantara momba ny fiainan’i Jesoa Kristy, ny fampianarany, ny Sorompanavotany, ny fananganana ny Fiangonany, ary ny asa fanompoana nataon’ireo mpianany taloha sy ny fampianaran’izy ireo. Ato anatin’ity lesona ity ianao dia hianatra mikasika ny sahan-kevitra ara-tantara sy ara-kolontsain’ny Testamenta Vaovao, ka tafiditra ao anatin’izany ny antony nahatonga ny Jiosy maro handà an’i Jesoa ho ilay Mesia na Mpamonjy. Hovakinao ao ihany koa ny mikasika ireo izay nanaiky an’i Jesoa tamim-panetrentena hoe Izy no Mpamonjy ka nisafidy ny hanaraka Azy.
Ny sahan-kevitry ny Testamenta Vaovao
Apetaho eo ambonin’ilay sary eo amin’ny ankavanana ny tananao. Raha miainga amin’ny zavatra hitanao ao amin’ilay sary eo amin’ny ankavia dia inona, araka ny eritreritrao, no mitranga ao amin’ilay sary? Asehoy ilay sary eo amin’ny ankavanana.
Nahoana no manampy anao hahatakatra ny zavatra mitranga ny fahitana ilay sary iray manontolo?
Ilay lehilahy manao saron-doha manga dia i Stefana, mpianatr’i Jesoa Kristy. Vakio ny sasin-tenin’ny toko ho an’ny Asan’ny Apostoly 7 mba hamantarana ny zavatra mitranga izay aseho ao amin’ilay sary.
Eritrereto ny fomba azonao ampitahana ny fanehoana ilay sary iray manontolo amin’ny fahatakarana ny soratra masina.
Ity asa atao ity dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny sahan-kevitry ny soratra masina. Ny teny hoe sahan-kevitra dia entina ilazana ireo toe-javatra manodidina na manome fampahalalana mikasika ny andinin-tsoratra masina, na tranga na tantara ao amin’ny soratra masina. Rehefa mihazatra amin’ny sahan-kevitra ara-tantara sy ara-kolontsain’ny Testamenta Vaovao ianao dia afaka mahatakatra sy mampihatra bebe kokoa ny fampianarana ao anatiny.
Ireo fizarana manaraka ao amin’ity lesona ity dia mirakitra fampahalalana izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa mikasika ny sahan-kevitry ny Testamenta Vaovao.
Ireo mpitondra fivavahana Jiosy nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy
I Jakôba izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nirakitra an-tsoratra ny faminaniana iray izay manampy antsika hahatakatra ny toe-javatra niseho nanodidina ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teto an-tany. Vakio ny 2 Nefia 10:3–5, mba hitadiavana ireo teny na andian-teny nampiasain’i Jakôba mba hanoritsoritana ny toe-piainana ara-panahy nisy teo anivon’ny Jiosy nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy.
Ny andian-teny hoe komiberaky ny mpisorona ao amin’ny 2 Nefia 10:5 dia entina ilazana ny fitoriana izay mikatsaka ny “hahazoan[a] harena sy laza avy amin’ izao tontolo izao” fa tsy izay hahasoa ny vahoakan’ Andriamanitra (2 Nefia 26:29). Ireo izay meloka noho ny komiberaky ny mpisorona voalohany indrindra dia ireo mpitondra fivavahana ratsy fanahy teo anivon’ny Jiosy, izay nitarika ny vahoaka ho any amin’ny lalan-diso.
Ireo zavatra nanampiana ny lalànan’i Mosesy sy ireo filôzôfia diso hafa
Mba hahatakarana misimisy kokoa mikasika ny fomba nitarihan’ireo mpitondra fivavahana ny vahoaka ho any amin’ny lalan-diso dia manaova faribolana manodidina ity faribolana izay maneho ny lalàn’i Mosesy manaraka ity, ka omeo anarana hoe Lalàna Am-bava izany.
Ny lalàn’i Mosesy dia ireo didy sy fampianarana nomen’ Andriamanitra anny Isiraely fahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany Mosesy. Nampian’ireo mpampianatra Jiosy tamin’ny lalàny sy ny fanazavany manokana ny lalàna. Ireo fitsipika sy fanazavana fanampiny, izay fantatra amin’ny hoe lalàna am-bava na fomban-drazana am-bava, dia natao mba hanakanana ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra. Ohatra, araka ny lalàna am-bava dia voarara ny famahana fatorana tamin’ny alalan’ny tanana roa rehefa Sabata. Noraisina ho toy ny asa ny fanaovana izany ka noho izany dia fanitsakitasahana ny andro Sabata. Ny famahana fatorana tamin’ny tanana iray fotsiny anefa dia nahazoana lalana.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny loza izay heverinao fa ateraky ny fanampiana lalàn’olombelona amin’ny didin’ Andriamanitra.
Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “nandritra ny fotoana niainan’ireo taranaka maro nifandimby tany aloha tany, ary avy eo tamin’ny fotoana nanaovan’ny Tompontsika ny asa fanompoany,” ny sasany tamin’ireo mpitondra fivavahana Jiosy dia “nanala ireo zavatra mazava sy tsotra tao amin’ny fivavahana madio ary nampiditra ny fanazavan-keviny manokana tao anatin’izany; noravahan’izy ireo tamin’ireo fombafomba sy fomba fanatanterahana fanampiny izany; dia nesorin’izy ireo ny fomba fitsaohana feno fifaliana ka navadik’izy ireo ho rafitry ny fombafomba arahina sy fomba fanatanterahana feno famerana sy feno sakatsakana ary mahaketraka. Ny fanahy velona nananan’ny lalàn’ny Tompo dia lasa taratasy maty momba ny fombafomba arahin’ny Jiosy rehefa tonga teo am-peletanan’izy ireo” (The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, boky miisa 4 [1979–81], 1:238).
Araka ny voalazan’ny Loholona McConkie, dia inona no nataon’ireo mpitondra fivavahana Jiosy tamin’ny lalàn’ Andriamanitra rehefa nampian’izy ireo ny fanazavan-keviny manokana izany?
Tao anatin’ny apôstazia ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa. Na dia nitohy teo anivon’izy ireo aza ny fahefana sy ny ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna dia maro tamin’ireo Jiosy no niala tamin’ny tena fomba fivavahan’izy ireo araka izay nampahafantarin’ Andriamanitra an’i Mosesy (jereo ny F&F 84:25–28). Ny fomban-drazana am-bava nampidirin’ireo mpitondra fivavahana Jiosy dia lasa nanan-danja kokoa noho ny fivavahana madio sy ny tenin’ Andriamanitra voasoratra.
Vakio ny Matio 12:14, mba hitadiavana ny zavatra nirian’ireo Fariseo ho atao tamin’i Jesoa satria tsy nanome lanja ireo lalàna na fomban-drazan’izy ireo am-bava Izy.
Fanapahan’ny firenena hafa sy fiandrandrana Mesia iray hanafaka an’ny Isiraely
Ankoatra ireo fomban-drazana Jiosy nivoana tamin’ny fahamarinana dia nitarika Jiosy maro hitsipaka an’i Jesoa ihany koa ireo fiandrandrana ny Mesia ho avy izay tsy nitombina.
-
Vakio ity andiam-pehezanteny manaraka ity ka valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ireo fanontaniana miaraka amin’izany:
Ankoatra ny fotoana fohy nahaleovan’izy ireo tena dia niaina toy ny vahoaka babo nandritra ny 500 taona mahery ny Jiosy tamin’ny fotoan’ny Testamenta Vaovao. Ny fikomiana notarihin’ny Makabeo, fianakaviana Jiosy iray tia tanindrazana, no nitarika tamin’ny fahaleovan-tena tokony ho 160 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy. Na izany aza dia nandresy an’i Isiraely i Rôma tamin’ny fotoana nahaterahan’i Kristy. I Heroda mpanjaka, izay nanambady fianakaviana Makabeo, no notendren’i Rôma hanapaka an’i Isiraely. Halan’ny Jiosy ny fanapahan’ny Romana ka niandrandra fatratra ny Mesia izay ninoany fa hanafaka azy ireo amin’ny Romana izy ireo. Koa satria niandry ny Mesia izay hanafaka azy ireo tamin’ny fanapahan’ny firenena hafa ny Jiosy maro dia nolavin’izy ireo ny maha-Mpamonjy azy ireo an’i Jesoa Kristy.
-
Inona no nandrasan’ny Jiosy maro tamin’ilay Mesia izay ho avy?
-
Nahoana io fanantenana zavatra tsy misy io no nitarika ny Jiosy maro handà fa i Jesoa no ilay Mesia?
-
Maro ireo Jiosy nanetry tena sy nanaiky fa i Jesoa no ilay Mesia, na Mpamonjy
Raha nandà an’i Jesoa Kristy ny sasany tamin’ireo Jiosy dia nanaiky an’i Jesoa ho ilay Mesia na Mpamonjy kosa ireo hafa izay nanetry tena sy nahatsapa ny Fanahy Masina.
Vakio ny Lioka 2:25–33, mba hitadiavana ny zavatra nataon’ny lehilahy marina iray atao hoe Simeona sy izay nolazainy rehefa nitondra an’i Jesoa zazakely tao amin’ny tempoly i Josefa sy i Maria.
Araka ny voalazan’ny Lioka 2:30–32, dia inona no antony nanirahana an’i Jesoa teto an-tany?
Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa Nirahina mba hitondra famonjena ho an’ny olona rehetra i Jesoa Kristy.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hamelana ny olona rehetra ho voavonjy.
I Jaona Mpanao Batisa dia nantsoin’ Andriamanitra mba hanomana ny olona amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy. Ny ampitson’ny nanaovany batisa an’i Jesoa dia nijoro ho vavolombelona ny Aminy izy nanao hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra!” (Jaona 1:36). Vakio ny Jaona 1:37–42, mba hitadiavana ny zavatra nataon’ny roa tamin’ireo mpianatr’i Jaona rehefa avy nandre ny fijoroana ho vavolombelona nataony momba an’i Jesoa izy ireo.
Inona no nataoni Andrea rehefa avy nandre ny fijoroana ho vavolombelona nataoni Jaona Mpanao Batisa izy fa i Jesoa no ilay Mesia? Nahoana izy araka ny eritreritrao no nanahy ny hizara izany vaovao izany tamin’i Simona Petera rahalahiny?
Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 1:43–44, dia nanasa lehilahy iray nantsoina hoe Filipo mba ho mpianany ny Mpamonjy. Vakio ny Jaona 1:45–46, mba hitadiavana ny zavatra nataon’i Filipo rehefa fantany fa i Jesoa no ilay Mesia.
Nasain’i Filipo hanao inona i Natanaela?
Fenoy avy amin’ireo ohatra nalaina avy tao amin’ny Testamenta Vaovao ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hanana faniriana bebe kokoa ny .
Nahoana isika araka ny eritreritrao no hanana faniriana bebe kokoa hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy rehefa manatona Azy?
Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa misy fitahiana lehibe azontsika rehefa manasa ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy isika: “Rehefa manokatra ny fonao mba hanasa ny olona hanatona an’i Kristy ianao dia hiova ny fonao. … Rehefa manampy ny hafa hanatona Azy ianao dia ho hitanao fa nanatona Azy ny tenanao” (“Come unto Christ,” Ensign, mar. 2008, 52).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy antsika hanatona an’i Kristy bebe kokoa ihany koa ny fanasana ny hafa hanatona Azy?
-
Iza no nanasa anao hanatona ny Mpamonjy sy ny filazantsarany? Inona no fitahiana naterak’izany azonao teo amin’ny fiainanao?
-
Eritrereto ny olona azonao asaina hanatona an’i Jesoa Kristy. Inona no azonao atao mba hanasana ny hafa hanatona Azy?
-
Rehefa mandalina ny Testamenta vaovao ianao amin’ity taona ity dia ho tsapanao ny fangatahana tsy tapaka ataon’ny Mpamonjy mba hanatona Azy. Rehefa manaiky io fanasana io ianao dia ho heniky ny faniriana hanampy ny hafa hanatona Azy ihany koa.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Nandalina ny lesona “Fampahafantarana sy sahan-kevitry ny Testamenta Vaovao” aho ary nahavita io lesona io ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:
Ilay tabilao ao amin’ny pejy manaraka dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny sahan-kevitry ny tantaran’ny fiainan’i Jesoa Kristy izay hohalalininao ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Marka sy Lioka ary Jaona.