Fizarana 8: Andro 1
Marka 4–5
Fampidirana
Nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa. Raha teny ambony ranomasina, dia nampitsahatra ny tafio-drivotra ny Mpamonjy, ary ireo mpianany dia talanjona tamin’ny heriny teo amin’ireo singa. Naneho ny maha-lehibe Azy noho ny devoly i Jesoa tamin’ny fandroahana azy ireo hiala tao amin’ny lehilahy iray. Raha nanompo tao Kapernaomy Izy dia nanasitrana vehivavy iray izay nandeha ra tsy tapaka ary nanangana tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jairo.
Marka 4
Nampianatra mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanoharana i Jesoa ary nampitsahatra ny tafio-drivotra
Mieritrereta mikasika ny tafio-drivotra ratsy indrindra niainanao. Saintsaino hoe ahoana ny hamaritanao izany traikefanao izany amin’ny olona iray izay tsy teo nandritra izany tafio-drivotra izany.
Ahoana ny hitovizan’ny olana sasany ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana amin’ny tafio-drivotra?
-
Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Avy eo dia soraty eo amin’ny toerana malalaka eo ambanin’ny sokajin-javatra tsirairay ireo ohatra maromaro amin’ny tafiotra ara-batana, ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-piaraha-monina izay mety hiainan’ny tanora.
|
Ara-batana |
Ara-panahy |
Ara-tsaina |
Ara-piaraha-monina |
|---|---|---|---|
Eo am-pandalinana ny Marka 4–5, dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka hanampy anao rehefa miatrika ireo tafiotra eo amin’ny fiainana ianao.
Mamaky isika ao amin’ny Marka 4:1-34 fa raha teo amoron’ny ranomasin’i Galilia i Jesoa Kristy dia nampianatra fanoharana maro tamin’ny vahoaka sesehena Izy. (Ity lesona ity dia tsy hiresaka ireo andininy ireo satria efa nianaranao ireo fanoharana ireo tao amin’ny Matio 13.)
Vakio ny Marka 4:35–38 mba hikarohana ireo olana niseho raha mbola niampita ny ranomasin’i Galilia ny Mpamonjy sy ny mpianany.
Ny ranomasin’i Galilia dia any amin’ny 700m ambanin’ny mari-drefin’ny ranomasina ary izy dia hodidinin’ny tendrombohitra eo amin’ny lafiny telo. Matetika, ny rivotra dia mitsoka mafy midina ireo solampin’ny tendrombohitra ary miteraka tampoka, tafio-drivotra mahery sy onja lehibe eo amin’ity rano kely ity. Ny sasany tamin’ireo mpianatra dia mpanjono za-draharaha, fa noho ny tafio-drivotra, izay nitondra onja nanenika ny sambo, dia “feno fahatahorana izy ireo, ary saika nahita loza” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 8:23 [ao amin’ny Lioka 8:23, fanovozan-kevitra eo ambanin’ny pejya]).
Raha ianao no tao anatin’ny sambo niaraka tamin’i Jesoa sy ny mpianany tao anatin’izany tranga izany, dia inona no mety eritreritrao sy fahatsapana nanananao raha toa ka nitodika tany amin’ny Mpamonjy ianao mba hamonjeny anao ka nahita Azy natory?
Vakio ny Marka 4:39–40, mba hitadiavana ny valin-tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany izay nitalaho famonjena. Azonao atao ny manisy marika ny teny hoe “Mangina,mitsahara” sy “tony tsara ny andro” (Marka 4:39) ao amin’ny soratra masinao. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao anatin’ny soratra masinao na ny diary fandalinanao soratra masina: Rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Tompo isika ao anatin’ny fotoan-tsarotra na ny tahotra, dia afaka manome fiadanana antsika Izy.
Saintsaino mandritra ny fotoana fohy hoe inona ny dikan’ny hoe mikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy ao anatin’ny fotoan-tsarotra na ny tahotra. Diniho ireo fomba sasany ahafahantsika manao izany.
Vakio ny Marka 4:41 mba hikarohana ny fanontaniana napetraky ny mpianatra mikasika an’i Jesoa. Lokoy miavaka ao anatin’ny soratra masinao ilay fanontaniana.
Raha teo ianao tamin’izany mba hamaly ny fanontanian’ireo mpianatra, dia inona no mety ho nolazainao azy ireo mikasika an’i Jesoa Kristy?
Misy fiantraikany eo amin’ny finoanao mandritra ny fotoan-tsarotra amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana fa i Jesoa Kristy dia manana ny hery hampitsahatra ny tafiotra sy afaka hanome fitoniana?
-
Vakio ny ireo tonon-kira na henoy ny hira “Maître, la tempête lance” (Cantiques, no. 56), ary saintsaino ny hafatra ao amin’izany. Mieritrereta fotoana iray izay nitodihanao na olona iray izay fantatrao tamin’ny Tompo nandritra ny tafio-drivotra iray teo amin’ny fiainana. Tamin’ny fomba ahoana no nampitsaharan’ny Tompo ny tafiotra sy nanomezany filaminana? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra izay azonao atao mba hikatsahana ny fanampian’ny Tompo mandritra ny fotoana feno fanamby eo amin’ny fiainanao.
Marka 5:1–20
Nanasitrana lehilahy iray tamin’ny fandroahana ny demonia hiala tao aminy i Jesoa
Ny Marka 5:1–18 dia milaza fa i Jesoa dia nanasitrana lehilahy iray feno fanahy “maloto” na ratsy. Rehefa voaroaka hiala tao amin’ilay lehilahy ireo fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny andiana kisoa, ary ireo nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina. Rehefa sitrana ilay lehilahy dia naniry ny hiaraka tamin’i Jesoa.
Vakio ny Marka 5:19–20 mba hikarohana ny zavatra nasain’i Jesoa nataon’ilay lehilahy.
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe rehefa miaina ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika isika dia afaka mijoro ho vavolombelona amin’ny hafa mikasika ny fitahiany sy ny fangorahany. Na izany aza, raha toa ny traikefa iray ka tena masina tokoa dia tsy tokony hozarainao izany raha tsy hoe nibitsika taminao ny Fanahy Masina mba hizara izany.
Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana na amin’iza ianao no tokony hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitahian’ny Mpamonjy sy ny fangorahany teo amin’ny fiainanao.
Marka 5:21–43
Nanasitrana vehivavy iray izay nandeha ra tsy tapaka sy nanangana ny zanak’i Jairo tamin’ny maty i Jesoa
Ny Loholona Shayne M. Bowen ao amin’ny Fitopololahy dia nitantara traikefa mampalahelo iray teo amin’ny fiainam-pianakaviany:
“Ny 4 Febroary 1990, dia teraka ilay zanakay lahy fahatelo ary zanakay fahenina. Nomenay anarana hoe Tyson izy. …
“Nahatafa-telina[nitelina] tsaoka kely izay hitany teo amin’ny karipetra i Tyson fony izy valo volana. Nihitsoka tao amin’ny tendan’i Tyson izany ary tsy afaka niaina izy. Nentin’ilay zokiny lahy niakatra tany amin’ny efitra ambony i Tyson ary nitroatroatra niantsoantso izy hoe: ‘Tsy miaina ilay zaza. Tsy miaina ilay zaza.’ Nanomboka nampihatra ny fameloman’aina sy niantso ny 911 izahay.
“Tonga ireo mpanampy mpitsabo ary nitondra haingana an’i Tyson tany amin’ny hopitaly. Nanohy nivavaka mafy tamin’ny fo izahay tao amin’ny efitrano fiandrasana ka nitalaho tamin’ Andriamanitra ny mba hisian’ny fahagagana. Fotoana izay toa tena ela dia ela taty aoriana dia tonga tao amin’ilay efitrano ny dokotera ary nilaza hoe: ‘Miala tsiny aminareo aho. fa tsy misy zavatra hafa azonay atao intsony. Ataovy izay fantatrareo fa tokony hatao na dia mitaky fotoana maharitra aza izany.’. Dia lasa izy” (“Satria Velona Aho, dia Velona koa ianareo” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 16).
Raha toa ka rahalahin’i Tyson ianao tamin’izany fotoana izany,dia inona no mety ho neritreretinao na tsapanao tamin’izany fotoana izany?
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny traikefa tahaka izany misedra ny finoan’ny olona iray?
Vakio ny Marka 5:21–24 mba hikarohana hoe ahoana no niatrehan’ny mpanapaka Jiosy iray antsoina hoe Jairo fanamby izay mety nitsapana ny finoany.
Vakio ny Marka 5:25–26 mba hikarohana hoe iza no tao anatin’ny vahoaka betsaka ka nanaraka an’i Jesoa nankany an-tranon’i Jairo.
Na dia tsy mamaritra tsara ny tena toetran’ilay “fandehanan’ny ra” tamin’ilay vehivavy aza ny tantaran’ny Testamenta Vaovao (Marka 5:25), na fitosahan-dra, dia fantatsika fa tena nanahirana azy izany. Ary koa, ao amin’ny lalàn’i Mosesy, ny olona iray izay mararin’ny fadim-bolany dia voasokajy ho toy ny maloto araka ny fomba (jereo ny Levitikosy 15:19-33). Izany dia toy ny midika fa ilay vehivavy dia nahilika sy navahana nandritra ny 12 taonana nisian’ny aretiny. Ny fahadisoam-panantenana izay tsapany mikasika ny zavatra nanjo azy dia toa mibaribary izay hita fa “nandaniany ny fananany rehetra” (Marka 5:26) nitadiavany fitsaboana tamin’ny mpanao fanafody maro.
Vakio ny Marka 5:27–34 mba hikarohana hoe inona ny zavatra nataon’ity vehivavy ity mba hahazoany ny fanampian’ny Mpamonjy. Ny fehezanteny hoe “nankeo ivohony namaky ny vahoaka” (Marka 5:27) dia maneho ny ezaka izay nataony mba hamakiana ny vahoaka ahafahany mikasika ny lamban’i Jesoa (na ny akanjony). Ny teny hoe hery ao amin’ny andininy 30 dia midika hoe “fahefana” na “tanjaka”.
Azontsika ianarana avy amin’ny tantara momba ny traikefan’ity vehivavy ity fa rehefa maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika hanatona Azy, dia afaka manadio antsika Izy.
Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny fahasitranantsika avy amin’ny kilema nananantsika tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tsy miankina fotsiny amin’ny ezaka ataontsika hanatona Azy fa miankina koa amin’ny fotoan’ Andriamanitra sy ny sitrapony, toy ny tamin’ilay vehivavy izay nikasika ny lamban’i Jesoa.
Diniho ny hoe tamin’ny fotoana nijanonan’i Jesoa Kristy mba hanampy ilay vehivavy nandeha ra dia niandry tam-pahazotoana ny Mpamonjy hiaraka aminy mba hanampy ny zanany vavy i Jaïro.
Vakio ny Marka 5:35 mba hikarohana ny hafatra tonga tany amin’ny Jaïro raha nijanona nanampy ilay vehivavy i Jesoa.
Raha teo amin’ny toeran’i Jaïro ianao dia inona ireo eritreritra na fahatsapana mety nanananao tamin’izany fotoana izany?
Vakio ny Marka 5:36 mba hikarohana ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy mba hanohanana ny finoan’i Jaïro. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Ny zavatra azontsika ianarana avy amin’io tantara io dia ny hoe ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy dia mitaky antsika hanohy hino Azy na dia amin’ny fotoana tsy ahazoantsika antoka ny amin’izay hiseho aza.
Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona avy ireo fomba sasany mety ampiharantsika ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainantsika? Nahoana ianao no mieritreritra fa Andriamanitra dia mitsapa ny finoantsika indraindray?
Vakio ny Marka 5:37–43 mba hikarohana hoe inona no nitranga tamin’ny zanakavavin’iJaïro. Mariho fa ireo izay “nihomehy Azy [an’iJesoa] fatratra” (Marka 5:40) dia ireo “mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba” (jereo ny Matio 9:23–24), fa tsy i Petera, na i Jakoba, na i Jaona, na ireo ray aman-drenin’ilay zazavavy.
Natsangan’i Jesoa tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jaïro.
Matetika ny Mpamonjy dia mampitsahatra ireo tafiotra eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanesorana ny sakana na ny tahotra izay iainantsika. Amin’ny fotoana hafa dia mety tsy ho esoriny ny sedrantsika, toy ny nambaran’i Elder Bowen tamin’ilay tantara momba ny fahafatesan’ny zanany lahy. Na izany aza, rehefa manohy mampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika na dia amin’ny fotoana tsy hahazoantsika antoka ny amin’izay hiseho aza, dia hanome fiadanana antsika Izy mandritra ny fanamby iainantsika.
Vakio ity fijoroana ho vavolombelona manaraka nozarain’ny Loholona Bowen ity, ary diniho ny fomba ahafahantsika mihazona ny finoantsika na dia eo aza ny vokatra entin’ireo fisedrana antsika:
“Rehefa tsapako fa mitady handrendrika ahy ny fahamelohana, ny hatezerana sy ny fangorahana ny tena dia nivavaka aho mba hiova ny foko. Nomen’ny Tompo fo vaovao aho tamin’ny alalan’ny zavatra niainako manokana izay masina, ary na dia mbola irery sy nanaintaina aza izany dia niova ny fomba fijeriko. Nampahafantarina aho fa tsy voaroba akory ny tenako fa misy fitahiana lehibe miandry ahy raha toa ka maneho ny fahatokiana aho. …
“Mijoro ho vavolombelona aho hoe … ‘rehefa miantehitra amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy antsika hahazaka ny fitsapana sy ny aretina ary ny fanaintainana mianjady amintsika Izy. Afaka ny ho feno fifaliana sy fiadanana ary fiononana isika. Izay zavatra tsy ara-drariny rehetra eo amin’ny fiainana dia azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’iJesoa Kristy’ [Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2004), 52]” (“Satria Velona aho, dia ho velona koa ianareo,”17).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nihazona finoana an’i Jesoa Kristy nandritra ny fotoam-pisedrana syny fotoana tsy nahazoanao antoka ny amin’izay hitranga?
-
Inona ireo fitahiana azo avy amin’ny fijanonana ho mahatoky? (Azonao atao ny miverina any amin’ny tabilao izay nataonao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina tany amin’ny fiatombohan’ity lesona ity dia manorata fehezanteny vitsivitsy mamaritra hoe ahoana no nanampian’ny Mpamonjy anao nandritra ny fisedrana niainanao izay mifandraika amin’ny sokajy tsirairay—ara-nofo, ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-piaraha-monina.)
-
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Marka 4–5 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: