Tahirim-pitaovana
Fizarana 28, Andro 4: Hebreo 12–Jakoba 1


Fizarana 28: Andro 4

Hebreo 12Jakoba 1

Fampidirana

Nanoro hevitra an’ireo mpikamban’ny Fiangonana Jiosy i Paoly Apôstôly mba hirotsaka amin’ny hazakazaky ny maha-mpianatra amin’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Nanazava ihany koa ny fitahiana avy amin’ny fandraisana ny famaizan’ny Tompo izy. I Jakoba, izay Apôstôlin’i Jesoa Kristy ihany koa dia namporisika ny fianakaviamben’i Isiraely izay niparitaka mba haharitra ao amin’ny fijaliany ary mba hikatsaka fahendrena avy amin’ny Ray any An-danitra. Nampianatra azy ireo ihany koa mba hanohitra fakam-panahy, mba hampihatra ny teny, ary mba hitoetra ho madio ara-panahy i Jakoba.

Hebreo 12

Nanoro hevitra an’ireo Olomasina mba hirotsaka amin’ny hazakazaky ny fiainana amim-pinoana sy faharetana i Paoly

Fariparito eo amin’ny toerana natokana ho an’izany ny fahasahiranana mety hianjady amin’ny mpihazakazaka iray eo am-pihazakazahany ny fifaninanana lavitrezaka:

zatovolahy mihazakazaka

Inona no mety hamporisika ny mpihazakazaka iray mba hanohy ny fihazakazahana na dia miatrika fahasahiranana aza izy?

Amin’ny fomba ahoana avy ny fiainana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy no mitovy amin’ny hazakazaka maharitra? Inona avy ireo fahasahiranana mety hatrehantsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika? Inona avy ireo fahasahiranana efa natrehanao amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anao?

Eo am-pandalinanao ny Hebreo 12, dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao hanohy hatrany ny fanarahana an’i Jesoa Kristy na dia miha-sarotra aza izany.

Vakio ny Hebreo 12:1, mba hitadiavana ny zavatra nolazain’i Paoly Apôstôly an’ireo Olomasina fa ilain’izy ireo mba hahitan’izy ireo fahombiazana amin’ny hazakazaka amin’ny maha-mpianatry ny Tompo.

Alaivo sary an-tsaina fa mihazakazaka ianao sady mibaby kitapo feno vato. Inona no fiantraikan’ny fibabena izany kitapo izany amin’ny hazakazaka ataonao?

Amin’ny fomba ahoana ny fahotanao no mitovy amin’ireo vato ao anatin’ilay kitapo? Saintsaino ny mety ho fahatsapana anananao rehefa esorina aminao ilay kitapo rehefa avy nihazakazaka niaraka tamin’ilay izy nandritra ny fotoana maromaro ianao.

Diniho ny dikan’ny hoe mirotsaka amin’ny hazakazaky ny maha-mpianatra amim-paharetana.

Vakio ny Hebreo 12:2–4, mba hitadiavana ny zavatra nolazain’i Paoly an’ireo Olomasina mba hataon’izy ireo izay hanampy azy ireo hivily amin’ny fahotan’izy ireo ary hizaka amim-paharetana ny fanoherana.  

Fitsipika iray azontsikla ianarana avy amin’izay nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina ny hoe rehefa mijery ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahita tanjaka mba hialana amin’ny fahotantsika ary hizaka ny fanoherana amim-paharetana.

Fanombohana an’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana

Vakio indray ny Hebreo 12:2–4 mba hitadiavana ny anjara asan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly nolazaina rehefa namariparitra an’i Jesoa Kristy ho “Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy” izy ao amin’ny andininy 2. Azonao atao ny manisy marika ny karazana fanoherana niaretan’ny Mpamonjy nandritra ny fiainany an-tany.

Nilaza tamin’ireo Olomasina i Paoly fa i Jesoa Kristy dia vonona hijaly ny fahafatesana eo amin’ny hazofijaliana sy hiaritra ny henatr’izao tontolo izao satria fantany ny fifaliana ho azony raha mijanona ho mahatoky amin’ny Ray any An-danitra Izy.

Loholona Neal A. Maxwell

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “ny mianatra manao tsinontsinona ny henatr’izao tontolo izao dia midika tsy fanomezan-danja izany, tahaka ny hoe tsy milefitra amin’izany (jereo ny F&F 20:22)” (Lord, Increase Our Faith [1994], 99).

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao manaraka izao momba ny faharetan’ny Mpamonjy: “Niaritra i Jesoa. Nanohy ny diany Izy. Ny hatsarana tao anatiny no namela ny finoana handresy na dia tao anatin’ny fangirifiriana tanteraka aza. Ny fahatokiana izay niainany na dia teo aza ny zavatra tsapany, dia nanambara taminy fa ny fangorahan’ Andriamanitra dia tsy foana velively, ary Andriamanitra dia tsy mandositra na mandao antsika” (“None Were with Him,” Ensign na Liahona, mey 2009, 88).

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fibanjinana amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy manampy anao rehefa miatrika fijaliana sy sakantsakana ianao. Diniho hoe amin’ny fomba ahoana ny fibanjinana amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy no mety hanentana anao mba hiala amin’ireo fahotanao ary hanana faharetana bebe kokoa amin’ny tenanao sy amin’ny hafa.

zazalahy voahitsy

Inona no asetrinao ny fanitsiana?

Mieritrereta fotoana iray izay nanitsian’ny hafa anao. Inona no fihetsikao nanoloana izany fanitsiana izany? Nahoana no sarotra indraindray ny mandray fanitsiana avy amin’ny hafa?

Araka ny hevitrao, inona ireo antony sasany mety hikatsahan’ny olona ny fanitsiana antsika, indrindra indrindra rehefa fantatr’izy ireo fa mety tsy ho tiantsika ny fanitsiana avy amin’izy ireo?

Eo amamin’ny firotsahantsika amin’ny hazakazaky ny maha-mpianatra dia afaka manantena isika fa ho faizina sy hahitsy.

Vakio ny Hebreo 12:6–9, mba hitadiavana hoe iza no hanitsy antsika ary nahoana. Ilay teny hoe zazasary ao amin’ny andininy 8 dia ilazana ireo izay teraka ivelan’ny fanambadiana, izay tsy heverina ho mpandova ara-dalàna. (Ny Hebreo 12:9 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana ny fanafaizan’ny Ray any An-danitra no famantarana ny fitiavany ireo zanany?

    2. Inona avy ireo fomba sasany izay mety hamaizan’ny Ray any An-danitra antsika?

Na dia mety ho tonga amin’ny endrika maro aza ny famaizan’ny Ray any An-danitra dia tokony hitandrina isika mba tsy hihevitra fa ny fitsapana na ny fijaliana tsirairay avy iainantsika dia avy amin’ Andriamanitra avokoa.

Ao amin’ny Hebreo 12:10, dia miaiky i Paoly hoe marina fa ny raintsika eto an-tany izay tia antsika dia mety hanitsy antsika amin’ny fomba tsy lavorary indraindray, fa ny famaizan’ny Ray any An-danitra kosa dia tonga lafatra sy natao ho tombotsoantsika.

Vakio ny Hebreo 12:10–11, mba hitdiavana ireo fitahiana tonga avy amin’ny fanoavana ny famaizan’ Andriamanitra amim-panetrentena. Ilay andian-teny hoe “handraisantsika ny fahamasinany” ao amin’ny andininy 10 dia milaza ny hoe lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa.

Mariho ao amin’ny andininy 11 ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny mety ho tsapantsika amin’ny voalohany rehefa faizina isika. Ny fahatsiarovana fa ny Ray any An-danitra dia mahafantatra ny tsara indrindra ho antsika dia afaka manampy antsika amin’ny fanekena ny famaizana rehefa tonga izany. Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe raha toa isika manoa ny famaizana avy amin’ny Ray any An-danitra dia ho lasa tahaka Azy bebe kokoa ary hanana ilay fiadanana izay tonga avy amin’ny fahamarinana.

video iconRaha afaka mampiasa ny Internet ianareo dia jereo ilay horonantsary hoe Mormon Messages “The Will of God” (3:02), izay hita ao amin’ny LDS.org. Io horonantsary io dia maneho ny fitiavana sy fahendrena misy ao amin’ny famaizan’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainantsika.

Mieritrereta fotoana iray nahatsapanao famaizana avy amin’ny Ray any An-danitra. Ahoana no nasetrinao izany? Mety haniry hanao sarina famantarana izay hampahatsiahy anao ny fanoavana ny famaizana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny hoavy amin’ny taratasy iray hafa ianao. Apetraho amin’ny toerana izay hampahatsiahy anao ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Hebreo ilay famantarana.

Ao amin’ny Hebreo 12:12–29, i Paoly dia nilaza tamin’ireo Olomasina mba hanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa hijanona ho mahatoky mba hahafahan’izy ireo ho mendrika an’ireo fitahian’ Andriamanitra. Nanazava ihany koa izy fa ireo Olomasina izay mijanona ho mahatoky sy manompo an’ Andriamanitra dia handray voninahitra tsy manan-tsahala ary toerana iray ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Hebreo 12:9

  1. journal iconVakio indray ny Hebreo 12:9, mba hitadiavana fotopampianarana fanampiny izay azontsika ianarana momba ny Raintsika any An-danitra. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra izay hitanao. Valio ihany koa izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana no manan-danja ny mino fa zanak’ Andriamanitra isika?

Hebreo 13

Manome torohevitra isan-karazany ho an’ireo Olomasina i Paoly

Namarana ny taratasiny ho an’ireo Olomasina Hebreo tamin’ny fanoroana hevitra azy ireo mikasika lohahevitra samihafa i Paoly. Vakio ny Hebreo 13:1–9, 17, ary tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina.

Araka izay novakianao dia torohevitra inona aminao no ilaina indrindra amin’izao androntsika izao? Nahoana?

Diniho hoe ampahany inona amin’ireo torohevitr’i Paoly no tokony hampiharinao indrindra amin’ny fiainanao manokana.

Ao amin’ny Hebreo 13:10–25, dia mampianatra i Paoly fa taorian’ny nahatanterahan’i Jesoa Kristy ny Sorompanavotana dia tsy notakiana intsony ny fanatitra biby (jereo ny 3 Nefia 9:18–20). Ho solon’izany dia afaka manolotra dera sy asa tsara ho an’ Andriamanitra ny Olomasina.

Jakoba 1

Namporisika ny fianakaviamben’i Isiraely izay niparitaka mba hikatsaka fahendrena avy amin’ny Ray any An-danitra sy mba hampihatra ny teny i Jakoba

Efa naniry ve ianao mba ho hendry kokoa na mba hahatakatra tsaratsara kokoa ny sitrapon’ Andriamanitra ho anao? Saintsaino ireo toe-javatra eo amin’ny fiainanao izay hanirianao hananana fahendrena kokoa.

Nikatsaka fahendrena avy ao amin’ny Baiboly i Joseph Smith

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:9–10 dia tadiavo ireo fanontaniana nananan’ny Mpaminany Joseph Smith fony izy tanora.

Namaky tao amin’ny Epistilin’i Jakoba i Joseph raha nianatra ny fomba hahazoana ny valin’ny fanontaniany. I Jakoba dia Apôstolin’i Jesoa Kristy ary eveka tany Jerosalema. Araka ny lovantsofina Kristianina dia zanak’i Maria sy i Josefa i Jakoba, ka noho izany dia rahalahy tsy iray ray amin’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Jakoba 1:1–4, mba hitadiavana ny zavatra nampiarin’i Jakoba ny mpianakavin’Isiraely momba ny fahasahiranana sy ny fijalian’izy ireo. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jakoba 1:2 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ) dia manova ilay andian-teny hoe “fakam-panahy samy hafa” ho “fahoriana maro.”

Mariho ireo firesahana momba ny faharetana ao amin’ny Jakoba 1:3–4. Nahoana ny faharetana no manan-danja mandritra ny fotoam-pahasahiranana sy ny fijaliana?

Vakio ny Jakoba 1:5–6, mba hitadiavana ny zavatra nianaran’i Joseph Smith izay nanampy azy hahazo ny valin’ireo fanontaniany. Mety manampy ny mahafantatra fa ao amin’ny andininy 5 ny teny hoe malalaka dia midika hoe amin-kalalahan-tanana, ary ny hoe mandatsa dia midika hoe mibedy na mitsikera. (NyJakoba 1:5–6 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)

  1. journal iconManorata fitsipika iray na roa izay azonao ianarana avy amin’ny Jakoba 1:5–6 ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory” (Jakoba 1:6)?

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:12, izay mirakitra ny nasetrin’i Joseph an’ny Jakoba 1:5. Inona no vokatry ny fampiharan’i Joseph Smith an’izay ampianarina ao amin’ny Jakoba 1:5–6?

Fahitana Voalohany

Eritrereto ireo fotoana naha-be fitiavana an’ny Ray any An-danitra ka namaliany ny vavakao taorian’ny nivavahanao tamim-pinoana. Diniho ireo fomba mety hampiharanao ireo fitsipika nianaranao tao amin’ny Jakoba 1:5–6 mba hahafahanao mandray fahendrena sy valin’ny fanontanianao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 1:7–11, dia nampitandrina ny amin’ny hoe miroa saina, na miahanahana amin’ny fahatokiana sy ny fanoloran-tena amin’ny Tompo i Jakoba. Nampitandrina ihany koa izy ny amin’ireo izay manan-karen-kolana izay mety tonga miaraka amin’ny harembe.

Ao amin’ny Jakoba 1:12–21, dia nampianatra i Jakoba fa maneho ny fitiavantsika ny Tompo isika amin’ny fanoherana fakam-panahy, izay iray amin’ireo fepetra amin’ny fahazoana ny satroboninahitry ny fiainana mandrakizay. Nampianatra ihany koa izy fa ny fanomezana tsara rehetra dia avy amin’ Andriamanitra ary ireo Olomasina dia tokony hiala tanteraka amin’ny “fahalotoana rehetra” ary handray ny tenin’ny Tompo “amin’ny fahalemem-panahy” (Jakoba 1:21).

Vakio ny Jakoba 1:22, mba hitadiavana izay zavatra namporisihan’i Jakoba mba hataon’ireo Olomasina amin’ny tenin’ Andriamanitra.

Diniho hoe tamin’ny fomba ahoana i Joseph Smith no nanaraka io torohevitra io. Saintsaino ny fomba hampiharanao ny zavatra nianaranao teo am-pandalinanao an’ity lesona ity.

Vakio ny Jakoba 1:27, mba hitadiavana ireo fomba hahafahanao ho mpanatanteraka ny teny. Ny fampiasan’i Jakoba ny teny hoe fivavahana eto amin’ity sahan-kevitra ity dia milaza ny fanehoana fanoloran-tena ho an’ Andriamanitra.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Jakoba 1:5–6

Ny fitadidiana tsianjery ny Jakoba 1:5–6 dia hanampy anao mandritra ny fiainanao rehefa manana fanontanina momba ny filazantsara, mikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ary rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny hafa ianao.

Mandania minitra vitsivitsy mba hiezahana mitadidiy tsianjery ny Jakoba 1:5–6. Tsarovy ny mamerina mitadidy andinin-tsoratra masina tsianjery matetika mba hahafahanao mihazona izay efa nianaranao.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Hebreo 12Jakoba 1 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty) aho.

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: