Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny 2 Jaona


Fampahafantarana ny 2 Jaona

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Nasehon’i Jaona Apôstôly tao amin’ny epistily faharoa nosoratany ny ahiahiny mikasika ireo fitaoman’ireo mpikomy ao amin’ny Fiangonana. Etsy andaniny ihany koa dia maneho fifaliana noho ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nijanona ho mafy orina sy mahatoky amin’ny filazantsara izy (jereo ny 2 Jaona 1:4). Maneho ny fifaliana sy ny fankasitrahana izay tsapan’ireo mpitarika ny Fiangonana ho an’ireo izay mitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo ny teniny. Eo am-pandalinanao ny 2 Jaona dia afaka mahazo fampaherezana ianao avy amin’ny fampatsiahivana nataon’i Jaona mba hifankatia, sy hankatò ireo didin’ Andriamanitra, ary hijanona ho mahatoky ao amin’ireo fotopampianaran’i Kristy.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny mpanoratra dia namaritra ny tenany ho “loholona” (2 Jaona 1:1), ary ny lovan-tsofina dia milaza fa i Jaona, izay anisan’ireo Apôstôly Roambinifolo voalohany, no nanoratra ity epistily ity (Bible Dictionary, “Jaona, Epistilin’i Jaona”).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Tsy fantatra mazava hoe oviana ary taiza no nanoratana ny 2 Jaona. Raha toa ka marina ny lovan-tsofina mikasika ny fitoeran’i Jaona naharitra tao Efesosy, dia mety ho nanoratra ity epistily ity avy tao teo anelanelan’ny taona 70 sy 100 taorian’i J.K izy.

Ho an’iza no nanoratana izany ary nahoana?

Ny Epistily Faharoan’i Jaona dia nosoratana ho an’ny “tompokovavy voafidy iray sy ny zanany” (2 Jaona 1:1). Tsy fantatra raha toa ka niresaka tamin’ny fianakaviany na vondron’olona hafa manokana na niresaka tamin’ny Fiangonana iray manontolo amin’ny fiteny an’ohatra i Jaona.

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra fa ny 2 Jaona sy 3 Jaona dia mety ho taratasy izay nosoratan’i Jaona ho an’ny fianakaviany akaiky (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:409–10, 12–14).

Azo heverina ihany koa fa ilay andian-teny hoe “tompokovavy voafidy” dia mamaritra ireo fiangonana Kristianina (jereo ny 2 Jaona 1:13). Ny teny Grika milaza hoe fiangonana dia anaram-behivavy, ary mazàna ny Fiangonana resahina ho toy ny vehivavy iray (jereo ny Efesianina 5;25–27, 32; Dikantenin’i Joseph Smith, Apôkalypsy 12:1–3, 7 [ao amin’ny Fantina avy ao amin’ny Baiboly]; Apokalypsy 19:7–8).

Tahaka ny tao amin’ny 1 Jaona, i Jaona dia toa nanoratra ity epistily ity mba ho setrin’ireo fampianaran-diso izay milaza fa i Jesoa Kristy dia tsy tonga teto an-tany tao amin’ny nofo ara-bakiteny. Nanazava izy fa ireo mpikambana izay nampianatra fa i Kristy dia tsy nanana vatana ara-nofo teto an-tany dia tsy tokony ho raisina ao an-tranon’ny olona iray, na koa ao am-piangonana (jereo ny 2 Jaona 1:7–10).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ao amin’ity epistily ity, i Jaona Apôstôly dia nampitandrina momba ireo mpampianatra sandoka izay tafiditra ao amin’ny Fiangonana. Nanome torolalana ireo mpikamban’ny Fiangonana izy mba tsy hihaino na hifampitakosona amin’ireo olona ireo.

Topimaso

2 Jaona 1. Nampahatsiahy ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny didy mba hifankatia i Jaona. Nampitandrina momba ireo mpampianatra sandoka sy mpamitaka ao anatin’ny Fiangonana izy ary nanome torolalana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba tsy hamela azy ireny hitoetra ao am-piangonana.