Tahirim-pitaovana
Fizarana 7, Andro 4: Marka 2–3


Fizarana 7: Andro 4

Marka 2–3

Fampidirana

Namela sy nanasitrana lehilahy iray mararin’ny paralysisa i Jesoa, ary niantso an’i Matio hanaraka Azy. Nampianatra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo momba ny andro Sabata Izy. Nanohy nanasitrana olona maro ny Mpamonjy, ary naniraka ireo Apôstôliny mba hitory, ary nampitandrina mikasika ny fitenenana ratsy ny Fanahy Masina Izy.

Marka 2:1–12

Mamela sy manasitrana ilay lehilahy mararin’ny paralysisa i Jesoa.

Alaivo sary an-tsaina hoe ny olona tianao iray dia mijaly ambavahoanan’ny fahafatesana ka mila fitsaboana manokana. Iza no karohinao mba hanampy ny olona iray izay tianao? Nahoana? Inona no mety ho tianao atao raha tsy misy afa-tsy mpitsabo iray ihany no afaka manampy, fa tena sarotra nefa ny manao fotoana amin’io mpitsabo io?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Marka 2:1–4, tao amin’ny vohatr’i Kapernaomy tao Galilia, dia nisy lehilahy iray “mararin’ny paralysisa” (Marka 2:3), izay midika hoe tsy afa-mihetsika ilay lehilahy. Lehilahy efatra no nilanja azy nankany amin’ny toerana nisy an’i Jesoa, fa ny trano anefa feno olona ka tsy afaka niditra izy ireo. Nanala ny ampahany tamin’ny tafon’ny trano ireo lehilahy efatra,ary nampidina ilay lehilahy mararin’ny paralysisa teo anatrehan’ny Mpamonjy.

I Jesoa Nanasitrana Lehilahy Iray

Vakio ny Marka 2:5 mba hikarohana hoe inona ny nolazain’i Jesoa tamin’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa.

Vakio ny Marka 2:6–12 mba hikarohana hoe inona ny zava-nitranga manaraka.

Mariho fa “[ny] mpanora-dalàna sasany” (Marka 2:6) dia niroahan-tsaina mikasika ny fahafahan’ny Mpamonjy manome famelan-keloka. Diniho hoe inona no nanontanian’i Jesoa ireo mpanora-dalàna (jereo ny Marka 2:9).

Ity manaraka ity ny fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io: Manana Hery Hanasitranana antsika amin’ny ara-panahy sy ny ara-nofo i Jesoa Kristy

Marka 2:13–22

I Jesoa niantso an’i Matio hanaraka Azy, ary niara-nihinana tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy

Rehefa nahita ilay lehilahy nararin’ny paralysisa nitsangana avy eo amin’ny fandriany ka nandeha ireo mpanora-dalàna, dia nahazo fahamarinana tsy azo lavina izy ireo fa i Jesoa Kristy dia nanana hery lehibe hanasitrana ny marary, ary naheno Azy nijoro ho vavolombelona ireo fa afaka mamela heloka Izy. Na izany aza, dia tsy hita ao amin’io tantara io raha nanatona an’i Jesoa izy taty aoriana ary nikatsaka ny famelana ny helok’izy ireo manokana.

  1. sary famantarana ny diaryTanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lisitry ny antony mety tsy hikatsahan’ny olona tsirairay ny famelan-keloky ny Tompo amin’ny fahotan’izy ireo. Angataho ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao hanampy anao hanao ilay lisitra.

Eo am-pandalinanao ny Marka 2, tadiavo ireo fahamarinana izay afaka handrisika anao hikatsaka ny famelan-keloky ny Tompo.

Vakio ny Marka 2:13–15 mba hikarohana hoe inona ny nataon’ny Mpamonjy taorian’ny nanasitranany ilay lehilahy nararin’ny paralysisa.

I Levy dia fantatra hoe Matio taty aoriana. Izy ihany ilay Matio izay nanoratra ny filazantsaran’i Matio. Ny teny hoe “nipetraka teo am-pamorian-ketra” (Marka 2: 14) dia midika fa i Matio dia mpamory hetra, “Mpanangona hetra ho an’ny Romana tany Kapernaomy, [ary]azo inoana fa niasa ho an’i Heroda Antipasy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Matio,” scriptures.lds.org). Jiosy maro no nankahala ireo mpamory hetra satria toy ny mpamadika ny fijerin’izy ireo ny mpamory hetra izay manangona vola avy amin’ireo vahoaka niaviany ihany ho an’ny Romana.

Mariho fa mpamory hetra maro sy mpanota no nanatrika ny fety niaraka tamin’i Jesoa sy ireo mpianany. Nandritra izany fotoana izany, ny fiaraha-mihinana dia midika zavatra lehibe noho ny hoe mifampizara sakafo fotsiny. Io dia maneho nisy finamanana sy fiadanana nampiray teo anivon’ireo izay nanatrika.

Vakio ny Marka 2:16 mba hikarohana hoe toy ny ahoana ny fihetsiky ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo rehefa nahita ny Mpamonjy nihinana niaraka tamin’ireo olona ireo.

Nahoana araka ny eritreritrao ireo mpanora-dalàna sy Fariseo no nanakiana an’i Jesoa tamin’ny fiarahany nihinana tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota?

Vakio ny Marka 2:17 mba hikarohana ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ny fanakianana nataon’ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Asio faribolana ny teny izay nampiasain’ny Mpamonjy mba hamaritany ny tenany.

Rehefa nampiasa ny teny hoe mpanao fanafody, ny Mpamonjy dia namerina nilaza fa Izy dia manana ny hery hanasitranana ny ara-panahy sy ny ara-batana. Ianarantsika avy amin’ny andininy 17 fa ny Mpamonjy dia maniry ny hanampy antsika hibebaka amin’ny fahotantsika ka ho sitrana.

Saintsaino hoe nahoana no zava-dehibe ny mino fa i Jesoa dia maniry ny hanampy antsika hibebaka ka ho sitrana.

Nilaza ny Loholona Craig A. Cardon ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Loholona Craig A. Cardon

“Tia antsika ny Tompo ary tiany ny hahatakarantsika ny finiavany hamela heloka. …

“… Noho ny famindram-pony dia avelany hivoatra tsikelikely isika fa tsy takiany ho tonga lafatra eo no ho eo. Na dia eo aza ny fahotana maro vokatry ny fahalemena eo amin’ny fiainana an-tany, isaky ny mibebaka isika sy mikatsaka famelan-keloka avy Aminy, dia mamela heloka hatrany hatrany Izy [jereo ny Môrônia 6:8].

“Noho izany, isika rehetra, anisan’izany ireo izay miezaka ny hiala amin’ny fahazaran-dratsy mampiankin-doha toy ny fandraisana zavatra voarara na ny fijerena zavatra mamoafady sy ireo olona izay manodidina azy ireny, dia afaka mahafantatra fa ny Tompo dia hahalala ny ezaka ankitsim-po izay ataontsika ary hamela heloka am-pitiavana rehefa tanteraka ny fibebahana. … Izany anefa tsy midika fa ny olona iray dia afaka hanao fanahy iniana hiverina hanota kanefa tsy ho voasazy [ary ho afaka amin’ireo vokatr’izany]” (“Manam-piniavana hamela heloka ny Mpamonjy,” Ensign na Liahona, mey 2013, 16).

Saintsaino raha mitovy amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ianao (izay niaiky ny filany ny Mpamonjy ka nanatona Azy) na mitovy amin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ( izay tsy nanatona ny Mpamonjy mba hikatsaka ny famelany heloka sy ny hery fanasitranany). Manapaha hevitra anio ny hanatona ny Mpamonjy ary hamela Azy hanampy anao amin’ ireo filanao ara-batana sy ara-panahy.

Araka izay voarakitra ao amin’ny Marka 2:18-22 dia nampianatra ny antony tsy nifadian’ireo mpianany hanina i Jesoa raha mbola niaraka tamin’izy ireo Izy. Izy koa dia nampianatra hoe nahoana no sarotra ho an’ny olona ny hanaiky ny filazantsarany ( jereo koa ny Matio 9:14-17).

Marka 2:23–3:6.

Nampianatra momba ny Sabata i Jesoa

Efa nisafidyny tsy handray anjara tamin’ny hetsika iray mba hanajanao ny didy hitandrina ny andro Sabata ho masina ve ianao? Eo am-panohizanao mandalina ny Marka 2–3, dia saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no ahafantaranao raha azo atao amin’ ny andro Sabata ny hetsika iray?

Vakio ny Marka 2:23-24 sy ny Marka 3:1–2 mba hikarohana hoe inona no nataon’ny Mpamonjy sy ireo mpianany ka noheverin’ ireo Fariseo fa fandikana ny lalàn’ny Sabata.

Tsarovy fa ireo mpampianatra Jiosy dia nanampy ireo fitsipiny manokana sy ny fanazavan-keviny, antsoina hoe lalàna am-bava na fombafomba, tamin’ny lalàn’ i Mosesy. Ireo fitsipika fanampiny ireo dia natao mba hisorohana ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra, fa nanakana ny olona sasany kosa izany mba tsy hahatakatra ny tanjona marin’ ireo didy, anisan’izany ny didy mba hitandrina ny andro Sabata ho masina.

Vakio ny Marka 2:27-28, ary avy eo dia jereo hoe ahoana no nanazavan’ny Dikantenin’i Joseph Smith ny antony nanomezan’ny Tompo antsika ny Sabata:

“Ary ny Sabata dia nomena ny olona mba ho andro fialan-tsasatra; ary ny olona dia tokony hanome voninahitra an’ Andriamanitra, fa tsy hoe tsy tokony hihinana ny olona;

“Fa ny Zanak’olona dia nanao ny andro Sabata, noho izany dia Tompon’ny Sabata ihany koa ny Zanak’olona” (Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 2:26-27 [ao amin’ny Bible appendix]).

Vakio ny Marka 3:3–5 mba hikarohana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fanasitranana ilay lehilahy maty tanana tamin’ny andro Sabata.

Raha miainga avy amin’izay nianarantsika avy amin’ny Dikantenin’ i Joseph Smith sy ny Marka 3:3–5, dia fenoy ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mitandrina ny andro Sabata ho masina isika amin’ny alalan’ny .

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny androny Masina?

    2. Inona avy ireo karazana ohatra amin’ny fanaovana asa tsara amin’ny andro Sabata?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13. Avy eo dia vakio ny fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary diniho ny fomba ahafahanao mamaritra hoe inona no azo atao amin’ny andro Sabata:

Filoha James E. Faust

“Aiza no fetran’ny hoe inona no azo ekena sy tsy azo ekena amin’ny andro Sabata? Ao anatin’ireo toromarika dia tsy maintsy mamaly io fanontaniana io ho an’ny tenantsika manokana ny tsirairay avy amintsika . Na dia voarakitra ao anaty soratra masina aza ireo toromarika ireo ary koa ao amin’ny tenin’ireo mpaminany ankehitriny, dia tsy maintsy voasoratra ao am-potsika koa ireo ary tantanan’ny saintsika. … Tsy azo antenaina hisehoan’ny fandikana amin’ny fomba goavana ny fanajana ny andro Sabata raha mandeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo isika ary manolotra ho Azy ny fontsika rehetra, sy ny fanahintsika, ary ny saintsika. (jereo ny Mat. 22:37.)

“Ny hoe mendrika na tsy mendrika atao amin’ny andro Sabata dia isika tsirairay no tsy maintsy hitsara izany amin’ny fiezahantsika ny ho marin-toetra amin’ny Tompo. Amin’ny andro Sabata isika dia tokony hanao izay tsy maintsy ataontsika sy izay ilaintsika atao miaraka amin’ny fihetsika feno fiderana ary avy eo dia mametra ny zavatra ataontsika” (“The Lord’s Day,” Ensign, nôv. 1991, 35).

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahatsapa ho voatahy tamin’ny fomba ahoana ianao rehefa niezaka nidera an’ Andriamanitra sy nanao asa tsara tamin’ny andro Sabata?

    2. Inona no fomba iray tsara kokoa azonao atao mba hitandremana ny andro Sabata ho masina?

Marka 3:7–35

Nanasitrana olona maro i Jesoa, naniraka ireo Apostoliny hitory, ary nampitandrina ny hafa mikasika ny faniratsirana

Araka ny voasoratra ao amin’ny Marka 3:7-35,dia nankany amin’ny ranomasina tany Galilia i Jesoa ka nanasitrana olona maro izay nanaraka Azy teo, anisan’izany ireo izay nanana fanahy maloto. Rehefa avy nanendry ny Apôstôly Roa ambin’ny folo i Jesoa dia nanome fahefana azy ireo ary naniraka azy ireo hitory, hanasitrana, ary handroaka demonia. Avy eo Izy dia nampitandrina ireo mpanora-dalàna izay miteny ratsy ny Fanahy Masina ary nampianatra fa ny fianakaviany dia ireo olona izay manao ny sitrapon’ny Rainy any An-danitra. Nianatra mikasika ny sasany tamin’ireo zava-nitranga ireo ianao rehefa nandalina ny Matio 12:22-35.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Marka 2-3 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: