Tahirim-pitaovana
Fizarana 28: Andro 3, Hebreo 11


Fizarana 28: Andro 3

Hebreo 11

Fampidirana

Nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana mikasika ny finoana sy ny maha-zava-dehibe ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy i Paoly Apôstôly. Nitanisa ohatra lehilahy sy vehivavy marin-toetra avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ka nahavita fahagagana sy nahazaka fitsapana, ary nahazo fitahiana lehibe izy.

Hebreo 11:1–6

Nampianatra ny lanjan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana i Paoly

Vakio ity tantara manaraka ity, dia jereo ny zavatra nataon’ilay tovovavy mba hampiharana finoana:

Nanazava ny zatovovavy iray avy any Filipina fhoe indray lohataona ny rainy dia tsy maintsy nandeha lavitra mba hiasa. Rehefa nandray ny karamany izy dia nalefany tany amin’ny fianakaviany izany. Indray sabotsy dia nolanian’ny fianakaviana ny vola rehetra afa-tsy vola taratasy roa izay 20 pesos avy. Rehefa nojeren’ilay zatovovavy ny lisitry ny zavatra nilain’ny fianakaviany dia fantany fa tsy ho ampy hividianana ireo zavatra rehetra ireo sy handoavana ny saram-pitaterana handehanan’ny fianakaviany any am-piangonana ny ampitson’io ny vola. Nanontaniany an-dreniny izay tokony hataony. Nilaza taminy ny reniny mba hividy ireo zavatra ireo fa Andriamanitra hikarakara ny saram-pitaterana.

Nivavaka ilay zatovovavy mba ho afaka mividy ny zavatra tao anatin’ilay lisitra ary mbola hanana vola ampy handoavana ny saram-pitaterana ho any am-piangonana ny ampitson’io. Voalohany dia nividy arina fandrehitra izy mba hahafahan’ny fianakaviany mahandro sakafo. TTaitra izy rehefa nahita fa nitombo avo roa heny ny vidin’ny arina iray harona, ka raha 5 pesos dia lasa 10 pesos. Fantany fa nila arina fandrehitra ny fianakaviany handrahoana sakafo ka dia nividy roa harona izy izay 20 pesos ny fitambarany. Nivavaka mafy kokoa ity zatovovavy ity ny mbola hahafahan’ny fianakaviany mandeha any am-piangonana. Rehefa nivavaka izy dia nisy zavatra nibitsika azy hoe: “Mandehana dia vidio ireo zavatra ilainao. Aza manahy.” Noho izany dia nanohy ny lalany niaraka tamin’ny vola 20 pesos fotsiny izy (Nalaina avy tamin’ny horonantsary hoe “Pure and Simple Faith,” LDS.org).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Tamin’ny fomba ahoana no nampiharan’io zatovovavy io finoana an’i Jesoa Kristy?

Vakio ny Hebreo 11:1, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Paoly Apôstôly momba ny finoana. Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 11:1 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ).

Nampiasa ny Hebreo 11:1, ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary nampiasa ihany koa loharanom-pitaovana hafa mba hanazavana singa fototra telon’ny finoana:

Loholona David A. Bednar

“i Paoly Apôstôly dia namaritra ny finoana ho ‘fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita’ (Hebreo 11:1). Nanambara i Almà fa ny finoana dia tsy fahalalàna tomombana. Fa raha manana finoana kosa isika dia ‘manantena ny zavatra tsy hita [kanefa] marina’ (Almà 32:21). Ankoatra izay dia ianarantsika ao amin’ny Lectures on Faith fa ny finoana dia ‘fitsipika voalohany ao anatin’ny fivavahana nambara sy fototry ny fahamarinana rehetra’ ary ny finoana ihany koa dia ‘fitsipiky ny asa eo amin’ny olombelona misaina rehetra’ [Lectures on Faith (1985), 1].

“Ireo fampianarana ireo dia mampisongadina singa fototra telon’ny finoana: (1) ny finoana izay izay ireo zavatra antenaina izay marina, (2) ny finoana izay fanehoana ny zavatra tsy hita, ary (3) ny finoana izay fitsipiky ny asa eo amin’ny olombelona misaina rehetra. Ireo singa telon’ ny finoana ny Mpamonjy ireo dia faritako ho toy ny sady miatrika ny hoavy, no mijery ny lasa, ary manomboka manao asa amin’ny ankehitriny.

“Ny finoana ho fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina dia mibanjina ny hoavy. …

“Ny finoana an’i Kristy dia mifamatotra tanteraka, sy manjary lasa, fanantenana ao amin’i Kristy ho an’ny fanavotana sy ny fisandratantsika. Ary ny fahazoana antoka sy ny fanantenana dia mahatonga antsika ho afaka mandeha eo amoron’ny fahazavana ka manao dingana vitsivitsy mankao amin’ny maizina—sady manantena sy mahatoky fa ilay fahazavana dia hikisaka sy hanazava ny lalana [jereo ny Boyd K. Packer, ‘The Candle of the Lord,’ Ensign, jan. 1983, 54]. Ny fitambaran’ny fahazoana antoka sy ny fanantenana no mampiandoha ny asa atao amin’ny ankehitriny.

“Ny finoana izay fanehoana ny zavatra tsy hita dia mibanjina ny lasa ary manamafy ny fatokiantsika an’ Andriamanitra sy ny fatokiantsika ny fahamarinan’ireo zavatra tsy hita. Nanao dingana ho ao amin’ny haizina nomba’ny fahazoana antoka sy ny fanantenana isika, ary nahazo porofo maneho sy fanamafisana satria tena nikisaka tokoa ilay fahazavana ka nanome ny hazavana nilaintsika. Ny fijoroana ho vavolombelona azontsika taorian’ny fizahana toetra ny finoantsika (jereo ny Etera 12:6) dia fanehoana izay mampitombo sy mampatanjaka ny fatokiana ananantsika.

“Ny fahazoana antoka, ny asa ary ny fanehoana dia mifanampy ao anatin’ny dingana mitohy” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 61–63).

  1. journal iconVitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Manorata fanazavana fohy mikasika ny dikan’ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy.

    2. Fenoy ity famaritana ny finoana omena manaraka ity, araka izay nomen’i Paoly Apôstôly ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 11:1: Ny finoana dia fahazoana antoka ny … , fanehoana ny … (Asio marika na soraty ao amin’ny Hebreo 11:1 io fahamarinana io.)

Mieritrereta fotoana iray izay nangatahana anao hanao zavatra izay nampitebiteby anao ny nanao azy na toa mihoatra lavitra izay vitanao. Mety nohatanjahina angamba ny fahatokian-tena nanananao rehefa nahatsiaro zavatra iray nataonao na niainanao tamin’ny lasa ianao. Izany zavatra niainana teo aloha izany dia nanome porofo izay mety nanampy anao hiatrika olana vaovao niaraka tamin’ny fahazoana antoka fa afaka ny hahomby ianao. Amin’ireo raharaha ara-panahy, ny fanehoana ny fanampian’ Andriamanitra tany amin’ny lasa dia manome antsika antoka rehefa miatrika ny ho avy isika, ary manampy antsika izany mba hanao asa amim-pinoana ao anatin’ny fahatokian-tena amin’ny ankehitriny. Araka ny nampianarin’ny Loholona Bednar, ny fahazoana antoka, ny fanehoana, ary ny asa—izay singa fototra telon’ny finoana—dia miara-miasa rehefa miatrika ny hoavy isika, mibanjina ny lasa ary manao asa amin’ny ankehitriny.

  1. journal iconValio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto manaraka ireto:

    1. Inona no tsy mampitovy ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny finoana fotsiny ihany ny fisiany?

    2. Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ilay tantaran’ilay zatovovavy avy any Filipina ireo singa telon’ny finoana izay nofaritan’ny Loholona Bednar?

    3. Lazalazao ny fotoana nampiharanao finoana an’ny Tompo.

Vakio ny Hebreo 11:2–5, mba hitadiavana ireo ohatra nampiasain’i Paoly mba hanehoana ny zavatra mety hitranga rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ny olona. Ilay andian-teny hoe “izany no nahatsara laza ny ntaolo” ao amin’ny andininy 2 dia midika fa nahazo fijoroana ho vavolombelona ireo zokiolona.

Vakio ny Hebreo 11, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Paoly momba ny finoana.

Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ny Hebreo 11:6 ny hoe mba hahazoana sitraka avy amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy mampihatra ny finoantsika isika amin’ny alalan’ny fanatonana Azy, ny finoana Azy, ary ny finoana fa mamaly soa ireo izay mikatsaka Azy amim-pahazotoana Izy. Soraty ao amin’ny andininy 6 io fahamarinana io.

Vakio ny famaranana ny tantaran’ilay tovovavy avy any Filipina mba hitadiavana ny zavatra nitranga satria nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy izy:

Rehefa nandeha nandoa ny vola hividianana ireo entana hafa ilay zatovovavy dia nangarona ny paosiny izy ary nahatsapa vongan-taratasy matevina. Rehefa nosokafany izany dia nahita vola taratasy dimy fanampiny izy, izay samy nitentina 20 pesos isan’isany, izay voafonon’ilay vola taratasy 20 pesos sisa nananany. Tamin’izay fotoana izay dia fantany fa ampy ny vola hividianana ireo zavatra ilain’ny fianakaviany sy handoavana ny saran-dalan’ny fianakaviany mankany am-piangonana. Nanazava io zatovovavy io fa nandritra io zavatra niainany io dia nahatsapa ny fanampian’ Andriamanitra sy ny fitiavan’ Andriamanitra azy izy. Rehefa tonga tany an-trano izy dia nisaotra ny Ray any An-danitra noho ilay fahagagana (Narindra avy tamin’ny horonantsary hoe “Pure and Simple Faith,” LDS.org). Afaka mino isika fa mamaly vavaka amin’ny fombany manokana sy amin’ny fotoany manokana ny Tompo.

sary famantarana ny horonantsary Raha afaka mampiasa Internet ianao dia azonao atao ny mijery ilay horonantsary hoe “Pure and Simple Faith” (5:22), izay hita ao amin’ny LDS.org.

Inona ny fanehoana azon’io tovovavy io avy amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?

Mety ho amin’ny fomba ahoana no hanampian’io zavatra niainana io an’ilay tovovavy hampihatra finoana amin’ny ho avy?

Rehefa manao jery todika ireo fanehoana tany amin’ny lasa isika fa efa nanampy antsika Andriamanitra dia afaka ny hahazo antoka isika fa hanampy antsika indray Izy amin’ny ho avy. Noho io fanehoana sy fahazoana antoka io dia afaka mino isika mba hanao asa amin’ny ankehitriny. Raha manohy miasa amim-pinoana isika dia hitohy io dingana io ary hitombo tanjaka hatrany ny finoantsika.

Eritrereto ny asa ombam-pinoana mila ataonao eo amin’ny fiainanao. Mino ve ianao fa hanampy anao Andriamanitra rehefa manao asa ianao? Azonao atao ny manoratra tanjona iray mba hanatanteraka ny iray amin’ireo bitsika mety efa azonao nandritra ity lesona ity. Rehefa manatanteraka ny tanjonao ianao dia hahazo ny fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra anao.

Hebreo 11:7–40

Nanome ohatra mikasika ireo olo-marina avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampihatra finoana i Paoly

Inona avy ireo toe-javatra sasany hatrehanao amin’izao fotoana izao na hatrehanao amin’ny ho avy izay mitaky ny hampiharanao finoana an’i Jesoa Kristy?

Eo am-pandalinanao ny Hebreo 11:7–40, dia tadiavo ireo fitahiana avy amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy.

Nanome ohatra mikasika ireo olo-marina avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampihatra finoana i i Paoly Apôstôly. Izany dia nataony mba hanomezana antoka ireo mpamaky ny asasorany fa hotahiana ihany koa izy ireo amin’ny fampiharana finoana. Vakio ny Hebreo 11:1, mba hitadiavana ny teny hoe “finoana.” Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny ireo ao amin’ny soratra masinao.

Vakio ny Hebreo 11:7 mba hitadiavana ny fomba nampiharan’i Noa finoana. Inona avy ireo fitahiana noraisin’i Noa noho izy niasa tamim-pinoana?

  1. journal iconVakio ireo ohatry ny finoana ao amin’ny telo na mihoatra amin’ireo andinin-tsoratra masina hita ao anatin’ilay tabilao miaraka amin’ny lesona. Rehefa mamaky azy ireo ianao dia tadiavo ny fomba nampiharan’ireo olona finoana sy ny fitahiana noraisin’izy ireo. Ataovy sary ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay tabilao misy ireo andinin-tsoratra masina nosafidianao, dia ampidiro ao ireo eritreritrao mikasika ireo olona izay hitanao tao anaty soratra masina. Ampidiro ao anatin’izany ihany koa ny lisitr’ireo fitahiana mitovy amin’izany izay antenainao horaisina amin’ny alalan’ny fampiharana finoana ny Mpamonjy.

Soratra Masina

Ireo olona nampihatra finoana

Eritreritra

Ireo fitahiana antenaiko ho azo

Hebreo 11:8–10

Abrahama

Hebreo 11:11–12

Saraha (Saraha vadin’i Abrahama)

Hebreo 11:17–19

Abrahama, Isaka

Hebreo 11:20–21

Isaka, Jakoba

Hebreo 11:23–28

Mosesy

Hebreo 11:29–31

Zanak’Isiraely, Rahaba (jereo ny Josoa 2:1–22)

Vakio ny Hebreo 11:13–16, mba hitadiavana ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Abrahama, Saraha, ary ireo olona hafa mikasika ny fampiharana finoana. Ny teny hoe “tsara lavitra” ao amin’ny andininy 16 dia milaza ny fiainana mandrakizay.

Maro amin’ireo fampanantenana nomena an’i Abrahama sy Saraha no tsy tanteraka nandritra ny fahavelomany. Nahoana araka ny eritreritrao no nijanona ho mahatoky izy ireo na dia tsy nandray teto amin’ity fiainana ity ny fampanantenan’ Andriamanitra rehetra aza? Afaka manampy antsika hijanona ho mahatoky amin’ny fomba ahoana ny ohatra nasehon’izy ireo?

Vakio ny Hebreo 11:32–35, mba hitadiavana ireo fitahiana hafa izay tonga teo amin’ireo izay nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao.

Vakio ny Hebreo 11:36–40, mba hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ny olona maro na dia nahatoky aza izy ireo.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Hebreo 11:40 dia mivaky toy izao: “Fa Andriamanitra efa nanome izay tsara lavitra ho azy ireo tamin’ny alalan’ny fijalian’izy ireo, satria raha tsy nijaly izy ireo dia tsy azo notanterahina” (Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 11:40 ). Jereo ireo fitahiana nampanantenaina ireo rehetra izay mampihatra finoana an’i Kristy.

Fahamarinana iray afaka ny ho hitantsika avy amin’ny ohatra nasehon’ireo olona mahatoky ireo ny hoe: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka hiaritra fijaliana, hanatanteraka fahagagana, handray fampanantenana avy amin’ Andriamanitra, hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy, ary handroso mankany amin’ny fahatanterahana.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny olona iray fantatrao fa ohatra amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy. Inona ireo fitahiana efa hitanao tonga teo amin’ny fiainan’io olona io satria nampihatra finoana izy?

Eritrereto indray ireo toe-javatra izay mitaky ny hampiharanao finoana an’i Jesoa Kristy. Mitadiava fahafahana hatokiana ny fampanantenany sy hanaovana asa amim-pinoana izay hanasa ny fitarihany sy ny fitahiana avy Aminy.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Hebreo 11 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: