Fizarana 2: Andro 3
Matio 4
Fampidirana
Taorian’ny batisany dia nandany 40 andro nifadiana hanina sy niaraka tamin’ny Ray any An-danitra tany an-efitra i Jesoa. Naka fanahy an’i Jesoa ny devoly taorian’izany zavatra niainany izany. Nanohitra ny fakam-panahy tsirairay i Jesoa sady nampiasa ny soratra masina. Nandeha tany Galilia ny Mpamonjy, toerana izay niantsoany an’i Petera sy ireo hafa mba hanaraka Azy sy nandehandehanany nampianatra sy nitory teny ary nanasitrana.
Matio 4:1–11
Nanohitra ireo fakam-panahin’ny devoly i Jesoa
Mankanesa eo amin’ny varavarankely akaiky iray, ary mifantoha amin’ny zavatra miavaka iray any ivelany mandritra ny 30 segaondra kanefa aza mijery zavatra hafa. (Raha toa ka tsy afaka mijery amin’ny varavarankely ianao dia mifantoha amin’ny zavatra iray ao an-trano.)
Nisy zavatra hafa nanembantsembana anao tamin’ilay zavatra izay nifantohanao ve? Inona no noeritreretinao nandritra ireo 30 segaondra?
Rehefa miezaka ny mifantoka amin’ny fankatoavana ireo didin’ny Ray any An-danitra isika dia misy ireo zavatra manembantsembana amin’ny endrika fakam-panahy izay miezaka ny manisaka ny fifantohantsika ka mitarika antsika amin’ny fahotana. Mieritrereta momba ireo fomba hakan’i Satana fanahy anao. Rehefa mandalina ny Matio 4 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay azonao ampiharina mba hanampiana anao hanohitra ny fakam-panahy.
Nahazo traikefa iray izay nanampy Azy hiomana amin’ny asa fanompoany teto ambonin’ny tany ny Mpamonjy taorian’ny batisany. Vakio ny Matio 4:1–2, ka ampiasao ireo fanitsiana avy ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. Rehefa mamaky izany ianao dia tadiavo ny zavatra niainan’i Jesoa tany an’efitra. (Mariho fa eto amin’ity sahan-kevitra ity, ny hoe hiaraka dia midika ho manana fifandraisana akaiky sy ara-panahy.)
Nanampy an’i Jesoa hiomana amin’ny asa fanompoana teto ambonin’ny tany tamin’ny fomba ahoana ny fifadian-kanina sy ny fiarahana amin’ny Ray any An-danitra?
Nanohitra ireo fakam-panahin’i Satana i Jesoa.
Ny fakana fanahy an’i Jesoa, nataon’i Carl Heinrich Bloch. Nampindramin’ny National History Museum (Tranom-bakoky ny firenena) ao amin’ny Lapan’i Frederiksborg any Hillerød, Danemark. Tsy azo adika.
Afaka manampy anao hianatra momba ny zavatra niainan’i Jesoa rehefa nalain’ny devoly fanahy izao tabilao manaraka izao. Halalino ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana ankavia ao amin’ilay tabilao. Dia soraty avy eo ny zavatra nakan’i Satana fanahy an’i Jesoa ary fariparito ny nasetrin’i Jesoa ilay fakam-panahy. Fantaro, eo am-pandalinanao, fa manitsy ireo zavatra voalaza ao amin’ny Matio 4:5, 8 ny Dikantenin’i Joseph Smith mba hampisehoana fa ny Fanahy, fa tsy ny devoly, no nitondra ny Mpamonjy tamin’ny toerana samy hafa (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 4:5 ).
|
Ny zavatra nakan’i Satana fanahy an’i Jesoa |
Ny fihetsika nasetrin’i Jesoa ilay fakam-panahy | |
|---|---|---|
|
Matio 4:3-4 | ||
|
Matio 4:5-7 | ||
|
Matio 4:8–11 |
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no ampisehoan’ity tantara ity momba ny tetik’adin’i Satana mba hakana fanahy antsika?
Jereo ny fitovian’ny valintenin’ny Mpamonjy isaky ny fakam-panahy tsirairay. Ireo soratra masina nampahatsiahivin’ny Mpamonjy dia manazava ny zavatra tena tokony hatao momba ny fakam-panahy tsirairay, ary nampihariny ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ireo soratra masina ireo. Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izao manaraka izao: Afaka manohitra ireo fakam-panahin’ny devoly isika rehefa mahatsiaro sy mampihatra ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny soratra masina. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 4:3-11.)
Raha mieritreritra momba izany fitsipika izany, dia nahoana no manan-danja ny mandalina tsy tapaka ny soratra masina?
Nanome izao torohevitra manaraka izao ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fandalinana sy fanaovana tsianjery ny soratra masina: “Aoka ianao ho hendry eo amin’ny fampiasanao ny teknôlôjia. Asio marika ireo soratra masina manan-danja ao anatin’ilay fitaovana ampiasainao ary jereo matetika izy ireo. Raha toa ianareo tanora ka mamerina mamaky andinin-tsoratra masina iray matetitetika toy ny handefasan’ny sasany aminareo hafatra an-tsoratra, dia vetivety ianareo dia hahay tsianjery andinin-tsoratra masina an-jatony. Ho tena loharano mahery vaika ahazoana fanentanam-panahy sy fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo andinin-tsoratra masina ireo ao anatin’ny fotoan-tsarotra” (“Mba hahazo fiadanana ao an-tokantrano,” Ensign na Liahona, mey 2013, 30).
-
Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:
-
Manaova tsanganana telo eo amin’ny pejy iray. Soraty ao amin’ny tsanganana voalohany ireo fahotana telo izay mety hakana fanahy ny tanora amin’ny taonanao. Soraty ao amin’ny tsanganana faharoa ny fomba iray hamporisihan’i Satana ny olona iray mba hanatanteraka ny fahotana tsirairay izay notanisainao tao amin’ny tsanganana voalohany. Dia mitadiava andalan-tsoratra masina manokana iray izay mampianatra ireo fahamarinana azon’ny olona iray tsiahivina sy ampiharina rehefa halaim-panahy hanatanteraka ny fahotana tsirairay izay notanisainao, ka hanoratra ilay andalan-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana fahatelo. (Ampiasao ireo andalan-tsoratra masina fehezina, toy ny Genesisy 39:9 na Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5.)
-
Soraty eo amin’ny pejy iray hafa ny soratra masina izay hotsaroanao sy hampiasainao rehefa halaim-panahy hanota ianao amin’ny manaraka. Ataovy tsianjery ilay soratra masina izay safidianao.
-
Matio 4:12–17
Nitoetra tao Galilia i Jesoa
Zava-nitranga maro no niseho teo anelanelan’ny fiafaran’ireo 40 andro naha-tany an’efitra ny Mpamonjy (Matio 4:11) sy ny fampidirana am-ponja an’i Jaona Mpanao Batisa (Matio 4:12; jereo ny “Firindran’ny filazantsara”).
Ao amin’ny Matio 4:12–15 dia mianatra isika fa nandeha tany Galilia sy nitoetra tao amin’ny tanànan’i Kapernaomy i Jesoa taorian’ny zavatra niainany tany an’efitra. Nomarihan’i Matio fa nahatanteraka ny faminaniana iray izay nataon’i Isaia ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tao Galilia (jereo ny Isaia 9:1–2). Vakio ny Matio 4:16, ka asio marika izay naminanian’i Isaia fa hitranga.
Mianatra isika avy amin’izany faminaniana izany fa hitondra fahazavana eo amin’ny fiainan’ireo izay ao amin’ny haizina i Jesoa Kristy. Eo am-panohizanao mandalina ny Matio sy ireo Filazantsara hafa dia tadiavo ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany nandritra ny asa fanompoany iray manontolo.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 4:17, dia nanomboka nitory fibebahana ny Mpamonjy ho fanomanana ny fanjakan’ny lanitra (ny Fiangonany) izay natsangana teo anivon’ny olona.
Matio 4:18–22
Niantso amin’i Petera sy ireo hafa mba hanaraka Azy i Jesoa
Jereo ny sarin’ny Mpamonjy miantso an’i Petera sy Andrea, ary diniho ny nataon’i Petera sy Andrea tamin’ilay harato.
Raha toa ka nijery an’i Petera sy Andrea tahaka ny mpanarato tsotra ny olona tamin’izany fotoana izany dia nahita ny tena maha-izy azy ireo sy nahafantatra ny karazan’olona hahatongavan’izy ireo kosa i Jesoa Kristy. Mieritrereta momba ireo fitoviantsika amin’i Petera sy Andrea.
Eo am-pandalinanao ny Matio 4, dia tadiavo ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahatongavana amin’izay rehetra tian’ny Tompo hahatongavantsika.
Vakio ny Matio 4:18–22, ka tadiavo ireo resaka teo amin’ny Mpamonjy sy ny mpanarato sasany.
Mipetraha eo amin’ny toeran’ny iray amin’ireo lehilahy ireo. Mieritrereta momba izay tokony hafoinao mba hanarahana ny Mpamonjy sy hanampiana amin’ny fotoana feno ao amin’ny asany. Nahoana no mety ho sarotra izany?
Diniho ny fomba namalian’ireto mpanarato ireto—Petera, Andrea, Jakôba, ary Jaona—ny fanasan’ny Mpamonjy. Mampiseho inona momba ny toetran’izy ireo ny valinteny tsy misy hatak’andro nataony?
Inona no atao hoe “mpanarato olona” (Matio 4:19)?
Saintsaino ny antony hanaovan’ireo lehilahy ireo tsara bebe kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny maha-“mpanarato olona” azy ireo raha ampitahaina amin’ny mpanarato.
Mianatra izao fitsipika manaraka izao isika avy amin’ny ohatra nasehon’ireo lehilahy ireo: Raha toa ka mamaly avy hatrany ireo fanasan’ny Mpamonjy hanaraka Azy isika dia afaka mahatonga ny fiainantsika ho mahomby kokoa mihoatra ny azontsika atao amin’ny tenantsika manokana Izy.
Nametraka fanontaniana iray mifandraika amin’ireo “harato” eo amin’ny fiainantsika ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“‘Raha toa ka miantso anao ny Mpamonjy anio dia ho vonona handao ny haratonao sy hanaraka Azy tahaka izany ve ianao?’ …
“Amin’ny habe sy endrika maro ireo harato. Ireo harato izay navelan’ i Petera, Andrea sy Jakôba ary Jaona dia zavatra azo tsapain-tanana—fitaovana izay nanampy azy ireo hahita fivelomanana. …
“Ny harato mazàna dia faritana hoe fitaovana entina hisamborana zavatra. Amin’ny heviny manan-danja kokoa, dia azontsika atao ny mamaritra ny harato hoe izay zavatra rehetra misarika antsika na misakana antsika tsy hanaraka an’ilay antson’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra velona.
“Eto amin’ity sahan-kevitra ity ny harato dia mety ho ny asantsika, ny fialambolintsika, ny fahafinaretantsika ary indrindra indrindra ireo fakampanahy mianjady amintsika sy ireo fahotantsika. Raha fintinina izany ny harato dia mety ho izay zavatra rehetra misintona antsika hihataka amin’ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra na amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny” (“Follow Me,” Ensign, mey 2002, 15).
-
Araka ny famaritana ny “harato” nataon’ny Loholona Wirthlin dia fariparito ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny ohatra 3 na 4 momba ireo harato amin’izao andro maoderina izao izay afaka manakana ny olona iray amin’izao androntsika izao tsy hamaly avy hatrany ireo fanasan’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy.
Nampianatra mikasika ireo fitahiana azontsika rehefa manaraka ny Mpamonjy ny Filoha Ezra Taft Benson: “Ireo lehilahy sy vehivavy izay mampitodika ny fiainan’izy ireo amin’ Andriamanitra dia hahita fa afaka mahatonga ny fiainany ho mahomby kokoa mihoatra izay azon’izy ireo atao Izy. Hahatonga ny fifalian’izy ireo ho lalim-paka Izy, hanitatra ny fahitany, hampavitrika ny sainy, hampatanjaka ny hozany, hampahery ny fanahiny, hampitombo ny fitahiana ho an’izy ireo, hampitombo ireo fahafahana ananan’izy ireo, hampitony ny fanahiny, hitondra namana ary handrotsaka fiadanana. Izay hamery ny fiainany amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia hahita fiainana mandrakizay” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, des. 1988, 4).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Oviana ianao na ny olona fantatrao no niaina fitahiana mitovy amin’izany noho ny fandaozana ireo olana araka izao tontolo izao mba hanarahana ny Mpamonjy?
-
Rehefa mandinika ireo fitahiana azontsika amin’ny fanarahana ny Mpamonjy ianao dia nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mamaly avy hatrany ireo fanasany mba hanaraka Azy?
-
Mametraha tanjona iray momba ny fomba iray ahafahanao mamaly tsara kokoa ireo fanasan’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy.
Matio 4:23–25
Nandehandeha nitory sy nampianatra ary nanasitrana i Jesoa
Vakio ny Matio 4:23–25, ka asio marika ireo zavatra nataon’ny Mpamonjy.
Mandritra ny fandalinanao ireo Filazantsara dia hianatra momba ireo fotoam-pampianarana sy fitoriana ary fanasitranan’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany tety ambonin’ny tany ianao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 4 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: