Tahirim-pitaovana
Fizarana 30, Andro 2: 1 Jaona


Fizarana 30: Andro 2

1 Jaona

Fampidirana

Nasain’i Jaona Apôstôly ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hikatsaka fiombonana amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany. Nohamafisiny ny ilàna ny hitandremana ny didin’ Andriamanitra mba hanehoana ny fitiavantsika Azy. Nampahatsiahivin’i Jaona ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hitia ny hafa.

1 Jaona

Nanazava ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo didy sy ny fifankatiavana i Jaona.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny teny hoe apôstazia sy ny famaritana izany. Raha mila fanampiana ianao, dia ampiasao ireo fitaovana eny am-piandohan’ity torolalana ho an’ny fandalinana ity, dia ny Lisitr’ireo lohahevitra nalahatra araka ny abidia, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny Fotopampianarana Fototra.

Nanoratra ity epistily ity i Jaona Apôstôly rehefa nandrahona ny Fiangonana ny apôstazia. Nampitandrina ireo Olomasina momba ireo antikristy izy (jereo ny 1 Jaona 2:18–26; 4:3). Ny atao hoe antikristy dia “rehefa mety ho olona na zavatra izay misandoka ny drafitry ny famonjen’ny filazantsara marina ary manohitra ankitsirano na mangingina an’i Kristy” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikristy,” scriptures.lds.org). Ireo antikristy sasantsasany tamin’ny andron’i Jaona dia nampianatra fa i Jesoa Kristy dia tsy nanana vatana raha mbola teto an-tany fa niseho tamin’ny endrika ara-batana fotsiny ihany.

Vakio ny 1 Jaona 1:1–4 dia tadiavo izay nijoroan’i Jaona ho vavolombelona mba hanoherana ity fampianaran-diso ity. Mariho fa ny teny hoe “ny Teny Fiainana” ao amin’ny andininy 1 dia manondro an’i Jesoa Kristy.

Mariho ao amin’ny andininy 3–4 fa i Jaona dia naniry an’ireo Olomasina mba hanana fiombonana amin’ireo mpitariky ny Fiangonana, izay efa niombona tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Naniry ihany koa izy ny mba hiainan’izy ireo ny fahafenoan’ny fifaliana. Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe raha toa ka mandray sy manaraka ny fampianaran’ireo mpaminany sy ireo apôstôly isika, dia afaka mahazo fiombonana amin’ny Ray sy ny Zanaka.

Ny hoe manana fiombonana dia midika hoe mankamamy fifandraisana iray feno fahatokisana, finamanana, fifandraisana, ary firaisan-kina. Eritrereto ireo lehilahy izay manompo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Manampy antsika hiombona amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly?

Vakio ny 1 Jaona 1:5–6 dia tadiavo izay manakana antsika tsy hiombona amin’ny Ray any An-danitra.

Ny iray amin’ireo lohahevitra manan-danja indrindra ao amin’ny rakitsoratr’i Jaona dia hita ao amin’ny 1 Jaona 1:5–izay milaza fa i Jesoa Kristy no Fahazavan’izao tontolo izao (jereo ny Jaona 1:4–9; 8:12; 9:1–5). Mieritrereta fotoana iray izay nandehananao ara-bakiteny tao anatin’ny maizina. Nampiasa ny teny hoe maizina i Jaona mba hilazana ny haizina ara-panahy.

Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe mandeha ao amin’ny haizina ara-panahy?

Halalino ny 1 Jaona 1:7–2:6 dia tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Jaona izay afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba handehanana ao amin’ny fahazavan’ny filazantsara. Ny teny hoe avotra ao amin’ny 1 Jaona 2:2 dia midika hoe ny sorompanavotana izay manefa ny fahamarinan’ Andriamanitra.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo fahamarinana izay hitanao ao amin’ny 1 Jaona 1:7–2:6. Eritrereto ny fomba hamalianao an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no lasa tonga lafatra, na feno kokoa ny fitiavantsika an’ Andriamanitra rehefa mitandrina ny didiny isika?

    2. Oviana ianao no niaina ny fitiavan’ Andriamanitra lehibe kokoa rehefa niezaka nitandrina ny didiny?

Vakio ireto famaritana manaraka ireto dia tadiavo ny didy iray manokana izay nanahirana ireto zatovo roa ireto ny nankatò izany:

  • Ny zatovolahy iray dia mamaky ny soratra masina isan’andro ary manatanteraka amim-pahatokiana ny ankamaroan’ireo andraikitra ao amin’ny fisoronana izy, saingy matetika izy no ratsy fanahy amin’ny zandriny lahy.

  • Ny zatovovavy iray dia manatrika tsy tapaka ireo fivoriam-piangonana ary nandray ny mari-pankasitrahana ho an’ny Zatovovavy. Matetika anefa izy no manoratra fanamarihana feno haratsiam-panahy momba ny sasany amin’ireo mpiara-mianatra aminy sy ireo mpampianatra azy ao amin’ny tambazotra ifaneraserana.

Inona ny didy izay manahirana ireto zatovo Olomasin’ny Andro Farany ireto ny mitandrina azy? (Avereno jerena ny soratra masina fehezina Matio 22:36–39 ho fanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io.)

Saintsaino ireo toe-javatra niseho izay mety nanahirana anao ny naneho fitiavana ho an’ny hafa.

  1. journal iconVakio ny 1 Jaona 2:9–11; 4:7–11, 19–21 dia tadiavo izay nampianarin’i Jaona mikasika ny fitiavana. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ireo fampianarana izay manan-danja aminao. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Iza amin’ireo fampianaran’i Jaona momba ny fitiavana no manan-danja aminao? Nahoana?

    2. Fitsipika iray hitantsika avy ao amin’ireo andininy ireo ny hoe raha tia an’ Andriamanitra isika, dia hitia ny hafa. Nahoana araka ny eritreritrao no haneho ny fitiavantsika ny hafa isika rehefa tena tia an’ Andriamanitra?

Mariho fa i Jaona dia niresaka momba ny fankahalana ny hafa ao amin’ny 1 Jaona 4:20. Misy fomba maro hafa izay afaka manakana ny fitiavantsika na ny hatsaram-panahintsika amin’ny hafa ankoatra ny fankahalana azy ireo. Inona araka ny eritreritrao no mety ho sasany amin’ireo fomba ireo?

Vakio ny 1 Jaona 3:17–18 dia tadiavo ny fomba tokony hanehoantsika ny fitiavantsika ny hafa.

Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fanehoantsika ny fitiavantsika ny hafa amin’ny alalan’ny asa fa tsy amin’ny alalan’ny teny fotsiny ihany?

Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa?

video iconRaha azo atao dia jereo ny horonantsary mitondra ny lohateny hoe “Two Brothers Apart” izay hita ao amin’ny LDS.org. Rehefa mijery izany ianao dia tadiavo ny fomba nanehoan’ireto mpirahalahy ireto ity fitsipika ity sy ny fiantraikan’izany teo amin’ny tsirairay amin’izy ireo.

  1. journal iconMieritrereta olona iray eo amin’ny fiainanao izay afaka anehoanao fitiavana bebe kokoa. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anaran’izany olona izany ary ny zavatra manokana izay azonao atao mba hanehoana ny fitiavanao na hatsaram-panahinao amin’izany olona izany. Tsy voatery maneho ny fitiavanao amin’ny fomba diso miavaka loatra ianao. Fihetsika kely sy tsotra feno fiantrana ary hatsaram-panahy matetika no manan-danja indrindra.

Rehefa maneho ny fitiavantsika amin’ny alalan’ny asa isika, dia mandeha toy izay nandehanan’i Jesoa, na miaina tahaka ny fomba niainan’i Jesoa (jereo ny 1 Jaona 2:6; 3:1–3). Hitahy anao ny Tompo rehefa mampihatra io fahamarinana io eo amin’ny fiainanao ianao.

Vakio ny 1 Jaona 4:12, ary vakio avy eo ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Jaona 4:12 (ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masina). Inona no fanazavan’ny Dikantenin’i Joseph Smith momba ny hoe afaka ahita an’ Andriamanitra?

Ao amin’ny 1 Jaona 5, i Jaona dia nampianatra ny zavatra tokony hataontsika mba hateraka indray, izay midika hoe “ny fananana ny Fanahin’ny Tompo dia mahatonga fiovana mahery vaika ao am-pon’ny olona, hany ka tsy manam-paniriana intsony ny hanao ratsy izy fa maniry kosa ny hikatsaka ny zavatr’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Ateraka indray, Aterak’ Andriamanitra,” scriptures.lds.org). Vakio ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto, ary soraty ireo zavatra tokony hataontsika mba hateraka indray:

1 Jaona 5:1

1 Jaona 5:2–3

1 Jaona 5:4

1 Jaona 5:18

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 1 Jaona ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: