Fizarana 16: Andro 3
Jaona 18–19
Fampidirana
Rehefa avy nisambotra sy nanadihady an’i Jesoa ireo mpitarika Jiosy dia naterin’izy ireo tany amin’i Pilato Izy mba hotsaraina sy hampangaina. Nanaiky ny Fanomboana an’i Jesoa i Pilato, na dia lasa resy lahatra aza izy fa tsy meloka i Jesoa. Raha mbola teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa dia nomeny torolalana ny Apôstôly Jaona mba hikarakara an’i Maria reniny. Rehefa maty i Jesoa dia napetraka tao amin’ny fasana iray ny vatany.
Jaona 18:1–32
Nosamborina sy nohadihadian’ireo mpitarika Jiosy i Jesoa, ary avy eo dia nentin’izy ireo teo anatrehan’i Pilato
Amin’ny fotoana manao ahoana no sarotra indrindra ho anao ny mieritreritra izay mahasoa ny hafa?
-
Manaova sarina tsipika midina eo afovoan’ny pejy iray mba hamoronana tsanganana roa ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Omeo anarana hoe ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Jesoa ny tsanganana iray ary omeo anarana hoe Ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Pilato ny tsanganana faharoa. Nandritra ny fisamborana ny Mpamonjy sy ny fitsarana ary ny Fanomboana Azy dia nisafidy ny hanome lanja na hanao ho laharampahamehana zavatra samy hafa i Jesoa sy ny governora Romana. Rehefa mandalina ny Jaona 18-19 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa sy ny an’i Pilato izay afaka manampy anao hahafantatra ny zavatra manan-danja izay tokony hatao laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao. Soraty ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fahamarinana hitanao mandritra ity lesona ity.
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 18:1–3 fa taorian’ny nijalian’i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia tonga niaraka tamin’ireo miaramila sy mpiandry raharaha avy amin’ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo i Jodasy Iskariota mba hisambotra an’i Jesoa. Raha fantatrao fa nisy andiana miaramila sy mpiandry raharaha mitam-piadiana nanatona mba hisambotra anao ary hamono anao amin’ny farany, dia mety ho toy ny ahoana ny fihetsikao?
Vakio ny Jaona 18:4–11 sy ny Lioka 22:50–51 ka tadiavo ny teny navalin’i Jesoa rehefa tonga ireo andian’olona ireo.
Ny teny hoe ireto ao amin’ny Jaona 18:8 sy ny hoe izay ao amin’ny Jaona 18:9 dia manondro ireo Apôstôly niaraka tamin’i Jesoa. Araka ireo andininy ireo, dia inona ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Jesoa Kristy?
Rehefa avy mamaky ny Jaona 18:4–11 sy ny Lioka 22:50–51 ianao dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ao amin’ilay tsanganana hoe “ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Jesoa,” izay nanahiran-tsaina ny Mpamonjy.
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 18:12–32 fa namela ireo miaramila hisambotra Azy i Jesoa. Nentin’izy ireo teo amin’i Anasy Izy, i Anasy izay mpisoronabe teo aloha, izay nandefa an’i Jesoa mba hohadihadian’i Kaiafa, izay vinanton’i Anasy (jereo ny Jaona 18:13). I Kaiafa no mpisoronabe voatendry tamin’izany andro izany, ary niezaka ny hanao izay hamonoana an’i Jesoa izy (jereo ny Jaona 18:14). Nanaraka an’i Jesoa i Petera sy ny mpianatra hafa iray ka nijery an’i Kaiafa nanadihady Azy (jereo ny Jaona 18:15–16). Rehefa nanontany an’i Petera ny olona telo samy hafa raha toa ka iray tamin’ireo mpianatr’i Jesoa izy, dia nilaza fa tsy nahalala azy foana i Petera (jereo ny Jaona 18:17, 25, 26–27). Rehefa avy nanontany an’i Jesoa i Kaiafa dia nentin’ireo mpitarika Jiosy tany amin’i Pilato, ilay governoram-paritra Romana tao Jodia Izy mba hotsaraina sy hamoahana didim-pitsarana (jereo ny Jaona 18:28–30). Ny Romana ihany no nanana fahefana hanatanteraka fanamelohana ho faty tao Jerosalema (jereo ny Jaona 18:31).
Jaona 18:33–19:16
Tsaraina eo anatrehan’i Pilato i Jesoa
Vakio ny Jaona 18:33–35, ka tadiavo ny zavatra tian’i Pilato ho fantatra mikasika an’i Jesoa.
Ireo mpitarika Jiosy dia niampanga an’i Jesoa fa nilaza ny tenany ho mpanjakan’ny Jiosy, satria raha nilaza ny tenany ho mpanjaka i Jesoa dia azo ampangaina ho mpikomy, na mpamadika ny fitondram-panjakana Romana Izy (jereo ny Jaona 19:12) ka afaka nomelohina ho faty noho izany.
Vakio ny Jaona 18:36–37, ka tadiavo izay nohazavain’i Jesoa tamin’i Pilato.
Vakio ny Jaona 18:38, ka tadiavo ny fanapahan-kevitra noraisin’i Pilato mikasika an’i Jesoa.
Mianatra isika ao amin’ny Jaona 18:39–19:5 fa nandroso sosokevitra ny hamotsotra an’i Jesoa araka ny fomban-drazana Jiosy izay mamotsotra ny voafonja iray amin’ny fotoan’ny Lanonan’ny Paska i Pilato (jereo ny Jaona 18:39). Nisafidy ny hamotsotra an’i Barabasy mpandroba kosa ireo lohan’ny mpisorona sy ireo miaramila (jereo ny Jaona 18:40) ka nangataka ny hanomboana an’i Jesoa eo amin’ny hazofijaliana (jereo ny Jaona 19:6). Nikapoka an’ Jesoa i Pilato ary nanisy satroka tsilo teo amin’ny lohany sy nandrabiraby Azy ireo miaramila Romana (jereo ny Jaona 19:1–2), dia nentin’i Pilato teo anoloan’ny vahoaka i Jesoa avy eo.
Vakio ny Jaona 19:4, 6, ka tadiavo izay naverimberin’i Pilato nolazaina tamin’ireo Jiosy.
Inona ny zavatra azo lazaina hoe ninoan’i Pilato fa zavatra tsara tokony hatao?
Araka ny Jaona 19:7 dia nolazain’ireo mpitarika Jiosy tamin’i Pilato fa i Jesoa dia nilaza fa Izy no Zanak’ Andriamanitra. Vakio ny Jaona 19:8–11, ka tadiavo ny valinteny nomen’i Pilato rehefa reny fa i Jesoa dia nilaza fa Izy no Zanak’ Andriamanitra. Jereo ihany koa ny nolazain’i Jesoa tamin’i Pilato momba ny fahefan’i Pilato amin’ny maha-governora azy.
Raha teo amin’ny toeran’i Pilato ianao dia inona no mety ho tsapanao rehefa avy nandre ny zavatra nolazain’i Jesoa fa ianao dia tsy manana fahefana “raha tsy nomena anao avy any ambony [izany fahefana izany]” (Jaona 19:11)?
Ny tenin’i Jesoa ao amin’ny Jaona 19:11 mikasika ireo mpitarika Jiosy izay “manan-keloka bebe kokoa” dia maneho fa raha nihaino ny fangatahan’ny vahoaka i Pilato ka nanome baiko ny hanomboana an’i Jesoa, dia ho meloka izy— na dia tsy mitovy habe amin’ny an’ireo izay tena nikatsaka ny fahafatesan’i Jesoa aza ny helony.
Vakio ny Matio 27:19, ka jereo ny torohevitra nomen’ny vadin’i Pilato azy mba hataony. Dia vakio avy eo ny Jaona 19:12–15, ka tadiavo ny zavatra nezahin’i Pilato hatao mahakasika an’i Jesoa sy ny nasetrin’ireo Jiosy izay nikatsaka ny hamono an’i Jesoa.
Jereo ao amin’ny Jaona 19:12 ny fomba nandrahonan’ireo Jiosy an’i Pilato rehefa fantany fa naniry ny hamotsotra an’i Jesoa izy.
Mba haneriterena an’i Pilato dia nampahatsiahivin’ny Jiosy azy fa raha toa ka mamotsotra an’i Jesoa izy dia mety holazaina ho tsy manaja an’i Kaisara. Raha toa ka nanao tatitra momba izany tsy fanajana izany ny Jiosy dia mety ho nanaisotra an’i Pilato tamin’ny toerany sy ny fahefana amin’ny maha-governora azy i Kaisara. Teto dia nila nisafidy teo amin’ny fikatsahana ny tombontsoany manokana sy ny famotsorana an’i Jesoa izay fantany fa tsy meloka i Pilato.
Vakio ny Jaona 19:16, ka tadiavo ny zavatra nofidian’i Pilato hatao.
Mampianatra inona amintsika momba ny zavatra voalohany nanahiran-tsaina azy ny fihetsik’i Pilato?
Soraty ao amin’ilay tsanganana milaza hoe “Ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Pilato” ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay tena nanahiran-tsaina an’i Pilato indrindra.
Mianatra isika avy amin’ny fandalinantsika ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Pilato izay naseho tao amin’ny Jaona 18–19 fa ny fametrahantsika ny tombontsoantsika mialoha ny fanaovana izay tsara dia hitarika antsika amin’ny fahotana. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ao amin’ilay tsanganana hoe “Ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Pilato” izany fitsipika izany.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo toe-javatra izay mety hahatonga antsika ho alaim-panahy hametraka ny tombontsoantsika manokana mialoha ny fanaovana izay tsara?
-
Inona ireo zavatra azonao atao mba handresena ny fakam-panahy hametraka ny tombontsoanao manokana mialoha ny fanaovana izay tsara, na dia tsy manao izany aza ny besinimaro?
-
Jaona 19:17–42
Nohomboina i Jesoa dia napetraka tao amin’ny fasana iray ny vatany
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 19:17–24 fa nitondra ny hazofijaliany nankeo Golgota i Jesoa, toerana izay nanomboana Azy tamin’ny ora fahatelo (jereo ny Marka 15:25; tokony ho ny ora fahatelo taorian’ny fiposahan’ny masoandro izany). Vakio ny Jaona 19:25–27, ka tadiavo hoe iza no nijoro teo akaikin’ilay hazofijaliana rehefa nohomboina i Jesoa.
Nanahy ny amin’iza i Jesoa rehefa nihantona teo amin’ny hazofijaliana Izy?
Ilay andian-teny hoe “ilay mpianatra … tian[’i Jesoa]” (Jaona 19:26) dia entina hilazana ny Apôstôly Jaona, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe Jaona ilay Lalaina. Rehefa nilaza tamin’i Jaona i Jesoa hoe: “Indro ny reninao!” dia nanome toromarika an’i Jaona Izy mba hikarakara an’i Maria reniny toy ny hoe tena renin’i Jaona mihitsy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ao amin’ilay tsanganana mitondra ny anarana hoe “Ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Jesoa” izay olona nanahiran-tsaina an’i Jesoa ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.
Raha miainga avy amin’ireo zavatra nampiahiahy hitanao nandritra ny fandalinanao ny Jaona 18–19, dia ahoana no hamariparitanao ny toetran’i Jesoa Kristy raha ampitahaina amin’ny toetran’i Pilato?
Mianatra isika avy amin’ny fandalinantsika ny toetran’ny Mpamonjy izay naseho tao amin’ny Jaona 18–19 fa afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hanampy ny hafa na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza isika. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ao amin’ilay tsanganana nomena anarana hoe “Ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Jesoa” izany fitsipika izany.
Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny tena toetra tsarantsika marina dia miseho … ao amin’ny hery ananana mba hamantatra ny fijalian’ny olona hafa rehefa mijaly ny tenantsika; ao amin’ny fahafahana mahatsapa ny hanohanan’ny hafa rehefa noana isika; ary ao amin’ny hery mba hanampy sy hahatsapa fangorahana amin’ny fijaliana ara-panahin’ireo olona hafa rehefa ao anatin’ny fijalian’ny tenantsika ara-panahy isika. Noho izany, ny toetra dia miseho amin’ny alalan’ny fijerena sy ny fanampiana ny hafa raha toa kosa ny fihetsika ara-boajanahary sy asesiky ny sain’ny tena ka tsy mifantoka afa-tsy amin’ireo olantsika sy ireo zava-tsarotra iainantsika manokana. Raha izany fahafahana manampy ny hafa ao anatin’ny fahoriana izany tokoa no fepetra mamaritra ny toetra tsara dia ny Mpamonjy an’izao tontolo izao no ohatra tonga lafatra amin’ny toetra tsy miova sy feno fiantrana toy izany” (“The Character of Christ” [Brigham Young University–Idaho Religion Symposium, jan. 25, 2003], byui.edu/devotionalsandspeeches).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Oviana ianao no nahita olona nanaraka ny ohatry ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fisafidianana hanampy ny hafa na dia tao anatin’ny fahasahiranana aza izy?
-
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahantsika mikolokolo izany karazana toetra tahaka ny an’i Kristy izany ka hikatsaka ny hanampy ny hafa na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza ny tenantsika?
-
Inona no hataonao mba hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hanampy ny hafa na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza ny tenanao?
-
Mianatra isika ao amin’ny Jaona 19:28–42 fa rehefa nodimandry tamin’ny ora fahasivy i Jesoa (jereo ny Marka 15:34), dia nangataka ny vatamangatsiakan’i Jesoa tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia. Dia nokarakarain’i Josefa sy i Nikodemosy avy eo ny vatamangatsiakan’ny Mpamonjy ka napetrak’izy ireo tao amin’ny fasana iray izay nomen’i Josefa an-tsitrapo.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Jaona 18–19 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: