Tahirim-pitaovana
Fizarana 11, Andro 1: Lioka 10:38–12:59


Fizarana 11: Andro 1

Lioka 10:38–12:59

Fampidirana

Nampianatra an’i Maria sy i Marta tao an-tranon’i Marta ny Mpamonjy. Taty aoriana kely, dia nampianatra fahamarinana maro tamin’ny mpianany mikasika ny vavaka Izy ary nampitandrina mikasika ny fiatsaram-belatsihy sy ny fitsiriritana.

Lioka 10:38–42

Nampianatra an’i Maria sy i Marta i Jesoa

I Jesoa niaraka tamin’i Maria sy i Marta
  1. sary famantarana ny diaryAtaovy lisitra araka izay tratranao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ao anatin’ny iray minitra ireo safidy nataonao omaly. Rehefa vitanao izany, dia jereo ilay lisitra iray manontolo ary asio marika ireo safidy tsara nataonao. Inona avy ireo toe-javatra izay mety tsy maintsy hanapahantsika hevitra mikasika ny safidy tsara anankiroa?

Eo am-pandalinanao ny Lioka 10:38–42, dia tadiavo ny fitsipika iray izay nampianarin’ny Mpamonjy fa afaka hitarika anao amin’ny fanapahan-kevitrao—indrindra fa rehefa tsy maintsy misafidy amin’ny safidy tsara maromaro ianao.

Raha mbola tany Jodia i Jesoa dia nandeha nankany Betania Izy , izay toerana tsy lavitra an’i Jerosalema, ka nitsidika ny tokantranon’i Marta sy i Maria ary i Lazarosy.

Vakio ny Lioka 10:38–40 mba hikarohana ny zavatra nosafidian’i Maria sy i Marta ho atao raha mbola tao an-trano ny Mpamonjy.

Tamin’ny andron’i Jesoa dia tena nanan-danja ny fandraisam-bahiny. I Marta dia niezaka nanao izay zavatra tokony ho nandrasana taminy araka ny maha-mpampiantrano azy. Nifantoka tamin’ny zavatra ara-nofo,na ara-batana izy, zavatra toy ny fikarakarana sy ny fandrosoana sakafo.

Jereo ao amin’ny Lioka 10:40 fa i Marta dia nahatsapa ho “sahirana,” na be raharaha, ka tiany hanampy azy i Maria.

Vakio ny Lioka 10:41–42 mba hikarohana ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’i Marta.

Inona no mety ho tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa nilaza Izy hoe, “zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara“ (Lioka 10:42)?

Loholona Dallin H. Oaks

Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tena mendri-piderana ny naha-‘maro ahina sy maro herehina’ an’i Marta [Lioka 10:41], fa ny fianarana ny filazantsara avy amin’ilay Mpampianatra Lehibe no ‘ilaina’ bebe kokoa” (“Good, Better, Best,” Ensign na Liahona, nôv. 2007,104).

Rehefa nilaza ny Mpamonjy fa ny “anjara tsara” izay efa nofidian’i Maria dia “izay tsy halaina aminy” (Lioka 10:42), dia mety te hilaza Izy fa tamin’ny alalan’ny fisafidianany hihaino ny Mpamonjy fa tsy nifidy ny hifantoka amin’ny zavatra ara-nofo na araka izao tontolo izao, na ireo ahiahy dia handray ireo fitahiana ara-panahy izay aharitra mandrakizay i Maria.

Ny fitsipika izay azontsika hianarana avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ny Marta dia hoe raha misafidy ny hahafoy tena amin’ny zavatra ara-panahy mihoatra ny fiahiahiana ireo zavatra ara-nofo isika dia handray fitahiana maharitra.

Soraty eo amin’ny toerana natokana ho amin’ izany ireo karazana toe-javatra izay mety hisafidianan’ny olona iray hahafoy tena amin’ny zavatra ara-panahy mihoatra ireo zavatra tsara na ahiahy na asa atao hafa kanefa tsy dia manan-danja:

Nampianatra koa ny Loholona Oaks hoe:

“Rehefa mandinika safidy isan-karazany isika dia tokony hahatsiaro fa tsy ampy ny hoe tsara ny zavatra iray. Ny safidy sasany dia tsara kokoa, ary mbola tsara indrindra aza ny hafa. …

“Saintsaino ny fomba hampiasantsika ny fotoanantsika amin’ireo safidy izay ataontsika amin’ny fijerena fahitalavitra, filalaovana “jeux video”, na ny fijerena internet, na ny famakiana boky na gazety. Mazava ho azy fa tsara ny mijery ireo fialam-boly mahafinaritra na ny fakana fampahalalana mahaliana. Fa tsy ny zavatra rehetra toy izany nefa no mendrika ny fotoana omentsika mba hahazoana izany. Tsara kokoa ireo zavatra sasany, ary ny hafa dia tsara indrindra. Rehefa niteny tamintsika ny hikatsaka ny hianatra ny Tompo dia hoy Izy hoe, ‘katsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindra ny teniny fahendrena’ (F&F 88:118; nampiana fanamafisana). …

“Ny fomba sasany fampiasana ny fotoanan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia tsara kokoa, ary ny hafa dia ny tsara indrindra. Mila mamela ny zavatra tsara sasany isika mba hisafidy zavatra hafa izay tsara kokoa, na tsara indrindra, satria mampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy mankahery ny fianakaviantsika izy ireo” (“Good, Better, Best,” 104–5, 107).

  1. sary famantarana ny diaryAvereno jerena ny lisitr’ireo safidy izay nosoratanao ao amin’ny asa nampanaovina voalohany, ary omeo anarana hoe “tsara,” “tsara kokoa,”na “tsara indrindra” ny tsirairay amin’ireo safidy tsara nataonao. Dia fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao avy eo:

    1. Manorata fomba iray izay efa nitahiana anao noho ny fametrahana ny zavatra ara-panahy alohan’ny ahiahy ara-nofo.

    2. Misafidiana farafahakeliny zavatra ara-panahy iray izay tianao hifantohana kokoa, ary manorata tanjona mahakasika ny zavatra hataonao mba hanaovana io zavatra ara-panahy io ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao.

Lioka 11

Nampianatra ny mpianany mikasika ny vavaka i Jesoa

Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera manompo amin’ny fotoana feno ianao ary mampianatra naman’ny fiangonana izay nivavaka imbetsaka ary nahatsapa fa toy ny hoe tsy namaly ny Ray any An-danitra. Manontany tena ilay naman’ny Fiangonana raha toa ka mbola tokony hanohy hivavaka izy. Inona no holazainao mba hanampiana io olona io?

Eo am-pandalinanao ny Lioka 11, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka hanampy ny olona iray mahatsapa fa tsy namaly ny vavaka nataony Andriamanitra.

Araka ny Lioka 11:1–4 dia nanontany ny iray tamin’ireo mpianatry ny Mpamonjy rehefaavy nihaino Azy nivavaka raha afaka mampianatra azy ireo hivavaka Izy, ary dia nanao izany ny Mpamonjy. Nampiasa fifanahafana ny Tompo avy eo mba hampianarana ireo fahamarinana fanampiny mikasika ny vavaka. Mariho fa ny Dikantenin’i Jeseph Smith ho an’ny Lioka11:4 dia mivaky toy izao: “Ary aza avela ho voatarika ho amin’ny fakam-panahy izahay; fa manafaha anay amin’ny ratsy”(Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 11:4nampiana sora-mandry.) Ny Ray any An-danitra dia tsy hitarika na iza na iza amin’ny zanany any amin’ny fakam-panahy na oviana na oviana.

Halalino ny Lioka 11:5–13 mba hikarohana ny zavatra nampianarin’ny Tompo mikasika ny vavaka.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manome hevi-baovao fanampiny ao amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny vavaka. Isika dia mianatra fa talohan’ny nanomezany ilay fifanahafana izay nanomboka tao amin’ny Lioka 11:5, dia “nilaza tamin’izy ireo Izy hoe, ny Rainareo any an-danitra dia hanome izay rehetra angatahinareo Aminy. Ary nitantara fanoharana Izy nanao hoe …” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 11:5 ). Mianatra mikasika ny “ zava-tsoa“ izay noresahiny ihany koa isika: “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome zava-tsoa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy” (Dikantenin’ny Joseph Smith, Lioka 11:14 ).

Araka ny voalaza ao amin’ny Lioka 11:8, dia nahoana ilay namana faharoa no namaly ny fangatahan’ilay namana voalohany mofo? (Ny teny hoe fitarainany fatratra dia entina ilazana ny fikirizan’ilay lehilahy nitalaho taminy, na dia nandà ny fangatahany aza ilay namany tamin’ny voalohany.)

Nampianatra tamin’ny alalan’ireo fifanahafana nataony ao amin’ny Lioka 11:5-13 ny Mpamonjy fa raha isika izay tsy tanteraka no vonona ny hamaly ny fangatahan’ireo olona izay tiantsika sy raharahintsika,dia “tsy mainka va ny Ray, izay any An-danitra no hanome … ho an’izay mangataka Aminy” (Lioka 11:13).

Inona no tanjon’ny vavaka? “Ny vavaka dia ilay zavatra atao mba hampifanarahana ny sitrapon’ ny Ray sy ny sitrapon’ ny zanaka. Ny tanjon’ny vavaka dia tsy ny hanova ny sitrapon’ Andriamanitra, fa ny mba hahafahantsika sy ny hafa mahazo ireo fitahiana izay efa tian’ Andriamanitra homena, saingy tsy maintsy angatahina vao azontsika. Mitaky asa sy ezaka avy amintsika ny fitahiana alohan’ny ahazoantsika izany. Ny vavaka dia endriky ny asa ary fomba iray notendrena mba hahazoana ilay fitahiana ambony indrindra amin’ny fitahiana rehetra” (Bible Dictionary, “Prayer”).

Fenoy avy amin’ny zavatra nianarana tao amin’ny Lioka 11:5–13 ity fitsipika manaraka ity: Raha mivavaka sy mikatsaka mandrakariva ny fitahian’ny Ray any An-danitra isika ao anatin’ny fotoam-pahasahiranana dia hanome izany Izy, amin’ny fotoany sy ny fombany manokana. .

Amin’ny fahatakarana io fitsipika io dia tsy maintsy tadidiantsika koa fa tsy ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Ray any An-danitra no tonga amin’ny fomba izay andrasantsika, na iriantsika, na fantatsika avy hatrany.

  1. sary famantarana ny diarySoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nandraisanao valiny tamin’ireo vavaka nataonao rehefa nikatsaka mandrakariva ireo fitahian’ny Ray any An-danitra ianao.

Ny Lioka 11:14–54 dia mirakitra tantaran’i Jesoa nandroaka demonia hiala tamin’ny lehilahy iray, nananatra ny olona hihaino ny tenin’ Andriamanitra , ary nanafay ireo Fariseo sy mpanora-dalàna tamin’ny tsy fahalalan’izy ireo ara-panahy sy ny faharatsiany.

Lioka 12

Nampitandrina mikasika ny fiatsaram-belatsihy sy ny fitsiriritana ny Mpamonjy

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Moa ve ianao efa naniry mafy zavatra iray ary nieritreritra mikasika izany foana? Inona no mety ho voka-dratsin’ny ny faniriana zavatra iray mafy eo amintsika ?

Vakiantsika ao amin’ny Lioka 12:1–13 fa “raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa” (Lioka 12:1), dia nampianatra ny mpianany hitandrina tamin’ny fiatsaram-belatsihy i Jesoa. Nampianatra azy ireo Izy fa ireo zava-miafina rehetra dia aseho indray andro any ary koa Andriamanitra dia mahalala sy miahy ireo zanany. Niresaka momba ny tokony hitorian’ireo mpianany ny anarany eo anatrehan’ny olona sy mikasika ny fitenenan-dratsy ihany koa Izy. Avy eo dia nisy lehilahy nanontany ny Mpamonjy raha hiresaka amin’ny rahalahiny Izy ka handresy lahatra ny rahalahiny mba hizara ireo lova miaraka aminy.

Vakio ny Lioka 12:14–15 mba hikarohana ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’io fangatahana io.

Inona ny fampitandremana nomeny ny olona?

Ny hoe fieremana dia midika hoe maniry mafy zavatra iray. Afaka mianatra ireto fahamarinana manaraka iretoavy amin’ny torohevitry ny Tompo isika: Ny Tompo dia mandidy antsika tsy hitsiriritra ny zavatr’izao tontolo izao. Nampianatra Izy fa mbola betsaka ny zavatra tsara eo amin’ny fiainana ankoatra ireo zavatra ara-nofo izany azontsika ary ny hasarobidin’ny olona iray dia tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.

Rehefa avy nampitandrina ireo mpianany ny Mpamonjy mba hiala amin’ny fitsiriritana dia nanome fanoharana Izy mba hanehoanany maha-manan-danja ny didin’ Andriamanitra. Vakio ny Lioka 12:16-19 mba hikarohana hoe impiry ilay lehilahy tao amin’ny fanoharana no nampiasa ny teny hoe aho sy ko. Azonao atao ny manisy marika ny ohatra tsirairay amin’izany.

Inona no ampianarin’ny fampiasan’ilay lehilahy matetika ny hoe aho sy ko anao mikasika ny zavatra nanahiran-tsaina azy?

Amin’ny fomba ahoana no mety ahazoan’ny fakam-panahy antsika tahaka ity lehilahy ity?

Vakio ny Lioka 12:20–21 mba hikarohana ny zavatra nolazain’ Andriamanitra ho valin’ny fitiavan’ilay lehilahy harena sy ny fitsiriritany.

Soraty na mariho ao amin’ny soratra masinao ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Ny manan-danja indrindra dia izay maharitra ela indrindra“ (“What Matters Most Is What Lasts Longest,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 44–44.

Raha nahalala ilay mpanankarena fa ho faty izy tamin’io alina io ka tsy afaka hitondra ny fananany miaraka aminy, dia inona araka ny eritreritrao no mety ho zavatra hafa nataony tamin’ny andro mialohan’ny fahafatesany? Saintsaino ny mety azo ampiharana ilay didy tsy hitsiriritra ny zavatr’izao tontolo izao eo aminao.

Vakiantsika ao amin’ny Lioka 12:22–30 fa ny Tompo dia nanantitrantitra fa ireo mpianany dia tsy nila nisahirana loatra mikasika ny filana ara-batana. Io torolalana io dia nomena ny Apôstôly sy ireo izay voantso hanampo amin’ny fotoana feno toy ny mpitory ny filazantsara. Vakio ny Lioka 12:31–32 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ireo mpianany mba hokatsahina toy izay hifantoka amin’ny filan’izy ireo sy ny faniriany manokana (jereo ny Jakoba 2:18–19).

Ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao ho an’ny Lioka 12:31 isika dia mianatra fa ny Tompo dia nanome torolalana ireo mpianany hoe: “Kanefa katsaho ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra “ (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 12:34 ;nampiana sora-mandry). Ny “fanjakan’ Andriamanitra “ dia manondro ny fiangonan’i Jesoa Kristy. “Ny tanjon’ny Fiangonana dia ny hanomana ireo mpikambana ao aminy hiaina mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy na ny fanjakan’ny lanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanjakan’ Andriamanitra na fanjakan’ny lanitra,” scriptures.lds.org). Nampanantena ireo Apôstôliny sy ireo misiônera ny Mpamonjy fa raha mikatsaka ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra izy ireo, dia hanampy amin’ny fanomezana izay ilain’izy ireo Izy ary hanome toerana ho azy ireo ao amin’ny fanjakany.

  1. sary famantarana ny diarySoraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mikatsaka ny hanao ny anjarantsika isika amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia hanome antsika izay ilaintsika Andriamanitra ary hanomana toerana ho antsika ao amin’ny fanjakany.

Saintsaino ireo fomba sasany ahafahanao mikatsaka ny hampiorina ny fanjakan’Andiriamanitra. (Eo am-pisaintsainanao izany, dia tadidio ilay fitsipika hita teo aloha tao amin’ny lesona mikasika ny fahafoizana ny tenanao amin’ny zavatra ara-panahy mihoatra ireo ahiahy ara-nofo.)

Vakiantsika ao amin’ny Lioka 12:35–59 fa ny Mpamonjy dia nampianatra ireo mpianany hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany. Nanampy azy ireo Izy mba hahatakatra fa “izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy“ (12:48) ary nanazava Izy fa ny filazantsarany dia hiteraka fizarazarana lehibe eo anivon’ny olony.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Lioka10:38–12:59 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: