Fizarana 7: Andro 3
Marka 1
Fampidirana
I Jaona Mpanao Batisa nitory “ny batisan’ny fibebahana ho an’ny famelan-keloka” (Marka 1:4). Rehefa avy nanao batisa an’i Jesoa i Jaona, dia nanomboka nitory ny filazantsara ny Mpamonjy ary nanao fahagagana tamin’ny alalan’ny hery sy fahefana masina. Nandroaka fanahy maloto Izy ary nanasitrana boka iray. Ny vaovao mikasika ny zavatra nataony dia niparitaka manerana an’i Galilia.
Marka 1:1–20
Nanomboka ny asa fanompoany i Jesoa
-
Asao ny olona roa na mihoatra (fianakaviana, namana, mpiara-mianatra, na olona hafa) mba hizara miaraka aminao ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika an’i Jesoa Kristy. Azonao omena fotoana izy ireo hieritreretany sy hiomanany alohan’ny hizarany ny fijoroana ho vavolombelona ananany miaraka aminao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny famintinana kely mikasika ny fahamarinana izay nozarain’izy ireo.
Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona ny maha-manan-danja ny maheno fijoroana ho vavolombelona avy amin’olona maromaro noho ny maheno izany avy amin’olona iray fotsiny?
-
Inona no heverinao fa mety maha-manan-danja ny fandalinana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Marka, rehefa avy nandalina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Matio ianao?
Vakio ny Marka 1: 1-4, 9-11 mba hikarohana ny zava-nitranga izay nanombohan’i Marka ny fitantarany ny fiainan’ny Mpamonjy.
Ny fitantaran’i Marka ny fiainan’ny Mpamonjy dia tsy mitovy amin’ny fitantaran’i Matio izany. I Marka dia nanoratra tokoa ny fitantarany nifototra avy amin’ny zavatra nianarany tamin’ny Apôstôly Petera. Maro ireo manam-pahaizana izay mihevitra fa izany dia nosoratana teo anelanelan’ny taona 66 taorian’i Kristy sy 73 taorian’i Kristy ,tamin’ny fotoana izay niaretan’ny Kristianina fanenjehana mahery vaika nandritra ny fanjakana Romana.
Mamaky isika ao amin’ny Marka 1:12-20 fa rehefa nifady hanina nandritra ny 40 andro i Jesoa dia nalain’ny devoly fanahy (jereo koa ny Matio 4:1-11) Nitory ny fibebahana ihany koa Izy tao Galilia ary niantso ireo mpianany hanaraka Azy.
Marka 1:21–39
Nandroaka demonia sy nanasitrana ny marary i Jesoa
Inona ireo loza mety hatrehan’ny miaramila iray ao amin’ny tanin’ny fahavalo?
Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Mitombo ao anatin’ ny tanin’ ny fahavalo ianareo ry tanora, noho ny zava-mitranga eo amin’ izao tontolo izao, sy ny fitontongan’ ireo fenitra ara-pitondran-tena.
“Fantatsika avy amin’ ny soratra masina fa nisy ady tany an-danitra ary nikomy i Losifera sy ny mpanara-dia azy ka ‘nazera tamin’ ny tany’ [Apokalipsy 12:9]. Vonona ny hanakorontana ny drafitry ny Raintsika any an-danitra izy ary mikatsaka ny hifehy ny saina sy ny fihetsiky ny rehetra” (“Toro-hevitra ho an’ny tanora,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 16).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Raha miainga avy amin’ny zavatra nampianarin’ny Filoha Packer, sy ny traikefanao manokana, dia amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fiainantsika eto an-tany amin’ny hoe miaina any an-tanin’ny fahavalo?
Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao fa rendrika ianao noho ny fitaoman-dratsy sy ny fakam-panahy manodidina anao. Eo am-pandalinanao ny Marka 1:21–37, tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao rehefa miatrika fitaoman-dratsy sy fakam-panahy ianao.
Vakio ny Marka 1:21–22 mba hikarohana ny zavatra nataon’i Jesoa tao Kapernaomy sy ny namalian’ny Jiosy Azy .
Nahoana ireo Jiosy no talanjona tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ?
Ireo mpanora-dalàna ao amin’ny andininy faha 22 dia voalaza ho matihanina amin’ny lalàn’i Mosesy. Matetika izy ireo dia antsoina hoe “mpahay lalàna na mpampiana-dalàna. Novelabelarin’izy ireo tamin’ny antsipiriany ny lalàna ary nampihariny tamin’ireo toe-javatra tamin’ny androny” (Torolalana ho an’ny SoratraMasina, “mpanora-dalàna,” scriptures.lds.org). Rehefa mitory izy ireo mazàna dia manonona manam-pahefana teo aloha ao amin’ny lalàna . Mifanohitra amin’izany, i Jesoa dia niteny tamin’ny hery sy ny fahefan’ny Rainy. Izy ihany koa ilay Jehovah lehibe izay nanome ny lalàn’i Mosesy. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia mampianatra fa “nampianatra azy toy izay manana fahefana avy amin’ Andriamanitra Izy, fa tsy tahaka ny manana fahefana avy amin’ny mpanora-dalàna” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:37 [ao amin’ny Matio 7:29, fanovozan-kevitra eo ambanin’ny pejya]).
Raha nampianatra tao amin’ny synagoga i Jesoa, dia nifanehatra tamin’ny lehilahy iray izay azon’ny fanahy maloto na fanahy ratsy. Vakio ny Marka 1:23–26 mba hikarohana ny zavatra fantatr’ilay fanahy maloto mikasika an’i Jesoa.
Raha misy, dia afaka mijery ny horonan-tsary “Jesus Heals a Possessed Man” (1:48) avy amin’ny The Life of Jesus Christ Bible Videos, ianao, izay azo jerena ao amin’ny LDS.org mba hikarohana ny zavatra fantatr’ ilay fanahy maloto mikasika an’ i Jesoa.
Ireo fanahy maloto izay mikaroka ny ahazo vatana dia ireo mpanara-dia an’i Losifera. Niaina teo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo talohan’ny nadroahina azy ireo avy any an-danitra.
Raha tao amin’ny synagoga ianao ka nahita ny zava-nitranga, dia inona no mety ho eritreritrao mikasika an’i Jesoa?
Vakio ny Marka 1:27–28 mba hikarohana hoe ahoana ny navalin’ny olona taorian’ny nahitany an’i Jesoa nandroaka ny fanahy maloto hiala ilay lehilahy .
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity ny hoe ny Mpamonjy dia manana fahefana amin’ny devoly sy ireo mpanara-dia azy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa ny Mpamonjy dia manana fahefana amin’ny devoly sy ireo mpanara-dia azy rehefa mahatsapa fa rendrika ianao noho ny fitaoman-dratsy sy ireo fakam-panahy manodidina anao?
Vakio ny fanambarana manaraka nataon’i Filoha James E. Faust ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mariho ny zavatra azontsika atao mba hahazoana hery lehibe handresena ny devoly:
“Ny Mpaminany Joseph Smith … dia nanambara fa, ‘Ireo fanahy ratsy dia manana ny zavatra mamatotra azy, ny fetrany, ary ireo lalàna izay itondrana azy ireo’ [ao amin’ny History of the Church, 4:576]. Noho izany, i Satana sy ireo anjeliny dia tsy manan-kery avokoa. …
“… Ireo ezaka ataon’i Satana dia afaka toherin’ireo rehetra izay manatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo fanekem-pihavanana sy ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Ireo mpanara-dia manetry tenan’ny Mpampianatra masina dia tsy ho voafitaky ny devoly. Satana dia tsy manohana na mampitraka na mitahy. Fa avelany ao amin’ny fahoriana sy ny henatra ireo izay voarombany. Ny fanahin’ Andriamanitra dia fitaomana mampitraka sy manohana (“Manompo ny Tompo sy manohitra ny devoly,” Ensign, Sept. 1995, 6, 7).
Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tonga teto an-tany isika mba hanana vatana sy hanolotra izany amin’ny endriny madio eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny fitsipika lehiben’ny fahasambarana dia mifototra amin’ny fananana vatana. Tsy manana vatana ny devoly ary izay no fanasaziana azy. Faly izy rehefa azony ny tabernakelin’ny olona, ary rehefa noroahin’ny Mpamonjy izy dia nangataka ny hankany anatin’ireo andiana kisoa [jereo ny Marka 5:1–13], izay mampiseho fa aleony ao anatin’ny vatan’ny kisoa toy izay tsy manana mihitsy. Ny olona rehetra izay manana vatana dia manana hery amin’ireo tsy manana” (Enseignements des Presidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 211).
Vakio ny Marka 1:28 mba hikarohana ny zava-nitranga rehefa avy nandroaka ny fanahy ratsy ny Mpamonjy.
I Simona Petera dia nanambady, ary ao amin’ny Marka 1:29–31 dia mamaky isika fa ny Mpamonjy dia nanasitrana ny rafozambaviny tamin’ny tazony. Mamaky isika ao amin’ny Marka 1:32–39 fa i Jesoa dia nanasitrana marary maro hafa, nandroaka devoly maro, ary mbola nanohy nitory nanerana an’i Galilia.
Marka 1:40–45
Nanasitrana boka iray i Jesoa
Vakio ny Marka 1: 40 mba hikarohana hoe iza no nanatona ny Mpamonjy raha nanohy nitory tao Galilia Izy.
Raha misy, dia afaka mijery ny horonantsary “Lesona 18: New Testament Customs—Leprosy” (1:01) ianao, izay azo jerena ao amin’ny LDS.org.
Tamin’ny andro taloha, ny olona nararin’ny habokana dia nantsoina hoe boka. “ Ny habokana dia aretina raiki-tampisaka izay manjo ny hoditra, ireo hozatatitra, ny maso, ny taolana, ary ny rantsam-batana. Raha tsy voatsabo, dia mahasembana tsikelikely ny olona tratrany izany alohan’ny fahafatesana mamaivay. Ireo boka tao amin’ny Isiraely taloha dia natokan-toerana [voatery niaina tany ivelan’ny tanàna],ary nodidiana hiantsoantso hoe ‘Maloto e!’ mba hampitandremana ireo izay manatona azy ireo, ary voalaza fa mamindra ny fahalotoany amin’ny olona izay mifampikasoka amin’izy ireo (jereo ny Levitikosy 13:45-46)” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 103).
Alaivo sary an-tsaina hoe boka ianao tamin’ny andron’i Jesoa Kristy. Ahoana no mety ho fiatraikan’ny aretin’ny habokana eo amin’ny fiainanao?
Vakio ny Marka 1:40, ary jereo ny zavatra nataon’ilay boka rehefa nahita ny Mpamonjy izy. (Ny teny hoe nitaraina dia midika hoe nangataka na nitalaho.)
Ahoana no nanehoan’ ilay boka ny finoany an’i Jesoa Kristy?
Ny teny hoe “raha mety aminao” dia midika fa niaiky ilay lehilahy fa ny fanasitranana azy dia niankina tamin’ny sitrapon’ny Mpamonjy. Vakio ny Marka 1:41–42 mba hitadiavana ny fomba namalian’ny Mpamonjy ny fitalahoan’ilay lehilahy.
Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Raha ianao no teo ami’ny toeran’ilay boka, midika inona taminao ny hoe notendren’ny Mpamonjy? Nahoana?
-
Ahoana ny mety ho fiovan’ny fiainanao raha toa ka nositranin’i Jesoa Kristy ny habokanao?
Eo am-pamakiana ity teny nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy manaraka ity, dia mariho ireo fomba nolazainy mikasika ny mampitovy ny habokana amin’ny fahotana (jereo ny Levitikosy14): “Ny habokana tamin’ny andron’ny baiboly, ankoatra ny fiatraikany ara-batana mampahonena dia nojerena ho toy ny sariohatry ny fahotana sy ny fahalotoana, izay midika fa io aretina ratsy io dia mihinana sy manimba ny vatana ara-nofo, noho izany ny ota dia mihinana sy manimba ny lafiny ara-panahin’ny olona. … Misy ireo ohatra ao amin’ny testamenta taloha—Miriama, Gehazy ary Ozia—izay nanozonana ireo olona izay nikomy mba ho tratran’ny habokana ho sazin’izy ireo tamin’ny zavatra ratsy nataony” (The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, 4 vols. [1979–81], 2:45).
Zava-dehibe ny manamarika fa ny aretina toy ny habokana dia tsy vokatry ny fahotana akory. Fa misy kosa anefa fitoviana amin’ny vokatry ny habokana sy ny vokatry ny ota. Avereno vakina ny Marka 1:40–42. Amin’ity indray mitoraka ity dia soloy amin’ny teny hoe boka ny hoe mpanota ary amin’ny teny hoe habokana ny hoe fahotana. Rehefa mamaky ianao dia tadiavo ny ahafahantsika mampitovy ny fanasitranana ilay boka amin’ny fanadiovana antsika amin’ny fahotana.
Rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina araka izany fomba izany ianao, dia inona avy ireo teny mandroso hevitra mikasika ny hoe voavela heloka?
Ahoana no ahafahantsika mampitovy ny ny zavatra nataon’ilay boka mba ho voadio tamin’ny habokana amin’ny zavatra ilaintsika atao mba ho voadio amin’ny otantsika?
Ny fitsipika iray azontsikaianarana amin’ny fampitoviana ny fanasitranana ilay boka amin’ny fanadiovana amin’ny ota dia ny hoe rehefa mampihatra ny finoantsika isika ka manatona ny Mpamonjy, dia hangoraka antsika Izy ary hanadio antsika amin’ny ota. Soraty eo amin’ny sisin’ny soratra masinao ao amin’ny Marka 1:40–42 ity fahamarinana ity.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no tsy maintsy ampiharantsika finoana sy hanatonana ny Mpamonjy mba hahafahany manadio antsika amin’ny otantsika?
-
Diniho indray hoe toy ny ahoana ny fiainan’ilay boka taloha sy taorian’ny nahasitranany. Amin’ny fomba ahoana no hanovan’ny fanatonana an’i Jesoa Kristy mba ho voadio amin’ny ota ny fiainan’ny olona iray?
-
Oviana ianao no nahita fiainan’olona iray niova rehefa voadio tamin’ny fahotana rehetra tamin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana?
-
Saintsaino hoe inona ireo fahotana izay tokony hanadiovana anao. Rehefa manatona ny Mpamonjy amin’ny fampiharana ny finoana Azy amin’ny alalan’ny vavaka, fibebahana, ary fankatoavana ianao dia afaka manadio anao Izy.
Vakio ny Marka 1:43–45 mba hikarohana ireo torolalana nomen’ny Mpamonjy ilay boka voasitrana. Ny lalàn’i Mosesy dia nitaky ny hanehoan’ireo sitrana tamin’ny habokana ny tenany mivantana tamin’ny mpisorona iray tao amin’ny tempoly. Rehefa avy nanambara ny mpisorona fa sitrana ilay boka, dia hisy fanatitra atao hanehoana fa ilay boka dia nambara fa madio, ary hanomezana azy lalana ny ho mpikambana feno ao amin’ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina indray.
Inona no nataon’ilay lehilahy rehefa avy nampitandrina azy tsy hilaza izany tamin’ny hafa ny Mpamonjy?
Inona ny zava-nitranga noho ny fanapariahan’ilay lehilahy ny vaovao momba ny fanasitranana azy?
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Marka 1 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: